NY TENA FITIAVANA

1. bounany ( 28/01/2009 10:33)
Salut !

VÖ HIARAKA NY OLONA 2 LAHY SY VAVY DE AÖNA KAY NO AHAFANTATARAN'LE VAVY FA TENA TIA AZY LE BANDY HIARAHANY?
AÖNA NO AHAFANTARANA AN'IZANY @ FIHETSIKY NY LE BANDY, @ FITENINY ARY @ ATAONY? AU SENS LARGE IO NO RESAKA. INONA DAHOLO NY CRITERES TOKONY NA TSY MAINTSY FENO MBA AHAFAHANA MILAZA FA TENA FITIVIANA NO MISY EO AMIN'OLON-NDROA? Olon-droa vô manomboka miaraka an! fa tsy le efa ela niarahana!

Misy jeunes filles sasany mants vô manomboka manao sipa zany mbola débutantes de tsy de kôpy @ ze miseho ka mila ny idée n'ireo efa manana expériences.

novalian'i bradley7 ny 15/02/2009 20:27
2. heidi ( 28/01/2009 11:06)
IZANY VE DIA TSY HAY?
3. bounany ( 28/01/2009 11:18)
tsy hain'ny sipa sasany hono zany e! za kou mbô gaga!
4. ikaretsaka ( 28/01/2009 14:28)
miovaova arak'olona io fa aleo ny fiainana sy ny fotoana no hampianatra azy..
fa tsy heo ny nety tamin'ianona de mety @ ianona na hoe boky harlequin de zay!
5. sitlo ( 28/01/2009 21:16)
malahelo aho milaza fa tsy misy fika
6. heidi ( 28/01/2009 22:03)
bounany:

tsy hain'ny sipa sasany hono zany e! za kou mbô gaga!

kou na sipa vendrana aza v????
tam kilasy t1 aza defa mahalala anzany hoe tia ilay zazalahy io
am fihetsika sy ny firesaka

7. paiso ( 30/01/2009 14:08)
Tsy fanatrao mintsy zany bandy tia zany fa mahay manafina be reny bandy reny
Ny alalanao azy fotsiny de tsy sahy mamboraka fitiavana aminao ny bamdy refa tia fa ohatrany mihodikodina zany. Efa tena manana experience amizany za fa sao de lazainao fa mivazivazy an!
Tia anao izy refa tsy mitady zavatra ratsy aminao
:oops:
8. bema555 ( 30/01/2009 14:40)
tena tia zany ny bandy ray ra ohatra ka somary mangovingovitra rehefa miresaka @ sipa ray! miaotra! tsy de mahajery mifanatrika! jambena ny masony! manao ze maha faly anao fôna! manao ze mapitsiky anao fôna fôna no tiny hatao! d hampiadana anao zany e:
9. Mirananirina ( 30/01/2009 18:13)
Rehefa tena tia ny lhl dia te hahita anao foana izy,miantso matetika,manaraka izay misy anao mazàna,mitady anao foana,mahafoy zavatra ho anao,oh:vonikazo,mijery cinéma,restaurant sns............
10. soanja ( 31/01/2009 21:39)
bounany:

Salut !

VÖ HIARAKA NY OLONA 2 LAHY SY VAVY DE AÖNA KAY NO AHAFANTATARAN'LE VAVY FA TENA TIA AZY LE BANDY HIARAHANY?
AÖNA NO AHAFANTARANA AN'IZANY @ FIHETSIKY NY LE BANDY, @ FITENINY ARY @ ATAONY? AU SENS LARGE IO NO RESAKA. INONA DAHOLO NY CRITERES TOKONY NA TSY MAINTSY FENO MBA AHAFAHANA MILAZA FA TENA FITIVIANA NO MISY EO AMIN'OLON-NDROA? Olon-droa vô manomboka miaraka an! fa tsy le efa ela niarahana!

Misy jeunes filles sasany mants vô manomboka manao sipa zany mbola débutantes de tsy de kôpy @ ze miseho ka mila ny idée n'ireo efa manana expériences.

