Mahay teny Frantsay vao azo ato Filoha izany vé ?

1. penguin ( 05/02/2009 13:31)
Apetrao ao amin'ny Lalam-panorenana manaraka ary hoe TSY MAINTSY MAHAY TENY FRANTSAY vao mahazo mirotsaka ho Filoham-pirenena satria io teny io no maha-Malagasy ny Malagasy. Ampio koa hoe manana "Nationalité Française" vao azo fidiana. Izay no mahatafita aingana an'ireo tany tafita rehetra ireo ka tairo ny zanak'i LaFrantsa a.
novalian'i tsiafoi1 ny 06/02/2009 10:48
2. tataka ( 05/02/2009 13:36)
Zay niofana tany France ihany ka.
3. xxx ( 05/02/2009 13:41)
Afaka ho aiza @ Frantsa eo eeee!!!! sa ve hangataka @ Angletera na i Allemaina na i Norvezy hoe AZAFADY MBA ZANAHO IZAHAY ATY OOO!!!! =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =))
4. mia ( 05/02/2009 14:10)
Efa borné amin'i france kosa nareo izany e! efa kely sisa anie dia tsy ho cinquième puissance intsony france raha izao crise aty izao e, chine aza efa atahorany mafy
5. nyavo2000 ( 05/02/2009 14:23)
France izany tsy misy ilàna azy intsony e!

Jereo va ny voangaly daholo sisa no mampihiratra ny frantsay amin'ny lafiny iraisam-pirenena indrindra ny sport....

Sady ny frantsay be flirony ka mahagaga ra tsy mahomby...

Aleo tonga dia asa ohtran-dR8....tsy be blabla sy style...nefa tonga de résultat.

6. xxx ( 05/02/2009 14:49)
Aleo tonga dia asa ohtran-dR8....tsy be blabla sy style...nefa tonga de résultat.

KOROTANA =)) =)) =)) =)) =)) =)) =))
7. tsiafoi1 ( 05/02/2009 14:56)
Efa "teen talk show" zao no malaza....Ny EPP aza efa "manao good morning Mister..." Ny an'ny sasany mbola "ça va Mosé le Maire" ihany no rongitiny....
8. xxx ( 05/02/2009 15:02)
EFA WE MANAOVA APPLICATION OF COLONISATION @ ANGLETERA WA FA METY HO LASA VODY MORNING MALAKY I M/CAR.
9. xxx ( 05/02/2009 15:27)
Teny Gasy mazava be izao aza letsy tsy mazava aminy koa teny vahiny indray no hanotanian'ialahy??? sady i lery koa anie tsy maheno tsara e!!!
10. penguin ( 05/02/2009 15:28)
Tsy efa mihevi-tena mpandresy vé elah ka miomana dia apetrao ao hoe tsy maintsy mahay tenin'ny nanjanaka vao mahazo atao filohan'ny voazanaka. xxx tsy miseho fa voazanaka hatramin'izao.
11. Samoana ( 05/02/2009 15:49)
Ny tany sy château an'i lafrantsa aza efa vidin'ny sinoa tsimoramora kouh! Teny gasy dia ampy fa na ny koreana aza izany nihemotra :-D . Tsy maintsy mamboly mangahazo betsaka isika hamidy hanarenana ny rava refa samy vizaka izy 2là mianaka mampiady ravim-bola :wink:
12. sitlo ( 05/02/2009 16:11)
Rehefa tsy tia zavatra dia tsy tiavo intelligemment. Ekeko hoe tsy milay ny frantsay (ara-politika), fa betsaka ny zavatra hainy azo trandrahana.

Raha manana namana mianatra relation internationale ianareo dia anontanio fa ilaina be ny teny frantsay. Tsy ahafaty anao akory ny mahay teny frantsay.
13. ralalaina ( 05/02/2009 17:06)
marina RA8 raha tsy mahay miteny frantsay fa cepe anie ny niveau d'etudeny e
14. fijo ( 05/02/2009 20:13)
tsy ny fahaizan ateny frantsay no hilana,fa ny fahaizany mitondra ny gasy.izay olon aizay tadiavina dia mandroso isika;
15. tsiafoi1 ( 06/02/2009 10:48)
"Andriano ny an'ny tena, de ny an'ny hafa koa fehezo e!!!"

Maninona zao ny Chinois tsy miteny frantsay zany, nefa jereo ny fandrosoana ananany....

Jereo koa ny karana Pakistan, tsisy fianarana teny karana zany eran-tany, nefa de rizareo zao no manana central atomique goavana fahatelo eran-tany, ary mahafehy ny lafiny commerce rehetra....

Jereo koa ny Jiosy, tsy langue universelle ny hebreu, nefa jereo ny puissance économique ananany, rizareo no savants eran-tany....

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0554