Mijaly ny vahoaka; inona no vahaolana atolotrao

1. njara2007 ( 13/02/2009 05:58)
Mihasarotra andro aman'alina ny krizy eto Madagasikara; ny sasany anefa variana mifandrafy fotsiny; amiko tokony hitady solution faran'izay haingana indrindra:
Solution 1: Tsapa sy Hita fa tena mbola matanjaka ny filoham-pirenena; noho izany tokony handraisana andraikitra haingana ny momban'ny TGV sy ny tariny araka ny hiakam-pitolomana manao hoe: "SAMBORY TGV"
Solution 2: Raha tsy mahasambotra ny fanjakana ka hitaritarika ela ny raharaha; tokony hiala haingana izy; fa tsy mahafehy ny situation zany...
Solution 3 : Mety ny fampiraharahana; raha manaiky ny andaniny sy ny ankilany;
Solution4: Fifidianana avy hatrany; mba ahafantarana izay tena henjana (Référendum)
Tsy fanakianana sy fombana ny ankilany na ny andaniny no tiako hasehonareo; fa ny solution tokony hatao eto amin'ny tany sy ny firenena kosa satria mahamenatra sy mampijaly ny vahoaka madinika ny toe-draharahastrike
2. rabaradaka ( 13/02/2009 09:01)
Tena mahay ianao dadatoa, efa voavalinao avokoa ny resaka fa ity kosa ny ahy. Mila manangana gouvernement d'unité nationale isika fa olona mahay sy tia firenena kosa no ho eo. Mety ve zay razoky ?
3. maronibe2 ( 13/02/2009 09:02)
raha amiko dia tsotra ny vaha olana ,entano ny panao politika tsy hamahan-dalitra @ resabe ,tsy misy fototra akory fa lainga ny ankabezany,ary mbola averiko foana ity resako ity na iza ho eo hitondra dia tsy hisy hampiova ny fiainam-bahoaka ao anatin'ny fotoana haingana akory,ny potika harenina ny mpanam-bola tsy ahatoky intsony fa hiala ,mbola ho fandaniana sy vola ho very daholo izany valiny "aza manonofy sy mandefa revy laotra ry gasy" fa na ireo ivelany antenain'ny sasany aza anie sahirana be é ,ny azy aza mila hanempotra azy ka tsy hisy hivaky loha aminareo eo ,fa hadalanareo no manaiky ho rebireben'ny mpanao politika hoatran'ireny olona entin'ny daina ireny,ka mitrotraotra fahatany tsy dia mandinika loatra,
4. andrywui ( 13/02/2009 09:23)
Marina zany ! fa raha ny fotoana 7 taona ngarangidina nitondrana teo kosa tokony mba efa tsy ho 28euro ny karaman'ny Malagasy ! misy fampanantenana 4L sy trano isampianakaviana tamn fotoan'androny !! eny e ririnindasa zany!! fa ra ny tiako ho tenenina de izao :misy politika fitondrana firenena roa andrasana hataon'izay mpitondra tonga eo ! tsy mahay aho ,fa kosa mba fantatro oe misy betsaka ny firenena mampihatra azy ary de tafavoaka (raha tia tena toa anRatsiraka sy Ravalo reny anefa de hialany lavitra izany )
Lalana 1/----Azo hatao ny mampanakarena ny Fanjakana (harin-karena faobe ambony) ary rehereha kelin'ny firenena eran'izao tontolo izao aloha izany FA ny vahoaka entina mahantra faraidiny !!
Lalana2/----Azo hatao koa anefa ny mampanana sy ampy ny vahoaka na trano, na sakafo , na asa FA ny fanjakana mahantra
---------fa ity lalan'ny firenen-tsika aminizao ity indray de sady MAHANTRA NY FIRENENA no MAHANTRA NY VAHOAKA ENTINA (?) de nankaiza ary zany ny volam-panjakana sy ny impot isankarazany ary ny volabe hindramin'ny firenena izay ho efaina ao anatin'ny 50taona ny sasany, 30taona nysasany ,100taona aza ny sasany ?? de vola otrinona zany no lasa aiza ??
5. NyMisaina ( 13/02/2009 09:32)
Ekena ny Solution 1, 2, 4.
Fanazavana ny tsy fanekena ny solution 3: Famitahana ny fahatokisan\'ny vahoaka maro izay nisafidy ny fitondrana ankehitriny io, hevitry ny maro no hampitaiko. Ny fahefana tsy fandroba @ fomba maloto rehetra izay vao hita sy niainan\'ny Malagasy. Eo ny Làlana ara-Demokrasia, dia ny Fifidianana.
Solution 5: Ampiarina ny Maximum @ Lalàna ho an\'izay mandika izany, \"na iza io na iza.\"
Solution 6: Fanarahana akaiky dia akaiky mihintsy ny tena marina rehetra eo @ fampielezana Vaovao: satria manakorontana ny sain\'ny vahoaka na dia mpiandany @ filaminana aza.
Solution 7: Hadinoina tanteraka daholo ireo mpilaza sy lazaina fa \"acteurs politiques \" rehetra izay mbola te hangarangarana fahefana: @ fifidianana manaraka dia miomana ny olon-tsotra rehetra hampandroso sy hiatrika @ tena izy ny fiainan\'ny Malagasy.
Misaotra antsika.
6. NyMisaina ( 13/02/2009 09:32)
Ekena ny Solution 1, 2, 4.
Fanazavana ny tsy fanekena ny solution 3: Famitahana ny fahatokisan'ny vahoaka maro izay nisafidy ny fitondrana ankehitriny io, hevitry ny maro no hampitaiko. Ny fahefana tsy fandroba @ fomba maloto rehetra izay vao hita sy niainan'ny Malagasy. Eo ny Làlana ara-Demokrasia, dia ny Fifidianana.
Solution 5: Ampiarina ny Maximum @ Lalàna ho an'izay mandika izany, "na iza io na iza."
Solution 6: Fanarahana akaiky dia akaiky mihintsy ny tena marina rehetra eo @ fampielezana Vaovao: satria manakorontana ny sain'ny vahoaka na dia mpiandany @ filaminana aza.
Solution 7: Hadinoina tanteraka daholo ireo mpilaza sy lazaina fa "acteurs politiques " rehetra izay mbola te hangarangarana fahefana: @ fifidianana manaraka dia miomana ny olon-tsotra rehetra hampandroso sy hiatrika @ tena izy ny fiainan'ny Malagasy.
Misaotra antsika.
7. tsiafoi1 ( 13/02/2009 10:01)
Taorian'ny fametrahana ny infrastructure samihafa,... raha ny programme ny gouvernement dia tokony ho nanomboka t@'ity taona ity ny lafiny ara-tsosialy sy ny fanatanterahana ny MAP. Nefa moa de somary semban-drahona kely ety am-piandohana ilay izy, koa dia tokony ho avela izy hanantateraka ny soritr'asany

