ENY MAHAMASINA RAPITSO NY MPANOHANA NY FITONDRANA

1. tsinjo ( 10/02/2009 06:03)
miantso ny mpanohana ny fitondrana rapitso ho tonga eny mahamasina @ 11ora tolakandro hmmmmmm
novalian'i xxx ny 11/02/2009 05:05
2. penguin ( 10/02/2009 06:22)
Ny hendry mody voky ary ny adala manesika ihany. Ady no haterak'izany ary vao mainka fampitomboana isa izay mety haratra na maty aza satria ny vahoaka mifanena avy dia rotaka fa ny mpanao politika afaka mifandom-bera ihany.
3. heidi ( 10/02/2009 06:30)
raha izaho manokana alou am place n'ny olona tsy hande zà... tsy hanihana ny fotondràny no ilaina fa ny fialàny ampilaminana, fa ny ts ytiko dia ny fandrombana sy ny hery setra ary ny fanararaotana
dia aleo izay tian'ny vahoaka no ho fidina :-P
4. heidi ( 10/02/2009 06:33)
raha izaho manokana alou am place n'ny olona tsy hande zà... tsy hanihana ny fotondràny no ilaina fa ny fialàny ampilaminana, fa ny ts ytiko dia ny fandrombana sy ny hery setra ary ny fanararaotana
dia aleo izay tian'ny vahoaka no ho fidina :-P
raha samy hendry dia mifanaraka izy mitsamy fa tsy ny vahoka no taritina avory etsy avory aroa
5. penguin ( 10/02/2009 06:44)
Ny olona miasa sy misasatra tsy faly ny handroba ny fananan'olona nahoviana nahoviana. Saingy aza adino fa ny diso azo terena ho marina ary hiainana eo dia any aoriana indray vao miverina ho diso. Izay no fiainan'ny Malagasy ka IZAY ATAON'ELAH EO.
6. ravatorano ( 10/02/2009 07:11)
aoka itsy ! fika efa nande koa zany taloha e !

tongava eny marina izay tena manohana marina ity fitondrana ity ary dia ho hita mibaribary eo izany hoe iza no iza amizay koa mazava ange e sady izay ilay demikrasia indraindraina izay ka inona no olana raha ho tonga eny Mahamasina ireo mpanohana andRa8 !

atahorana izany ilay "conforntation" amin ireo olona ni "collecté" an'Ingahy filoham-pirenena Ravalomana sy ny avy ao amin'ny filohan'ny Tetezamita Ingahy Andry Rajoelina !
7. xxx ( 10/02/2009 07:16)
IE TONGAVA ENY MAHAMASINA, NY AINA SOLON'NY AINA ....
8. ravatorano ( 10/02/2009 07:30)
raha malagasy mbola misaina sy milay ihany koa dia tokony hitandrina tsara aloha izy vao ho avy amin 'izany tetika handranitana ny samy malagasy izany
dia ho hita eo moa raha hisy olona hoa vy eny mahamasina rahampitso :wink:
9. volatsara ( 10/02/2009 08:00)
izahay efa leo ity fiainam-boton'i ANDRY Rajoelina ity, ka na ino kiantra na ino kidona dia tsy maintsy miaro ny ara dalana izahay fa tsy izay mitarika andian'olona ho any @ arabe dia ho lasa tompon'ny Fitondrana, ianareo ao antananarivo renivohitra ihany no nifidy an'io fa izahay vahoaka maro an'isa eran'i Madagasikara TSIA, indrindra ny eto avaradrano,
10. xxx ( 10/02/2009 08:04)
Rah zah manokana tsy ho eny aho, tsy ny famoriana vahoaka esty sy eroa no midika fa tian'olona ianao, rah sahy mirosoa @ teteza-mita dia manao referendum, ho hita eo rah tena tian'oul tokou nareo mamory vahoaka gauche droite ity,
sady tsy mety ve rah tsy mifandrangitra foana e, mamory iry de mba hamory koa zah, hita fa efa tsy mahatoky ny tenany intsony ny filoha dia te hitsapa hoe mbola tia ahy ihany ve ireto vahoaka ireto,
nefa tsy eny amiko manokana no tokony hitsapany an'zany,
Mety hiafara @ guerre civil ity rah izaho mitohy.
Tsy mirary zah an, fa fanahiana ny ahy,
Ohatran'ny tany tsy misy filoha intsony Gasikara, aiza nareo mpitondra e, asehoy ny vahoaka fa mbola ao ianareo fa tsy mangina fotsiny ohatr'ireny hoe tany milamina be ireny Madagasikara. :wink:
11. xxx ( 10/02/2009 08:35)
ny tantara d mbola mitohy é, hoy le hiran'ny nanahary zay.

d ho eny zany reo TIM reo, d hanao inn?
d ho eny @ 13mai ny TGV d hanao inn?
d hiaona eo @ tunnel avy eo, d hanao inn?

zao tonga ny VAZAH, d samy manaiky daolo fa hiresaka @zay. fa ny FFKM nanao inn, de tsy nekena ny fanolorany hevitra ny hiaona? ny corps diplomatiK eto madagasikara efa nampiaona, d naninn no tsy nekena?

