Andriamanitra sy ny Baiboly

1. Fody ( 14/02/2009 23:55)


Andriamanitra mpanasitrana!
Andriamanitra mpamaha olana!
Andriamanitra mpanao fahagagana!
Andriamanitra mahery tsy resin'iza na iza ka tena mahery izay manana azy.... sns......

Izay no re etsy sy eroa, torian'ireo havana kristiana.... Marina izany, saingy marina tapany ihany. Ary fanantenana paokaty no entiny satria tsy mahatohitra ny rivo-maherin'ny fiainana akory.

Firifiry moa ny kristiana namohy fo, diso fanantenana tanteraka ka very finoana, sns...?

Firifiry ireo olona mihevitra fa ny Baiboly dia mahavaha ny olona rehetra mianjady amin'ny tena? Ary misy aza ny mahavatra manome toko sy andiny hovakiana mifanaraka amin'ny zava-misy mianjady amin'ny tsirairay.... Izay ve anefa ny Baiboly?

Firifiry koa ireo mihevitra fa n Baiboly dia tena Andriamanitra mihitsy? Izany ve anefa no izy?

Ahoana ny hevitrao....

Am-pitiavana be
novalian'i fijo ny 06/03/2009 22:03
2. ikaretsaka ( 15/02/2009 03:03)
Miombonkevitra aminao aho le @ le hoe firifiry no mihevitra fa ny baiboly de Atra
3. soanja ( 15/02/2009 22:27)
Iombonako ny hevitra.

Fitaovana mahasoa ny baiboly fa tsy fiafarana velively. Tsy misy fetra Andriamanitra.
4. rahery08 ( 17/02/2009 06:33)
Ny finoana mihintsy no tsy ampy ka mahatonga antsika hanao hoe marina tapany izany!

Raha raisinao @ finoana ny tenin'Atra dia tena marina fa tsy hoe marina tapany,

Ny Baiboly dia tenin'Atra, manambara ny asan'Atra,

Rah miray amiko ianareo hoy ny Tompo dia angatao izay tianareo na inona na inona fa ho tonga @ nareo izany,

Ny firaisana @ Tompo dia, ny fankatoavana ny teniny,

Kristy velona ato anatiko, hoy ny Apostoly Paoly

5. Fody ( 17/02/2009 09:29)
rahery08:
Ny finoana mihintsy no tsy ampy ka mahatonga antsika hanao hoe marina tapany izany!

ka aminao ve izany Andriamanitra dia toy izao fotsiny: mpanasitrana, mpamaha olana, mpanao fahagagana, mahery tsy resin'iza na iza ka tena mahery izay manana azy ....

Raha raisintsika ny Baiboly moa ve izay ihany no voalaza ao? Ary raha mbola ampiana ny zava-misy iainan'ny mpino dia vao maika raharaha satria firifiry ny mpino matin'aretina, firifiry ny mpino no sahiran-dava amin'ny fiainana, firifiry ny mpino voahiliky ny fiaraha-monina, sns.... Dia sahinao ve ny milaza fa tsy ampy finoana ireny olona rehetra ireny???

rahery08:
Raha raisinao @ finoana ny tenin'Atra dia tena marina fa tsy hoe marina tapany,

Tsy ny tenin'Andriamanitra rahery no lazaiko hoe marina tapany fa mba mamaky tsara vao mamaly.

rahery08:
Ny Baiboly dia tenin'Atra, manambara ny asan'Atra,

Fa tsy Andriamanitra ny Baiboly, ary aza adino fa izay nanoratra azy dia tsy Andriamanitra fa olombelona manam-petra ihany. Noho izany voafetra ny Baiboly, ary manana ny fetrany.

rahery08:
Rah miray amiko ianareo hoy ny Tompo dia angatao izay tianareo na inona na inona fa ho tonga @ nareo izany,

Na mbola tsy mangataka aza ianareo dia fantatry ny Ray izay ilainareo, hoy koa izy.

rahery08:
Ny firaisana @ Tompo dia, ny fankatoavana ny teniny,

Ny teniny dia tsy izay voasoratra ihany, ary tsy voafetra ao anatin'ny Boky.

