Ny maty resy

1. Samoana ( 01/02/2009 11:10)
Miparitaka mihintsy ny sarin'ireo oul namoy ny ainy sy kila tamin'ity korontana miseho ity. Mba sitrakareo ve raha aseho toy izao koa ianareo na ny havanareo rehefa maty?
2. Noue ( 01/02/2009 11:12)
sao natao fanahiniana io mba ahatonga saina an'i tgv eee ???? fa izaho aloha tena tsy mankasitraka eee
3. Bodorisa ( 01/02/2009 13:33)
Mampalahelo ny zavamisy, za tsy momba an'i rakoto na rabe fa tsotra fotsiny ny ahy dia hoe raha tsy maty mihitsy i ratsiraka tsy hilamina ilay madagasikara kelintsika !!! Mivavaha fa Atra ihany no hamonjy ny fireneny !
4. Herimiafina ( 01/02/2009 17:13)
Ny fanontaniako lehiretsy dia izao: iza moa ireny olona ireny, mpiasa voahidy tao sa olona mpanankorotana nandroba dia tavela tao. Firifiry avy ny proportion. Ohatry ny mahagaga mantsy hoe betsaka be toy ireny. :^)
5. Noue ( 01/02/2009 17:40)
Herimiafina:

Ny fanontaniako lehiretsy dia izao: iza moa ireny olona ireny, mpiasa voahidy tao sa olona mpanankorotana nandroba dia tavela tao.
très bonne kestion io eee!


6. dadasy ( 01/02/2009 18:10)
version 3 no henoko, ary satria aho tsy any Dago aloha zao, de tsy maintsy mihaino feon-dakolosy maromaro:
1- olona nanararaotra ny fibanahan'ny varavarana ireo, na dia efa nirehitra ihany aza ny trano, dia niditra satria tratran'ny fakam-panahy t@ ireo entana mbola tao anatiny, dia nirotsaka tampoka ny valin-drihana, ka voafandrika (trapped) tao izy ireo ary tsy tafavoaka intsony.
2- olona naka entana ihany, fa tsy mpiasa akory, kanjo tonga, hono, ireo mpamonjy haitrano, sy ny mpitandro ny filaminana, ka niafina aloha ry zareo fa natahotra ny ho raisim-potsiny satria nandroba, kanjo tsy tafavoaka intsony fa nirotsaka ny valin-drihana.
3- Ty aloha version ratsy e: niditra hono ireo olona ireo, dia nanomboka naka entana, kanjo, nohidian'ireo "mpanakorontana hafa" avy ety ivelany, nodoroany ny trano, de ze tafavoaka tafavoaka, izay tsy tafavoaka moa de tao, ny taty ivelany faly nihorakoraka tsy nahalala akory hoe nisy tavela tao, afatsy ireo vitsivitsy nanidy ny trano.
Averiko indray, vaovao nampitaina an-telefaona ireo, avy @ sokajin'olona samihafa, ka tsy haiko izay fahamarinany na tsia, fa dia hevitra mba hifampizarana ny ahy.
7. ni81 ( 01/02/2009 18:48)
Ny fanontaniako lehiretsy dia izao: iza moa ireny olona ireny, mpiasa voahidy tao sa olona mpanankorotana nandroba dia tavela tao. Firifiry avy ny proportion. Ohatry ny mahagaga mantsy hoe betsaka be
Ny ankamaroan’ireo faty rahateo may kilan’ny afo ka tsy misy ahafantarana azy intsony. Ny sasany aza tsy fantatra na lahy na vavy.
Raha ny razana nalaina avy etsy Analakely, tao amin’ny Trading Center fotsiny izao no efa tafakatra hatrany amin’ny 39. Saika tapitra may avokoa ireo ary misy aza no efa tsy hita ny tapany ambany. Ny tena mahaontsa dia ny mijery ilay vehivavy bevohoka, may kilan’ny afo miaraka amin’ny zaza ao an-kibony. Misy amin’ireo razana 46 ao amin’ny tranom-paty ireo no maty noho ny ratra mafy nahazo azy. Misy ny tetsy Ampefiloha izay voahosin’ny olona tamin’ny fifanjevoana. Nisy ny nianjeran’ny vary tao amin’ny MAGRO Tanjombato ary nisy ny maty voatifitry ny mpitandro ny filaminana tamin’ny fanenjehana ireo mpandroba.


Gazety midi madagasikara
8. sitlo ( 01/02/2009 19:01)
Raha ny hevitro aloha dia aleo aseho fa sao atao ririnin-dasa tsy tsaroana eo.

