vahona sy tantely

1. flodine ( 17/02/2009 21:48)
Inona daholo no aretina mety hoafak'io rehefa avy nampifangaroina iny? Dia manao ahoana ny fomba fihinana azy?
Mety @olona bevoka koa ve ny mihinana azy?
Misaotr mialoha @ zay handray anjara tompoko.
..........Tao @ resaka fahasalamana no nasiako io fa tsy misy mandray anjara de nafindrako ato.
2. soanja ( 18/02/2009 07:16)
Efa hatramin'izay fahaNtaolo dia nampiasa ireo fanafody roa ireo ny razantsika saingy kosa tsy fantatro indray ny fampifangaroana an'ireo.

Ny vahona aloha ny tena fampiasako dia ampiasaina ety ivelan'ny hoditra fa tsy any anaty na hohanina ka manalasala be ny hanome anao hevitra tsy mbola natao.
Na izany anefa na tsy izany dia fanafody manampy amin'ny fikorianan'ny ra ny rom-bahona, manampy koa mandamina ny tosidra tsy hiakatra, manampy mampahery taolona sy vanin-taolana, manalefaka ny tohana tsy mikaka, mandio ny any anaty rehetra any rehefa avy nanao traitement ka feno fanofody simika any anaty ary indrindra manampy amin'ny fampiakarana ny selafotsy miady amin'ny aretina mila hikiky. Manome hery koa izy ka tsara ho an'olona tia manao spaoro satria mamelombelon'aina. Mampanena tena koa izy indraindray ho an'ireo izay mahavatra manaraka ny spaoro no sady misotro azy.

2 ny sotrokelin-dite isanandro no ampy dia izay.

Fadina ny mihinana azy ho an'ny vehiavy bevohoka, sy ireo izay marary aty sy misy aretin-koditra isan-karazany: mangidihidy.

Tsy tsara ho an'ny vehivavy misy fadin-dra no misotro rom-bahona, mampandoa koa izy indraindray noho ny tsirony, ny

Ny tantely indray koa dia ny ety ivelany no ampiasaina azy matetika fa tsy any anaty raha fanafody kosa saingy manana ny heriny amin'ny fanasitranana izy na any anaty aza. Manampy amin'ny fitoniana ny saina, mamelombelona ny any anaty, manampy amin'ny fandevonan-kanina, ny vanin-taolana ary ny tsara lavitra noho ny siramamy. Miankina amin'ny hatsaran'ny tantely anefa izany satria arakaraky ny mahamatroka ny tantely no mahabe mineraly azy sy miakina koa amin'ny hazo manome ny voninkazo handehanan'ny tantely ny otrik'aina ao anatin'ny tantely. Mila mitandrina ny fampiasana ny tantely noho izy be mamy loatra.
3. Mirananirina ( 18/02/2009 11:23)
inona moa ilay vahona azafady
4. ni81 ( 18/02/2009 12:08)
mila mandalo kely eny ambanivohitra i mirananirina mijery an! :)
Matetika izy dia misy maniry eny ambony fasana, na tena ambolen'ny olona mihitsy,.

http://fr.wikipedia.org/wiki/Alo%C3%A8s
5. Mirananirina ( 18/02/2009 12:11)
Misaotra anao ry ni81 nanoro
6. xxx ( 18/02/2009 12:59)
tantely aman-bahona hono ny fiainana e

"remède tout" hono izy io rehefa afangaro
7. flodine ( 18/02/2009 15:52)
soanja:
misaotra namali akia, fa mbola manantena zay afaka manome hevitra vao2
Efa hatramin'izay fahaNtaolo dia nampiasa ireo fanafody roa ireo ny razantsika saingy kosa tsy fantatro indray ny fampifangaroana an'ireo.

Ny vahona aloha ny tena fampiasako dia ampiasaina ety ivelan'ny hoditra fa tsy any anaty na hohanina ka manalasala be ny hanome anao hevitra tsy mbola natao.
Na izany anefa na tsy izany dia fanafody manampy amin'ny fikorianan'ny ra ny rom-bahona, manampy koa mandamina ny tosidra tsy hiakatra, manampy mampahery taolona sy vanin-taolana, manalefaka ny tohana tsy mikaka, mandio ny any anaty rehetra any rehefa avy nanao traitement ka feno fanofody simika any anaty ary indrindra manampy amin'ny fampiakarana ny selafotsy miady amin'ny aretina mila hikiky. Manome hery koa izy ka tsara ho an'olona tia manao spaoro satria mamelombelon'aina. Mampanena tena koa izy indraindray ho an'ireo izay mahavatra manaraka ny spaoro no sady misotro azy.

2 ny sotrokelin-dite isanandro no ampy dia izay.

Fadina ny mihinana azy ho an'ny vehiavy bevohoka, sy ireo izay marary aty sy misy aretin-koditra isan-karazany: mangidihidy.

