tonga saina ve?

1. xxx ( 30/01/2009 19:17)
nisy aina nafohy! nisy ny trano rava sy may kila!!
zay zany vao tonga saina ny fitondran'i Ravôléra oe hanatsara ny hopitaly sy fomba fitsaboina eto madagasikara izy!! mi-zesista mividy "airr force one" sy air force two" andanina amanjatony tapitrisa dollar nefa ny fitaovana entina mitsabo ny vahoaka tsisy! firifiry moa reo gasy maty nohon'ny tsy fisianan'ny fitaovana fitsabona eto antoerana! ianareo aty ampita dia mi-zesista ery fa manana air force one ny filoha! lasa "moderina" ny tanana! efa vita 90% ny lalana manerana ny nosy!!
magro feno eraky madagasikara! tiko tsy ferana!! mba firy moa zao ny dispensaire eraky ny madagasikara? na misy isaky ny fivondronana na tanana kely aza ohatra! mba misy fitaovana ari-fomba ve any amin'izy ireny?
tohananareo mafy ery io filoha ray indrindra ianareo aty ampita satria mba afaka mirehareha ianareo aty ampita oe mahavita zavatra io filoha ray io!!
marina tokoa aloha fa dia nahavita izy tao anatin'ny 7 taona raha oharina amin'ilay filoha teo alohany! nefa raha tena olona mieritreritra tsara ianareo dia endrika ivelany ohatran'ny fiainanareo ihany no tena izy!!
ny tiko lazaina dia ohatran'ny mahita ireo gasy taloha t@ mbola andron'ny importation , ilay atao izay hanana akanjo avy aty ivelany sy kiraro (importation) nefa ny ao antokatrano tsizarizary, zara raha mihinakanina satria lany importation!
ny aty ivelany indray moa dia ny fiara no atao mipaopaoka nefa tsisy afitsoka!
dia izay ve aminareo no tena atao oe mahavita azy? an'i ravoléra ny vanille,letchi,vary,ny fanaovana lalana....gadrainy izay sahy manohitra azy,i tgv tsy sahiny gadraina satria fantany fa misy ireo vahoakan'antananarivo manohina azy.
eritrereto ihany fa tsy eo amin'ny toeran'ireo tena vahoaka mijaly amin'izao fotoana izao ianareo! vola hoatrinona lany hanaovana an'io fivoriambe afrikanina io! ny trano amboarina sns.....
haitraitra zany amiko, tsaboy ny malagasy aloha, efa firy taona izay no nisy ny délestage, mbola misy hatramizao,mbola betsaka ny maty tsy fisian'ny ano madio, mbola misy ny matin'ny colera, ny halatra sy famonoan'olona (insecurité) manginy fotsiny.
izany ve ny filoha reharehanareo io!
mba diniho tsara izay vao oe gadrao tgv sns.....
ilaina ny olona ohatry tgv mba hatahotra ny mpitondra ka manao ny asany fa tsy variana mi-zesta amin'ny force one sy oe andray fivoriana afrikanina!!
mba diniho ihany
novalian'i klitika ny 30/01/2009 19:45
2. klitika ( 30/01/2009 19:45)
Asa ianao ry xxx, fa tsy ny mpitondra ihany akory no tia fisehoana.

Fa samy tia fisehoana daholo na tsy hanan-kanina hoanina aza, dia aleo mba manana portable mba aseho amin'ny ol fa manaraka teknolojia eh.

Na tsy manana trano ho an'ny tena aza dia aleo mba manao tunning fa oanina amin'ny tary

fomban'ny olon-drehetra izany.

Tsy ny fatiantoka ara-toekarena any Eraopa akory na Amerika no tsy andraisany ny fivoriana tampony amin'ny ONU, na ny ACP. Firy ny olona lasa mpitsindroka rehefa vita ny tsena any Frantsa nefa izany ve mahasaka an'i Sarkozy tsy hanome fanampiana ny tany mahantra toa izay ny mahantra ao aminy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1069