ny feo faha telo

1. bonbongasy ( 03/02/2009 23:49)
Tsy hoe nangina akory izahay teo dia midika fa resy

Ho anareo momba ny tim sy ra8: tsy hoe nangina izahay teo dia midika fa resy ka nohararaotinareo ny nanjakazaka teto @ firenena, nanaovanareo ny hevitra rehetra mba hanapotehina izay tsy miaraka aminareo na ara politika na ara ekonomika ka nalainareo daholo ny fitondran-draharaha rehetra sy ny tsena na lalambarotra mba nivelomanay... Malahelo izahay nefa tsy niteny dia noheverinareo fa resy; nisy taminay no tsy nantanty ka nitraotra ary izao hiainantsika ankehitriny izao ny vokany...

Ho anareo momba ny tgv: Tsy hoe nangina izahay teo dia midika fa resy ka anaovanareo fanakorontanana sy fandrobana, fanentanana ho any @ tsy ara dalàna noho ny sitraponareo manokana; hita mibaribary izao ny tanjonareo dia ny miady seza ihany sy hatrany ary ianareo dia kilalaon’ireo firenena matanjaka sasantsasany fotsiny ihany hanakorontana ny firenena malagasy.

Tsy ianareo roa tonta ireo ihany akory ny atao hoe vahoaka malagasy fa misy koa izahay: ny feo faha telo izay tsy azo tsinontsinoavina, vahoaka nangina foana nefa leo ny hagaigainareo, vahoaka niasa ary nanaiky ny safidimbahoaka t@ fifidianana ary mandra-pisy fifidianana manaraka indray (izay no demokrasia aminay), vahoaka tsy tia korontana ary miaro ny maha iray an’i Madagasikara sy Miaro ireo harena tsy ho robain’ireo vahiny mpampiady.

Mba henoy ihany ny hevitr’ireo sady tsy momba andra8 no tsy momba an’i Andry!...

2. sitlo ( 04/02/2009 00:48)
Ratsiraka and Co ve?
3. xxx ( 04/02/2009 01:13)
Ho anareo momba ny tim sy ra8: tsy hoe nangina izahay teo dia midika fa resy ka nohararaotinareo ny nanjakazaka teto @ firenena, nanaovanareo ny hevitra rehetra mba hanapotehina izay tsy miaraka aminareo na ara politika na ara ekonomika ka nalainareo daholo ny fitondran-draharaha rehetra sy ny tsena na lalambarotra mba nivelomanay...

sao dia mba anisan'ny le very fihinanana tamin'ny andron'ny deba nareo de mimenomenona?? :lol:
4. ontsy ( 04/02/2009 05:49)
Mbola ho avy koa ny beso fa efa miteny ny feo fahatelo !
5. tatle ( 04/02/2009 06:04)
Mampahery antsika fa izao itantsika izao no zava-misy, mampalahelo sy tena mahavaky fo, ra azo loarana angamba ny am-pon'ny tsirairay ahitana izay ao anatiny dia tsy ho zakan'ireo miseho ho mafy loha sy manapatra fahefana eto amin'ity firenentsika ity ireo ny hamaky izany sy ny hizaka ny vokany saingy tsy antsika ny famaliana hoy ny tenin'Andriamanitra, Ilay tena Tompon'ny Fahefana any ambony, mahita ny miafina rehetra, antsointsika Izy hampanjaka ny Fahefany eto amintsika.
dia mahereza fa misy ny mitondra ambavaka antsika isanandro!
dia hotahin'Andriamanitra daholo
6. bonbongasy ( 04/02/2009 08:12)
sitlo:

Ratsiraka and Co ve?



tsia dia tsia tompoko!

fa ireo atao hoe "majorité silencieuse", na ireo olona na mahantra na manankarena, na avy aiza na aiza fiaviany, na mainty na fotsy na zarazara, n'inon'inona finoany, n'inon'inona firehana ara politikany, na miasa na tsia ary n'inon'inona asa ataony indrindra fa ireo mpiasa tany sy mpiompy eny ambanivohitra rehetra eny...

sao heverinareo fa tsy vahoaka koa ireny ? sa refa tsy tim na tgv na ratsiraka dia tsy olona ?

