Pizza

1. soanja ( 12/02/2009 08:07)
Misy sakafo tsy mba mety tiako fa ity Pizza ity dia tena tsy mety voako mihitsy. Ny mampiferin'aina ahy anefa dia rehefa miara mivoaka izahay mpinamana rehetra dia Pizza foana no tena hanin'izy ireo nefa ny fofony no tsy laitrako. Tahak'zay koa ny fofona sakafo Subway (sandwich ilay be sosy tomaty ireny de misy henabaolina iny). Rehefa any anefa dia tsy mihinana mihitsy aho fa mafy ilay miaritra fofon-tsakafo tsy tiana nefa ny namana tiana.
Ka asa rey olona fa miezaka ihany aho mamantatra hoe inona amin'ireo sakafo ireo no tsy zakako ny fofony sy ny tsirony fa dia tsy mbola hitako mihitsy. Mino anefa aho fa zavatra iray itambaran'ireo no tsy zakako ny fofony.

Misy sakafo ve tsy zakanareo ny fofony?

2. Mimhie ( 12/02/2009 08:42)
za akia ilay fofona foza kely maintimainty ireny no tena tsy zakako rehefa mangotraka iny, de tena tsy mihinana ireny mihintsy za fa vao mangotraka aza ireny de mangidihidy be za de mivoaka tandimerina be! anefa crabe za tsy maninona a! :lol:
3. anidi ( 12/02/2009 08:46)
Izaho indray d nihinana foana taloha na dia tsy nankafiziko loatra ary fa izaho aho tsy te-ihinana intsony na ny mahita azy ary d tofoka b a tena tsy fantatro izay antony , rehafa miaraka @ ato an-trano a na @ namana d tsy mampaninona fa maka sakafo hafa tsotra izao a fa tsy lasako ny pizza tsy misakana ny tsy isian'ny fiarahana mihitsy anefa izany
4. fahamarinana ( 12/02/2009 14:11)
soanja:
Misy sakafo ve tsy zakanareo ny fofony?

:arrow:Ny ahy ny sakafo faran'ny halako mainty dia ny choucroute,tena mihoaka mando mihintsy rehefa maheno na ny fofony fontsiny aza.Voatavo koa iray fa zany hoe nony taty aoriana mba nanandrana ihany fa arakaraka ny fahandron'ny olona azy fa za aloha tsy manao sy tsy mety ahandro koa. :lol: (l)
5. soanja ( 13/02/2009 01:21)
Mimhie:

za akia ilay fofona foza kely maintimainty ireny no tena tsy zakako rehefa mangotraka iny, de tena tsy mihinana ireny mihintsy za fa vao mangotraka aza ireny de mangidihidy be za de mivoaka tandimerina be! anefa crabe za tsy maninona a! :lol:

Izay mihitsy le izy ka. Mety misy zavatra tsy miady amin'ny simikantsika mihitsy angamba ilay izy satria sady tsy tianao ny fofony no tsy afaka ny hitelina an'le izy koa rahateo. Ny fozan-dranomboka aloha dia tany Tana aho vao nahita an'io dia gaga be zah hoe kay azo hanina ireny. Mampatahotra ahy ihany alo ny fahitako azy ireny saingy rehefa any ambilany ilay izy ka olon-kafa no mahandro azy dia mahahinana ihany aho.

6. soanja ( 13/02/2009 01:23)
anidi:

Izaho indray d nihinana foana taloha na dia tsy nankafiziko loatra ary fa izaho aho tsy te-ihinana intsony na ny mahita azy ary d tofoka b a tena tsy fantatro izay antony , rehafa miaraka @ ato an-trano a na @ namana d tsy mampaninona fa maka sakafo hafa tsotra izao a fa tsy lasako ny pizza tsy misakana ny tsy isian'ny fiarahana mihitsy anefa izany

Indry koa ve aky mitovy amiko? Ny mahagaga ahy dia tena sakafom-pifaliana mihitsy le izy rehefa aty de vao mihetsika izy mianakavy dia Pizza. Miozongozona mihitsy ny atidohako vao maheno an'le izy saingy alory atoa fa tiana ny namana de iafina e.

7. soanja ( 13/02/2009 01:27)
fahamarinana:

soanja:
Misy sakafo ve tsy zakanareo ny fofony?

:arrow:Ny ahy ny sakafo faran'ny halako mainty dia ny choucroute,tena mihoaka mando mihintsy rehefa maheno na ny fofony fontsiny aza.Voatavo koa iray fa zany hoe nony taty aoriana mba nanandrana ihany fa arakaraka ny fahandron'ny olona azy fa za aloha tsy manao sy tsy mety ahandro koa. :lol: (l)

Ireo indray dia tena tiako tokoa. Ny sakafo iray tsy zakako fofona any ambilana eo ampandrahoana azy dia ny anana ramirebeka. Aha mivingitra mihitsy aho raha vao io no laokanay ka mangotra-tokana, saingy rehefa tonga eo ambilia kosa le izy dia toy ny tsy teo. Fantatro anefa fa tsy hoe ilay izy no tsy tiako fa leo ny fofony aho satria io foana no sakafo nandrahoako tamza tany ambanivohitra satria io no tena mandrobona be tao an-jaridaina. De tsy fidina fa sakafo mahasoa tokoa saingy mety leo tokoa aky ny olombelona a. Toy ny tsy itiavako intsony ny mofo-pate.

