Manomboka androany dia omeko Azy ny fiainako

1. niryna ( 09/02/2009 18:46)
Na dia somary ela ihany aza no nizaraina ny tenin'Atra tamin'ity tanora ity dia tsy kivy ilay mpampianatraa fa dia nizara hatrany,na dia maro aza ny fanontaniana napetrany fa matetika dia hoe tsy mba nampianarina izany izahay dia tsy kivy ity olona fa namaly araka izay mba fantany.Omaly raha nizara ny tenin'Andriamanitra taminy izy dia hoy ilay mpampianatra azy hoe rehefa tonga any an-trano hianao dia arindrino ny varavarana ka mandoaleha ary dia mivavaha amin'Atra,mifona aminy ary mangataha aminy hoe raha tena misy marina hianao ry Kristy dia midira ato am-poko fa atolotro ho tantananao manomboka anio ny fiainako Andramo izany hoy ilay mpampianatra dia ho fantatrao fa tena misy marina Andriamanitra.

Ivadika ho kristiana amin'izay ary aho hoy izy ,na dia noeritreretiny fa hoe kristiana izy taloha kanefa mbola tsy nandray an'i kristy tao ampony tanteraka.
Dia hoy izy hoe andao ary isika mianaka no hiaraka ivavaka sy andohalika e,fa manomboka androany dia anaiky ho tantanan'i kristy amin'izay ny fiainako rehetra ary manaiky koa aho fa Izy irery no Andriamanitro ka dia izy no ho tompoiko sy arahiko amin'izay

.......
sitraponao izany ? eny hoy izy,vonona tokoa hianao ? eny hoy izy
dia niaraka nandohalika izy mianaka ary dia hoy ilay mpampianatra azy hoe avereno aza izay teneniko ....dia namerina izy ...ary dia nanomboka nandray an'i kristy ho ao am-pony nanomboka omaly ilay tovovavy

Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina .Amena

(l) niryna
2. ikaretsaka ( 09/02/2009 19:28)
androany ve va manome
3. niryna ( 10/02/2009 05:21)
ikaretsaka:

androany ve va manome

hi,hi
mizara aho ry ika fa tsy izaho no vao androany nanome ny fiainako an'i kristy a

Afaka miova fo amin 'izay tokoa hianao ka manomboka androany dia azonao omena Azy ho tantanany amin'izay ny fiainanao .Ataovy ny fanandramana raha te ahalala hoe Iza tokoa izany Andriamanitra resahin'i niryna eto lava izany.
Te ahalala anao amin'izay aho hoe ka midira ato am-poko fa miahaino ny mpanomponao .Aza adino ny mangataka famelan-keloka an
:-* ataovy ny fanandramana raha te ahalala Azy amin'izay hianao
4. ikaretsaka ( 11/02/2009 15:09)
Ohatran'ny tsy de appropriate le hoe efa kristianina de hivadika kristianina... sy le mi test hoe raha tena misy enao ry Atra de ataovy zao.... lasa conditionnel be izany le izy...raha tsy ataony izany ilay raha ve de hoe tsarymisy Izy? Non!

Ny devoly no nanao izany t@ naka fanahy an'i Jesoa tany an'efitra: raha zanak'Atra ialahy de ataovy zao.
5. niryna ( 11/02/2009 18:07)

fa inona tokoa moa no antsoina hoe kristiana ? izay rehetra manaiky an'i kristy fa tompo sy mpanjaka izy ,raha manana zavatra hafa aho ho tompoiko sy hiankohoako mihoatra noho izy dia tsy krisitiana aho izany fa tsy misy afaka ny anompo roa ,ny iray baala ny iray Jehovah