Kristy no tena Tenin'Andriamanitra. Ary Kristy dia tsy Baiboly velively, fa Tenin'Andriamanitra, izany hoe Logos fa tsy biblia (=livres) na biblios (=livre)

rahery08:
Kristy velona ato anatiko, hoy ny Apostoly Paoly

Kristy no nankatoavin'i Md Paoly fa tsy Boky akory.
Am-pitiavana be.
6. ikaretsaka ( 18/02/2009 04:26)
Ary ny nahagaga dia I paoly rehefa nitoey teny dia tsy nampiasa sy mitsimpona bokikely ka mitsongo kely ny voasoratr I marka fa matetika dia ny opinion ny sy ny zava nitranga par contexte sy @ ankapobeny no nolazainy.
7. rahery08 ( 18/02/2009 06:07)
Maro ny tantara voasoratra ao @ Baiboly izay milaza fa tsy izay heverin'ny saina homarina akory no marina: toy ny tantaran Josefa, Job, Jesosy ...
Misy hevitra lalina tian 'ny Tompo Hitondrana ny tsi-1-1, mety ratsy no andraisantsika azy @ voalohany, nefa dia mahasoa antsika any aoriana,
8. rahery08 ( 18/02/2009 06:38)
Ny aretina, ny fahasahiranana, ny fanilikiliana, sns...tsy midika akory ireny zava-mitranga ireny hoe, faharesen\'ny Mpino, eny fa na dia fahafatesana aza, fa izao no voalaza: Izay mahatoky hatramin\'ny fahafatesana no mahazo satro-boininahitry ny fiainana!

Ka raha misy fahoriana, fanenjehana, fankahalana, fahasahiranana, ....noho ny finoana an\'i Kristy! dia ampaherezin\'ny tenin Atra hoe mahareta, fa ny fahoriana izay hiainanao vety² dia tsinotsinona ihany mihoatra ny fiainana mandrakizay izay omen\'ny Tompo,

Ny anton\'ny nanoratana ny Baiboly mihintsy no tsy azon-tsika indraindray, fa naninona no nosoratana ny Baiboly, ary nadika t@ fiteny maro, ary naparitaka eran\'ny Tontolo?
Ny Fahamasinan\'Atra, ny hasaro-piaron\'Atra, ny Famindra-pony sy ny fitiavany,
Ireo no miverimberina ao à tantara voasotra ao @ baiboly ( araka ny hevitro aloha izay, tsy hiombonako aminao raha lavinao, avereno aty amiko raha toa ka diso):

Fahamasinan\'Atra: ireo lalana nomen\'Atra ho tanterahana
Fahasoro-piaron Atra: famaizan Atra ireo mivily
Famindra-po Atra: Manenina ny @ loza, mamboatra lalana hamonjena.

« fa voasoratra izao, mba hinoanareo fa Jesosy no Kristy, Zanak\'Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin\'ny anarany, raha mino ianareo. » (Jaona 20:31)

Voafetra ny Baiboly hoy Fody ary manana ny fetrany: Inona no tianao ambara @ zany?
Ny firaisana @ Jesosy, izay no takian\'ny Tompo amintsika.
Raha misy olana mianjady aminao, resaho ny Tompo, inona no tokony ataoko hoe à zao zavatra izao? ny Tompo mamaly anao! tsy voatery ho hitanao ao @ Baiboly daholo akory izay karazana vahaolana raha toa ka misy ny olana, fa ny firaisana à Tompo mandrakariva no ahitan-tsika vaha-olana.

Mirarisoa ho an rehetra
9. tidegrow ( 18/02/2009 07:55)
Fody:



Andriamanitra mpanasitrana!
Andriamanitra mpamaha olana!
Andriamanitra mpanao fahagagana!
Andriamanitra mahery tsy resin'iza na iza ka tena mahery izay manana azy.... sns......

Izay no re etsy sy eroa, torian'ireo havana kristiana.... Marina izany, saingy marina tapany ihany. Ary fanantenana paokaty no entiny satria tsy mahatohitra ny rivo-maherin'ny fiainana akory.

Firifiry moa ny kristiana namohy fo, diso fanantenana tanteraka ka very finoana, sns...?

