mivavaha

1. mia ( 01/02/2009 04:47)
Mivavaha ry zareo hoa an'i gasikara an!! tena efa tafahoatra loatra ny adilahy politika ao dia ny mahantra foana no misolo vaika ny akalana, tsy misy asa, tsy misy ho anina , tsy misy ho tafiana.

Adilahy politika ambany fisidina be , ary tena mahamenatra sy mampihomehy, ridicule hoy ny vazaha ilay izy ;

Rehefa dinihana anefa dia tena miteraka vono olona sy fandrobana, fangalarana, fandrobana, fifamonoana, fifanenjehana ary toa efa misy tetika maty paika mihitsy.

Ireo izai mihevitra fa mitondra ny baolina aza fanina!! misy niveau ambonimbony kokoa angamba izay tena ratsy tsy azo an-tsaina akory ao aorina ao

Mivavaha dia mifankatiava ry Malagasy isany fa potika i gasikara a!
répondu par rahery08 le 05/02/2009 17:40
2. rijadolly ( 01/02/2009 14:27)
Marina zany mia a!tsy momba an'iza na iza isika fa kosa mila Mivavaka ho an' firenentsika fa tadodom'doza ny Firenentsika.Izay no nahatonga ahy mitaona antsika ao ambany ao,misy hery lehibe ny fivavak'tsika mba hamonjen'Andriamanitra antsika.AtaoNy ahoana moa ny hamonjy antsika nefa isika tsy mitodika aminy? Manetre tena ary mifona aminy fa tsy misy afamaina amin'izao loza manjo antsika izao isika,indrindra indrindra isika mpino izay miseho mpivavaka...mpivavaka.
3. ikaretsaka ( 01/02/2009 16:05)
Amiko indray dia mila mivavaka isika mba hanaiky sy hahalala ny sitrapon'atrra amin'izao zavatra miseho izao.
Tsy takatra sy eke'ny saintsika ilay izy satria tsy mifanentana @ ilay tadiavintsika...
Dia mivavaha isika mba hahita sy hanaiky ny tian'ny Tompo hotanterahiny @ alalan'izany...
4. ni81 ( 01/02/2009 16:11)

zà koa miombon-kevitra @ Ika
5. mia ( 01/02/2009 21:12)
Miombon-kevitra amin'i ikaretsaka aho amin'izay, misaotra ny TOMPO t@ soa rehetra nomeny sy ny fitahiany!
Indraindray toa variana amin'ny zavatra hita maso isika dia voarebireby, lasa mifampiandany!nefa manaiky aho izao fa tena maro isika no diso cible!!

Ny olona dia tsy tia olana nefa ao anatin'ny olana sy ny soucis no ahatsapana fa tsinotsinona isika fa misy lehibe mihoatra ny olantsika!!ka afaka mandresy sy mandamina izany!

Mivavaha daholo ho an'ny mpitondra, na ny filoha na ny maire na izay rehetra tafiditra sy nandray anjara t@ ireny raharaha ireny.

Ny fanahy tokoa no tena sarobidy satria rehefa very dia ny fanahy dia tena very mandrakizay,
Mandalo izao fiainana izao sy ny filany, ny ambom-po, ny fitiavan-tena,ny fisainantsika, ny haren'ny tany, ny laza sy ny voninahitra.

(l)
6. rijadolly ( 01/02/2009 21:27)
Iza no manamboatra ny hefitra mampisaraka antsika amin'Andriamanitra?
Mila manaiky isika fa ny fahotantsika no mampisaraka antsika amin'Andriamanitra.Iza no tokony hitodika angataka?Andriamanitra sa isika? Mila miverina aminy isika ary manaiky ho diovin'Ràn'Jesoa Kristy mba tsy hanan-tsiny eo imasony.Tsy ampy ny manaiky fotsiny ny fitatanany fa kosa mila mandinika isika fa tsy hitondra loza ny sitrapony fa Fasoavana.Koa ra hitanao fa loza ny lalanao dia miverena aminy fa izay no tiaNY.Ny Fibebahanao sy ny fanekena ny fahadisoanao no hanehoaNy ny voninahiNy eo amin'ady sarotra mahazo anao.Mivavaha
7. niryna ( 01/02/2009 22:34)
12 Sambatra ny firenena izay manana an'i Jehovah ho Andriamaniny, dia ny olona nofidiny ho lovany.

