Mangataka hevitra@ reny gasy mipetraka eto frantsa.

1. catalyn ( 03/02/2009 16:24)
Salama daholo!
Mba mangataka torohevitra avy aminareo renim-pianakaviana izay monina eto frantsa ny tenako.Telo taona izay no nahavitany ny mariazinay sy nahatongavako teto.Nanapa-kevitra ny tsy hiteraka izahay alohan'ny ahitako asa raikitra,indrisy anefa fa CDD hatrany no hitako hatramin'izay.Ankehitriny dia tapitra ny contrat-ko ary manampaniriana ny hiteraka amin'izay izahay mivady.Ny fanotaniako dia izao: raha tapitra ny indemnité de chomage-ko nefa izaho mitondra vohoka, mety misy ve ny fanampiana ho azo? ho anareo izay mahalala dia mba mangataka renseignement aho ny mombamomba ny droit,ny zavatra tokony ho fantatra raha mitoe-jaza: na an'asa io na tsy an'asa.
Dia misaotra mialoha ho an'ireo izay afaka manome fanazavana fa dia manampy bediabe.
Torohevitra no angatahako ka raha hanakiana sy handatsa ny ao an-tsainao dia miangavy anao mba tsy hamaly tsotra izao. Misaotra amin'ny fahatsapan-tena.
novalian'i rakaroka ny 18/02/2009 23:16
2. booboo ( 03/02/2009 17:33)
- @ fin 7ème na début 8ème mois de grossesse iny misy ilay paje 800 euros tsy haiko² homen'ny CAF araka² ny ressources-nareo mivady. @ 1er trimestre de grossesse no halefa any @ CAF ilay déclaration de grossesse avy @ gygy.
- Any @ 6ème na 7ème mois de grossesse koa vao remboursé zato isan-jato ny analyses aby aby mandritra ny vohoka. Alohan'io tsia, raha tsy hoe manana mutuelle-na grossesse...
Izay ihany no fantatro... Tsy haiko ny CAF any @ mpisy anao raha manao ilay " infos grossesses " fa anontanio ihany. Momba ny aides financières aby aby mety ho azo araka² ny cas-n'ny tsirairay mandritra ny fitondrana vohoka sy rehefa avy teraka.
3. Rafahafahana ( 03/02/2009 18:08)
Marina ireo voalaza ireo fa toa nisy zavatra niova kely ihany tao @ CAF tao nanomboka t@ ity taona vao2 ty fa anontanio ihany ny CAF any @ misy anao, ataovy matanjaka tsara ny mutuelle.
4. Ralay ( 03/02/2009 18:51)
Dia mba http://www.caf.fr/wps/portal/particuliers/catalogue/metropole koa
5. sakaizakely ( 03/02/2009 21:15)
raha vao mitsaika fotsiny ilay zaza dia mihantona ny droit au chômage-nao mandrampahavitan\'ny congé de maternité. Ohatra ayant droit 18 mois ianao, ka eo @ 6è mois de chomage no mitsaika le zaza nefa mbola misy 12 mois ambiny tokony ikasihanao alloc de chomage, dia mihantona io, fa kosa mahazo II (indemnités journalières) @ Sécu arakaraky ny montant n\'ny allocations de chomage-nao, au maxi 80% n\'ny allocation chomage raha tsy diso aho. Mandrampahatapitry ny congé de maternité-nao izay. Rehefa vita ny an\'ny Sécu dia mitohy amin\'izay ilay droit au chomage-nao suspendu teo pour 12 mois encore

Mila atao arampotoana tsara anefa ny taratasy sy ny déclaration rehetra arak\'io voalazan\'i booboo io

Ny tsara dia mangataka attestation de grossesse dieny positif ny prise de sang, satria izay daty voasoratra eo no daty ofisialy iaingan\'ny compte rehetra mikasika ny fanarahamaso ny zaza 1° indrindra, dia ny droit-nao koa (chomage, sécu, caf) ka tandremo sao manao toy ny any amintsika hoe aleo rehefa dila ny 3 mois sao... fa tsy miditra am zany ny fanjakana. Ny azy ny lalàna dia lalàna, ary manaraka calendrier tsara

Ny aides azonao dia io lazain\'i booboo io presque automatique io @ caf io na dia lazainy fa miankina @ revenus aza. Tandremo sao tara ny déclaration fa 14 semaines no omeny anao hanaovanao ny déclaration de grossesse any, sinon bye bye, ou alors tarabe vao azonao ireo.