Firifiry ireo olona mihevitra fa ny Baiboly dia mahavaha ny olona rehetra mianjady amin'ny tena? Ary misy aza ny mahavatra manome toko sy andiny hovakiana mifanaraka amin'ny zava-misy mianjady amin'ny tsirairay.... Izay ve anefa ny Baiboly?

Firifiry koa ireo mihevitra fa n Baiboly dia tena Andriamanitra mihitsy? Izany ve anefa no izy?

Ahoana ny hevitrao....

Am-pitiavana be


izao no izy fa sao bedin'Andrimanitra eo ianao
efa volaza fa katsaho aloa ny fanjakan'ny lanitra dia anapy anao ny zavatra rehetra.ny ahitra izay ho maina aza tafiany lamba bozaka maintso voa maika moa fa isika.fa tsy izay manao hoe tompoko tompoko no hiditra @ fanjakan'ny lanitra fa izay manao ny sitrapon'i raiko

10. ikaretsaka ( 18/02/2009 15:28)
Ka io samy mikatsaka
Ary samy manampy tokoa ny zavatra rehetra fa tsy ry sy zaroraka ihany
11. coopsal ( 19/02/2009 13:44)
Raha azoko ny fanontaniana dia hoe : aminao, iza Andriamanitra ary inona ny Baiboly ?
==>
Andriamanitra : miombona amin'ireo razantsika aho raha manambara izy ireo fa Andriamanitra, dia Zanahary, izay namorona (nahary) ny zavatra rehetra.
Baiboly : boky maro mirakitra izay antsoiny (sy antsoiko koa) hoe Soratra Masina.

Ao anatin'ny fanontaniana ve ny hoe : inona no ifandraisan' Andriamanitra sy ny Baiboly (amiko) ?
Amiko, Ny Baiboly (Soratra Masina) dia manambara an'i KRISTY! I Kristy izay inoako no nilaza an'izany, araka ny voasoratra hoe : "Dinihinareo ny Soratra Masina, satria heverinareo fa ao no ahitana fiainana, ary ireny no manambara ahy ..." [Joany 5:39,40]. Ary KRISTY, izay ambaran'ny Baiboly dia tsy iza fa Andriamanitra Mpamonjy.
Hoy ny voasoratra ao amin'ny [Jaona 1:1] hoe : "Ary tamin'ny voalohany ny teny, ary ny teny dia tao amin' Andriamanitra, ary ny teny dia Andriamanitra".

Misy fanoharana ireto :
- misy ny menu, izay manambara ny sakafo, ary misy ny sakafo izay ambaran'ny menu.
- misy ny plaque, izay manondro toerana, ary misy ny toerana izay tondroin'ny plaque.

Koa amiko, misy ny Baiboly manambara an'i KRISTY, ary velona KRISTY izay ambaran'ny Baiboly.

Niainako :
Izaho na dia kristiana iringiriny hatry ny fahakely aza, dia nisalasala raha toa ny baiboly ka tena avy amin'ilay Mpahary tokoa.
Tsy dia nataoko vain-dohan-draharaha akory ny hikatsaka ny marina na dia somary nandalovan'ny saiko ihany aza.
Indray Alakamisy ny taona 2004, namoy fo tanteraka aho ary niverimberina tao anatiko ireo olako hatrizay, sy olana iray goavana natrehiko ary tsy afako efa ho herin-taona! Niaraka tamin'izany ny fanontaniana maro be "fa nahoana ?". Tonga tao anatiko tamin'izay ny vavaka hoe : "raha misy marina ianao Jesosy dia lazao amiko ny anton'izao", tonga tao anatiko ihany ny valin-teny hoe "raha tsy nisy an'izao ianao tsy ho nitodika tamiko". Ankoatra io valin-teny goavana izay hanova ny fijeriko manontolo sy ny fahalalako io, dia namaly ireo fanontaniako rehetra KRISTY. Koa nanomboka teo dia tsapako ny maha "Tenin' Andriamanitra velona" an'i KRISTY. Fa tsapako izay nambaran'ny Apostoly Paoly hoe : "Amin'izao farany izao dia miteny amintsika amin'ny alalan'ny Zanany Andriamanitra" [Hebreo 1:1]

