TGV= MAP me hihihihi

1. Fanhaiky ( 05/02/2009 06:00)
TGV efa nisora-tena ho filoham-pirenena, efa vonona ny ho filoha mihits aza eh, nefa rehefa nesorina taminy ny maha-ben'ny tanana azy izy de niaka-peo indray ngah tsy ho ef filoha no mbola mikafiry ny toeran'ny ben'ny tanana MAPme ka.
Mbola tsy vitany indray ny fanonganana ny Filoha de hivarilavo hanongana Sefo Fokontany indray mba hafa mihitsy ity futur président de la république ty ka...
:-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D
répondu par Fanhaiky le 06/02/2009 05:57
2. xxx ( 05/02/2009 06:10)
k'efa tena fanina loatra izy, be tetika loatra de izay no alehany, Antenne VIVA no niandohany de lasa Fanjakàna ny farany, zao anefa lasa olontsotra sisa, teo aza izy maire tsy nahafaka ny sefo fokontany d'efa olontsotra indray ve izy no hahavita izany? izay ilay mitetika arivo anefa maty iray alina.
3. nyavo2000 ( 05/02/2009 06:15)

Ka ny sefo fokotany angamba mba mora esorina e!

Ilay président de la RUE PUBLIQUE izany no nanendry sy hanendry
Gouvernemant de la RUE PUBLIQUE
PDS maire de la RUE PUBLIQUE
Sefom-pokontany de la RUE PUBLIQUE.

Ny mahagaga aloha dia spécialitén'ilery ilay RUE PUBLIQUE saingy ny fako sy ny loto eny dia tsy hainy akory ny mamafa azy...
4. Fanhaiky ( 05/02/2009 06:41)
Mba hafa indray le hoe RUE PUBLIQUE iny indray no tsy tao an-tsaiko mahafinaritra eh :lol: :lol: :lol: :lol:
5. MANAKASINA ( 05/02/2009 09:27)
tadiaviny lery korotnanina tanteraka ity madagasikara ity
korotaniny ny firenena, alany eo ny filoham-pirenene
korotaniny ny comune, alany ny pds
korotaniny ny fokotany, alany ny sefo-pokotany
korotaniny ny govrenemanta, alany ny minisitra
fa izay loatra ity tgv ity, fa maninona no dia tsy andraisany fanjakana andraikitra,
6. calvinzeus9 ( 05/02/2009 09:53)
He resaka samy isika samy sika izy ty ehh, efa mihosotra ho filofa sahady nefa tsy hita akory izay vitany, sa ny olona azony sy voangona tena @ kianja ny 13 Mai, no mba vitany de mba midehadehaka be lery, raha izahay aty an-dafy aloa de miteny fa vao maika miverina ny milatsaka be ny farim-piaina ny olona sy ny toe-karena, tena miverina t@ andro Ratsiraka io de ny arema sy ny Frantsay no manjaka indray no manjaka ao. Tena mbola tsy manana tsaikefa ingahy TGV, tena mbola lalaoviny ry Dinosoro ireto, hatramin' ny Pasteur andriamanjato avy zao no mba manatitra taratasy eny Ambotsirohatra hoe solotena ihany izahay le fitenenana SOLOTENA mba hafa, fa rehefa tsy mety le raharaha de inona indray avy eo.
Ho avy @ asabotsy ao @ kianja 13 Mai hono artista Rossy hanao fampisehona, de mbola hiverina indray hanao politika indray ve Rossy nefa ireny no toe-javatra nahazo azo de hiverina indray ve, ny namany aza tsy sahy manao fampisehona na @ iza na @ iza ny izy inday ve no anao izany ao 13 Mai ao, mba saino hiany re olona rehefa tsy tafita le zavatra tiana atao ahh fa az manaonao foana, izay aloa ehh ny aty fa mindry ny valiny avy @nareo izahay aty
7. tsiafoi1 ( 05/02/2009 10:07)
Mila miheritreritra sy mandinika tsara le zalahy kely iny, ratsy conseillers koa angamba le boay kely, fa tena simbain'ny olona fotsiny..... Zao KO tanteraka nefa tokony ho futur président leiry après Ra8, zao vita matavy tanteraka ny aminy
8. zoulou ( 06/02/2009 04:17)
calvinzeus9:

He resaka samy isika samy sika izy ty ehh, efa mihosotra ho filofa sahady nefa tsy hita akory izay vitany, sa ny olona azony sy voangona tena @ kianja ny 13 Mai, no mba vitany de mba midehadehaka be lery, raha izahay aty an-dafy aloa de miteny fa vao maika miverina ny milatsaka be ny farim-piaina ny olona sy ny toe-karena, tena miverina t@ andro Ratsiraka io de ny arema sy ny Frantsay no manjaka indray no manjaka ao. Tena mbola tsy manana tsaikefa ingahy TGV, tena mbola lalaoviny ry Dinosoro ireto, hatramin' ny Pasteur andriamanjato avy zao no mba manatitra taratasy eny Ambotsirohatra hoe solotena ihany izahay le fitenenana SOLOTENA mba hafa, fa rehefa tsy mety le raharaha de inona indray avy eo.
Ho avy @ asabotsy ao @ kianja 13 Mai hono artista Rossy hanao fampisehona, de mbola hiverina indray hanao politika indray ve Rossy nefa ireny no toe-javatra nahazo azo de hiverina indray ve, ny namany aza tsy sahy manao fampisehona na @ iza na @ iza ny izy inday ve no anao izany ao 13 Mai ao, mba saino hiany re olona rehefa tsy tafita le zavatra tiana atao ahh fa az manaonao foana, izay aloa ehh ny aty fa mindry ny valiny avy @nareo izahay aty


1 andro sisa ananana andra8 e! izay izao no malaza, manao tsipaky ny miala aina sisa, miezaka mitety an'i Mcar na dia efa tsisy mpandray intsony aza fa torabato no mitsena, efa filoha alohan'ny vahoaka izany, mbola tsy fantatrao koa angamba fa ny ao Ftsoa efa niova daholo hatr@ chef de région, fkt, sns... izay angamba no mbola tsy fantatrao sa? radem mihaona e saika adinoko fa efa ho avy androany hariva eto Tana ny milisindra8.

9. Fanhaiky ( 06/02/2009 05:57)
Ao fa tsy hita eo ve zay mihitsy aleo ny ampitso no hitsara, fa za ndray aleoko miafy @ zao ihany toy izay hoe Zaza tsy ampy taona toy ireny no hitondra firenena mbola miala sakana aza angamba raha izay no mahafehy azy tsy ampy ahodikodin'ny efa mpahay politika ka manaonao foana.
Ny ampitso no hitsara fa ho hita eo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0678