ENTI PO LOATRA ISIKA GASY ARY DEFAUT IO FA TSY QUALITE!

1. xxx ( 31/01/2009 20:13)
Tsy misy olo-tsy miady fa izay to fo mpamosavy hoy ny NTAOLO fahiny . Na fivoriam-pianakaviana ity ,na fivoriam-pokonolona ,na adi-hevitra isan-karazany ,....Ny fo no mibaiko aloha !
Na eto @ forum moa dia tsy lazaina intsony izany ary entiko manaporofo ity loha hevitra ity

Maro amitsika no mieritreritra fa manana ny rariny rehefa entin ny fo

Ara-politika moa dia inona no antony ahagàga raha tonga indray @ izao olana izao

Ary mbola vitsy ny malagasy mahay mi contrôler azy ity INDRISY
novalian'i tsiafoi1 ny 02/02/2009 08:19
2. mia ( 01/02/2009 04:51)
Ten marina izany, ary toa rehefa dinihana dia olona mora manipuler-na be ny olona toy izany ka be ny mpanararaotra;

Tany be harena sy tsara tarehy dago dia be mpitsiriritra e ka rehefa miady sy mifamono ary mamofompona adim-poko sy fiandaniana dia tonga ny mpanararaotra toy ny taloha

Mba mailomailo ihany fa efa tena efa eo am-baravarana ny trano no mandady, guerre civile no tetehan'ny sasany azahoana ny harena ao!

3. xxx ( 01/02/2009 08:27)
Inona no jerijeren ialahy ry lery e , izaho ihany ny aty a...
Voasary makirana ambony étagère hono , izahay tsy mitsoaka adversaire ...


...
4. Herimiafina ( 01/02/2009 16:52)
xxx:

Tsy misy olo-tsy miady fa izay to fo mpamosavy hoy ny NTAOLO fahiny . Na fivoriam-pianakaviana ity ,na fivoriam-pokonolona ,na adi-hevitra isan-karazany ,....Ny fo no mibaiko aloha !
Na eto @ forum moa dia tsy lazaina intsony izany ary entiko manaporofo ity loha hevitra ity

Maro amitsika no mieritreritra fa manana ny rariny rehefa entin ny fo

Ara-politika moa dia inona no antony ahagàga raha tonga indray @ izao olana izao

Ary mbola vitsy ny malagasy mahay mi contrôler azy ity INDRISY

Tsy miasa loatra tsinona ny saina dia ny fo no itondrana azy. Atidoha firy gramma iny tsy hay ny mampiasa azy.

:^)
5. xxx ( 02/02/2009 07:32)
Voaporofo fa miha tony ary miha tonga saina ihany ny vahoaka rehefa nafana fo loatra fa tsy maintsy mitsemboka vao mihinana ..Tsy vahaolana ny hafanampo be loatra ! ....Nihena ny olona mpankeny @ 13 mai nanomboka ny asabotsy teo!
6. tsiafoi1 ( 02/02/2009 08:19)
Mila mandinika tsara isika fa tsy entim-po loatra. Azo ambara fa source fiable no nivoahan'izy ity : BIZNA AVO LENTA ka TANDREMO TAFAJABAKA

A)- Tamin'ireny Evènement 2002 ireny, de nalaza be eran'izao tontolo izao i Madagasikara, idd tao Afrika. Ary tsy vitsy t@'ireo firenene afrikana no nanao référence an'i Madagasikara. Anton'iray nisafidianan'ny maro ka nahalany ny hanaovana ny Sommet Africain aty Madagasikara izany.... Vola mikararana no ho azon'i Madagasikara ho enti-manomana izany, etsy andaniny ihany koa ny Francophonie 2010....

B)- Manoloana izany tombotsoa lehibe azon'i Madagasikara izany, de misy firenena afrikana telo, izay miaraka @'ny firenen-dehibe iray, izay tsy mikely aina mafy, ny tsy hahatanteraka izany Sommet sy francophonie eto amintsika izany, noho ireto antony manaraka ireto :

1- Raha tanteraka eto amintsika tokoa io Sommet io, de automatiquement ho lany Filohan'ny Fivondronamben'ny Firenena Afrikana sy SADEC, ny Filoha Ravalomanana......, Ary dia zary ho lasa modely aty Afrika isika @'ny lafiny rehetra....., Ho vetivety tsy ho ela aorian'izay de ho maro ireo firenena izay teo ambany vahohon'ilay firenena lehibe io fahiny (ireo zanantaniny fahiny), no hiendaka eo ampelan-tanany.... Vokatr'izay de tsy mikely aina mafy ireo saribakoliny fahiny mba hanao izay tsy hahatanterahan'io eto amintsika.... Anisan'izany izao hetsika ataon'ny TGV sy ireo saribakoly fahiny izao... Tsy hitsahatr'izy ireo fa hilofo ny hanome image ratsy an'i Madagasikara mialohan'io Sommet io, ary @'ny fomba aingana tokoa izany. Objectif de tsotra "Tsy ho tanterahana eto Madagasikara izany Sommet africain izany"

2- Financement goavana ihany koa no miandry ao ambadik'izany fanomanana ny Sommet sy Francophonie izany(Milliard d'euros maro),.... Koa misy ireo firenena telo izay samy maniry mafy ny handray izany.... Tsy mikely aina ihany koa izy ireo mamatsy vola ireo ekipany eto an-toerana mba handrava sy hanapotika an'i Madagasikara mialohan'izany fotoana izany.....

3- Misy ireo zay mbola manina ny fitondram-pahefana ka manararaotra ny toe-javatra ankehitriny mba handrombaham-pahefana indray, nefa mbola azo lazaina fa bitika ihany ity antony fahatelo ity..... Satria raha mahomby iroa fikasana goavana roa lehibe ery ambony iroa, de mbola hifandrotehan'ireo nahazo sombiny amin'ny bizna indray i Madagasikara rehefa avy eo, ka hiaina ao anatin'ny ady an-trano sy ny ady fahefana indray....

Aoka ho tonga saina isika malagasy ary handinika tsara,.... Ny Afrikana aza te-hitroatra, isika indray ve no hamerina ny lasa efa nandoro antsika....

Masina ny tanindrazana, ary manainga anao ry TGV, mba handinika kely fotsiny, fa tsy ny tombotsoan'ny tena no hamotehana ny firenena iray manontolo.... Ny harena de mandalo, fa ny firenena hitoetra mandrakizay.... Koa tandremo fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra,.... Raiso ny fanapaha-kevitra, azo atao ny miverin-dalana mba tsy hanenenana mandrakizay.....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1849