Misaotra anareo naharitra namaky. Mety ho nilaina na tsia ny nambarako,
inoako anefa fa na iza na iza mitady an' Andriamanitra amin'ny fo mangetaheta ny fahamarinana, dia hovokisaNy.
12. ikaretsaka ( 19/02/2009 15:16)
Andriamanitra ohatran'ny loharano dia ny baiboly ohatran'ny gourde misy rano t@ io loharano io e!
marina fa ranon'io loharano io no ao anaty gourde fa tsy midika akory izany hoe nahafehy ny caracteristiquen'io loharano io ny rano ao anaty gourde!
13. Fody ( 19/02/2009 20:31)




rahery08:

Dia hono ho'aho rahery: raha ilay fanazavana nentinao io ambony io (n°7) no jerena, moa mpanasitra, mpamaha olana, mpanao fahagaga, .... ve Andriamanitra???

Averiko aminao ilay fanontaniana hoe: Inona no antony nanoratana ny Baiboly àry?
Amiko dia tsy atao fitaovana hamahana olana io. Tsy izany mihitsy no nanoratana azy. Fa nosoratana kosa izy mba hanampy ny tsirairay mba hahalala hoe: IZA KAY IZANY ANDRIAMANITRA INOAKO IZANY ? Ahoana ny fomba hifandraisana aminy ?


Ilay hoe: voafetra ny Baiboly ry namana dia io ohatra nolazain'i Ikaretsaka io no mahalaza azy.

Hanampiako azy dia izao: Andriamanitra irery ihany no tsy manam-petra sy tsy voafetra. Ny Baiboly dia tsy Andriamanitra, noho izany voafetra ihany.

Am-pitiavana be

14. rahery08 ( 20/02/2009 13:12)
15. ikaretsaka ( 20/02/2009 15:58)
[quote=rahery08]
16. Fody ( 21/02/2009 14:47)
rahery08:
Ny finoanao sy ny fahatokianao an Atra hoa no tsy ampy, raha toa ka tsy sitrana ilay oloa iray,

Dia sahinao ve ny milaza fa ireo kristiana rehetra maty noho ny aretina dia tsy ampy finoana daholo?
Na koa hoe: ireo kristiana rehetra nagataka fahasitranana tamin'Andriamanitra ka tsy sitrana dia tsy ampy finoana daholo?

rahery08:
Na mamaha olana Atra na tsy mamaha olana Atra, na manasitrana na tsy manasitrana, na manao fahagagana na tsy, Izay mahatoky azy hatramin'ny fahafatesana no satrohana voninahitra.

Eto ianao dia manohitra izay nambaranao teo ambony. Eo ambony ianao milaza fa tsy ampy finoana sy fahatokisana an'Andriamanitra izay tsy sitrana. Eto indray ianao miteny fa tsy voatery hanao fahagagana, na hanasitrana, na hamaha olana Andriamanitra, ka aiza amin'izany no tena izy???

rahery08:
Asa raha azonao no tiako ambara, raha mijery ny tantaran’ny Job ianao, raha mamaky ny tantaran Jeso ianao, …. Ny fahatokiana an Atra no takin’ny Tompo amintsika !

Raha mamaky ny Tantaran'i Kristy sy Joba aho ry namana dia zavatra tokana ihany no hitako andrasan'Andriamanitra amintsika: Fitiavana Azy sy ny Hafa.

rahery08:
Ny hoe voafetra ny Baiboly dia, ny isan’ny page ao anatiny aloha dia voafetra. Marina izany.

Tsy ny pages ihany no voafetra ry namana. Ny teny ilazana azy koa voafetra satria olombelona no nanoratra azy io fa tsy Andriamanitra.
Ataoko fa na ianao aza sahirana indraindray mitady teny ilazana ny zavatra tsapanao ao anatinao. Ka raha zavatra toy izany aza manahirana sy tsy voateny amin'ny tenin'olombelona, maika fa ny tenin'Andriamanitra ve ho voalaza manontolo amin'ny tenin'olombelona?
Aza adino koa fa tafiditry ny resaka politika ao anatin'io boky io, indrindra ny testamenta taloha.
rahery08:
Fa raha ny fahasoavana raisina avy aminy dia tsy misy fetra.

Ny fahasoavana rakoto dia avy amin'Andriamanitra fa tsy avy amin'ny Baiboly velively. Ny Baiboly dia boky tsy afaka hanome na inona na inona anao. Andriamanitra no manome ny fahasoavana fa tsy ny Baiboly.