Manaraka izany momba ity
Solution4: Fifidianana avy hatrany; mba ahafantarana izay tena henjana (Référendum)
ity, de itako we tsy fahendrena loatra io SATRIA :

1°- Ohatrinona indray ny vola ho lany @'izany? Nefa mba mety hahavitana programme ara-tsosialy maro.
2°- Vao teo ny vahoaka no noranitina, de ireny ny zava-nisy..., de handeha indray ny propagande samihafa, de hifandranitra an-toerana eto.
3°- Tsy araka ny constitution izany. 5 taona ny fe-potoana hiasan'ny filoha izay lanim-bahoaka de avelao izy hanapitra ny fe-potoana 3 isa tokony hiasany.
8. lemenakely ( 13/02/2009 10:08)
Izao fitavozavozana sy tsy fandraisana andraikitra toy izao no nahaela ny raharaha 2002 , ary mety aharitra ela izy ity raha tsy misy partie iray mi saute...

On peut pas avoir de l omelette sans casser les oeufs hoy ny vazaha!
9. xxx ( 13/02/2009 10:29)
matahotra fififdianana sa tsy mahatoky tena tsony tsyafoi !!?? azo tsy asiana propagandy ane zany fifidianana zany fa ttsy kely oe eny sy tsia fotsiny de asiana sary ho an'ny tsy mahay mamaky teny de basy !! ka inona ary no andrasan eto marina zao ? ny sur alou de tsy maintsy hiala iPrezida fa tsy maintsy mbola hitsipatsipaka faramparany izy !! d ho firy volana zay ?? tokony atao le fifidianana zany rehefa zany !
10. nyavo2000 ( 13/02/2009 10:51)

Ny asa ihany no mampanakarena, ary aza miandry MANA avy an-danitra izany, eo angamba no mety hitoviako hevitra aminareo , oh momba ny resaka 4L, hoe @ fomba ahoana ny hanomezan'ny fanjakana 4 L isan'olona mba tsy hahatonga ny olona hieritreritra hoe ny fanjakana ve izany hanome vola de hoe iny hividiano 4L.

