mbola hanonitra ny Magro sy Tiko may sy voaroba aloha ééé? ?

1. xxx ( 10/02/2009 09:37)
Mazava ho azy ny tetika fa rehefa voaroban'ny vahoaka ny Magro sy ny Tiko de mbola mitetika ny hanonitra anireo amin'ny volambahoaka ihany aloha vao hiala , na de efa aina sy ràn'ny Malagasy maro aza no efa nalatsany de mbola hifikitra eo foana !!! nefa de volambahoaka sy volampanjakana ihany koa no namelomany anireo Magro sy Tiko ireo!!! iray isaky ny province no mba nisy ireo Magro sy Tiko ireo hatramizay taona maro lasa !! zao lasa folo isaky ny faritra tampoka reo may reo !! nefa hoy ihany izy teo aloha ::""...RAHA MISY MALAGASY ROANJATO FOTSINY AZA NO MILAHATRA KA MANGATAKA NY HIALAKO DE HIALA AHO .....""
novalian'i molota ny 10/02/2009 12:48
2. tsiafoi1 ( 10/02/2009 09:47)
Tsisy an-kiala zany eo, raha tsy tonga ny fotoana!
Jehovah Tompo no miahy ny olom-boafidiny
Ka na rivotra mifofo, tafiotran'ilay ratsy
Ny Filoha hijoro hatrany, hanefa ny adidiny

Satria MASINA ny TANINDRAZANA
3. andrywui ( 10/02/2009 09:48)
Matimboninahitra koa no tena tsy tantiny hialana teo ,aleony mamono olona ampolony toy izay ny voninahiny no voakitikitika ,ny vahoaka anefa efa tsy azo alamina amzany tsony
4. xxx ( 10/02/2009 09:58)
ny vahoaka efa ataon'ny ra8 tsy mahita zay ho arapany de mbola hanefa ny adidiny aona ary !! aleo izy hiala teo fa tsy mahavita azy ! tsy tafavoakany ny mitondra firenena matoa efa ireo olona mpanohana azy 100% no efa mivadika aminy ndray ! tsy aleo ve niala tsisy rà latsaka ? zao tsy afaka tsony amin rànireo olona reo ra8
5. tsiafoi1 ( 10/02/2009 10:01)
ny vahoaka anefa efa tsy azo alamina amzany tsony


Tsy ny maro an'isa fa aoka kely aloa!!
Be ny tsy miteny fa manana ny heviny
Fa tsy izay avo vava, ka mitarika korontana
No hoe hanan-drariny, azafady kely aloa!
6. xxx ( 10/02/2009 10:05)
assassin !!
7. andrywui ( 10/02/2009 10:06)
xxx 5 ==== RAVALO SY NY MPANKASITRAKA AZY
8. tsiafoi1 ( 10/02/2009 10:18)
Tsisy an-kiala zany eo, raha tsy tonga ny fotoana!
Jehovah Tompo no miahy ny olom-boafidiny
Ka na rivotra mifofo, tafiotran'ilay ratsy
Ny Filoha hijoro hatrany, hanefa ny adidiny

Satria MASINA ny TANINDRAZANA
9. andrywui ( 10/02/2009 10:21)
io zao mba metimety kely le tonokalo fa le ary tsy izy mitsy fa votany kely !!
10. molota ( 10/02/2009 10:46)
NY anareo ary Mbola TG Vendrana fôna hatramin'izao efa mba mitondra V lé présida 13 mai é vendranaéé Zefaaaaa mapiomehy :lol: :twisted:
11. andrywui ( 10/02/2009 10:50)
hay ve elah ry molotra be mbola velona tao eééé! ! noheveriko fa vita gly tany elah lety !! ary vao tonga elah de miakatra tansion be fa moramora alou ra mbola hijannn elaela eto fa mbola be ny horesahina !! misotroa alou elah rano mangitsy
12. xxx ( 10/02/2009 10:53)
Tsisy an-kiala zany eo, raha tsy tonga ny fotoana!
JEHOVAH Tompo no miahy ny olom-boafidiny
Ka na rivotra mifofo, tafiotran'ilay ratsy
Ny Filoha hijoro hatrany, hanefa ny adidiny


