Arovy Antananarivo

1. filazana ( 08/02/2009 15:30)
Potehin'ny mpitady seza Antananarivo. Hitsangana ny zanaky Iarivo. Vonoina daholo ny mpandroba sy mpamaky trano
novalian'i tsiafoi1 ny 09/02/2009 07:57
2. Stretch ( 08/02/2009 16:15)
dia hifamono antoerana zany , aina zany sa materiel ?
3. marozevo ( 08/02/2009 16:17)
Za tsy d'accord aminao fa miala tsiny. Tsy Antananarivo no arovana fa i Madagasikara.
4. flodine ( 08/02/2009 16:28)
filazana:

Potehin'ny mpitady seza Antananarivo. Hitsangana ny zanaky Iarivo. Vonoina daholo ny mpandroba sy mpamaky trano
Tsy iarivo ihany no harovana fa i Gasiskara no mila fanavotana sy filaminana, aza tia tena eo.


5. marozevo ( 08/02/2009 16:36)
Merci Flodine
6. MANAKASINA ( 08/02/2009 16:39)
marina ny anareo, aza varina @ ady sezan-dry zareo, fa arovy ny firenetsika, aza avela ho simba, noho ny fitiavaten'olotokana
7. maronibe2 ( 08/02/2009 18:13)
angamba tsy tokony Antananarivo irery no arovana fa ny tsy ahalasa an'i Madagasikara ho kilasiana ho firenena farany mahantra na ahantra indrindra eto an-tany satria fanapotehana hatrany no tian'ny sasany hampanjakaina eto amin'ny tanĂ na,hoatrin'ny hoe"heverin-dry lerony fa kilalao ny firenena sy ny ain'ny olona"
8. marozevo ( 08/02/2009 18:19)
Madagasikara anefa tsy an'dry zalahy irery ihany.
Madagasikara anefa, dia antsika miANAKAVY
9. maronibe2 ( 08/02/2009 18:33)
Antsika mianakavy i Madagasikara fa tsy Antananarivo irery akory no Madagasikara,ary ny Maire ny Kapitaly tsy natao hanakorontana an'i Madagasikara sy hampitohana ny firenena iray manontolo satria tsy olona toy ireny no ilainay avy amin'ny faritra hafa ka aleo hazava ny resaka,sady tsy nofidianay io,
10. tidegrow ( 09/02/2009 07:45)
andao ary atsanganay ny atoko hiaro any madagascara tsy mila panao politika fa vahoaka trotra :D
11. tsiafoi1 ( 09/02/2009 07:57)
Ka efa miainga ny production petrole eto amintsika..... Tsy tampo hafenina koa ny Nickel sy ny cobalte,....MAMPITSIRIRITRA IREO FIRENEN-DEHIBE MARO

Minoa ahy ianareo fa misy firenen-dehibe, tsy iray na roa, mamatsy vola izao savorovoro izao, ka mampiasa an'i Andry @'izao toe-javatra izao.... Satria raha lany andro mamono afo sy mampandry tany ny fitondrana ankehitriny,... De ho avy mora izy ireo hitavana ny haren'ny firenena

I Madagasikara mihitsy no mila harovana, ary mila mailo hatreny ifotony, isam-pokontany isika isam-batan'olona.... Fotoana tena tokony hampijorona sy hanapafisana ny FOKONOLONA, izay natsangan'ny filoha RATSIMANDRAVA izao.... Koa raha vao misy information mampiahiahy de tonga de mandefa sms avy hatrany ny fahendrena..
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.3785