MIALA RAVALO, MIPETRAKA NY RAFITRA TETEZAMITA

1. Annie2006 ( 25/01/2009 18:48)
Tsotra ny valiny.
1. MIALA ALOHA RAVALOMANANA, ary tsaraina dia GADRAINA
2.MITSANGANA ny tetezamita izay ANDRY TGV no mitondra azy iarahany @ ankolafin-kery izay nanohitra andravalo: Ireto Ankolafinkery politika ireto dia manolotra anarana ka anjaran'ny ekipan'ny ANDRY no mifidy izay ho ao @ mambran'ny governemanta. Miisa 16 raha maro indrindra ny isan'ny ministra ary atao mazava ny tanjon'ny Teteza-mita KA 10 AVY @ antoko politika, ary 6 avy @ Société civile: MANOMANA NY RECONCILIATION NATIONALE, MANADIO NY FITANTAM-BOLAM-PANJAKANA (assainissementy des finances publics, suspension de tous les contrats miniers en cours, Audit général sur l'endettement du pays....), HAMIDY NY AIR FORCE ONE 1 ET 2 mba hanatevenana ny kitapom-bolampanjakana (hikarakaran ny fifidiaznana ho avy mba tsy hitrosa indray...ohatra); MANOMANA NY FIFIDIANANA Maire, député, ary président. NY TETEZAMITA dia mitoetra Roataona.
3. MIANTONA NY ANDRIM-PANJAKANA REHETRA (foana ny deputé, senatera, HCC sy ny forongony). SOLOINA PDS ny chef de région (ny fanendrena azy dia iarahana @ ankolafin-kery rehetra)
4.MITSANGANA ny rafitry ny tetezamita, izay ahitana "exécutif" tarihan'i ANDRY TGV sy ny ekipa voalza etsy ambony; HATSANGANA ny comité "Vérité et réconciliation" tantanin'inaghy Zafy Albert manadihady sy manomana ny Réconciliation nationale; HATSANGANA ny COmité économique et social manana mpikambana miisa 125 (5 isaky ny région) ka 40% olona hatolotr'ireo antoko politika, 60% avy @ société civile. Ka izy ireo no mifidy ny filohany. Mitoatra ity CES ity hhatramin'ny fifidianana député @ volana mai 2011.
5. HATSANGANA ny "HAUTE COUR DE JUSTICE" hitsara ny mptondra t@ androndravalo sy hanadihady sy hitsara ny raharaha 2002 araky ny vokatra aroson'ny comité vérité et réconciliation nationale", sy ny "COUR electoral transitoire" izay hisahana ny fitsarana ny fifidianana.
6. OVAINA NY CODE ELECTORAL
7. Atao ny forum économique national mba ahitana aiza ho aiza ny fahavoazan'ny toekarena malagasy ka hanomezana ny vaha olana.
8. Tantanin'ny tetezamita ny sommet union africaine sy francophonie
9. MIhatona ny constitution mandrapaha hamolavolan'ny comité économique et social "volavolan-kevitra" izay dinihan'ny governemanta, ka hanaovana réferendum (4ème République) avy eo.

Amin'ny:
septembre 2009: fifidianana Maire
Mai 2010: Réferendum, constitution vaovao
Mai 2011: fifidianana député, Tapitra ny CES
Novembre 2011: fifidianana filoham-pirenena. Tapitra ny tetezamita.
novalian'i penguin ny 26/01/2009 10:11
2. vilambava ( 25/01/2009 20:33)
[quote=Annie2006]
de mazava ny tanjon-dra Andry zany fa kay lery no tena mitady hijapy train. Miezaka ny mba hitondra amin'ny tetezamita satria sur fa tsy ho lany amin'ny fifidianana normal ka efa apetraka tsara ny plan mba ho afaka mitondra ao anatin'ny roa taona de miala moramora de mba afaka milaza fa efa nitondra. Zany ve de mba ho tafavoaka kle.


3. xxx ( 25/01/2009 22:16)
mba misaina aloha hoa misy d faly ny hampahantra ny gasy mandrakizay! tsy misy afa tsy ny hanongana, d hatsangano ny tetezamita ,d 2011 ny fifidianana ,d mandritra an'izay d fahoriana hatrany ny any vahoaka, d ho avy @ zay ny fihalana bala ataony mpitondra zay ho avy eo, tsy moramora ny manarina ny firenena noho ireny tolona zay nataon-tsika ireny, mpatati mpatata é! tapitra ihany lé manda ny mpitondra, vao maika fadiranovana ny vahoaka, ny firenen-dehibe aza mbola tsy tafavoaka @ resaka crise d enao gasy zay mangataka hatrany d mihevitra fa rehefa mihongana ny mpitondra d ho tafita ny vahoaka! mba halefaso lavitra aloha ny fisainana é!
4. Annie2006 ( 25/01/2009 22:27)
Mahazo manakana izay manakana. Manohitra izay te hanohitra. Fa roso ny dia. Tsa mimpody koa.

