Vaovao farany...

1. xxx ( 26/01/2009 21:23)
Vaovao farany 'ty avy aty Tamatave.
Araka ny tenin'ny mpanara-maso aty an-toerana izay miambina zay zavatra mety ho hafahafa dia izao:
Misy sambo voa avy ni-débarque, tsy hay avy aiza, ao amin'ny Port (il y a 4 h zay) fa ny ao anatiny dia efa fantatra: MITONDRA FITAOVANA HO ENTI-MIADY io sambo io.
Hafàna zany ty tantara 'ty ary ny fanjakana tsy hiemotra araka ny henonay farany av any Tana zany.
Miomàna fotsiny rahampitso na mety ho alohan'zany fa tsy nandeha @ RN2 zany entana zany.
novalian'i tsiafoi1 ny 27/01/2009 07:31
2. boubounezy ( 26/01/2009 21:45)
ten njana b zany!!! nefa za vô nianto tany tamatave t@ 21h aty fa milamina ony any fa misy toeran fotsiny b maramila mpambina bdb ka tsy aiko alou wé aiza lé toerana fa za tsy nanotany, fa dé ny azoko lazaina dé wé mampalaelo ny zavatra mitranga toy zao :roll:
3. titix ( 26/01/2009 22:02)
Ny tena mapmé ana d ity: Sambany za naheno t@ tantaran'ny firenen'izao tontolo izao fa izay angamba vao nisy Président en exercice tsy mahatoky na koa nomen'ny Etat-major malagasy lamosina mba tsy hifamono samy malagasy. Dia naka mpikaràma an'ady vahiny hiaro ny tombotsoany.
Atr@izay na taiza na taiza ohatrany ny mpanohitra fitondrana foana no maka mpikaràma an'ady.
Vendrana be
4. bomara501 ( 26/01/2009 22:10)
ten njana b zany!!! nefa za vô nianto tany tamatave t@ 21h aty fa milamina ony any fa misy toeran fotsiny b maramila mpambina bdb

Ary za ané nahita rasil maromaro any + Police manao patrouille. Azo atao oe milamina alo aty fa tsy fantatra mintsy... Lé milamina koa ané...
5. mia ( 26/01/2009 22:12)
Ilay tsaho koa aloha mandeha mihitsy amin'izao e!
6. titix ( 26/01/2009 22:17)
bomara501:

ten njana b zany!!! nefa za vô nianto tany tamatave t@ 21h aty fa milamina ony any fa misy toeran fotsiny b maramila mpambina bdb

Ary za ané nahita rasil maromaro any + Police manao patrouille. Azo atao oe milamina alo aty fa tsy fantatra mintsy... Lé milamina koa ané...


Tena vao maika mety enjana ny tohin'io tantara io raha vao manaraka an'i Andry ny mponina Tamatave. Rolland Ratsiraka moa efa miteny ny sary hitantsika teny Ambohijatovo sy ny déclaration-ny tany Mahajanga.
Tonga dia K.O indray aloha Mada, dia milefitra Ra8 refa leo ny mamono olona eo. Tanà+Tamatave izany! c'est de la bombe.
7. lemenakely ( 26/01/2009 22:18)
mia:

Ilay tsaho koa aloha mandeha mihitsy amin'izao e!



io aloha no mbola tena mahavoa ny tany mahantra tsaho etsy tsaho eroa ,nefa indraindray koa toa mitombona ihany ilay izy

8. hery ( 26/01/2009 22:19)
Fa aiza tokoa ilay "olona be dia be" mpitandro filaminana teny Ambohijatovo e? Sa natao hiambina an'i AndryTGV ihany ireny?

Aiza ny andrimasom-pokonolona no tsy miaro ny fananan'ny vahoaka?

Azoazoko antsaina sahady ny ho endriky ny fitondrana raha toa ka ry Andry no ho tonga eo.
9. xxx ( 26/01/2009 22:26)
koa ilay andry iny ve tsy ataon'ny olona fitaovana fotsiny?
FA i roland Ratsiraka no be fitetika ny hitondra avy eo :roll:
vao mila izany ra bush de tsy avotra i ra8. TSY ALEO mitady ranondranony am n'i obama indray aloha....tsy maintsy hoe miverina am frantsay ihany izany i madà. RAHA ry andry sy ry roland no mandresy eo :P
10. xxx ( 26/01/2009 22:46)
Rehefa DJ ny mpitondra dia Videur no mpiaro ny tanàna. M'lay an, izay mihetsika tonga dia lasa.
11. patrick2002 ( 26/01/2009 23:27)
rehefa tsy hisy radio sy tv ve tsy tsaho no handeha izay no tsy takatry ra-8 anie ka handravany ny tv izay misy eo tsy mifanaraka ny eritreriny eh!
ao anatiny constitution dia misy fa Etat democratique madagasikara ,zany Etat democratique izany mety misy chretien ,environnementaliste ,musulman, environnementaliste ,mercantiliste ,communisme,ka nahoana ny olona no hotapenambava .
Na ho ela na ho aingana tsy maintsy misy farany ny hataony ra-8 ,sahala ny naha nisy farany ny fitondrany Ratsiraka.
Tsy misy masoandro natao tsy ho lentika ry havako.
12. tsiafoi1 ( 27/01/2009 07:31)
Stratégie daolo ny zavatra rehetra..., fa aza hidirana lalina...

Ny asa atao tsara de ny hanin-kohanina tadiavina...
Ampiadian'ny olona otran'ny angely de milaza ho babany avokoa!!!!

Sarin'ady kely toy iny de efa kenda, fa aiza zany guerre civile, sy ny génocide toy tany afrika... Tsy zakan'ny tsenan'ny gasy zany! Ny fahendrena de aleo mangina, de ny asa no atao tsara, sitrany mba mihinan-kanina ny vady aman-janaka
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4504