TSIRANANA(13mai1972)=RATSIRAKA(10août1991)=ZAFY(empechement)=RATSIRAKA(2002)=RAVALOMANANA(7fév2009)=ZE HIDITRA EO NDRAY=TSY HIOVA MINTSY NY TANTARAN'I MADAGASIKARA

ndana daolo, na ho aiza na ho aiza tianareo. d refa misy ny maty, d mifanomeza foana tsiny eto. sehatra malalaka hifanasana vangy tony toerana itony. aza malahelo, fa "minonoa fotsiny ihany".
12. xxx ( 10/02/2009 08:49)
Zah no alefa eo de ho hitanareo izy, hi hi hi
rah mba izaho no miliaridera mpanakarena mpanambola be ..............
13. xxx ( 10/02/2009 08:50)
indrisy ry Mpitondrako milaza azy ho Kristianina????
14. tsiafoi1 ( 10/02/2009 08:53)
Aza mifanakivy, fa ze hanatrika de manatrika. Ze tsy hanatrika mipetraka any an-trano.

Mitady fitondrana nareo, de mba hiseho vahoaka zany izy ireo, ka inona indray no tadiavinareo!!!. Aleo koa izy mba haneho ny heviny fa ny radio efa nodorana de mba ankalamanjana indray zany sisa hanehoany ny heviny.

15. bozyboleta ( 10/02/2009 08:53)
Ohatran'ny tany tsy misy filoha intsony Gasikara, aiza nareo mpitondra e, asehoy ny vahoaka fa mbola ao ianareo fa tsy mangina fotsiny ohatr'ireny hoe tany milamina be ireny Madagasikara.


Ndreto zay e! :lol: :lol:
Fa tokony hitabataba ahoana moa zay?
Fa inona marina ary izany no tena tadiavinareo e? :?: :?:
16. xxx ( 10/02/2009 08:55)
REHEFA NY FILOHA …


Rehefa ny Filoha mitondra Firenena
no hita fa maranitra
sy manam-pahendrena …
isaorana Andriamanitra !

Fa azo sokajina tsy an-kiambatrambatra
ho Firenena sambatra
izay Firenena izay
fa manan-tsolon-dRay.

Satria dia tsy hihahaka
fa manana mpitarika azo alaina tahaka
izay vahoaka entiny
mahita ny firentin’
ny fanetreny tena
sy ny herim-po asehony anaty Fahendrena…

Satria ny Fahendrena
finiavana hietry mba hitomboan’ny hafa ;
Satria ny Fahendrena
fetezana hihaino, fetezana hitafa ;
Satria ny Fahendrena
fahaiza-mankatelina ny ezaky ny namana ;
Satria ny Fahendrena
fahaiza-mitsinjara ny kely am-pelatanana ;
Satria ny Fahendrena
fiainana isan’andro ny androm-pamafazana ;
Satria ny Fahendrena
Fitiavan-Tanindrazana.

Rehefa ny Filoha no manana Fitiavana
fa nahavoatra fo handraisana ho Havana
ny olona rehetra,
ho namany hitsetra
amin’izay hitserany,
hiarahany hisetra
ny onja tsy anerany,
ho namany hijaly
amin’ny fijaliany,
ho namany hifaly



amin’ny fifaliany…
dia tsy hanana fandavana
fa hanana finiavana
hiasa ny vahoakany,
ny dininy ho voafaokany
tsy an-kiferinaina
na lavitra ezaka aza ny tanjona andrandraina.

Fa…
rehefa ny Filoha no ambonina loatra
na manambony tena,
adalam-pahefana ka dia mampiasa mihoatran’
izay nifanekena,
dia mihamitombo harena
“satria” ny Firenena
dia “hoe” an-katerena,
rehefa ny Filoha
no mihinana isan’andro ireo hanim-pito loha,
kanefa ny vahoakany dia zara raha mihinana,
izay mba mahita hohanina,
mahantra fitsimbinana,
manao sangodim-panina
anaty tsy fisiana,
domelim-pahoriana
ary efa ivongadian’ny kitrom-pandohalihana,
tsy manan-kitodihana,

rehefa ny Filoha no tsy mihaino intsony,
manentsina tadiny
n’iza n’iza hamoaka ny hetahetam-pony
sy izay mba faniriany,
ka tsy mahita intsony
ny fahorian’ny hafa,
dia tsy ho hita intsony
hiarahana mitafa

dia hanahoana ny aminy ?...