inona no atao hoe kristiana : izay rehetra tsy manaraka sy tsy maiky fa tsy Andriamanitra Izy ....
izay milaza fa mbola mahita lalankafa ahafahana miantso an'Atra amin'ny alalan'ny olona maty na olona saint saint izay tsy afaka ny hihaona amin'Atra intsony rehefa maty izy ireo .Ireo olona izay nampianaraina hivavaka amin'ny maty fa tsy makany amin'i kristy izay milaza mazava fa izy no lalana mankany amin'ny Ray
Ireo izay tsy mino fa Andriamanitra Ray ,Andriamanitra Zanaka , ary Andriamanitra Fanahy Masina telo izay iray (trinity)
asa mbola averiko amin'ika indray izany ireo satria efa imbetsaka ireo no nomeko an'ika kanefa tsy maninona fa averiko indray e
aminao inona no atao hoe kristiana ?
mba valio hoe azafady ?
misaotra mialoha
raha mbola tsy nandray an'ilay kristy tao am-pony dia tsy azo atao hoe kristiana ilay olona na dia miangona isaky ny alahady lava izao aza,raha mbola ny omaly ihany ny fiainana niainako fa tsy mahita ilay fitiavan'Atra mirotsaka ato anatiko aho dia mbola tsy kristiana aho izany ,nanaiky azy ho tompoko ve aho,manaiky azy fa any aminy ve no misy ny famonjena sa mahita famonjena hafa aho
Nino azy aho ve fa maty noho ny fahotako izy? nino azy aho ve fa nitsangana t amin'ny maty izy ary naharesy ny fahafatesana ?
Nino azy aho ve fa tena zanak'Atra tokoa izy ary nomen'Atra ahy hisolo ny fahotako izy ,mba amonjy ahy sy izay rehetra mino azy?
mino azy aho ve fa izy no mpamonjy ny fanahiko ka tsy matahotra izay asan'ny satana aho na satana intsony? satria manana azy izay mpiharo ahy?
Mino azy aho ve fa mbola hiverina izy ? ary izaho ,izay rehetra mino aza dia hiaradia azy ho mandrakizay rehefa hatrizay ka miala ety ?
Izany rehetra izany anefa dia tsy ho azoko raha mbola maloto ny foko ka tsy mamela heloka ireo olona tsy tia ahy aho,tsy tiako,manenjika ireo teny izay zaraina aminy isan'andro ary manohitra ny tenin'Atra ...mila mivavaka izany aho ,mila mangataka famelankeloka isan'andro izany aho,mila manetritena ka mivavaka ireo fahavalo izay manembatsembana ny fizarana ny tenin'Atra izany aho ,tsy mora ry ika a,fa mila fanampiana amin'Atra izany fa tsy vitan'ny heriko na ny herinao samy irery ka izany no antony hiantsoana an'ilay kristy hanampy anao mba ho tonga amin'izany .
Rehefa mino an' i kristy amin'izay isika,rehefa nametraka ny fiainantsika ho tantanany dia tsy matahotra an'i satana intsony ,tsy matahotra na menatra ny mizara ny tenin'ATra intsony ary tsy atao mahatezitra na anary ny fifaliana izay nomeny ahy ,anao velively intsony ireo izay misintona iverina tsy hino ny Anarany
aleloia ho an'ilay Ray mahery irery anie ny voninahitra ,ho antsika kosa ny famonjena ka raiso fa tsy misy vola na asa atao fa finoana Azy aloha no voalohany .Tsy matahotra an'ilay fahavalo lehibe intsony isika dia satana izany rehefa mino Azy satria kristy efa nahatohitra azy io

6. ikaretsaka ( 11/02/2009 19:24)
Efa in 1000 io no novaliako....Ny atao hoe kristianina de ireo mino an I kristy sy mankato ny fampianarana REHETRA navelany tamin'ny mpianany sy ny dimbiny sy ny zavaboariny.. fa tsi izay tsimpona metimety @ ze firehana momba Azy ihany
7. ari.malala ( 12/02/2009 06:13)
niryna:

Na dia somary ela ihany aza no nizaraina ny tenin'Atra tamin'ity tanora ity dia tsy kivy ilay mpampianatraa fa dia nizara hatrany,na dia maro aza ny fanontaniana napetrany fa matetika dia hoe tsy mba nampianarina izany izahay dia tsy kivy ity olona fa namaly araka izay mba fantany.Omaly raha nizara ny tenin'Andriamanitra taminy izy dia hoy ilay mpampianatra azy hoe rehefa tonga any an-trano hianao dia arindrino ny varavarana ka mandoaleha ary dia mivavaha amin'Atra,mifona aminy ary mangataha aminy hoe raha tena misy marina hianao ry Kristy dia midira ato am-poko fa atolotro ho tantananao manomboka anio ny fiainako Andramo izany hoy ilay mpampianatra dia ho fantatrao fa tena misy marina Andriamanitra.

Ivadika ho kristiana amin'izay ary aho hoy izy ,na dia noeritreretiny fa hoe kristiana izy taloha kanefa mbola tsy nandray an'i kristy tao ampony tanteraka.
Dia hoy izy hoe andao ary isika mianaka no hiaraka ivavaka sy andohalika e,fa manomboka androany dia anaiky ho tantanan'i kristy amin'izay ny fiainako rehetra ary manaiky koa aho fa Izy irery no Andriamanitro ka dia izy no ho tompoiko sy arahiko amin'izay

.......
sitraponao izany ? eny hoy izy,vonona tokoa hianao ? eny hoy izy
dia niaraka nandohalika izy mianaka ary dia hoy ilay mpampianatra azy hoe avereno aza izay teneniko ....dia namerina izy ...ary dia nanomboka nandray an'i kristy ho ao am-pony nanomboka omaly ilay tovovavy

Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina .Amena

(l) niryna

otran mamofompofona vecu zan le tantara :-D :-D :-D :-D

PS fa manin marina moa no ts maints testena foana hoe ra tena mis enao ry Atra d zao d zao d zao e! angaha moa ts efa teniny foana hoe "Ary indro izaho eo aminareo mandrakariva ambarapahatapitr'izao tontolo izao"?
8. ikaretsaka ( 12/02/2009 06:20)
Ka izay nge no nilazako hoe jereo ihany fa sao de toetran le naka fanahy an'i jesoa tany an'efitra no mpanao an'izany hoe: raha misy sy zao ianao de ataovy zao ny zao!
9. ari.malala ( 13/02/2009 05:34)
fa misy zavatra tsy azoko hoa e! fa maninona no guidena ny vavaky ny olona fa tsy avela izy no hivavaka hoazy samy irery? ilay hoe avereno izay lazaiko? ohatran'ny hoe terena ilay olona hanaraka izay tianao tenenina an'Andriamanitra! vavaka zany anie resaka personnel entre le olona sy Andriamanitra e! k raha mis miteny hoe teneno izay teneniko d le mamerina zany boloky ftsn...
10. ikaretsaka ( 13/02/2009 05:51)
k raha mis miteny hoe teneno izay teneniko d le mamerina zany boloky ftsn...
8) mbola ilaina hazavaina ve?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.09