Rehefa teraka dia misy volanjaza izay fa tsy haiko toa à partir de 2 enfants. Aza miankina @ allocations zaza fa voanjo fotsiny

afaka maka congé parental 6 mois ianao raha niasa au moins 2 ans, fa tsy mihoatra ny 500 € ny raisinao en tout, mais au moins tranquille enao mandrampahita contrat vaovao na mandrampitady nounou mba afaka mi pouponer kely aloha

Raha maka io congé parental io ianao dia mihantona koa ny droit au chomage, zany hoe rehefa vita io dia mbola miandry anao ny 12 mois (arak\'ilay tombatombana molamola kely nataoko) dia mbola sursitaire kely ianao aloha. Sauf que ankehitriny toa tsy maintsy manaporofo fa tena mitady asa tokoa ianao tous les mois raha tsy izay radiée eo, pas évident rehefa kely anaka. Mila mi jongler emploi du temps tsara, mitady oul azo antoka ametrahana ny zaza kely pendant ny convocation-nao any @ assedic...

Bref, compliqué ihany rehefa tsy stable ny situation, saingy tsisy mafy tsy laitry ny zoto fa de bonkorazy e ! tongava soa ny zazàkely

6. sakaizakely ( 03/02/2009 21:22)
tandremo fa misy ny atao hoe période de carence tsy andraisanao vola ka ataovy tsara ny calcul

déjà, ny sécu matetika tara lava, surtout any Paris, ndraindray tara 3-4 mois na + aza rehefa manao bascule assedic-sécu iny, dia efa omano ny saina

en plus, raha vao mandray vola na 3 jours fotsiny aza ianao ny volana iray @ assedic ohatra na entre deux situations, dia volana manaraka vao manomboka ny droit-nao, nefa koa iny tena vita ny volana vao azonao. Mila miomana tsara

Zay fa lava loatra sao leo mamaky eo :-D :-D :-D
7. Mirananirina ( 04/02/2009 15:15)
raha tapitra ny indemnité de chomage-ko

kay nahazo assedic ianao?Matetika manko ny CDD tsy dia mahazo loatra raha tsy hoe efa be ny volana niasany.
mety misy ve ny fanampiana ho azo?

Nahoana moa ianao no tsy ahazo fanampiana?Mahazo soamantsara mihitsy moa izany.Mpivady 2 miasa aza mahazo fanampiana,rehefa 5,6 mois ny kibo dia omeny CAF vola ianao,rehefa teraka soamatsara koa dia mahazo indray.Avy eo mahazo vola ilay zaza mandrapaha 3 taonany eo aminy 156€/mois eo ho eo
8. catalyn ( 04/02/2009 19:04)
Fisaorana mitafotafo no atolotra anareo izay nanana fandavan-tena namaly ny antso fa dia misy hodinihina ireo rehetra ireo.
Ny nahatonga ahy nanontany mantsy dia izao: t'@ izaho vao tonga mantsy dia efa nankany @ CAF izahay ni-se renseiger mikasika io fanontaniako io ka nilaza ry zareo tao fa tsy mahazo fanampiana hono izahay satria mihoatra ny plafond hono ny karaman'ny vadiko??? ka tsy azoko intsony ny fandehany hoe ahoana marina.Noho io valinteny io indrindra no nahatonga anay nanapa-kevitra hoe aleo ary miandry hoe manana asa raikitra vao miroso @ fiterahana.
9. booboo ( 04/02/2009 21:04)
Efa t@ zany zany, fa nanomboka t@ faran'ny taona teo nisy niova na ny montant na ny conditions hanomezana na ny faharetan'ny raha @ CAF. Fa dia compliqué sy mila mi-calcul tsara araka tenin'i Sakaizakely tokoa klou e !
10. Mirananirina ( 05/02/2009 12:26)
Tsy mahazo fanampiana ianao,izany hoe RMI,satria miasa ny vadinao.Fa aide logement ohatra:mety mahazo kely ianareo.
Fa resajaza tsy maintsy mahazo.Zo ny tsirairay izany fa aza matahotra.
Be karama ny vadiko,izaho miasa fa nahazo.
11. fahamarinana ( 05/02/2009 13:08)
miranirina:
Fa resajaza tsy maintsy mahazo.