:-D :-D :-D
8. ikaretsaka ( 13/02/2009 06:04)
ny ahy ny fofona vorona apangotrahitra no tena tsy laitrako... indrindra ny akoho volosana sy ny gana... dein!
soa ihany fa ny sekta anay tsary mihinana
9. flodine ( 17/02/2009 21:44)
ikaretsaka:
njy mitovy amiko Ikaretsaka, hatramin'zay zah mbola tsy nahatelina hodimborona, na akoho na gana , raha vao misy hodiny ny omena ahy de esoriko aloha le hodiny iny zay zah vao mihianana. Tena tsy telina tokoa.

ny ahy ny fofona vorona apangotrahitra no tena tsy laitrako... indrindra ny akoho volosana sy ny gana... dein!
soa ihany fa ny sekta anay tsary mihinana

10. fahamarinana ( 18/02/2009 13:59)
:arrow: soanja : nahatsiaro anjy za fa nisy reportage zay hitako fa pizza dia ireny biby (toa samoina sa vers ) kely velona ireny no nataony fangarony niaraka am sauce voatabia sy fromage fa nony masaka tanaty four kosa,raha ny endriny dia tsara,ilay biby efa mendy...hummm mety matsiro sy tianjy ve izay zao !! :lol: (l)
11. soanja ( 18/02/2009 16:53)

Mety tsy ho lasako mihitsy aloha izay fa dia miala tsiny. Raha vao bebe saosy iny izy . tsy mety amiko mihitsy.
Ireny ohatra bibin-dandy sns ireny tena mampalahelo ahy ny mieritreritra an'ireny hoe hanina nefa zavatra tokony ho lasa lolo na zavatra nahafatifaty mameno natiora.
Misaotra nilaza an'io Fahamarinana fa aleoko ihany vary sy laoka anana e. Ny resaka biby, indraindray ihany aho vao mamely rehefa hanao competition na spaoro na hoe mandray vahiny na hoe manao voyage fa raha tsotsa ato an-trano dia vitaiko zavatra vita amin'ny soja (Edamame) sy voanjo isan-karazany ary voamaina ny ahy ny solon-kena rehetra.

(l) (l) (l)
12. fahamarinana ( 18/02/2009 17:21)
:arrow: soanja : :) mivazivazy za an :wink: (l)
13. ikaretsaka ( 18/02/2009 19:16)
Ireny ohatra bibin-dandy sns ireny tena mampalahelo ahy ny mieritreritra an'ireny hoe hanina nefa zavatra tokony ho lasa lolo na zavatra nahafatifaty mameno natiora.

raha vo zay ny toe tsaina de tsary mamely sy tsary hihinan-kanina koa..
ampahafirin'ny zavatra mandeha au naturel moa izany

Ireny aye aye sy sokona sns.... ireny izao dia ireny biby ireny no foto-tsakafony dia nga nahafoana ny lolo sns... ny fihinanany an'ireny?

tsa hihinana atody koa izany fa hoe tokony ho lasa akohokely ireny, tsa hihinana ravitoto koa izany fa tokony hoe hamelona ireo mangahazo le ravinkazo
tsa hihinana soflera sy brocoli koa fa hoe lasa tsary misy vaoniny tsotry?

Aoka re!
14. soanja ( 19/02/2009 05:34)

Miankina amin'ilay sakafo tanteraka no mety hinanako azy na tsia ka.
Ny filozofiako raha tian'Ika fantatra dia mila mifamelona isika manan'aina sy ny misy eto amin'ny planeta sy ny tontolo rehetra. Mifampiankina, mifameno nefa mifamelona. Izay no nahariana azy ireo. Hampiasaina sy hokarakaraina nefa koa tsy hararaotina.

Misy izao ny olona tsy hihinana amalona mihitsy satria mitarehy bibilava. Ny ahy indray dia ny hoe aleoko mijery azy velona biby toy izay sakafoko raha ny bibikely. Aleoko haninin'ireo biby hafa toy izay haniko satria mifanohana izahay. Zah mbola afaka mihinana sakafo hafa sady afaka manamboatra, mamboly ho ahy. Amiko raha holanintsika aby ireo lolo ireo dia inona no mba anjaran'ny tanalahy sy ny saobakaka sy ny hafa maro. Mila tsinjovina ny hafa amiko.

Fantatr'i Ika moa fa mihalany ny bibin-dandy ao amin'ny faritra atsimo. Raha mitohy ny fihinanan'ny olona azy dia ho foana io karazan-dolo/bibikely io. Ny hazo hanatodizany sy sakafony ary hametrahany ny landy dia miha ringana rahateo, efa mihafongan'ny afo sns noho ny doro tanety.