tsiafoy > na hisy ra mandriaka be de manao ahoana de tsy hiala? aza miteniteny foana sa le ra mandriaka no tian'Atra aminao? tsy hiala aho fa aleo vonoiko ho faty any ireto olona ireto? sitraky ny Tompo zany aminao ny nisian'ireny? Rah izaho ianao soloiko io anaran'Atra io satria io no Atra inoako fa io Atra inoako io tsy mankasitraka ny fandatsahan-dra velively.
13. molota ( 10/02/2009 10:57)
lé Tgvendrana io ihany no mamono olona eny @zao rehetra izao VENDRANA le Tgvééééééé, ra tsy hoé tany tsymisy lalàna eto koh!! Asaivo mitondra @zay ra tsy Vendranaé :-D :twisted:
14. andrywui ( 10/02/2009 11:03)
innn ihany ary ty mampisafoaka anleéé molotra ty ! sa mamo sy leon'ny ràn'olona tao anga de eto no manala vokina
15. molota ( 10/02/2009 11:14)
in no olàna lah @ izay lazaiko eto éééé mandehana ndray aloha elah manao sorona éé :-D :twisted:
16. xxx ( 10/02/2009 11:26)
MBA MANANA TKOU ENAO HEVITRA RY MOLOTA FA TSY MITABATABA BE ETO FOTSINY A METY LEON'NY RA TKOU ENAO
17. ari.malala ( 10/02/2009 11:27)
molota, ianao v nahita ny tanan'i TGV nandatsaka ain'olona, sa izy no nampitifitra?

tsiafoi1, tsy haiko aloha na hoe nahazo tombontsoa ianareo na ahoana, fa tena hita be hoe mirona tanteraka am ra8, fa ny tiako anokafana kely ftsn ny masonareo d zao, tam 2002 marina fa nisy ny crise, fa tamizany 12000F ny litre ny menaka en cacheté, vao ts ela akory efa vidiana 21000F ny litre ny menaka! zany hoe ao anatin'ny 6 na 7 taona v d hiakatra b toy izany ny vidin'ny menaka, nefa ny akora tsy afarana any ampita fa eto antoerana iany, ankoatrizany ny decision raisina à la hâte tsy am-pieritreretana sns tsy ho voatanisa... izany ve no mbola mendrika hitondra eo hoy ianao? ary ity no tena zavadehibe, nampamono ny iray rà aminy! izany no mbola mendrika? mpanampim-bava izay rehetra tsy mitovy hevitra aminy sady ingrat!!! nankaiza izao ireo olona nimatimaty tam fametrahana azy teo? presk any ampigadrana, mody amoronana dossier sns de aveo gadraina! olona mpanao ampihimamba... nankaiza izao ry les trois frères? izany ve no mbol amendrika hitondra aminao? asio eritreritra kely iany re azafdy e
18. tsiafoi1 ( 10/02/2009 11:41)
ENY, FANOLO NY FILOHA
Marina tokoa...,
Fa tsy an-terisetra,
Fa miandry ny fotoanany,
Izay no ara-dàlana,
Sy EKEN'NY REHETRA!

ENY, FANOLO NY FILOHA
F'Aleo hiandry aloa!
Izay safidin'ny rehetra,
Fa tsy an-kerisetra!

ENY, FANOLO NY FILOHA
FaTsy safidin'olom-bitsy,
No kirizana hampitoerina,
Handrava zay najoro,
Madagasikara anie,
Ka iray tsy vaky volo e!

ENY, FANOLO NY FILOHA
Fa Mahandrasa ny fotoana,
F'izay milangalanga anie,
Ka mora mitsingaona e!

De ireny zao no vokany...,
Mbola tsy tonga saina!!!
Ny vahoaka zary sorona,
Handrombaham-pahefana,

De an'iza zao ny tombony?

19. andrywui ( 10/02/2009 11:42)
ngah reo misy eritreritra hisaina zany tsony ry ari.malala fa de izay ahafatesana Malagasy bediabe fotsiny ny azy no tanjony ! fa
20. andrywui ( 10/02/2009 11:44)
le rà alatsany iny mihitsy ny azy no tena fahafinaretandreo olona reo !! efa zay angamba no toro hevitra(consigne) azony tam ra8 tao tao oe mamonoa maro fa ahazo ny lanitra hianareo !! aripaho ze malagasy manohitra ahy fa tsy misy dikany ny rànireo !! de io tkou fa de maty eritreritra io ny sasany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0912