13 Eny an-danitra no itsinjovan'i Jehovah, mijery ny zanak'olombelona rehetra Izy;

14 Eo amin'ny fonenany no ijereny ny mponina rehetra ambonin'ny tany,

15 Dia Izy Mpamorona ny fon'izy rehetra sy Mpamantatra ny asany rehetra.
Salamo 33
koa raha mbola tsy miverina amin'Atra ny firenena na iza izany na iza dia hianjeran'ny fahatezeran'Atra tokoa.Mampalahelo ny manjo ary aoka ho fantatsika koa fa tsy ny firenentsika irery fa firenena marobe mihitsy ary misy mbola lasibatra maro no ny antsika aza

8. soanja ( 02/02/2009 04:13)
mia:

Mivavaha ry zareo hoa an'i gasikara an!! tena efa tafahoatra loatra ny adilahy politika ao dia ny mahantra foana no misolo vaika ny akalana, tsy misy asa, tsy misy ho anina , tsy misy ho tafiana.

Ny finoana arahin'asa no zava-dehibe indrindra amin'ny mahampino antsika raha ny fihevitro. Amiko tsy vitan'ny hoe mivavaha dia minoa, fa hoe miasaha ary minoa fa hiasa Andriamanitra. Io fifandraisana io no fanompoana sy koa fivavahana amiko. Aforeto ny tanan'akanjo, ndao hampita fitiavana ho an'ny hafa , hanabe voho ny fifankatiavana eo amin'ny samy mpiara-miaina/ mpiray firenena. Aza misy fotoana laniana intsony. Ampianaro hiala amin'ny fahantrana sy ny tsy fahalalana ny namanao! Beazo ao anaty finoana maharitra ny manodidina anao. Aza variana mandany andro intsony amin'ny toerana iray tsy ahitana famokarana izay tianao hita. Mandrosoa amin'ny lalindalina. Arotsaho ny harato! Namaste!

9. rijadolly ( 02/02/2009 15:13)
Niryna:
Mampalahelo ny manjo ary aoka ho fantatsika koa fa tsy ny firenentsika irery fa firenena marobe mihitsy ary misy mbola lasibatra maro no ny antsika aza
Marina ary tena maha be fanantenana fa vokatry ny fitodiantsika Mpino eny hatramin'ireo izay minomino ary ireo izay tsy mbola mino an'Andriamanitra,Fahatsiarovana AZY noho ny fahamafisan'ady,dia tsy navelany tokoa ho lasibatra tahaka ireo firenena maro manerantany ity Nosy tsy foiNy ity.Fisaorana lehibe ary fiderana ho an'Andriamanitra sy ny Zanany lahitokana ary ireo Fanahy Masina niara niasa hamonnjy nny firenentsika Amen!

Misaotra Soanja a!misaotra an'se nampita izay tokony atao,izay ilay izy, mifameno eto daholo ny zavatra voarain'tsirairay.Ary ny fahaizana maka ny tsara izay alefan'namana izay no tena zavatra kendrena fa tsy ny fanakianana haviatrany dia tsy hitanao intsony ilay zavatra tsara tiany ampitainy.
10. fahamarinana ( 02/02/2009 15:21)
soanja:
Ny finoana arahin'asa no zava-dehibe indrindra amin'ny mahampino antsika raha ny fihevitro. Amiko tsy vitan'ny hoe mivavaha dia minoa, fa hoe miasaha ary minoa fa hiasa Andriamanitra. Io fifandraisana io no fanompoana sy koa fivavahana amiko. Aforeto ny tanan'akanjo, ndao hampita fitiavana ho an'ny hafa , hanabe voho ny fifankatiavana eo amin'ny samy mpiara-miaina/ mpiray firenena. Aza misy fotoana laniana intsony. Ampianaro hiala amin'ny fahantrana sy ny tsy fahalalana ny namanao! Beazo ao anaty finoana maharitra ny manodidina anao. Aza variana mandany andro intsony amin'ny toerana iray tsy ahitana famokarana izay tianao hita. Mandrosoa amin'ny lalindalina. Arotsaho ny harato! Namaste!

:arrow:iraisako hvtr ihany koa ... :D (l)
11. soanja ( 02/02/2009 16:23)
Izaho no misaotra antsika rehetra mitady sy mikaondoha ary mieritreritra lalandava izay hahasoa ilay Gasikara mamintsika. Fitiavana goavana izany! Ampitiavana lalandava. :-* :-* :-* :-* :-* :-*
12. rahery08 ( 05/02/2009 17:40)
« Ary katsaho izay hiadanan'ny tanàna izay nampandehanako anareo ho babo, ary mivavaha amin'i Jehovah ho azy; fa raha miadana izy, dia mba hiadana koa ianareo. » (Jeremia 29:7)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1176