Feno ny tranom-paty

1. ni81 ( 29/01/2009 07:38)
MORGUE HJRA. Hipoka tanteraka ny tranom-paty etsy amin’ny hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona Ampefiloha.

Faty 46 tsy misy maka
Tsy hita intsony izay hasiana ny razana ao amin’ny tranom-patin’ny Hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona (HJRA). Feno hipoka tanteraka ny ao, na ny fandriana na ny vata fampangatsiahana, hany ka apetraka amin’ny tany ny ankamaroan’ny faty. Efa tsy lazaina intsony ny fofona ao anaty tranom-paty. Tsy maharaka ihany koa mantsy ny “formol” hitazonana ny razana tsy ho simba. Raha ny tokony ho izy mantsy dia ny fianakavian’ny maty no tokony hiantoka an’izay. Ireo razana ireo anefa hatramin’izao tsy misy maka. Ny ankamaroan’ireo faty rahateo may kilan’ny afo ka tsy misy ahafantarana azy intsony. Ny sasany aza tsy fantatra na lahy na vavy.
Raha ny razana nalaina avy etsy Analakely, tao amin’ny Trading Center fotsiny izao no efa tafakatra hatrany amin’ny 39. Saika tapitra may avokoa ireo ary misy aza no efa tsy hita ny tapany ambany. Ny tena mahaontsa dia ny mijery ilay vehivavy bevohoka, may kilan’ny afo miaraka amin’ny zaza ao an-kibony. Misy amin’ireo razana 46 ao amin’ny tranom-paty ireo no maty noho ny ratra mafy nahazo azy. Misy ny tetsy Ampefiloha izay voahosin’ny olona tamin’ny fifanjevoana. Nisy ny nianjeran’ny vary tao amin’ny MAGRO Tanjombato ary nisy ny maty voatifitry ny mpitandro ny filaminana tamin’ny fanenjehana ireo mpandroba. Tsara homarihina fa mpiasa iray ihany no mikarakara ireo razana ireo.

Aina R.

novalian'i ainaheri ny 31/01/2009 08:46
2. xxx ( 29/01/2009 08:50)
aleo hoentina eny aminy kianjany 13 mai aminy asabotsy mba hitomaniany GTV(Gasy Tia Vet...) oay hay moa TGV(Tanora Gaigy Voavidy)
3. Noue ( 29/01/2009 08:59)
Ny « LOJIKAN'NY FIFANDONANA » tetikadin'i Andry Rajoelina miaraka
amin'ireo mpanao politika tranainy sy ny firenen-dehibe iray.
Mpianatra ety amin'ny Oniversite ny tenako. Tamina mpianatra eny amin'ny Oniversite iray antsoina hoe "
4. ainaheri ( 31/01/2009 08:46)
noue>> mbola averina eto fona lay resabendradom ,samy manana ny filazany re ee,fomba fiady doli zany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0415