7. ikaretsaka ( 04/02/2009 15:24)
Tena beso ireny raha izany...toa efa nolazainao mantsy ny feo 3...
8. sitlo ( 04/02/2009 15:59)
Dia inona ary hono ny hoa atao'ny feo fahatelo eh? Alefaso ny sationany amin'ny programan'asa fa sao manao TGV eo koa. Alaina aloha nyseza dia ho hita eo.
9. bonbongasy ( 05/02/2009 04:19)
ny feo faha telo dia maniry ny fifampiresahana (dialogue) amin'ireo samy mpifanolana (ra8 sy tgv) mba hiverenan'ny filaminana haingana eto @ firenena.
Ianareo no mpanao politika fa tsy izahay, ianareo no manao ny programa fa tsy izahay nefa raha miady ianareo, aza atao takalon'aina ny vahoaka rehetra!

Irianay ianareo raha mba mahay mifandamina ka hitarika ity firenena ity ho @ filaminana sy ny fandrosoana marina iadanan'ny vahoaka malagasy rehetra tsy ankanavaka.
10. herysedra ( 09/02/2009 11:18)
Amin'izao fotoana izao, tsara raha tohizana ireo ezaka rehetra ataon'ny tsirairay na ny vondron'olona manatsara ny fiainam-piaraha-monina eto Antananarivo na any anindrana toy ny fitandrovana ny aina,
ny fahafohizan-tena ho an'ny hafa, ny firaisan-kina @ mahantra.
Endrika ahafahana manohy izany ezaka izany ny fanehoan-kevitra ankalamanjana @ alalan'ny sora-baventy mampiseho ireo soatovina lehibe katsahantsika mpiara-monina.

Mba ho tsotra sy mazava ny fanehoan-kevitra dia tsara raha teny iray na roa
no misoratra eny @ sora-baventy toy ny hoe "Fitandrovana Aina", "Fahafoizan-tena", "Firaisan-kina", "Fifampitsinjovana", "Fihavanana", "Fanetren-tena", "Fanoloran-tanana", "Fifanabeazana", "Soa iombonana", "Fifanampiana", "Fiaraha-monina", "Fanantenana".

Tsy fanoherena olona na vondron'olona, tsy fiandanina olona na vondron'olona, tsy fandresen-dahatra olona na vondron'olona no tanjona fa fanentanana sy fanehoana ireo soatoavina lalain'ny mpiara-monina.

Io fanehoan-kevitra io dia afaka ataon'ny tsirairay mandra-pahatsapany fihatsarana eo @ fandalana ilay soatoavina anentanany ny mpiara-monina. Afaka atao isaky ny @ 12 ora hatr@ 1 ora ary any @ toerana ankalamanjana ifanarahana mialoha isaky ny fihaonana, toy Vasakaosy-Andavamamba, Mahamasina-Anosy, Antanimena-Ankorondrano, Ankorahotra-Bel Air, izany fanehoan-kevitra izany @ izao vanim-potoana izao. Tsara raha tsy misy mpitarika na taritina ny fanehoan-kevitra atao fa samy tompon'andraikitra @ rehetra toy ny @ tenany.

Raha misy vonona dia atomboka @ Talata izao miainga eo anoloan'ny Kianjabe Mahamasina ary manodina @ trottoir an'Anosy izany fanehoan-kevitra izany.
11. bonbongasy ( 14/02/2009 01:08)
Ry mpiray tanindrazana,

Malagasy izahay ary mirehareha amin’izany tanteraka. Raha miombon-kevitra anay ianao dia mitsangàna mba haneho :

- ny fitiavana ny Tanindrazana

- ny firaiketam-po amin’ny demokrasia, ny fahalahan’ny fanoehoan-kevitra sy ny isam-batan’olona

- ny hetahetam-piovana sy fivoarana anaty fandrian-mpahalemana sy fifanajana.

Tsy miandany na amin’iza na amin’iza amin’ireo mpifanandrina isika fa mikatsaka izay mahasoa hatrany an’I Madagasikara.

Ho fanehoana izany dia miangavy anao hampitsangana ny saina Malagasy miaraka amin’ny famantarana fotsy, lokon’ny fandriampahalemana sy ny fahadiovam-po.

Hasehontsika fa sady mendrika no manam-pahendrena ny Malagasy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3489