Antso avo Fihaonambem-pirenena Conférence Nationale

1. nygasysoafifameno ( 17/02/2009 00:31)
Antso avo ho antsika malagasy tia tanindrazana na eto Madagasikara na aty ivelana
Tandindomin-doza ny tanindrazantsika diso ady atao diso toerana iadivana diso fitaovana enti-miady diso hery iadivana 49 taona 1960-2009 lalam-pifidianana sy lalam-panorenana lonaka anaty fitaka sy sandoka..., Tsy mba nahay nifanome tànana hitondra miakatra firenena... Tsy ampy hay sy soa fijery mitambatra. Na herisetra hifamono andripaka ny sisa tavela miampy ny Kirizy eran-tany, na ny fanaovana Pedagojia mitory fanabeazana maha olom-pirenena no vahaolana matotra sy maharitra. Hatao eto Madagasikara ny 15 jolay 2009 ka hatramin'ny 31 jolay 2009 ny 15 andro
Conférence Nationale Pédagogique Citoyenne
Azonao jerena ao amin'ny
http://madagascar-animation-culturelle.blogspot.com ny momba izany. Misaotra anareo ampita maika izao hafatra izao fa efa latsaka an-katerena ny zava-misy eto Madagasikara mila fanoanana avy aminareo izahay maniry hanavotra ny firenena.
Aza adino koa ny mamangy ny site
http://wwwmadagascar-animation-culturelle.net
2. ndenn ( 17/02/2009 02:20)
nygasysoafifameno:

Antso avo ho antsika malagasy tia tanindrazana na eto Madagasikara na aty ivelana
Tandindomin-doza ny tanindrazantsika diso ady atao diso toerana iadivana diso fitaovana enti-miady diso hery iadivana 49 taona 1960-2009 lalam-pifidianana sy lalam-panorenana lonaka anaty fitaka sy sandoka..., Tsy mba nahay nifanome tànana hitondra miakatra firenena... Tsy ampy hay sy soa fijery mitambatra. Na herisetra hifamono andripaka ny sisa tavela miampy ny Kirizy eran-tany, na ny fanaovana Pedagojia mitory fanabeazana maha olom-pirenena no vahaolana matotra sy maharitra. Hatao eto Madagasikara ny 15 jolay 2009 ka hatramin\'ny 31 jolay 2009 ny 15 andro
Conférence Nationale Pédagogique Citoyenne
Azonao jerena ao amin\'ny
http://madagascar-animation-culturelle.blogspot.com ny momba izany. Misaotra anareo ampita maika izao hafatra izao fa efa latsaka an-katerena ny zava-misy eto Madagasikara mila fanoanana avy aminareo izahay maniry hanavotra ny firenena.
Aza adino koa ny mamangy ny site
http://wwwmadagascar-animation-culturelle.net

Efa nisy firy moa ny programmes pédagogiques nampandalovina tao Mada tao raha fantatrao Atoa nygasysoafifameno raha tsy hiresaka afatsy ny fanabeazana fotsiny isika ? hatramin\' ny 1960 no nankaty ? afaka hohamarininao vé fa tsy nahay nandanja ny fifandonana tamin\'ireo mpanjana-tany ireo vahoaka marobe namoy ny ainy tamin\'izany vanim-potoana izany ? araka ny fanisana nataon\' ny sampana iraisam-pirenena ,teo anelanelan\' ny fanjanahana sy fahaleovantena saritsariny izay nozaraina dia + de 140 millions et des poussières no olona maty ( voavono ) raha tsy hiresaka afatsy ny continent africain sy ny nosy tao amin\'ny oseana indiana isika , ny tamin\' i Mada nanokana dia + de 2 millions 800 milles no voaripaka ( 1894 -1959 ).Hoy ianao hoe tsy nahay nifanome tànana nampiakatra ny firenena ho amin\'ny inona ? araka ny sainao ? tsy ampy fahaizana sy fijerena nitambatra nanoloana ny inona marina raha tena mba namakafaka sy nandalina tsara ny tantaran\' i Madagasikara ianao ? Amiko dia tsy mazava koa ny teninao momba ny fifandripahana sy ny krizy eran-tany ,inona no hidiran\'ny pédagojiam-panabeazana ny olom-pirenena lazainao fa matotra sy maharitra amin\'izany manoloana ny hamafisan\' ny fiainana eto an-tany ? izay efa ho 7 milliards olombelona atsy ho atsy ? Raha tena jerena ny hevitrao momba ny fiainam-pirenena hatramin\' ny nanjanahana ny firenena dia tsy ampy ary tsy feno be dia be , manao fitsarana miangatra ny tantaram-pirenena ianao raha izany no nahitanao ny zava-nitranga hatramin\'izay ka hatramin\'izao . Ny momba ny site na ny filatsahanao ho filoha ho fidiana ,dia ataoko fa azo avalona hatao tahirinao manokana ka tehirizo tsara ho ataonao ho rakitry ny ela sy tadidy ho an\'ny zanaka aman-jafy any aoriana .Miala tsiny amin\' ny fihavanana fa tsy vitan\' ny fisehoana indray mipihi-maso ny fiainam-pirenena ka atao ady vomangan\' Ikirijavola , ny banga no sesefana .Mandra-pitafa indray .!

3. rabingogilabanga ( 17/02/2009 09:19)
d'acc aminao à 90% aho, ny hevitra toy itony matetika dia tsy misy mpamaly firy, satria nhoanaa? va savoir. hita amin'izany fa faly hi-fampiprovoqur fotsiny sy hifanao INVECTIVE fotsiny, ry NOUE, ry kidoro, ry peguin, ry YUKA, de izay, de miverimberina ny sujet. sa ny niveau mihintsy ve no tsy ao; sa kosa faly ny hifandramatra

nefa anie ka tentative na solution @ sortie de crise o lazainy e!

on peut être d'accord ou pas, ce n'est ça l'important ry NDENN a! ny anao dia tonga dia mi-casser ny elan ny sasany no ataonao. nefa io lazainy io dia misy be dia be azo raisina

ny hevitro:

1)izao dia izao no tokony hatao ny conference nationale, mois de juillet izany tsy hay izay hiseho (firy ny ho faty, directoire militaire ve?, dictature conforté de RAVALO ve ? Gouvernement de transition de andry ve? asa fa mety hisy koa ny interdiction tsy azo anaovana conference nationale,tout peut arriver! @ izany.

2)Sokafy kely le sehatra, mba hanana'ny tsirairay sentiment d'appartenance na koa paternité @ ilay conference nationale, fa rah ianao no hamaritra ny lohahevitra sy ny daty hanaovana azy dia toa tery loatra ilay izy. hoatran'ny hoe conference-nao ilay izy fa tsy nationale akory.

3)Vonona hiara-hiasa aminao aho, satria NA TGV , NA RAVALO efa tsy izy intsony, na dia ho anisan'ireo hasaina koa izy ireo, satria force non-negligeable, saing tsy ho izy roa intsony ny ho-majoritaire, satria samy leo azy ireo ny gasy . ity ny adiresy: rabingogilabangasolapetaka@yahoo.fr

manantena retour e!

ary aiza hoa i sipagasy e! tena très très belle an!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0872