FIVAVAHANA SY POLITIKA

1. bema555 ( 30/01/2009 14:18)
Salut!
Ataon'ny mpanao politika fitaovana ny fivavahana ankehitriny;Ny fiangonana no ampesainy mba ahazoana ny fon'ny vahoaka nefa ny zavatra ataony tsy ao mitsy, mifanipaka @ fomba fisainana ara-pivavahana.Omena vola ny fiangonana; rehefa manao lahateny ao am-piangonana de miresaka politika na rehefa manao lahateny
aty ivelany de miresaka fivavahana; Nefa raha ny marina de zavatra 2 tsy tokony hifangaro ny FIVAVAHANA sy ny POLITIKA.Taloha nefa reo teto Madagasikara tsy nifangaro, teny andro farany 'zao araky ny apokalipsy!

AÖNA NY HEVITRAO amin'zany!

novalian'i xxx ny 03/02/2009 09:32
2. lemenakely ( 30/01/2009 14:47)
Io ilay fanaovana composes ilay nolazaiko e!
3. ikaretsaka ( 30/01/2009 14:59)
Aoka tsy ho hadino fa ny fivavahana sy ny politika dia nifampiditra foana ary mbola hifampiditra foana raha mbola samy mahakasika ny olombelona ary raha mbola lazaina hoe vatana sy fanahy ny olombelona!
Tadidio fa politika no nahatonga ny Jody tany Ejipta t@ andron'i Moizy sns...
Politika no saika hamonoan'i Heroda an'i Jesoa sy nahatonga an'i Jesoa hoe nitsoaka tany Ejipta e... lasa nazareanina e
Politika no nahatonga ny fiangonana lasa tany Roma, politika ny croisades, sns...

Sarotra amintsika ilay izy indraindray satria isika dia natao hanaratsy sy minia tsy mahazo ireo zavatra tsy dia ekeken'ny saintsika loatra na somary mahasosotra antsika ny mijery azy!
kanefa...
4. rakapy ( 30/01/2009 16:19)
Ka i rajesosy ve zany politisiana sa inona no tena marina?
5. ikaretsaka ( 30/01/2009 16:42)
arakaraky ny perception tian'ialahy hijerena azy..
sy ny (solomaso) hitarafan'ialahy azy
6. Mirananirina ( 30/01/2009 18:40)
Tahionao ry Zanahary,ity nosindrazanay ity.
Matetika ny fiangonana dia mivavaka ho any tanindrazana,dia miresaka ny ady kely eo,tsy hoe manao politika izy fa mivavaka na hoany filohampirenena na hoany mahantra,vahoaka
7. xxx ( 31/01/2009 10:11)
Hatrizay ny mpitondra fivavahana dia nitaky ny fialan'ny fitondrampanjakana ary eto, @ tsika malagasy io no tena manjaka nefa any europe any ohatra oe Lafarantsa toa tsy dia misy izany na dia maroa aza ny mpanohatra ny eglizyu nefa ao fa ny mahavariana ahy de ny eto@ tsika fa toa mangataka izany daholo na ny FFKM na ny hafa mampalahelo ilay tenin'ATRA fa entina any @ politika nefa ahoana hoy ilay tena tompony raha nanjaka tao @ tanindrazany ny Romana , omeo an'i Kaisara izay an'i Kaisara tsy nitarika ny ol higirevy izy nitarika ny ol hankatoa koa ho antsika izay mpitondra fivavahana mitoera @ izay nametrahana anareo andraso ny ondry izay nampandrasana anao fa aza entina any @ lalana tsy izy misaotra e !
8. ikaretsaka ( 31/01/2009 14:48)
Miseho foana io fa ny endrika no samihafa ka.. lafrantsa tsy asehony miharihary loatra INTSONY. (Toy ny Bekintana ) fa tsy midika izany fa misaraka ireo ankolafiny ireo
9. klitika ( 31/01/2009 15:29)
Ny fiangonana ihany koa mba mampiasa ny antoko politika ho fitaovana hanitarana ny fiangonana. Sady tsy misy fiangonana tsy manao politika izany (politika politisianina no lazaiko eto an).
10. soanja ( 31/01/2009 15:40)
Politika koa ny fivavahana ka.
11. xxx ( 31/01/2009 16:07)
O raklitika a ! io asa io dia an'Atra refa tsy vitany e azy zany tsy ho vitany ve ohatra ny manova ny vato ho zanany sa oe ahoana njay ka raha mpitondra iray na vahoaka maro no tiany hovana tsy ho vitany va izany ka asa mandiniha ihany e !
12. xxx ( 31/01/2009 16:15)
I soanja milaza fa ny fivavahana dia misy politika tena marina izany fa ho an'ny tany be anakiroa izay tsy manana ny fahazavana dia ny katolika sy ny protestanta ny firenena katolisisma dia tsy ho isy protestanta afaka ny hitondra izany eo toy ny mahazo an'i Mcar toy izany koa ny firenena protestantisme tsy ho tafakatra eo mitsy ny katolika ohatra fotsiny i Kenedy nefa ireo zavatra voalazako ireo de tsy sitrak'Atra ireo firenena roa lehibe ireo ka ze te hanaraka ny reviny fa efa voasoratra fa hisotro ny divain'nny fahatezeran'Atra ze manaraka azy ka tsy haiko aloha fa za vahiny
13. ikaretsaka ( 31/01/2009 18:00)
fa ho an'ny tany be anakiroa izay tsy manana ny fahazavana

