Menatra anao aho Gasikarako

1. badboy ( 01/02/2009 22:13)
CHRONIQUE DE VANF

Menatra anao aho Gasikarako

Ihomehezan’izao tontolo izao i Madagasikara. Hay, na iza na iza, ka mampivory olona, dia afaka mitonon-tena ho Filoha ? Menatra aho, isaky ny mahita ny Radio sy TV any Andafy mitantara izay mitranga aty : «Ny Ben’ny Tanàn’ Antananarivo dia nanandran-tena ho Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara». Ilay Madagasikara mba nantenain-kanirina no mainka mampivandravandra ny lomorin’ny firenena an-dalam-pandrosoana.
Ny demokrasia, aty amin’ny tany toa an’i Madagasikara, dia haintenin-kabary fotsiny ihany. Aiza ny demokrasia amin’ny fandoarana ny mpianatra mianatra hivoaka ny sekoly, tahaka izay nanjo ny mpianatra tao amin’ny Kolejy Saint-Michel etsy Amparibe, tamin’ny alatsinainy 26 janoary ? Aiza ny demokrasia amin’ny fanerena ankolaka ny mpiasa tsy hamonjy ny toeram-piasana ? Aiza ny demokrasia amin’ny famoriana olona sy ny fanandratan-tena ho tompon’ny fahefana mahefa, hibaiko ny Tafika, hibaiko ny Banky Foibe, hamoaka ny gadra ?
Tsy hevitra no mety maha tanana «maty» ny tanana fa tahotra ireo mety handrava tsena na hila vaniny satria ianao tsy miara-mitolona aminy. Zary fomba fanao izany tamin’ny 1991, 2002 na izao 2009 izao. Fa angaha ilay demokrasia tsy hoe fanajana ny fahalalahan’ny hafa : malalaka ny tsirairay na «hitolona» na tsia ; malalaka ny tsirairay na hitokona na tsia ; malalaka ny tsirairay na ho eny amin’ny 13 mey na tsia. Demokrasia inona moa no tafatsangana amin’ny fomba jadona sahady ?
Tsy «nitolona» teny amin’ny 13 mey aho tamin’ny 2002, saingy, fara faharatsiny, mba nisy fifidianana izay nahazoan-dRavalomanana antsasa manilan’ny vato an-tapitrisa. Marina ny an-dRatsiraka, fa, na inona na inona lazaina, tsy mahazaka olona iray tapitrisa ny eo amin’ny 13 mey. Ndeha atao hoe olona iray hetsy : dia ny sitrapon’ny vitsy an’isa no ndeha hibaiko hatrany hatrany ny fiainan’ny Malagasy 15 tapitrisa ? Satria tsy mihiakiaka amin’ny radio, satria tsy midina an-dalambe, satria tsy notazaina handrava hefa, dia bodo ? Firy isika (1) ary mba iza no manoina ny tabataban’ny fahanginantsika ?
Ny demokrasia dia miainga amin’ny fifidianana. Efa izao rotaka izao no natao tamin’ny 2002, efa izao no natao tamin’ny 1991, efa izao no natao tamin’ny 1972. Matoa voatery miverina matetika tahaka izao ilay fitakiana demokrasia dia ny fomba fanaovana politika hatrizay mihitsy no tsy mety. Taiza ireo antoko politika manohana an’i Andry Rajoelina ankehitriny, izay ireo ihany no nanohana an’dRavalomanana tamin’ny 2002, izay mbola ireo ihany no niady tamin-dRatsiraka tamin’ny 1991, taiza ireo mpanao politika ireo, mba nanabe ny vahoaka amin’ny fomba sy fanao amin’ny tena demokrasia ?
Tsy tianay ny korontana satria mandry tsy lavo loha ny rehetra, manahy ny ainy, manahy ny fananany, manahy ny ho aviny. Marobe ny fomba azo hanehoan-kevitra ka asa, maninona loatra no rotaka lava izao no kotrehin’ny mpanao politika malagasy. Na inona na inona lazaina mikasika izao «tolona» ankehitriny izao dia fanonganam-panjakana tsotra izao ity nolazaina hoe fikatsahana demokrasia tany am-boalohany. Leo izao korontana izao izahay, tsy mankasitraka ny ramatahora, notaizaina hanara-dalàna. Ka, ianao Ravalomanana, raha tsy vitanao intsony ny mampandeha ny raharaha ary mampilamina ny fiainanay andavanandro, dia aoka ianao hametra-pialana, hisian’ny fifidianana avy hatrany, araka ny andininy 52 sy 46 ary 47 ao amin’ny Lalam-panorenena laniera tamin’ny 4 aprily 2007. Tsy mila voatsiary izahay fa te hianatra milamina, te hiasa milamina, te hivarotra milamina, te hamokatra milamina, te hiaina milamina. Mbola mba misy tompon’andraikitra hampiverina amin’ny laoniny ny fiainanay ve eto amin’ity firenena ity ?
(1) Firy isika ?, Mamalan-kira 16.01.2009
Nasolo-Valiavo Andriamihaja

