Izany ka tena demokrasia
1. nofinofy
(
13/02/2009 09:03)
Mahagaga ahy mihintsy ity lazaindry zalahy hoe demokrasia ity :
Terena ny mpiasan’ny zone franche tsy hiasa
Terena hakatona ny toerampianarana sy ny toerampiasana
Sns……
Ny olona anie tsy adala e! raha manana ny rariny sy ny marina ianao manakatona ny sekoly sy trano fianarana izy, eny fa na dia ny trano fivavahana aza, fa tsy mila rahonana izany.
Manaraka izany tsy ireo olona mampanakatona toerampiasana sy toerampianarana ireo no hamelona ny fianakaviana marobe izay tsy maintsy miasa isanandro raha te hihinankanina
Mahagaga ahy koa fa hoe demokrasia hono, nefa manao ankeriny ny tranom-panjakana mba hiasana ao. Araka ny henoko dia natao anterisetra koa ny Biraon’ny faritra Vatovavy-fitovinany sy atsimo atsinanana, hazaina izay mamofompofona TIM ao amin’ny renivohitry Fianarantsoa, sns marobe…. Fa inona no fahadisoana nataon’ireny olona ireny no atao an’izany izy, sa tsy manana zo hanana antoko politika sahady ve ?
Matahotra sy manahy aho, fa raha ireo olona eo amin’ny 13 mai ireo no tonga eo amin’ny fitondrana dia hiverina ny didy jadona sy ny tery vay manta. Lazain-dry zaareo hoe manao tery vay manta ny fitondrana amin’izao fotoana izao, nefa raha dinihina ry zareo no tena manao tery vay manta sy didy jadona(ohatra ny fanaovana didy jadona hametrahana HAT na haute autorité de trahison, satria nofitahina ny vahoaka).
Ary maninona moa ianareo ireo no mitarika ny korontana sy mitondra ny vahoaka(adala) ho amin’ny famonoana?
Mba jereo kely ny sondage rehetra fa efa tena tsy credible intsony ny Terroriste des Grandes Villes.
Nahatsapa ny vahoaka tany Etats-unis fa misy tsy mety ny fitondran’I Bush, kanefa niandry ny fifidianana ry zareo mba hanehoana izany satria izany no demokrasia fa tsy ny fitaomana ny vahoaka ho eny amin’ny Maison Blanche.
Ny momba ilay teny Ambohitsorohitra dia tsotra ihany: raha misy olona ve hitanao izao fa tamy handroba sy hanafika anao dia tsy mba hiaro tena na hamaly ianao? Ary rehefa mahazo mpamaky trano isika eto Antananarivo, moa tsy vonointsika ho faty ve izy ireny?
Izaho dia mivezivezy eran’ny nosy ary mahita fa maro ireo toerana izay tsy mahazo kil ireo opposition satria ireo olon-dratsiraka sy ireo very seza daholo no mitarika azy, hany ka tsy atokisan’ny vahoaka intsony.
Mieritrereta ianareo vahoaka fa RATSIRAKA daholo no ao ambadik’izany rehetra izany.
Viva la 2e république socialiste (misaosy daholo ny ao anatin’ny liste).

novalian'i andrywui ny 13/02/2009 10:15
2. bozyboleta
(
13/02/2009 09:52)
Raha vitan'ny terena fotsiny moa maninona fa ity izy miampy fandrahonana mihitsy no maharikoriko.
Tsy misy intsony fanavahana fa na tompontany na vahiny na olontsotra na ny manana andraikitra manokana, eny fa na dia atao hoe olom-piangonana aza dia rahonana ampahibemaso fotsiny izao. Rangitina ampahibemaso sy tatatataina @ onjam-peo ny fankahalana olona.
Tsy misy intsony ny fanajana ny olona izay heverina fa ray aman-dreny ary atao lasibatra ihany koa @ fampihorohoroana toy ny nahazo ny filohan'ny FJKM tany an-tranony.

3. ARINOFY
(
13/02/2009 10:12)
tena nanohina tokoa ny naheno ny fanafihana ny filohan'ny FJKM iny.Na ny fiangonana FJKM aza ane ka enjehina e,ohatra ny fiangonana tany Sambava.Tena misy manana bassesse d'esprit be rizareo ireny mpanakorotana ireny.Mamela ny helony fa tsy fantany izay ataony.
4. andrywui
(
13/02/2009 10:15)
Nofinofy raha nisy nanao tery vay manta nihoatra avo 20heny noho ny aminizao de ny nakana anity Fitondrana ity tamin'ny 2002 !! fa tsy izy mihitsy raha ny fomba nakana aminkery (basy sy tafondro ) izao Fanjakana izao !! saingy efa lasa moa de natao ririnndasa zany!!! na mody tsy tsaroana anga no marimarina !!! raha ny famonoana olona ndray de tadidio fa 2500pers no matin'i Prezida Ravalomanana tamin'ny fakana ankeriny ny fitondrana tamin 2002 !! saingy maty tam Fahamasinana sy tifitra ampahamarinana ary vono olona minoa fotsiny ihany no nitondrany azy de rendrika daholo !!