mba afaka faritanao bebe kokoa ve ny tianao lazaina @ io ?
14. xxx ( 31/01/2009 18:38)
Tsy azon'i ka ve sa mody fanina enao @ ilay tay be anakiroa e , Amerika sy Europe io dada a ! i Angletera moa zany defa miaraka @ zamerika e ! jereo fa bibidia no hilazany an'ireo ao anaty baiboly fa tsy zanak'ondry ka mba diniho hoe inona no maha bibidia azy
15. ikaretsaka ( 31/01/2009 20:21)
Ka tsy azoko mihitsy le hidirany tany be 2 sy ny kato sy pros @ hevitrao fa afaka tonga de atao carreau au fer ve
16. Koditra ( 31/01/2009 23:16)
Ny fahitàko azy manokana dé zao : Efa h@zay ny FFKM no nanana anjara toerana lehibe teo @ raharaham-pirenena malagasy(mba tsy ilazako oé politika), tsy manao politika ny FFKM nefa kosa manana adidy eo @ fivavahana, fanarahamaso, manoro hevitra ho fampandrosoana ny firenena. H@ zay dé ninòna sy to-teny izy teto @firenena, nipetraka nazàva tsara ny toerana nisy azy : Mpitondra - Mpanohitra - FFKM (mpanelanelana sy mpandamina ary ray amandreny ara-panahy no netsona azy t@ zany fotôna).
Mety ho diso zà, mety tsy ho d\'accord nareo ra iteny oe nanomboka t@ fitondran\'ingahy Ravalomanana no nanombohan\'io olana fifangaroan\'ny fivavahana sy politika io ary nanomboka teo koa no tsy dia nahenoana firy an\'zany oe FFKM zany intsony, tsy ilàna azavaina fefa fantatsika.
17. xxx ( 01/02/2009 12:03)
Zao Rika asa na hazava ndray natsia tadiavo hoe iza no efa prezida prott teto M/car aleo tonga ny eto @ tanana mitsy no lazaina , ny fantatro aloha angamba dia Ra8 tadidio anefa fa isika dia zanatany Frantsay i La ffrantsa dia Europeana ary tena firenena Katolisisme zanakavavin'i Roma io ka @ izay maha zanantaniny antsika izay dia izay tiany hanaovana anao na dia mahaleontena aza ianao , ka tsy afaka manao izay izy raha tsy kato no prezida ka izay no mahatonga io olana ao @ firenena io tompoko , jereo fa tsy mba tany @ T G V ny solotenan'ny eglizy katolika @ ffkm nankany fa efa misy antony ao ary raha miteny ndray ianao hoe ny ffkm no nanampy andra8 nahazo ny fitondrana de naninona ary i ny Eveka Razafindratandra no natsahatra t@ izany asany izany ivereno ny tantara misy dia hazava @ ao ny fika , izity moa ny lohaevitra hoe fivavahana sy politika de zay e
18. ikaretsaka ( 01/02/2009 13:13)
Tsy mbola nisy kanto tena kanto teo (izany hoe tena fervent) na 1 aza ka....
Ny tiako lazaina. De le hoe tena. Type manao karemy rehefa fotoanany.tena mandeha pelerinage ohatran ireny hoe ny ffhzana mandeha ankaramalaza ireny...tsisy hoe nandeha tany anosivolakely ohatra.