Date : 02-02-2009
2. Ryhana ( 02/02/2009 02:11)
Ka reska fotsiny anie io demokrasia io hitaritana ny olona eh!

Ity ny marina raha tsy fantatrareo :

Dites à tous vos proches que tous ces troubles ont été préparés de très longue date par différents groupes, profitant de la faiblesse de tout un chacun. De source très très sûre, il y avait, en synthèse, 3 niveaux dans les 3 groupes.

Le niveau 1 : noyau dur, très très dur et impénétrable. Tout s’est fait dans le secret le plus total. Ils se sont réunis depuis 5 ans (sinon un peu plus ) en France :
Niveau 1 : So.phie Ra.tsira.ka, Di.dier Ra.tsiraka, Ro.land Ra.tsiraka
Pi.errot Ra.jaonari.velo, He.rivelona Ra.manan.tsoa, Tsai.kason, Tan.tely An.drianarivo, To.tobe Nazara, Rina Ra.kotomanga, Tsa.ranazy Jean. Emi.le, Lala.tiana Ra.vololomanana, Da.niel Ra.jakoba, Be.tsimifira, An.driamanjary Jean André, Gara,.Général Do.llin …
Ce sont ces personnes qui savaient pertinemment qu’il y allait y avoir une milice armée pour ces troubles ( ce qui n’est plus à démontrer aujourd’hui )

Nouveaux arrivés dans ce niveau 1 : Andry TGV, Rija Ra.joelina dit Rija diable , Alain Ra.jaonarivony, Augu.stin An.driamananoro
Personnalités industrielles françaises avec des personnes de la région île de France ( Paris), personnes du ministère des affaires étrangères en France.

C’est grâce à ce niveau 1 que Andry TGV semblait aussi confiant, jusqu’à défier Ravalomanana

Niveau 2 ( surout des mérinas aisés mais en voulant à Ravalomanana : Na.dine Rama.roson, E.lia Ra.velomanantsoa, Phillipe Ra.velomanantsoa, Nhiry Lanto , Edgard. Raza.findravaha, A.lain Rama.roson, Razakan.disa, Jeannel Ra.marofidy, Ra.vatomanga Mamy, Jea.nnot Ra.mambazafy (journaliste CUA),

Niveau 3 : Anciens TIM ( Mada, France, Suisse ) , anciens députés, anciens ministres ( Théo.dore Ranjiva.son, Rebo.za, ) ancien PDS ( Fe..rdinand Raza.karimanana ).. bref les anciens compagnons de route de Ravalomanana…

Sachez une chose : Si Ravalomanana chute, c'est le niveau 1 qui gouvernera le pays ( Spécialistes des élections, connaissent bien les rouages du pouvoir, connaissent les bailleurs de fonds, surtout en France.

