Ireo afo mirehitra eto Tana amin'izao

1. klitika ( 26/01/2009 19:12)
Magro, Courts, RNM, NASA electronic, tranon'i Mox

Ny Mahagaga dia nahoana ny Courts nefa eo akaiky eo koa ny Geant Score, Tsy maninona akory. Midika izany fa misy antom-pirenena momba ity korontana ity
novalian'i tsiafoi1 ny 27/01/2009 07:14
2. klitika ( 26/01/2009 19:16)
Efa tsy misy eny amin'ny mpivarotra intsony ny vary, savony, siramamy, menaka
3. hery ( 26/01/2009 19:29)
Tsy vitan'i Andry intsony angaha ny misakana an'izany fandravana fananan'oul izany?
4. vale ( 26/01/2009 19:35)
Indrisy, mampalahelo, ny hafa no miady lahy politika dia ny hafa no victime!!! mapalahelo!!! :(
5. tolipy ( 26/01/2009 19:46)
inona no azo atao? tsy rariny nizaniza hitondra eo raha izao no fandehana dia hifandrongana foana, tsy matotra isika gasy, ireo mpanome baiko dia ireo manana hatrany, ireo voabaiko ve manana harena tahaka ny voabaiko, aoka izay ny adi an-trano, dia jiolahy foana ve ny gasy? tsia! olona tonga saina isika, tsy mpomba nizaniza aho fa mbola aminireo izay te hitondra eo tsy hanome anareo sakafo? trano? harena ankibony tany? koa raha korotana solution, diso daholo. mba lazao vaovao dia misaotra ny vaovao :(
6. ikaretsaka ( 26/01/2009 19:52)
hery:

Tsy vitan'i Andry intsony angaha ny misakana an'izany fandravana fananan'oul izany?


Marka aza tsy mahavita ko
7. xxx ( 26/01/2009 19:56)
Tolipy : aza dia be morale fa tsy any ntsony zao, fa efa zay ny gasy dia zay zany, efa lasa culture angamba lé izy, dia mila manaiky ianao fa zay ra-gasy, raha tsy tianao izany dia afaka miova nationalité ianao, fa ny gasy mahay miaritra fa rehefa leo sy feno kapoaka tsy azonao sakanana, na i Andry mpitarika aza tsy mahasakana rehefa romotra ny olona, zaran'ny olona za misy mitarika.

Ka ilay resaka anatra sy morale dia tokony tsy asiana fa efa tsy izany ntsony zao
Ny tokony ihaino tsy mihaino hatrizay dia ny vahoaka foana no omena tsiny rehefa tezitra, izao no atao hoe raharaha tadiavina
8. xxx ( 26/01/2009 19:58)
sika rehetra, na mpanohana an'i ra8, na mpanohana an'i TGV. zao no hafatra:

tadidio, fa rehefa any @ zafin'ny zafin-dohalika-tsika, zay vo hanao otran'ny firenenena amerikanina sika. mifamindra ampilaminana ny fitondrana. tsy misy mpitondra hitsetsitra vahoka intsony.

SAMIA TONGA SAINA E. ALEO ALOHA ALANA ZE TSY MAMELY.
AVERIKO NDRAY FA MBOLA HO ELA SIKA VO TENA HIAINA MILAMINA.
RAHA NAHAY NANDEFITRA NY TS11, TSY NITRANGA ZAO REHETRA ZAO.
TADIDIO-TSIKA, FA LEO NY VAHOKA, NEGLIGER-NA IZY ZAO, D MITROTRA.
MBOLA HO ELA SIKA VO HIARINA E.
ALEO HANDE ZE HANDE EO ALOHA.
AIZA ZAO NY MPITONDRA AROVAN'NY MPIARO AZY ETO?


9. sivisma ( 26/01/2009 20:11)
Tsy aleo ve nividianana fitaovam-piadiana hi-contrer-na ny mercenaires toy izay nandany vola "manif" sy "communication" e???
Rehefa gidragidra ho'a dia mba atao tsara f'aza hampidirina fairano ny vahoaka f'efa mahantra ange e!!!zao dia vary,menaka,siramamy,lasantsy,...zay ndray zao dia hisy hi-bizn ndray dia vao may zany "pire".
Potika ny génération maro depuis deba fa t@ ravalo koa dia rava ny "espoir"'ny marohafa dia ho avy ndray ny tgv dia ahoana ndray??
Tsisy fitiavana tanindrazana e!Izao aloha dia "diplomatie" ihany no tokony hi-régler-na azy dia rehefa tsy vitan'izay dia ampasao ny hery satria matoa mijoro eo dia SAHY fa tsy ny vahoaka koa no alefa aloha ery (10/08/91,crise 2002,....demokr...2009) aoka etsy!!!!!!!!!
10. xxx ( 26/01/2009 20:46)
mba manotany anareo eto aho: iza @nareo no sahy ilaza fa rahefa vita io korotana io ( misy farany daholo ny zavatra rehetra ) dia io Andry TGV io no hitondra ny firenena ? Asa raha mba tsapanareo fa @ izao fotoana izao dia tsy heno mhintsy ry ingahy Zafy sy ny mpanaraka azy, ry ingahy Jean Laharinoro, Ratsiraka rolland na i deba, ry ingahy pasitera sa mikarakara ny hidiran'ny zanany izy ( hevitra tsara ny azy ) sy ny hafa koa....
11. tolipy ( 26/01/2009 20:50)
xxx: ianao koa be moraly, jereo ary samy isika eto tsy mifanarak dia handeha hoa aiza ny firenene. marina fa sakafo, ny rehetra tsy ampy, dia aleonao hisy maty, mbola tsy ny havanao no maty angamba, dia hitova rwanda, sy ireo firenena hafa ve isika, sa mba hananana ny maha izy azy. vahoaka foana no hikorotana fa rehefa tonga eo dia mitovy daholo na ra8 na tgv, ary mba ianao indrindra raha any ivelany ianao, inona no nataonao??? indrindra @itony serasera itony mba hampitana hevitra matotra ! on fait la paix xxx hevitra ny ahy, raha tsy tianao, ario , jereo panao politika vahiny, miady kanefa miara misakafo etc, omeo ny exemple!
12. mia ( 26/01/2009 20:58)
xxx:

Tolipy : aza dia be morale fa tsy any ntsony zao, fa efa zay ny gasy dia zay zany, efa lasa culture angamba lé izy, dia mila manaiky ianao fa zay ra-gasy, raha tsy tianao izany dia afaka miova nationalité ianao, fa ny gasy mahay miaritra fa rehefa leo sy feno kapoaka tsy azonao sakanana, na i Andry mpitarika aza tsy mahasakana rehefa romotra ny olona, zaran'ny olona za misy mitarika.

Ka ilay resaka anatra sy morale dia tokony tsy asiana fa efa tsy izany ntsony zao
Ny tokony ihaino tsy mihaino hatrizay dia ny vahoaka foana no omena tsiny rehefa tezitra, izao no atao hoe raharaha tadiavina



Fa tokony efa any amin'ny resaka sandry sy jiolahim-boto ve izao??? :°) dia ariana amin'izay ny morale?? Sady izay ra-gasy ahona koa moa e?? fa nahoana no manao dictature be ohatr'izany?sady manery olona hiova nationalité??

13. boubounezy ( 26/01/2009 21:08)
mba niditra kely iany alou za fa tena nampalaelo anah lotra ny zavatra mitranga any @tsika, aiza ka no prison avy no vaky????? dé aoa ny sécurité ny fianakavintsika zay mipetraka any dago???? tokony mba mijery zé zafatra mba ifandaminana ny gasy fa tsy pillage no ampandroso nefa mahantra ka zara aza ngamba misy anizany ANIZA NY FADSONA RA MAHANTRA NY FIRENENA MALAGASY? mila jerena zany satry ra otrizao fona dé tsy androso mintsy ny firenena!!!NY MPITONDRA MANINN FOTSINY? ARY NY MPANOHITRA MANINN FOTSINY DÖLY? na ny tv tsy mandé, ny radio tsy mandé, dé zany vé ny solution? aleo mifndinika tsara ny vahôka sy zé resplonsable iao rotaka izao fa mbola mé ahantra fona ny gasy ra zao ny mitoy!!! zé mb afaka miréagie mba tokony anao ra maita va olana fa n yena mou zady tsy any no anisany vaôka madinika d tsy ita bé niany ny azo atao!!
14. tolipy ( 26/01/2009 21:20)
merci mia soutien dictateur xxx, solution, miezaka manamparitaka hevitra manodidina antsika na goutte eau ranomasina malagasy mpiray tanindrazana, aza atao re tompoko adimpoko, aza ravana re olona izay vita mba ho lovanireo zanatsika, dia hanorina foana ve?
15. zandikely ( 26/01/2009 21:20)
Mahagaga iany izy ity, tamin'ny 2002 dia nety ny fitokonanana sy ny fanimbana zavatra fa izao 2009 lasa tsy mety indray kay. I DON'T UNDERSTAND
16. xxx ( 26/01/2009 21:44)
ny maha samihafa azy ve? t@ 2002 élection présidentielle, nisy décompte de voix efa nanome an'i Ravalo ho mpandresy, na ny stats officiels aza, aiza moa no tsy hanaiky ny vahoana
17. titix ( 26/01/2009 21:51)
t@ 2002 tena nisy fotoana nataondry zalahy style adim-poko ny hakana ny seza. Fa ity samy olona matanjaka avy ao andrenivohitra no tsy mifanaraka. Tsy hay zay ho tohiny eo.
Raha popularité aloha amin'zao dia resy be Ra8 ao an-dRenivohitra e.
Dia tena tsy hisy mihitsy zany @malagasy izany famindram-pahefana madio(ohatrany firenena mba efa madroso)eo @mpitondra izay miàla sy ny mpitondra vaovao. pfffffffffff. tsy maintsy gidragidra zay te hiakatra eo na atosim-bahoaka na mande irery?
18. tsiafoi1 ( 27/01/2009 07:14)
Ny afo mirehitra tsy maintsy ho faty na ho ela na ho aingana....!

F"Asakasak'izay nandrehitra azy, tompon'andraikitra feno izy ireo, ary hotsarain'ny tantara mandrakizay...!

Tandremo @'ny sisa ry Antananarivo fa henatra lehibe ho antsika zao zava-misy izao! Diso malama sy mahay atsy sy aroa ka tsy menatra mivarotra ny hasiny sy ny tanindrazany!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0074