Mba maro koa ange izay maty tsy hita faty tamin'ny 1991 izay eh.
9. dadasy ( 01/02/2009 19:35)
Mba ho anatry ny ho avy e! hoy izay olon-dehibe tafaresaka tamiko izay hoe: "rehefa tsy mety anarin'olona isika, dia indro fa anarin'ny fiainana"... :( Mampalahelo nefa moa zavamisy.
10. xxx ( 01/02/2009 19:52)
Samoana:

Miparitaka mihintsy ny sarin'ireo oul namoy ny ainy sy kila tamin'ity korontana miseho ity. Mba sitrakareo ve raha aseho toy izao koa ianareo na ny havanareo rehefa maty?



izaho koa manao hoe tsy tokony hafempenina samoana ah!

:wink:
aleo ho hitan'ny gasy manerana ny tany ny vokany ....FA tsy hoe tsy fanaovana tsinontsinona ilay olona maty sy ny fianakaviany akory....

Ny tam andron'ny hitler aza mbola ampahafantarina ny mpinanatra any antsekoly am fampisehoana ny sary ny famonoana sy ny fatin'olona hatramzao, sady vao kely ny mpianatra dia ampifantarina izany fa tara loatra hono raha 18ans no ampifantarina ny zava-niseho...
11. Noue ( 01/02/2009 19:56)
aleo ho hitan'ny gasy manerana ny tany ny vokany ....FA tsy hoe tsy fanaovana tsinontsinona ilay olona maty sy ny fianakaviany akory....
enganie ka ho hitan'i tgv ireny sary ireny eee
12. sakaizakely ( 01/02/2009 20:21)
fa tgv nga no nandoro azy :lol: :lol: :lol: :lol:
13. Noue ( 01/02/2009 20:45)
raha miteny ve aho zao oe enganie a ho hitan'i sakaizakely ireny sary ireny dia midika ve zany oe i sakaizakely no nandoro azy ee ??? :^) :^) :^) :^)
14. Papoose ( 02/02/2009 02:16)
noue,TGV ihany ve?
15. mmmhh ( 04/02/2009 08:45)
tsy haiko na hataonareo mpamosavy zah , na ratsy loha fa ny ahy ny oul efa mitady faty tsy mba hataoko mampalahelo be zany, hadalany ny azy no te ho any, oul tsy misaina, tsy fantany ve ny ho mety ho fiantraikany de nande foana?,
maha-ontsa fotsiny ny mijery azy fa tsy hoe mampalahelo be de manao ahoana.
Ny fianakaviany no tena mampalahelo fa tsy le maty @ sitrapony mintsy.
Tahak'izany koa ny ahy ny oul mamo nanao accident ka maty tsy mampalahelo ahy loatra, fa rah sanatria ka nahavoadona oul le mamo de le victime-ny no mampalahelo ahy fa tsy le mamo.
... le maty @ adalany zany ny ahy tsy mampalahelo ahy loatra e , fa le maty noho ny adalan'ny hafa iny no mampalahelo be.
16. ninimalala ( 04/02/2009 11:23)
noue: enga anie ka mba ho hitan'i 8kely reny fa tsy varina eny ambony force one2 eny
17. Papoose ( 04/02/2009 22:29)
:-D :-D nahazo AGV (avion a grande vitesse )ra8 dia mety variana marina! :-D
18. ari.malala ( 05/02/2009 05:19)
mmmhh:

tsy haiko na hataonareo mpamosavy zah , na ratsy loha fa ny ahy ny oul efa mitady faty tsy mba hataoko mampalahelo be zany, hadalany ny azy no te ho any, oul tsy misaina, tsy fantany ve ny ho mety ho fiantraikany de nande foana?,
maha-ontsa fotsiny ny mijery azy fa tsy hoe mampalahelo be de manao ahoana.
Ny fianakaviany no tena mampalahelo fa tsy le maty @ sitrapony mintsy.
Tahak'izany koa ny ahy ny oul mamo nanao accident ka maty tsy mampalahelo ahy loatra, fa rah sanatria ka nahavoadona oul le mamo de le victime-ny no mampalahelo ahy fa tsy le mamo.
... le maty @ adalany zany ny ahy tsy mampalahelo ahy loatra e , fa le maty noho ny adalan'ny hafa iny no mampalahelo be.



mitovy hevitra tanteraka!
19. ikaretsaka ( 05/02/2009 05:36)
za koa miombonkevitra... fa le izy araotina avy eo hanamarinana izay cause defendevanao no tena hoe.... manararao paty
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.5524