Raha zohina ny tantaran'ny fitiavan'olombelona dia ilay fitiavana voalohany toy izany dia tsy ahitana fitiavana tena fitiavana velively, fa andrakandrana avokoa. Na ny lahy na ny vavy dia samy mandalo an'io avokoa; ny krosy kely madinidinika amin'ny alina, ilay andrasana amorona fefin-tsekoly, ilay fitantanana sy orokoroka maladilady, ny tositosy sy adiadim-piatiavana, ilay sms mitsipapitapy, tsy mbola izy daholo ireny fa fianarana hiditra amin'ilay tena izy. Mody tsapa mirehitra zany ilay fitiavana ao anaty saingy afo mololo fotsiny iny.

Rehefa sendran'ny olana sy ny fiafiana ka mitsiry ny loharanom-panantenana avy amin'io sedra io ny fiarahanareo vao afaka hilaza ny iray avy fa Tena Fitiavana no mitranga. Mety vetivety io no mitranga ary mety maharitra vao misy. Tsy misy mahadiso ny andrakandrana anefa fa saingy kendrena tsara fotsiny ny vatana sy ny saina tsy ho simba.

Soava tsara ny fiarahana!

11. Koditra ( 31/01/2009 22:32)
Heidi:
IZANY VE DIA TSY HAY?
O ry Heidi ah! zà ary ef impiry zay nanao fihetsika fa tena mbola tsy kôpy fôna toi h@zao. :lol:

Soanja : Mahalasa saina. Nefa tsy efa nohon'ny fitiavana daôlo ve nefa ireo lazainao fa andrakandrana reo?
12. soanja ( 31/01/2009 22:47)
Koditra> Ilay teny hoe "TENA" no tsindriantsika eto, fa resaka fitiavana dia mivalampatra be io raha hadihadiana eto.
Hitan'i Koditra, rehefa mamonjy terrain basety reny ianao dia ahita fa betsaka ny manao ankitifititra, dia hevero toy ireny ilay izy. Sady milalao baskety ihany ireny saingy tsy tena mbola manao ilay tena lalao. Ilay tena lalao mila mpifanandrina ary ezaka iaraha-mandinika ifandraisan'ny mpiray ekipa mba handresy.

Mino anefa aho fa tsy io hazavaiko io no tian'i mpanontany resahina fa mba natsipiko fotsiny iny.

Raha ny tiany anontaniana dia tsy manam-baliny aho. :) :) izy fo mahay izy lera avy amin'azy ioh.
13. Koditra ( 31/01/2009 23:44)
Soanja : Marina toko ny vôlazanao fa na zà aza dé tsy manakolazaina ra lé teny hoe "TENA" no hofaritana @ fihetsika iray na teny iray, mbola indramiko iany reo andrakandrana notanisainao reo, tsy ny fitambaran'reo ve kosa ve ry Soanja defa tokony ho ampy itarafana ny fitiavan'lé oul ? Apitsika kely fotsiny oe mety boramena sy mangovitra fôna lé oul refa mihaona. Sa aôna? :lol:
14. soanja ( 01/02/2009 00:25)
Koditra:

Mba resaka atao ny antsika fa raha ny amiko dia ireny no antsoina hoe sava ranonando, erotrero-dronono , vavahady idiran'ny mpitolona fa ny tena izy dia mbola any Ankaratra ilay ahitra maitso firaofana raha ao Tampoketsa ianao no nandroaka omby ohatra.

Asa na tadidin'i Koditra fa misy an'ireny zalahy mangovitra ampitsangana ireny manoloana ilay anjely kely, fitiavana daholo izany, saingy vao tazanin'i Dada ery andavarangana dia iny ny anao lahy fa nanao tongotra ankatoka. Ny rano niampitana toa tsy nisy mamba. Maika hividy ny lohany nefa matahotra ny masony. Aiza ary ianao raha fitiavana e!

