Madagasikara ambanin\'i Frantsa

1. sitlo ( 13/02/2009 15:39)
Na aiza na aiza alehan\'i Madagasikara dia ao ambany vahoan\'i Lafrantsa foana izy. Hafa tsy ao Afrika angaha:

ao amin\'ny ranomasina indianina, miseho izy amin\'ny anarana hoe La Reunion
amin\'ny francophonie, izy no filoha
amin\'ny iraisam-pirenena, miseho izy amin\'ny anarana hoe international
amin\'ny toekarena, miseho izy amin\'ny anarana hoe premier partenaire na koa pays développé.
amin\'ny tantara, miseho izay amin\'ny anarana hoe epoque coloniale
Araka ny maha-betsaka ny firenena afrikanina ao ambany vahoany dia manan-danja izy amin\'ny anarana hoe Union Africaine
Ny malagasy sasany amin\'ny anarana hoe double nationalité

Ahaleo tena rahoviana isika? Vao mihetsika kely dia jereo ny fanimbana. Amidy amin\'ny hoe tsy tanty intsony ka mila fiovana nefa fanimbana no tanjona.
novalian'i soanja ny 15/02/2009 22:42
2. soanja ( 15/02/2009 22:42)
Mety tsy mamaly ny fanontanianao ny hevitro fa saingy kosa angamba mety hitarika ny fijerena hoe nahoana isika no tsy afa-miala amin'io firenena io amin'ny politika sy ny hafa.

Tamin'ny Amerikanina nitady fahaleovan-tena hiala teo ambany fahefan'i Anglisy na ny Mpanjakan'ny Angletera dia niady mafy izy ireo hanapaka ny fatorana rehetra izay azo atao. Ady goavana no nitranga. Nivoitra avy any ireo Rain'ny fahendrena sy ny atin-dohan'ny fahalalana ka niara nikaroka ny atao hoe inona moa no ataontsika sy apetrantsika ho lalana mba hahafahantsika miantso ny firenentsika ho mahaleo tena sy manana ny mahaizy azy ka haharitra ny fitsimbinana ny mahaolona sy ny mahaolom-pirenena mavitrika ao anatiny? Tsy nila intsony izay Anglisy izy ary tsy nila intsony izay hevitra avy any Angletera. Tafatsangana ny fireneny ary natanjaka tokoa ny anarany.

Isika kosa dia .....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6532