Raha mijery @ saina tsy miangatra dia tsapa sy hita ihany fa maro ny olona manana fiara eto M/car. ..tsy marika fandrosoan'ny ny fari-piainana ve izany ( ekena tokoa fa misy ny mahantra izay tokony hojeren'ny mpitondra) Ny hahazoana 4 L amiko de tsotra, ary tokony holazain'ny fanjakana , miasa mafy tsy migrevy, azo atao ny mitady vadin'asa ho fanampim-bola sns...( tsarovy fa ny japonais miasa 10 ora /j farafahakeliny, matoa manakarena) hahazoana 4 L. Na koa efa miroborobo fatratra ny fampisamboram-bola ankehitriny ( micro crédit, banky sns...) ahafahana manana izany tsy tahaka ny tany @ 7 taona lasa. Ny any @ firenena mandroso oh dia resaka "prêts bancaire" no hahazoana zavatra fa tsy resaka "cash" avy hatrany sns...tsy vitsy ny malagasy no efa manao izany ary hita fa mahomby.


Mikasika ny hari-karena faobe, tsy hoe zaraina amin'ny harona ho an'ny tsirairay ny 7% na 6%, mila CROISSANCES CONTINUES zay vao mahazo ny atao hoe DEVELOPPEMENT . Eto angamba dia ilàna ny fanazavan'ny mpitondra hoe ny ezaka dia mbola mitohy, fa ny noho ny tsy fisian'izay dia soavalian'ny TGV ny tsy fahalalan'ny vahoaka madinika. Tsarovy fa an-taonany maro vao tonga @ toerana misy azy i MAORISY , efa tamin'ny taona 80 tany ho any no niainga toa antsika..de eritrereto hoe dingana sy asa sahala amin'ny ahoana no miandry antsika rehetra.



andrywui:

Marina zany ! fa raha ny fotoana 7 taona ngarangidina nitondrana teo kosa tokony mba efa tsy ho 28euro ny karaman'ny Malagasy ! misy fampanantenana 4L sy trano isampianakaviana tamn fotoan'androny !! eny e ririnindasa zany!! fa ra ny tiako ho tenenina de izao :misy politika fitondrana firenena roa andrasana hataon'izay mpitondra tonga eo ! tsy mahay aho ,fa kosa mba fantatro oe misy betsaka ny firenena mampihatra azy ary de tafavoaka (raha tia tena toa anRatsiraka sy Ravalo reny anefa de hialany lavitra izany )
Lalana 1/----Azo hatao ny mampanakarena ny Fanjakana (harin-karena faobe ambony) ary rehereha kelin'ny firenena eran'izao tontolo izao aloha izany FA ny vahoaka entina mahantra faraidiny !!
Lalana2/----Azo hatao koa anefa ny mampanana sy ampy ny vahoaka na trano, na sakafo , na asa FA ny fanjakana mahantra
---------fa ity lalan'ny firenen-tsika aminizao ity indray de sady MAHANTRA NY FIRENENA no MAHANTRA NY VAHOAKA ENTINA (?) de nankaiza ary zany ny volam-panjakana sy ny impot isankarazany ary ny volabe hindramin'ny firenena izay ho efaina ao anatin'ny 50taona ny sasany, 30taona nysasany ,100taona aza ny sasany ?? de vola otrinona zany no lasa aiza ??



11. tsiafoi1 ( 13/02/2009 10:53)
Ny vaha-olana itako de ny famelana ny vahoaka HIASA MALALAKA ao anatin'ny FILAMINANA

Ny olana fototra ho antsika malagasy de le toe-tsaina ORY HAVA-MANANA, mialatsiny fa izay mihitsy no mahalaza azy.