Donc, NE VOUS LAISSEZ PAS BERNER PAR CETTE LUTTE TGV . IL N EST QU' AU NIVEAU 3

Message à diffuser (faîtes des copier-coller, mailing liste, téléphone, sms, réunion…), à traduire. C’est utile si nous ne voulons pas une guerre civile à Mada. Les milices resteront malheureusement avec des actions ciblées. Méfiez-vous des personnes sus-mentionnées. J’invite ceux qui connaissent plus d’infos à les diffuser.
Rappelez-vous : 15 jours auparavant, les "hommes de main" avaint été "libérés" des prisons (Tsiafahy, Ambalatavoahangy - Toamasina, et dans le nord du pays) 15 jours plus tôt !
Et la chasse aux "mpiavy" a déjà commencé à Ambanja et Antsohihy...
A qui profite le crime ?
3. tsiafoi1 ( 02/02/2009 07:28)
Hafa dia hafa ny ity information farany henoko ity mikasika ny toe-draharaha ankehitriny: Azo ambara fa source fiable no nivoahan\'izy ity :

A)- Tamin\'ireny Evènement 2002 ireny, de nalaza be eran\'izao tontolo izao i Madagasikara, idd tao Afrika. Ary tsy vitsy t@\'ireo firenene afrikana no nanao référence an\'i Madagasikara. Anton\'iray nisafidianan\'ny maro ka nahalany ny hanaovana ny Sommet Africain aty Madagasikara izany.... Vola mikararana no ho azon\'i Madagasikara ho enti-manomana izany, etsy andaniny ihany koa ny Francophonie 2010....

B)- Manoloana izany tombotsoa lehibe azon\'i Madagasikara izany, de misy firenena afrikana telo, izay miaraka @\'ny firenen-dehibe iray, izay tsy mikely aina mafy, ny tsy hahatanteraka izany Sommet sy francophonie eto amintsika izany, noho ireto antony manaraka ireto :

1- Raha tanteraka eto amintsika tokoa io Sommet io, de automatiquement ho lany Filohan\'ny Fivondronamben\'ny Firenena Afrikana sy SADEC, ny Filoha Ravalomanana......, Ary dia zary ho lasa modely aty Afrika isika @\'ny lafiny rehetra....., Ho vetivety tsy ho ela aorian\'izay de ho maro ireo firenena izay teo ambany vahohon\'ilay firenena lehibe io fahiny (ireo zanantaniny fahiny), no hiendaka eo ampelan-tanany.... Vokatr\'izay de tsy mikely aina mafy ireo saribakoliny fahiny mba hanao izay tsy hahatanterahan\'io eto amintsika.... Anisan\'izany izao hetsika ataon\'ny TGV sy ireo saribakoly fahiny izao... Tsy hitsahatr\'izy ireo fa hilofo ny hanome image ratsy an\'i Madagasikara mialohan\'io Sommet io, ary @\'ny fomba aingana tokoa izany. Objectif de tsotra \"Tsy ho tanterahana eto Madagasikara izany Sommet africain izany\"

2- Financement goavana ihany koa no miandry ao ambadik\'izany fanomanana ny Sommet sy Francophonie izany(Milliard d\'euros maro),.... Koa misy ireo firenena telo izay samy maniry mafy ny handray izany.... Tsy mikely aina ihany koa izy ireo mamatsy vola ireo ekipany eto an-toerana mba handrava sy hanapotika an\'i Madagasikara mialohan\'izany fotoana izany.....

3- Misy ireo zay mbola manina ny fitondram-pahefana ka manararaotra ny toe-javatra ankehitriny mba handrombaham-pahefana indray, nefa mbola azo lazaina fa bitika ihany ity antony fahatelo ity..... Satria raha mahomby iroa fikasana goavana roa lehibe ery ambony iroa, de mbola hifandrotehan\'ireo nahazo sombiny amin\'ny bizna indray i Madagasikara rehefa avy eo, ka hiaina ao anatin\'ny ady an-trano sy ny ady fahefana indray....

Aoka ho tonga saina isika malagasy ary handinika tsara,.... Ny Afrikana aza te-hitroatra, isika indray ve no hamerina ny lasa efa nandoro antsika....

Masina ny tanindrazana, ary manainga anao ry TGV, mba handinika kely fotsiny, fa tsy ny tombotsoan\'ny tena no hamotehana ny firenena iray manontolo.... Ny harena de mandalo, fa ny firenena hitoetra mandrakizay.... Koa tandremo fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra,.... Raiso ny fanapaha-kevitra, azo atao ny miverin-dalana mba tsy hanenenana mandrakizay.....
4. madamakely ( 02/02/2009 11:55)
tsiafoi1:

fangaha tsy mipataloha no menatra, sa misy zavatra hafahafa natao?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3688