Tsy tsara ho an'ny vehivavy misy fadin-dra no misotro rom-bahona, mampandoa koa izy indraindray noho ny tsirony, ny

Ny tantely indray koa dia ny ety ivelany no ampiasaina azy matetika fa tsy any anaty raha fanafody kosa saingy manana ny heriny amin'ny fanasitranana izy na any anaty aza. Manampy amin'ny fitoniana ny saina, mamelombelona ny any anaty, manampy amin'ny fandevonan-kanina, ny vanin-taolana ary ny tsara lavitra noho ny siramamy. Miankina amin'ny hatsaran'ny tantely anefa izany satria arakaraky ny mahamatroka ny tantely no mahabe mineraly azy sy miakina koa amin'ny hazo manome ny voninkazo handehanan'ny tantely ny otrik'aina ao anatin'ny tantely. Mila mitandrina ny fampiasana ny tantely noho izy be mamy loatra.



8. xxx ( 18/02/2009 16:12)
ambavy be koa izany resaka izany
9. fahamarinana ( 18/02/2009 17:18)
:arrow: xxx7 : koa resa-behivavy anie e! :) (l)
10. sitraka1 ( 18/02/2009 19:25)
Ny olona rehetra salama zany afaka mihinana azy tsara, ohatry ny hoe hisorohana ny aretina mety hisy zany ny vahona raha azoko tsara. saingy tsy hanina fotsiny rehefa tonga fadimbolana. Ary raha sanatria ka mihinana rehefa tonga fadimbolana, inona no mety ho fiantraikany?
11. ikaretsaka ( 18/02/2009 19:53)
ny ahy tsy haiko hoe ody inona sy inona fa lasa zatra fotsiny @ ilay tsy misy rano madio azo antoka hosotroina tany @ dezaka ireny dia ilay mila mitanika ...
Ireny rano ireny dia na fantsakana aza no angalana azy dia misy tsirony somary matsaboka izay!
dia matetika mba hamonoana izay tsirony izay dia tsy tanehana @ izao fa asiany zavatra hafa dia lasa karazana tambavy izany.. dia anisan'ny raha tanehany miaraka @ rano ao ny vahona, ny katrafahy , sns... izany ravimboafotsy sy talapetraka sns... izany moa tsary maniry any...
dia iny no gohana rehefa main'ny hetaheta!
dia lasa fahazarana le izy.. homan-drama misy aho fa ny hoe fanafodfy zatsy sy zaroa de tsary haiko loatra hoe inona no inona!
12. sitlo ( 19/02/2009 17:35)
Ny vahona izany dia manasitrana fery. Na ivelany na ao anaty. Izay no antony hoe hitsaboana aretim-bavony sy tsinay ilay izy satria manasitrana ireo kika. Tsy mandeha irery anefa izy satria raha tsy voavaha ny antony nahatonga ilay kika dia ny eo sitrana, ny eo maratra ihany.
Ampiasaina koa izy amin'ny angadrano. Satria mantsy misy ratra amin'iny, dia ny vahona no aosotra aminy hanasitrana ny fery. Fa tahaka ny teo ihany, raha tsy hay ny nahatonga ilay angadrano dia na sitrana aza dia mivoaka indray avy eo.

Ny antony ampiasana ny tantely miaraka aminy indray dia izao. Ny tantely dia mamy, mitondra otrikaina sady madidy. Ny vahona indray dia mangidy be. Ka ny anafangaroana ny vahona amin'ny tantely dia ny mba ahafahana hitelina azy. Ny antony anafangaroana azy indray amin'ny angadrano dia ny mba hipetahan'ilay ranona vahona tsara amin'ny hodi-doha, ny mba hampaharitra izy, ary ny mba hanenana ny oxygene hiditra amin'ilay angadrano. Ny angadrano mantsy tahaka ny olatra ihany, mila miaina.

Dia izay sy izay ary ny angano androany fa dia mazotoa mihaino ny radio sitlo.
13. ni81 ( 19/02/2009 17:38)
Dia izay sy izay ary ny angano androany fa dia mazotoa mihaino ny radio sitlo.
=)) =))
14. sitlo ( 19/02/2009 18:06)
tsy miteniteny aho ka ;-)
15. soanja ( 20/02/2009 05:16)
Mahafinaritra ahy ny mihaino Radio Sitlo! :D :D
16. xxx ( 24/02/2009 06:20)
marina ny voalazan'i sitlo satria raha misy sipa vao avy novakiana ireny ka tsy tiana ho hita be ilay fandeha somary mibakabaka dia sasana amin'ny vahona dia tsy maninona izany hoe sady tsy mangirifiry no tsy manaintaina(vahona nampangotrahana) :lol: :lol: :lol: :lol: foana hatreo ny tebitebin'izay mbola tsy vaky e
17. ikaretsaka ( 24/02/2009 16:48)
efa henoko koza io an'i xxx io fa tsy haiko raha myth na inona.. fa le mifampiresaka @ ireny ry zalahy tany atsimo ireny sendra naka vahona no nanontaniako hoe hatao inona dia io nolazain'i xxx io mihitsy

ny filazany aza t@ izany de hoe ampiarahana @ katrafahy hono de hanasana fivaviana...

gaga izy nahita ahy nanapaka vahona niaraka tamin'ilay olona teo koa manko dia noheveriny fa mitovy @ ny azy ny ilavako azy!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5107