Tsara ny maneho hevitra nefa aza taritina hifamono ny olona, ary aza atao sorona ny Malagasy na mahantra aza izy noho ny tombontsoanao manokana.
Firy ny naratra tamin\'ny 10 Aogositra sy ny maty, saingy ireo mpanao politika nitarika tamin\'ireny, na ny antoko ve mba mikarakara ireo mbola mitondra takaitra tamin\'ireny. Sa dia ilay famangiana iray teny amin\'ny Hopitaly iny ihany dia izay no izy?
Dia naseho an-tsary an-gazety ny fatin\'ny olona sy ny faharatran\'ny olona tamin\'ireny mba ampientanam-po ny vahoaka mba hitroatra bebe kokoa. Niampy ny hoe karama farany ambany 2.000.000 Fmg. Nefa nahoana ny tohiny.... Devaluation ngeza be.
Ny olona mamporisika ny fifandrafiana eto Madagasikara dia tsy vao izao akory, fa efa hatry ny ela. Ny iray seha-pivavahana, ny faharoa tany mpiaradia ary ny fahatelo dia ny mpanao politika. Saingy dia miara-miasa ireo telo ireo satria iray ihany ny tanjona dia ny fifehezana ny vahoaka mba handohalika aminy ka hanome izay ilaina ho an\'ny tombotsoan\'ny fikambanany. Ka ny vahoaka amin\'izay dia kianja filalaovana.