Aza adino fa raha tsy misy ny fanilovan'ny Fanahy Masina dia tsy hahazo izay tena voalazan'Andriamanitra isika.
rahery08:
aoka hahay hanavaka, sao dia lasa sampy eo indray ny baiboly.
Andiamanitra no hivavahana fa tsy ny Baiboly.

Dia mahaiza manavaka àry e! Ny fomba fandraisanao ny atao hoe Baiboly mantsy dia toa milaza fa Andriamanitra io aminao, na dia tsy hivavahana aza. Averiko ny hoe: Tsy ny Baiboly no manome ny fahasoavana fa Andriamanitra. Ary Andriamanitra no mahefa ny zavatra rehetra fa tsy ny Baiboly...

Am-pitiavana be.

17. lilbon ( 23/02/2009 12:39)
Milaza aminareo aho!
Aoreno tsara ny finoanareo , aza mino tapatapatapany .
Mahavita ny tratranao saina Andriamanitra .
Am-pitiavana be fa za mino fa ref inoanao fa ny tsy vitan ny herintsainao dia vitan ny tompo ka mino tanteraka ianao de mahagaga ny famonjeny sy mahatalanjona . :)
18. rahery08 ( 24/02/2009 07:00)
19. coopsal ( 24/02/2009 15:19)
rahery & Fody >>>
- Tsy dia hitako loatra ny mahasamy hafa ny hevitrareo.
- Izaho koa tamin'ny vao namaky ilay soratr'i Rahery dia gaga be (tahaka io nahazoan'i Fody azy io) ... fa nahita ny tohiny aho dia nahatsapa hoe kay zavatra hafa mihitsy ilay resaka, fa ny soratra moa dia tsy tena ahatazanantsika ny lantom-peo sy ny tsindrim-peo itenenan'ilay olona loatra, ary izany dia isan'izay mahatonga tsififankahazoan-dresaka matetika.

Aiza ary no hisian'ny fifankahazoana ? Rahoviana ny olona vao hitovy tadin-dokanga, ary hitovy samy marina fa tsy hoe hitovy samy diso ?
Rehefa ny tsirairay no mitovy tadin-dokanga amin'i KRISTY.
Ka hafatra mbola tsy lany daty hatrizao ny hoe : "mibebaha fa akaiky anareo ny fanjakàn'ny lanitra".
Mitodiha amin' Andriamanitra amin'ny fo, fa ny fanjakàn'ny lanitra akory tsy zavatra lavitra, fa eo izy, saingy tsy any ny fonareo no mitodika.

Ny elanelana misy eo amin'ny tany sy ny masoandro dia tsy miova na alina na atoandro, fa ny mahatonga ny alina ho maizina sy mangatsiaka dia satria nitodika ny masoandro ny tany ka tsy mahita ny hazavany sy ny hafanany.
Tahaka Izany, tsy ny elanelana misy eo amin'ny tsirairay sy Andriamanitra akory no miova. Fa matoa ny olona iray mitoetra anaty aizina sy hatsiaka, dia satria nanome lamosina an' Andriamanitra izay Masoandron'ny fahamarinana izy.
Aoka ny tsirairay hampitodika ny fony amin' Andriamanitra, dia ho tanteraka izao :
"Fa Andriamanitry ny faharetana sy ny fiononana anie hampiray hevitra anareo araka an'i Kristy Jesosy.

6 mba ho saina iray sy vava iray no hiarahanareo mankalaza an'Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika.

7 Koa mifandraisa hianareo tahaka ny nandraisan'i Kristy anareo koa ho voninahitr'Andriamanitra.
" [Romana 5-7]
20. ikaretsaka ( 24/02/2009 16:41)
Ny elanelana misy eo amin'ny tany sy ny masoandro dia tsy miova na alina na atoandro, fa ny mahatonga ny alina ho maizina sy mangatsiaka dia satria nitodika ny masoandro ny tany ka tsy mahita ny hazavany sy ny hafanany.


miova ka.. tokony mba mianatra kaly ny momban'ny
equinoxe. azimuth, solastices sns ihany aloha vao miteny ..sa?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0982