Fa hanandrify rahona ny làlana halehany
satria tsy ho voalaminy
ireo karazan-tsampona hameno izay hiherehany…
Dia tsy ho tafandry mandry
satria tsy maintsy miandry
ny ora sy minitra
hipoiran’izay hery, ambiny tsy ritra,
tsy laitran’ny tsy fidy izay nampipitrapitra
ny mason’ny vahoakany,
rehefa injay hitobaka ny fatran’ny kapoakany…
ka asa izay havoakany !!...

Rehefa ny Filoha sy ny eritreri-dreriny
no alaim-panahy hanampatra ny herin’
ny afom-pisafoakany
sy ny hamafisam-pony
amin’ny vahoakany
manjary tsy azy intsony,
dia azo vinanina ny zavatra hitranga
tsy maintsy ho fiarafan’izay tia milangalanga
kanefa ratsy tohana,
rehefa an-tanan-dany ny hery niantohan’
ny olona voavidiny
ny hoavin’ny safidiny,
na, sanatria, miofo…

Dia mbola ho voaporofo
indray sy soa aman-tsara
ny marina efa marina voamarin’ny tantara
hatramin’ny taloha,
isaky ny misy vahoaka tafafoha :

“FANOLO NY FILOHA” !

NARY Njato ( na R.H.A. NARY)
Mey 1991

17. nyavo2000 ( 10/02/2009 09:01)
izay indrindra, raha tena marina ny fandehanana eny, inona no olana....
aleo hiala @ fahanginany ny olona fa be loatra ny lainga afafy etsy sy eroa...

Nahoana koa moa no hifandona e! tsy ny fehitenda orange " pacifisme" ve no tarigetran'ny TGV ve e ? sa dia hoe tsy mahatanty demokrasia..

Ny tafika fotsiny atao eo ampovoany dia izay mitady hiadysy hanafika tifirina de vita....


ravatorano:

aoka itsy ! fika efa nande koa zany taloha e !

tongava eny marina izay tena manohana marina ity fitondrana ity ary dia ho hita mibaribary eo izany hoe iza no iza amizay koa mazava ange e sady izay ilay demikrasia indraindraina izay ka inona no olana raha ho tonga eny Mahamasina ireo mpanohana andRa8 !

atahorana izany ilay "conforntation" amin ireo olona ni "collecté" an'Ingahy filoham-pirenena Ravalomana sy ny avy ao amin'ny filohan'ny Tetezamita Ingahy Andry Rajoelina !




18. ni81 ( 10/02/2009 09:05)
izay indrindra, raha tena marina ny fandehanana eny, inona no olana....
aleo hiala @ fahanginany ny olona fa be loatra ny lainga afafy etsy sy eroa...

Nahoana koa moa no hifandona e! tsy ny fehitenda orange " pacifisme" ve no tarigetran'ny TGV ve e ? sa dia hoe tsy mahatanty demokrasia..

Ny tafika fotsiny atao eo ampovoany dia izay mitady hiadysy hanafika tifirina de vita....
mandehana daholo indray ho tazanina e!
19. andrywui ( 10/02/2009 09:06)
ao anatin'ny mangetaheta valifaty daholo ny olona rehetra izao ! ka sur fa mbola tsy ampy ny ny rà alatsaky ra8 eto madagascar zany mazava be !!! fa mbola mila rà firy ndray hono hanampiana ireo efa maty ireo rahapitso?? tena eo marina tsinona no hirohotan'ny olona hanao valifaty !! aina solon'ny aina !! maharary ny maty havana de hisy rà mandriaka ndray eo zany!! MILA SORONA AMIN'NY FITAZONANA FITONDRANA !!! efa olona 60 miampy zaza 29 mbola ampiana firy ny isa tadiavin'ny ao Alarobia ao ? 100 ve Prezida vao afaka miverina ho Prezida ? ny gogole sy ny tsisy saina mpanaradrenirano fotsiny no manaiky anao fa ny manana bagages sy ny mahalala tsy azonao amzany Ra8 !! ny gogole mbola ahafantatra ihany amin'ny farany
20. naritsimba ( 10/02/2009 09:23)
dia tongava maro izany ko, ho hita eo hoe ireo mpiresaka eto ireo ve tena sahy ho any tokoa tahaka anay izay mpakeny @ 13 mai, sa dia mpamporisika fotsiny?
mbola hitohy ary tsy maintsy tratra ny tanjona ary tsy maintsy hanjaka ny fahamarinana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0659