Aiza ny hendry? Aiza ny mpanora-dalàna?

1. niryna ( 28/01/2009 18:51)
18 Fa ny teny ny amin'ny hazo fijaliana dia fahadalana amin'izay ho very, fa herin'Andriamanitra kosa amintsika izay hovonjena.

19 Fa voasoratra hoe:"Hofoanako ny fahendren'ny hendry, ary holaviko ny fahalalan'ny mahalala" (Isaia 29:14) .

20 Aiza ny hendry? Aiza ny mpanora-dalàna? Aiza ny mpiady hevitra avy amin'izao tontolo izao? Tsy nampodin'Andriamanitra ho fahadalana va ny fahendren'izao tontolo izao?

21 Fa satria, na dia naseho aza ny fahendren'Andriamanitra, ny fahendrena dia tsy hahatonga izao tontolo izao hahalala an'Andriamanitra, ka dia ny fahadalan'ny fitorian-teny no sitrak'Andriamanitra hamonjeny izay mino;

Inona no hevitra tiana ho ampitaina amintsika amin'io teny ireo ?
(l) niryna
répondu par niryna le 01/02/2009 22:28
2. ikaretsaka ( 28/01/2009 19:23)
13 Tano ny fahalalana ka aza avela;
iraiketo izy fa fiainanao.
14 Loharanon'aina ny fampianaran'ny hendry;
mba ho afaka amin'ny fandriky ny fahafatesana.

Bokin'ny Ohabolana toko 13
3. xxx ( 29/01/2009 17:16)
Raha miseho ho mahay isika izay tanimanga novolavolainy fa tsy mandray ny Teniny dia adala izay. Ny identitén'Andriamanitra sy ny sitrapony no efa nosoratany tao anaty Baiboly dia tadiavina izay dia hita Izy ary ho hendry eo imasony isika raha mahatanteraka izany sitrapony izany.

4. ikaretsaka ( 29/01/2009 19:19)
tsy ny teniny ihany fotsiny no raisina fa IZY mihitsy ka.
Mbola betsaka ny identiteny sy sitrapony no tsy voasoratra ao fa asehony amintsika isan'andro.
Averiko foana.. ny tsy manam-petra toa an' Atra sy ny sitrapony aza ferana hoe ny ato(ao anaty baiboly ohatra) ihany!
5. OoRakotooO ( 29/01/2009 19:38)
Miala tsiny aloha fa zaho tsy kristiana (tsy izy intsony moa marimarina kokoa) ny antony dia ity : fa maninona no io Atrareo io moa no manana ny exclusivité an'ny fahamarinan'e?

Ny baiboly rehetra na ny anareo io na ny an'ny dadatoanareo jiosy (Talmud sy torah) na ny ralahanareo silamo dia olombelona daholo no nanoratra azy ary nitatitra izay noheverin'izy ireo ho fahendrena ka nolazaina hoe tenin'Atra.
Fa tsy izany irery anie no fahendrena ary efa nisy fivoarana koa ny hevitra fa tsy zay rehetra voalaza ao dia arahina arabakiteny daholo fa izany no atao hoe intégrisme.Izany no nitondran'i R8 anareo tamin'ny hoe aza matahotra fa minonoa fotsiny ihany
6. niryna ( 01/02/2009 22:16)
ikaretsaka:

13 Tano ny fahalalana ka aza avela;
iraiketo izy fa fiainanao.
14 Loharanon'aina ny fampianaran'ny hendry;
mba ho afaka amin'ny fandriky ny fahafatesana.

Bokin'ny Ohabolana toko 13

misaotra ry ika a

dia hoy koa ny teny hoe
Salamo 33
12 Sambatra ny firenena izay manana an'i Jehovah ho Andriamaniny, dia ny olona nofidiny ho lovany.

13 Eny an-danitra no itsinjovan'i Jehovah, mijery ny zanak'olombelona rehetra Izy;

14 Eo amin'ny fonenany no ijereny ny mponina rehetra ambonin'ny tany,

15 Dia Izy Mpamorona ny fon'izy rehetra sy Mpamantatra ny asany rehetra.

ka enga anie ka mba atahotra an'Atra ny firenentsika
7. niryna ( 01/02/2009 22:19)
xxx:

Raha miseho ho mahay isika izay tanimanga novolavolainy fa tsy mandray ny Teniny dia adala izay. Ny identitén'Andriamanitra sy ny sitrapony no efa nosoratany tao anaty Baiboly dia tadiavina izay dia hita Izy ary ho hendry eo imasony isika raha mahatanteraka izany sitrapony izany.


hmm misaotra ry xxx


8. niryna ( 01/02/2009 22:28)
OoRakotooO:

Miala tsiny aloha fa zaho tsy kristiana (tsy izy intsony moa marimarina kokoa) ny antony dia ity : fa maninona no io Atrareo io moa no manana ny exclusivité an'ny fahamarinan'e?

Andriamanitra izay nanao ny lanitra sy ny tany,nanao izao rehetra izao,izao tontolo izao koa izay no antony iresahiko ny Andrimanitra eto foana sy kristy

Ny baiboly rehetra na ny anareo io na ny an'ny dadatoanareo jiosy (Talmud sy torah) na ny ralahanareo silamo dia olombelona daholo no nanoratra azy ary nitatitra izay noheverin'izy ireo ho fahendrena ka nolazaina hoe tenin'Atra.

marina ny teninao hoe maro ny andriamanitra ary samy manana an'Atra avokoa ny firenena maro fa iza tamin'ireo no nisy Atra nanao izao tontolo izao ?
ATra silamo ? efa naheno hianao hoe nanao ny lanitra sy ny tany izy .


Fa tsy izany irery anie no fahendrena ary efa nisy fivoarana koa ny hevitra fa tsy zay rehetra voalaza ao dia arahina arabakiteny daholo fa izany no atao hoe intégrisme.Izany no nitondran'i R8 anareo tamin'ny hoe aza matahotra fa minonoa fotsiny ihany

fa aiza no misy ny fahendrena raha izany ? satria ny fatahorana an'Atra no loharanon'ny fahendrena ka raha tsy mino an'Atra izy ireo izay Atra nanao ny lanitra sy ny tany ? dia fahendrena inona izany no azony ?


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0715