Aleo mitatata eto @ forum fa ny vahoaka efa mitsangana manogana ny jadondRavalo.
5. eh ( 26/01/2009 06:02)
Manonofy atoandro ity ianao ry TGViste!!!! filoha ao anaty lalàna tanteraka ary nolaniam-mbahoaka tanteraka !!! dia ianareo no mitady hamantambonona eo fotsiny??? nofy any izany!! mba hahirato ny maso wa!!! ny anay tohananay tanteraka fa efa nanahirana ny nametraka an'io !! miandry amin'ny 2012 nareo raha sahy !!!!! rediredy sisa ny anareo... :-D :lol:
6. rangorivao69 ( 26/01/2009 06:10)
za de gaga @ ireto mpi grevy ireto, hiala ra8 de i Andry no hitondra ve? de i ny ekipany koa ? izany hoe rolland ratsiraka? de havoaka i pety de havoaka koa ikotity sy ny forongony? de izy rehetra no hanjaka? de hisy fiainana vanona ve? de hitondra any @ fahasambarana fara tampony ve? mamplahelo ny gasy, tena mbola betsaka ny tery saina!
7. rabaradaka ( 26/01/2009 06:11)
Nenitoa Annie a, alamino ny saina sao maty tampoka eo enao ka malahelo zahay. Kay ve nareo izany ka haka fitondrana e, dia ity Andry tsy manana afatsy CEPE ve no hitondra firenena ? Sao mba vazivazy izany ry kala Annie a.
8. rangorivao69 ( 26/01/2009 06:27)
Angaha elà rabaradaka tsy naharaka ilay kôzin'lery t@ sabotsy teny @ 13 mai? vonona hono lery handray sy hitondra ny fanjakàna teteza mita e! ary tsy nanana anarana afatsy president izy teny, hihihi, de ho avy daholo @ zay ny parasy feno ao andamosiny hiala aminy sy handrombaka ny seza hiady antrano koa, de mba hankaiza ilay gasy kely nanindranindra azy le? hijanona ho gasy kely ihany rehefa avy eo mampalahelo a!
9. Jozy ( 26/01/2009 06:53)
Mampihomehy ilay fandravana ny andriam-mpanjakana rehetra sy ny fiakaran'i TGV ho filoha tsy misy fifidianana. Làlana inona ary avy aiza no hahafahana hanao izany?
Hamorona lalàna tsy mandalo solombavambahoaka, tsy misy sivan'ny HCC indray izany?République aho république, démocratie aho démocratie
Kay koa ve azo ho tanterahana ihany raha i tgv ny lohan'ny exécutif ary ny mpanohitra rehetra no mitantana ny baolina ny fivorian'i UA sy frankaofonina e!
Tsory ry Raj P. ny tena tetika f'aza manao ny gasy ho tena kely saina eto a!
Efa nomenay chance ianareo rehetra miampy ratsirakistes ireo t@1991-2002:ady antrano sy fanampotehana no hay nampisehoanareo ny vahoaka
10. ravatorano ( 26/01/2009 07:10)
tena tsy azoko marina tokoa
mitady demokrasia ry zalahy eto amin'ny tanana nefa avy dia fandrombahana fitondrana no resahany avy dia ny lalampanorenana no itsahany
Marina fa misy ny tsy mety eto amin'ny tanana marina fa misy tsindrio fa lavo ihany atao amin'ny fitantanana ny tanana'Antananarivo fa tsy ekena kosa raha hoe ny zanako no tsy hianatra izaho koa tsy hiasa .....sarotra kle !

efa izay no nialako sy tsy hiverenako intsony ary efa ananarako fara aman dimby mihitsy fa efa betsaka loatra izay grevy hitako ary nidirako izay hatreny Ankatso ka hatreny amin'ny 13 mai fa toa tsy nihitako voka tsoa loatra.....fay aho nanomboka ny 91 ireny....dia nitohy ny 2001 ireny ......dia mbola hanao an izay koa ve izao.Tsy higrevy tsony aho an ho an'iza na ho an'iza :idea:

Tena tsy izy mihitsy raha ny olona voaheloka fa nanao ratsy teto amin'ity firenena ity no havoaka ny fojna ka hitantanana indray ny firenena !
Izaho dia manohana an i Andry Rajoelina raha toa ka ny fanatsarana ny tokony hisian'ny fifanampiana tsisy sakatsakana eo amin'ny fitondrany ny tanana'Antananarivo no katsahiny fa raha hoe hanala ny Filoha amperin'asa lany tamin'ny fifidiana kosa tsy hevitra demokratika amiko !

rehefa voajapin dry goaika antitra mpanohitra tsy mahazaka olona ireo I "zandrikely" dia nomendry zalahy ny poizina mahery ka nasainy niteniteny foana nefa izao aiza zalahy ireo tsy i zandrikely ve siasa no tavela eo satria hiala pitsika tsikelikely ireo ary sahy hilaza fa tsy miditra amin'ny raharahan'ny tananan'Antananarivo ! d izay ilay mahafanina ka aleo milmam !