Azo atao nge ny mampiasa fotsiny ilay titre rehefa ilaina e... za zao afaka mikozy hoe za zafikelina pasitera rehefa te handambolambo aho...saingy zahako moa tsyy ao loatra @ resaka politika
19. niryna ( 01/02/2009 22:30)
bema555:

Salut!
Ataon'ny mpanao politika fitaovana ny fivavahana ankehitriny;Ny fiangonana no ampesainy mba ahazoana ny fon'ny vahoaka nefa ny zavatra ataony tsy ao mitsy, mifanipaka @ fomba fisainana ara-pivavahana.Omena vola ny fiangonana; rehefa manao lahateny ao am-piangonana de miresaka politika na rehefa manao lahateny
aty ivelany de miresaka fivavahana; Nefa raha ny marina de zavatra 2 tsy tokony hifangaro ny FIVAVAHANA sy ny POLITIKA.Taloha nefa reo teto Madagasikara tsy nifangaro, teny andro farany 'zao araky ny apokalipsy!

AÖNA NY HEVITRAO amin'zany!


hmm ka ny fiangonana sy ny politika anie tsy miaraka e ,dia manaiky an'izany koa izany ny mpiangona sa misy tombotsoa ao ambadika ao ?


20. soanja ( 02/02/2009 03:46)
soanja:

Politika koa ny fivavahana ka.


Ny “Ecclesial Politics” na ny politikan’ny fiangonana dia mitana toerana lehibe tokoa amin’ny fiainan’ny Kristianina na ny mpivavaka hafa. Ny politika dia hevitra iray na vondron-kevitra hitambaran’ny na eken’ny antokon’olona/ fikambanana/ vondron’olona na firenena ary mifandraika amin’io/ireo hevitra io ny fihetsika, ny fomba fiaina/fisainana sy ny zavatra atao ary indrindra ny tanjona kendrena.

Inona moa io politikan’ny fiangonana io ao amin’ny Kristianisma? Tsy inona akory fa ireo hevitra na fahendrena na torolalana isan-karazany ao amin’ny baiboly izay bangoina avy amin’ny alalan’ny fitondran-tena marina sy fifandraisana amin’ny hafa dia ny famindram-po, fandraisana/fikarakarana ny mahatra sy ny mila vonjy, ny fivavahana ho an’ny hafa ary koa ny fahavalo, ny asa fanompoana an’Andriamanitra na ao am-piangonana na any an-trano, ny fibabohana amin’ny fahadisoana, ny fitandremana ny andro sabata, ny fikatsahana ny fandriam-pahalemana na fitoniana ao amin’ny Tompo , ny fahalalan-tanana sns sns… Raha jerena akaiky ireo dia mitondra amin’ny politikan’ny fahatsapan-tena, ny fitiava-namana ary ny fitsinjovana ny fiombonam-ben’ny kristianina na finoana hafa eo amin’ny firenana sy ny fiaraha-monina ary indrindra ny ho fiainan-ko avy dia ilay famonjena avy amin’I Kristy. Io politika io dia mitaky asa koa. Isany asa fanompoana dia ny fitoriana ny evanjely, ny fanaovana asa misionera, ny fialana amin’ny fakam-panahy ary ny fanamasinana ny tena. Misy koa aza ny politika ny tsy fanekena ny falan-jaza sy ny tsy finanana pillule,ny tsy fanaovana kapaoty, ny stem cell sns... rehefa tena lasa lavitra ilay izy.

Raha tsorina dia mandeha roa ny fiangonana sady miahy ny ara-panahy izy no manao politika satria olombelona miaina sy miara-miaina no takian’ ireo fomba ireo ary tiany hiparitaka izany fomba fiaina izany mba hanantenana fanjakana vaovao sy maharitra any amin’ny manomboka eto an-tany ka any amin'ny mandrakizay ho an' ireo izay manaraka azy.

Matetika anefa dia heverina fa zava-dratsy ny politika. Tsy ny politika no ratsy fa ny hevitra entina ao anaty politika. Misy ny politikan’ny fanambakana sy ny fanandevozana ary ny hafa izay tsy voatanisa eto. Ireo no mahatonga io tena io ho nivadika ny dikany. Ao koa ny fijerena ny ara-tantara nisy izay mifandraika be dia be amin’ny politika sy ny finoana ny fivoarany.

Raha te hanana politika mandeha amin’ny laoniny nefa sarotra tratrarina ihany, ka tianao ny ahita tombotsoa avokoa ny rehetra dia ireto manaraka ireto no tokony fanontaniana apetrakao: Manao ahoana ity hevitra sy foto-kevitra ity manoloana ny momba ahy manokana, misy voka-tsoa amiko ve? mety amin’ny fianakaviako ve io? Mifanaraka amin’ny mpiara-miangona amiko sy ny fianakaviana ara-panahy izay ifandraisako? Ny fiarahamonina iainako na ireo hafa tsy mitovy firehana amiko? Mahasoa ny fireneko ve ary indrindra ireo mpiombona planeta amiko?

Namaste daholo ary!


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1914