Ny diso afaka terena ho marina. Ny maro an'isa no lalaovina

1. penguin ( 10/02/2009 06:55)
Izay ilay hoe ampiankaro ny farim-pahalalan'ny olona ahafahany mandalina sy manadihady ny ho aviny. Rehefa mareforefo ny saina dia izay hevitra mandalo dia manaitra azy ary miantefa hatrany amin'ny fony mihintsy. Ka aza adino fa azo terena ho marina ny diso rehefa hay ny milalao ny resaka maro an'isa. Dia samia mahatanty fa hiaraha-mizaka izay vokany eo.
novalian'i penguin ny 11/02/2009 05:58
2. rahiratra ( 10/02/2009 07:02)
Raha ny vahoaka mpilahatra no miala an-daharana diso fa i TGV miala ilany ary tsy maratra na kely aza MARINA. Ny mpitifitra diso fa avela ny olona haka ny sezany ao Ambohitsirohitra satria azy io.
3. tsiafoi1 ( 10/02/2009 08:10)
Mba fisainana aona loatra re izany e???
4. xxx ( 10/02/2009 08:46)
Tsy maintsy miala io Le8 io vao milamina Gasikara. nefa rahoviana? toa ela loatra izy zany ka,
5. xxx ( 10/02/2009 08:53)
REHEFA NY FILOHA …


Rehefa ny Filoha mitondra Firenena
no hita fa maranitra
sy manam-pahendrena …
isaorana Andriamanitra !

Fa azo sokajina tsy an-kiambatrambatra
ho Firenena sambatra
izay Firenena izay
fa manan-tsolon-dRay.

Satria dia tsy hihahaka
fa manana mpitarika azo alaina tahaka
izay vahoaka entiny
mahita ny firentin’
ny fanetreny tena
sy ny herim-po asehony anaty Fahendrena…

Satria ny Fahendrena
finiavana hietry mba hitomboan’ny hafa ;
Satria ny Fahendrena
fetezana hihaino, fetezana hitafa ;
Satria ny Fahendrena
fahaiza-mankatelina ny ezaky ny namana ;
Satria ny Fahendrena
fahaiza-mitsinjara ny kely am-pelatanana ;
Satria ny Fahendrena
fiainana isan’andro ny androm-pamafazana ;
Satria ny Fahendrena
Fitiavan-Tanindrazana.

Rehefa ny Filoha no manana Fitiavana
fa nahavoatra fo handraisana ho Havana
ny olona rehetra,
ho namany hitsetra
amin’izay hitserany,
hiarahany hisetra
ny onja tsy anerany,
ho namany hijaly
amin’ny fijaliany,
ho namany hifaly



amin’ny fifaliany…
dia tsy hanana fandavana
fa hanana finiavana
hiasa ny vahoakany,
ny dininy ho voafaokany
tsy an-kiferinaina
na lavitra ezaka aza ny tanjona andrandraina.

Fa…
rehefa ny Filoha no ambonina loatra
na manambony tena,
adalam-pahefana ka dia mampiasa mihoatran’
izay nifanekena,
dia mihamitombo harena
“satria” ny Firenena
dia “hoe” an-katerena,
rehefa ny Filoha
no mihinana isan’andro ireo hanim-pito loha,
kanefa ny vahoakany dia zara raha mihinana,
izay mba mahita hohanina,
mahantra fitsimbinana,
manao sangodim-panina
anaty tsy fisiana,
domelim-pahoriana
ary efa ivongadian’ny kitrom-pandohalihana,
tsy manan-kitodihana,

rehefa ny Filoha no tsy mihaino intsony,
manentsina tadiny
n’iza n’iza hamoaka ny hetahetam-pony
sy izay mba faniriany,
ka tsy mahita intsony
ny fahorian’ny hafa,
dia tsy ho hita intsony
hiarahana mitafa

dia hanahoana ny aminy ?...

Fa hanandrify rahona ny làlana halehany
satria tsy ho voalaminy
ireo karazan-tsampona hameno izay hiherehany…
Dia tsy ho tafandry mandry
satria tsy maintsy miandry
ny ora sy minitra
hipoiran’izay hery, ambiny tsy ritra,
tsy laitran’ny tsy fidy izay nampipitrapitra
ny mason’ny vahoakany,
rehefa injay hitobaka ny fatran’ny kapoakany…
ka asa izay havoakany !!...

Rehefa ny Filoha sy ny eritreri-dreriny
no alaim-panahy hanampatra ny herin’
ny afom-pisafoakany
sy ny hamafisam-pony
amin’ny vahoakany
manjary tsy azy intsony,
dia azo vinanina ny zavatra hitranga
tsy maintsy ho fiarafan’izay tia milangalanga
kanefa ratsy tohana,
rehefa an-tanan-dany ny hery niantohan’
ny olona voavidiny
ny hoavin’ny safidiny,
na, sanatria, miofo…

Dia mbola ho voaporofo
indray sy soa aman-tsara
ny marina efa marina voamarin’ny tantara
hatramin’ny taloha,
isaky ny misy vahoaka tafafoha :

“FANOLO NY FILOHA” !

NARY Njato ( na R.H.A. NARY)
Mey 1991

6. andrywui ( 10/02/2009 08:59)
Na innn alo fanazavana sy fankasitrahan'iPenguin ny famonoana ny Malagasy iray rà aminao de tazony ho anao ny ràn'ireo olona marobe nalatsakareo rà ireo ,hitambesatra eo ambonin'ny lhan'ny ra8 sy ny mpankasitraka rà mandriaka ny ainireo malagasy ireo
7. tsiafoi1 ( 10/02/2009 09:10)
ENY, FANOLO NY FILOHA
Marina tokoa...,
Fa tsy an-terisetra,
Fa miandry ny fotoanany,
Izay no ara-dàlana
EKEN'NY REHETRA

ENY, FANOLO NY FILOHA
F'Aleo hiandry aloa
Zay safidin'ny rehetra
Fa tsy an-kerisetra
Ka safidin'olom-bitsy
No iniana mba hampitoerina
Handrava zay najoro,
Madagasikara anie,
Ka iray tsy vaky volo e!
8. andrywui ( 10/02/2009 09:18)
anga oa tsy versets biblik tsony no natao e!! matahotra hanonona ny anaran'ny Jehovah anga amity olona bedebe novonoina !!! assassin !! masirasira !!
9. penguin ( 11/02/2009 05:58)
Hahaha nijery teny @'ny 13 Mai aho omaly ary nanambara i SARERAKA fa izay miasa androany dia MPIRAY TSIKOMBAKOMBA @ MPAMONO OLONA. Sokafy ny maso fa mianatra ny mpianatra, mitatitra ny mpitatitra, izaho izao aty ampiasana, ny mpitaona paoma sy voatabia lohoavina mandeha, ny mpanadio zaridaina hitako eo ka mpamono olona daholo izahay rehetra mitady hivelomana ra-andrywui.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0507