Saingy kosa ny sakafo toy ny hoe atody sy ny akoho ary ny omby dia mazava iny amiko hoe tokony hijinja ny vokatry ny hatsembohanao ianao. Namboly isika dia mijinja isika ary mihinana. Miompy isika dia azonao hohanina koa iny satria niasanao mafy. Na izany aza na tsy izany dia mila fantatro koa ny hanina hiditra ny vavako ny fikarakarana azy, nisy fanazimbazimbana ilay biby ve, nampijaliana ve vao najedaka mba hohanina? Misy fanambakana goavana ho an'ny olon-kafa ve? izay no tsy hividianako loatra sakafo avy any Chine satria be ny poizina na fanafody omena ny biby sy ny hazandrano ary ny zavamaniry mba hamelona antsika nefa hamono antsika ihany ny farany, ry zareo rahateo mahantra any no sady ambakaina amin'ny vidin'entana.

Tsia tsia hoy aho. Mila mampiasa ny tenako amin'ny fisainana mazava aho. Inona no fahamarinana amiko? Mila miantomboka amiko izany fiafiana izany raha hisy.

15. fahamarinana ( 19/02/2009 09:29)
:arrow: mahafinaritra ahy ilay filozofia any Soanja fa hatreto toa tsy to akia raha ny amiko manokana. :? ,fa ny amalona kosa aloha isan'ny tsy teliko raha lavalava ny poziny,fa raha teti-pohy mety ho lasana ihany !!
ika : samy manana ny azy tokoa ka tsy hita hifanomezan-tsiny.:) (l)
16. ikaretsaka ( 19/02/2009 16:07)
soanja> ka raha akoho sauvage na tsipoy sauvage na sokatra sauvage de tsary anona izany?
ny ahy raha fantatro hoe ho lany taranaka de tsary haniko.. fa raha hoe survival.. tsy asheko santimaka iznay hoe mahafatifaty io raha zao izany!

raha nisy gasy voalohany tia alika angamba za no faharoa.. fa za koa anefa mihinana alika :-D
17. soanja ( 19/02/2009 20:41)
fahamarinana:

:arrow: mahafinaritra ahy ilay filozofia any Soanja fa hatreto toa tsy to akia raha ny amiko manokana. :? ,fa ny amalona kosa aloha isan'ny tsy teliko raha lavalava ny poziny,fa raha teti-pohy mety ho lasana ihany !!
ika : samy manana ny azy tokoa ka tsy hita hifanomezan-tsiny.:) (l)

Tsy mora ny filozofiako saingy atomboka miadana sady tsy atao hoe tsy maintsy. Fanabeazana mantsy ilay izy ka iainana.

Ika> Marina izany, sarotra amiko ny hihinana zavatra hazaina afa tsy ny any anaty rano. Indrindra ny zavatra tifirina amin'ny basy sy ny tsindromina vao haza. Mila miara miasa isika sy ny natiora. Izy manome isika mihinana. Isika mamelona azy, mikajy azy, izy hanome bebe kokoa.

18. ikaretsaka ( 19/02/2009 21:02)
ny anareo koa ro hafa koa.

de tsary mihinana zavatra sauvage koa izany i soanja ? ohatra hoe ireny voasary, manga, goavy maniriniry foana ireny satria ireny kao cueillette
19. soanja ( 20/02/2009 05:06)
Ny zavaminiry indray tena hafa mihitsy ny handraisako azy.

Raha voankazo dia tsara sy mety avokoa saingy mila fantatro hoe tsy nasiana famonoana bibikely na zezika simika be loatra satria sady manimba ny tany aniriany io no tsy mahasoa ny kibo hitelina azy. Organika izany e! hihihi miala tsiny tokoa fa be raha atao aho an raha sakafo. Zany hoe raha novokarina be loatra dia tsy mety amiko fa tiako ny mividy any an-tsena toy ny farmers'market ireny satria ireny novokarin'olona fantatro na manakaiky ahy sady misy fiantraikany amin'ny ekomonia mihodina eo. Rehefa tena tsy misy moa ireny vao mankany amin'ny magazay lehibe aho ary voafetra no vidiako.
Ny anana sy ny hafa indray dia mety avokoa na dia na nambolena. Nisy ireny mba hampiasaintsika rehetra biby sy olombelona. Fa ny maniry zezika simika tsy mety mihitsy e.

Ika a, raha zah indray anie ka mandeha manao voyage de gaga Ika fa mahalany be tsy misy ohatr'izany aho satria noana angamba na miasa ny saiko dia tsy afaka ny hifantoka amin'izay fiavian'ny hanina any fa toa amina survival mode aho e. Tsy dia afaka misaina firy fa toa mandeha goana ny vatako. Zany hoe raha tavela amin'ny nosy iray aho ka misy biby sy zavamaniry isankarazany dia tsy asiako resaka ahoana ialahy na manao ahoana indry fa dia aza ny mba tratrako e. Mila ampiasaina ny skills rehefa any satria samy ampanavotana aina aby na ry zareo na zah amin'io.

Raisina mora ny fiainana fa mila kajikajy kosa ny hahaveloman'ny rehetra. Sa?

20. ikaretsaka ( 21/02/2009 21:16)
soanja an.. ny vava no mihinana fa tsy ny eritreritra!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3776