:lol: :lol: :lol:
15. Koditra ( 01/02/2009 23:55)
Mba resaka atao ny antsika fa raha ny amiko dia ireny no antsoina hoe sava ranonando, erotrero-dronono , vavahady idiran'ny mpitolona fa ny tena izy dia mbola any Ankaratra ilay ahitra maitso firaofana raha ao Tampoketsa ianao no nandroaka omby ohatra.
Ra azoko tsara ve zany dé tsy maitsy efa ao anatin'ny fiaraana vao ahita an'io TENA fitiavana io? Mety marina zany nefa misy kou ny oul tonga dé lé potika sy ti be reny na dé vao manomboka fotsiny aza lé fiarahana knou.

Asa na tadidin'i Koditra fa misy an'ireny zalahy mangovitra ampitsangana ireny manoloana ilay anjely kely, fitiavana daholo izany, saingy vao tazanin'i Dada ery andavarangana dia iny ny anao lahy fa nanao tongotra ankatoka. Ny rano niampitana toa tsy nisy mamba. Maika hividy ny lohany nefa matahotra ny masony. Aiza ary ianao raha fitiavana e!
Ary tadidinao tsara kosa lé tantaratsika fahiny an! :lol:
16. soanja ( 02/02/2009 04:00)
Koditra> N'iza n'iza tsy mahatsapa an'io raha tsy efa tena tafiditra lalina ao vao miteny hoe ary tena voa be kay zah ty fa tia be!!! saingy fonja matsiro no ato de iaretako baba!
17. sitlo ( 02/02/2009 04:33)
Izaho aloha dia mbola miteny ihany hoe tsy misy fika amantarana an'izany tena fitiavana izany.

Fanontaniana tsotra no anoanako ny hevitro. Fitiavana ve ny mitia? Izany hoe tsy zavatra niforona tao anatinao, fa noforoninao.

Betsaka anefa ny olona no mitia, ary satria izy no namorona azy, dia azony fafana tsara izany.
18. Koditra ( 02/02/2009 17:30)
soanja:

Koditra> N'iza n'iza tsy mahatsapa an'io raha tsy efa tena tafiditra lalina ao vao miteny hoe ary tena voa be kay zah ty fa tia be!!! saingy fonja matsiro no ato de iaretako baba!
Possible ve ny anénàna an'io ho eo @ antonony? Tô ôtran sarotra be zany knou!

19. soanja ( 02/02/2009 20:44)
Koditra:

soanja:

Koditra> N'iza n'iza tsy mahatsapa an'io raha tsy efa tena tafiditra lalina ao vao miteny hoe ary tena voa be kay zah ty fa tia be!!! saingy fonja matsiro no ato de iaretako baba!
Possible ve ny anénàna an'io ho eo @ antonony? Tô ôtran sarotra be zany knou!

Io hevitra TENA fitiavana io aloha dia saro-bahana be ny ao anatiny; fa azo kilasiana ny andry Rabeniomby sy Ravalahanta. Ry Slumdog Millionaire izao no anisan'io. Vitanao ny mamono ny tenanao/ manao ny ainao tsy ho zavatra noho ny hafa izay tianao.

Fa ilay fitiavana kosa dia vitantsika rehetra. Ilay hitantsika dia antoniny avokoa satria afaka hanjakana sy afaka hamboarina ary afaka hikolokoloana handrobona, hivelatra, hamokatra. Mino aho fa izay ilay hanontanian'ny mpanontany.

Misy io fa aza manahy. Io ilay antonony ary io ilay voalanjalanja.

Inona no fomba ahafantarako fa tia ahy ny olona iray? Dia satria tsapako fa manao zavatra voalanjalanja izy eo am-piarahana amiko. Fantany ny tiako ary zah mahalala ny tadiaviny.

20. namanabe ( 05/02/2009 09:08)
Ny fijery sy ny fy fihetsiky ny olona na vavy na lahy no anisany signe voalohany
hahalàlàna izay miafina ao am-po tsy ampy anefa izany fa mila mifankalala bebekokoa hahafantaranao ny tohiny na :lolna :lol: na :*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1469