Nandeha nitady menaka tany @'ny shoprite aho omaly atoandro, de nanesy nitazana ny rayon rehetra, fa indrisy tsy nahita produits TENA VITA MALAGASY (zany hoe vitan'ireo Orinasa an'ny tera-tany malagasy), afatsy roa monja : savony (Savonnerie Tropicale) sy ny sel fin (SOPROMER).

Ny produits Eropeanina no mameno ny rayon rehetra raha resaka fihinana (Ravi, STAR (Frantsay), La Hutte canadienne (Norvegiana), Huile d'olive importés (Eropeanina), savony salama an'ny Sipromad sy Maronjana (Karana). Tonga teny @'ny rayon fitaovam-pianarana indray ny tena de cahier excellence, calligraphe, Premier (Indonesiana sy eropeanina) sisa tazana, nefa ny vidin'izy ireny de in-2 avo heny ny vidin'ny cahier Artista Magro. Tsy hita teny intsony ny cahier vitan'ny orinasa Blueprint....

Raha fehezina indray miteny zany de izao, nanomboka t@'iny 26/01/09 iny, dia miankin-doha feno @'ny vokatr'ireo vahiny indray isika.... Miankin-doha tanteraka @'ny any ivelany indray ny toe-karenantsika satria ny kely mba nanan'ny tera-tany malagasy afaka nifaninana t@'ireo Orinasa vahiny de nodorana sy nolevonina tao anatin'ny indray mipi-maso manjo.

Eny mety misy fahamarinana tokoa ny hoe misy intérêt personnel ihany ny an-dRa8, kanefa "l'argent appelle l'argent". Ny Baiboly de mampianatra mihitsy antsika mba hampitombo ny talenta hanana fa tsy handevona izany. Raha manana iray de ampitomboana ho roa,... Tsy hoe rehefa mivavaka de tokony hahantra, TSIA! au contraire aza tokony hanan-karena ny zanak'Andriamanitra, satria manana ny zavatra rehetra ilay Andriamanitra izay hivavahany, ary tokony ho imagen'ilay Andriamanitra hivavahanao enao satria zanany. Jereo ny firenena Israel, kely sy bitika, nefa dia manana ny toe-karena avo tsy mena-mitaha.

Mety ho teti-kady mahomby iray ihany ny an-dRa8, mba hifehezana ny toe-karen'ny Madagasikara, tsy hiankinan-doha be @'ireo firenena hafa. Ary io no tena antony iray hitako hoe mitombina, satria taorian'iny toe-javatra nitranga iny, de ny produits vahiny no mameno ny tsena... Ny Orinasa vahiny zany no nahazo tombony t@'ireny fandrobana sy fandravana ireny...

Fehiny : MIASA de MIASA ihany tsisy afatsy izay

Raha handoro ihany re @'ny sisa, tena sanatria anie izany de mba ny an'ny vahiny fa tsy ny an'ny malagasy toa ny tena.
12. nyavo2000 ( 13/02/2009 11:04)
OK Tsiafo1, ny asa asa hatrany NO MAMPANAN-KARENA !

Ny GREVY sns KORONTANA, anti-économique izany! MAMPAHANTRA
13. ARINOFY ( 13/02/2009 12:00)
fanamarihana fotsiny ny ahy,ity irery no mba lohateny nisy discussion nahitana hevitra tsara,ary mba tsy nisy fifanesoana sy fandrangitana.Koa tokony ho toy izao foana no fomba entin-tsika mpisera miady hevitra fa mba ahitana hevitra vaovao mba mahaliana no adihevitra mba ambony kokoa.
14. andrywui ( 13/02/2009 12:32)
Arinofy marina !! ==== marina ny teninao farany teo !! eny ary fa ho atao ampanajana sy ambony amzay ny resaka manomboka izao !!! misaotra arinofy !!!
15. lemenakely ( 13/02/2009 13:19)
ARINOFY:

fanamarihana fotsiny ny ahy,ity irery no mba lohateny nisy discussion nahitana hevitra tsara,ary mba tsy nisy fifanesoana sy fandrangitana.Koa tokony ho toy izao foana no fomba entin-tsika mpisera miady hevitra fa mba ahitana hevitra vaovao mba mahaliana no adihevitra mba ambony kokoa.



io miankina @ ilay olona mpiady hevitra satria tsy ao ireo extremistes sy radicaux :idea:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1138