:arrow: tsy hoe tsy maintsy fa arakaraka ny ressources io fa jereo ny plafonds aloha...
http://www.caf.fr/wps/portal/particuliers/catalogue/metropole/paje....dia mazotoa e !
Amiko aloha na hisy fanampiana aza dia tsy ho ampy mihintsy raha iny no tena iankinana fa rehefa mazoto nareo ka hitanareo fa ampy ihany dia mirosoa hatrany..(l)
12. Mirananirina ( 05/02/2009 16:43)
Efa tsy miasa intsony izy,atoko fa tsy mihotra ny 3000,00€ net/mois ny salaire ny vadinao?Sa betsaka noho io?Izany hoe:salaire 1 ihany ny anareo.
Mandana makany aminy CAF.Izay ny solution tsara angamba,dia alefaso ny demande rehefa bevohoka fa tsy maintsy mahazo.Miverena eto dia teneno aho hoe raha tsy mahazo.
Fahamarinana:ny tiako tenenina anie hoe tsy maintsy mahazo anie ka cas an'i catalyn e,tsy miasa izy:,ny vadiny ihany no miasa:nahoana no tsy hahazo?????
Mpivady miasa ary mbola mahazo
13. fahamarinana ( 05/02/2009 18:57)
catalyn:
t'@ izaho vao tonga mantsy dia efa nankany @ CAF izahay ni-se renseiger mikasika io fanontaniako io ka nilaza ry zareo tao fa tsy mahazo fanampiana hono izahay satria mihoatra ny plafond hono ny karaman'ny vadiko???

:arrow:miranirina : any ambony any voalazany fa tapitra ny cdd fa mandray indemnité de chomage izy...efa tany amin'ny caf izy dia io no voalaza tany...
miranirina:
atoko fa tsy mihotra ny 3000,00€ net/mois ny salaire ny vadinao?Sa betsaka noho io?Izany hoe:salaire 1 ihany ny anareo.

:arrow: :-D..iny koa no tsy hitako...(l)
14. Mirananirina ( 06/02/2009 15:28)
Fahamarinana,matetika anie ny CDD mahazo fanampiana foana e.Gaga ary aho hoe mahazo chomage izy.
Hono tokoa hoy aho.Inona no nanotanianao tany aminy CAF:amin'ilay fanampiana:
Momba ny zaza vao amboarina sa fanampiana hafa.
15. tolipy ( 14/02/2009 11:50)
zaza voalahany, raha tsy niova ny lalana reny miasa , nicumul firy trimestre ny asa nataonao? mahazo primo: prime de naissance eo @ 700 euro, tsy negligeable, hanatra aza mividy entana marobe, mafy ny fiainana, mitombo haingana ny zaza, raha misy manome , dommage ianao lavitra ahy sinon nomeko entana zazakely, dépannena. secundo: hanontanio caf firy trimestre ilainy mba hahazoana ny ape(allocation parentale education: choix 1 an ou 3 ans), 1 an bebe kokoa, 3 ans kely fa afaka mikarakara ny zanakao ianao, vita ny dossier caf dia assedic tsy mandray fa après 1 an na 3 ans dia azonao ny droit chomâgenao, casko @ izao fotoana io 4 ans aho tsy niasa ape dia izao aho mivarina mandray ny chomâgeko, saika hadinoko, mandra-bevohoka anao, tsy mijanona inscription assedic ianao, fa rehefa 6 è grossesse io dia ny securité sociale no manome congés de maternité, presque même somme ny karamanao. mody mitady asa foana na bevohoka asa, dia raha ohatra moa mahita cdi dia hampafatarinao ny entreprise fa afaka maka ape ao @ io entreprise ianao. sinon hataovy dieny izao ny projetnao fa miovaova foana. T@ ahy aza, année 98 nalainy ny bulletin salaire tany mada, nataoko tao daholo hanampiana ny trimestre tsy ampy teto.bon courage et raha mila astuce ianao dia mba efa nahita ihany ny tenako, droittsika betsaka fa indraindray mila culot manontany sy miimposer ny situationao, manome exception izy, bon courage et mirary soa ho anilai zaza kely fanirianareo. mba lazao vaovao rehefa tanteraka ny projetnao.raha misy ny hifanampiana dia mino aho fa isika samy malagasy no hifanampy , indrisy fa samy maka ho azy loatra isika gasy aty andafy, jereo ny vahiny sasany mifampy épauler! bye et à bientôt!
16. rakaroka ( 18/02/2009 23:16)
Raha tsy diso aho, efa "synthèse de budget" voafehy be ihany ny CAF !
Izaho koa fony nangataka renseignement ny zoko tany amin'ny CAF dia mbola
"démarche" tsy hita noanoa vao ni-franchir ny zo. Fiheverako maro ny karazana "mpiandraikitra" fanantona mialoha, tahaka ny "assistante sociale" du "quartier" isiana ohatra, na ny CCAS ny "mairie" manome "fanampiana" koa rizareo, fa arakaraka ny "faritra" koa.
Fa marina tokoa aloha fa "Aza négligé-na" mihitsy ny ny "déclaration" de grossesse" fa raha "tara dia ialan-drizareo pas an", 'ndrindra amin'ny "crise" izao. Eto anie betsaka ny zonao izao aza fa tsy omen-drizareo raha tsy iadiana, ka mitady irika ialana pas fataondreo mihitsy!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4072