Ho sarotra ny raharaha fa dia ho hita eo !
11. tsiafoi1 ( 26/01/2009 08:23)
MIALA = Eny hiala tokoa RA8 raha izay no safidim-bahoaka @'ny fifidianana...

Fa ny olana anie ry Annie de tsy matoky valeur hiatrika fifidianana TGV sy ny dinosore politikany satria tsisy zava-bitany teto e, de aleo alaina gidragidra ny fitondrana..... Koa raha tsy tany tsisy lalam-panorenenana izy ity koa!!! Fisainana inona koa ary zany!!!!

Ny ahy zany de tena mampalahelo ahy i Andry e. Mba fanantenana ho an'i Tana après Ra8 izy nefa de nandoto tena, ary tonga de mazava le resaka..... Zao tonga de potika tanteraka e....

Mila olo-manga madio sy vaovao ny firenena !
12. xxx ( 26/01/2009 09:25)
tsary misy hevitsa koa ty raharaha ty fa de mampamangy neny a!! ny vahoaka no tompo-teny farany !! sady tompom-pahefana ka raha mbola hikiry hijannn eo de na ahafaty Malagasy marobe aminnn rà mandriaka eo de hitsoaka hiafina any ivelany ,na de tsy hanaiky tsony ko ny vahoaka fa hanagadra sy hampandalo fitsarana koa! ko tsy aleo ve miala refa tsary tian'olona koa !
sa ve de mamy otran'ny aona io seza io e!! efa ny olona rehetra no manala
13. nyavo2000 ( 26/01/2009 09:28)
Mahafinaritra ny mahita ny namana samihafa mahatsiaro fa ny 1991 sy 2002 aza efa be no vita ka tsy mila haverina intsony....

Mety mbola zaza tokoa angamba ireo tanora herotrerony voaentana amin'ny grevy ankehitriny ( izany hoe eo @ 16 ka hatramin'ny 20 taona ny salataon'izy ireo) tsy nahafantatra tsara ny fijaliana nisy kanefa tsy nahazoana vokatsoa.

Ekena fa Ra8 tsy anjely ary misy ny zavatra tena tsy milay aminy kanefa kosa resaka fotodrafitr'asa izay ilaina amin'ny resaka fisontomana mpampiasa vola vahiny ( Investissement Direct Etranger) dia nahavita izay tokony ho vitany izy, toy izany koa ny resaka tontolo ambanivohitra....

Ny fitsarana azy dia ny 2012....any ny verdict no hilaza

F'ity resaka samy Antananarivo (tsy fanavahana foko sanatria ny vava): isika samy eto Antananarivo ankehitriny no mifanaritaka , ny faritra 21 hafa tsy mivaky loha amin'ilay korontana loatra hatreto, ny zava-doza mety hitranga dia izao , satria ny samy antananarivo no miady dia mila mpampihavana hafa tsy Antananarivo mihintsy, mety hitsangana satrian'izany ny DIRECTOIRE MILITAIRE, ka dia be kintana tsy Antananarivo no mitondra (tsy manavaka sanatria) fa mba voninahitry ny faritra misy ny tena ihany ny hoe , avy amin'ny faritra misy anao no lasa filoha ary ny faritra rehetra samy mba maniry izany avokoa ary tsy fahotana izany.

Izay isika rehetra vao votsi-droa: Ny filoha Antananarivo lasa, Ny maire lasa PDS !
Mba sainina ihany izay mety hitranga e!

14. andrywui ( 26/01/2009 10:05)
Nyavo a!! ireo teninao anaty ( ) ireo no atao hoe :malhonnete ! ratsy saina ny olona mpampiasa anireo // olona tena hanao no mampiasa azy ohatra : tsy mandao korana aho fa saika handeha...NEFA TENA HANDAO KORANA MIHITSY IZY!/tsy manapaka ny teninao aho fa...NEFA TENA MANAPAKA MIHITSY/ detoy izany ny anao oe tsy manavakavaka ara-poko aho fa ... NEFA TENA MPANAVAKAVAKA ARA-POKO MIHITSY IANAO /mitovy amin-drainy ihany !! te-hamerina ny Andevo sy ny Andriana (Mpanjaka sy ny Mpanompo) taloha / ka maninona anao ra Tanindrana no mitondra na mba any amin Governemanta ? sa tsy Malagasy manana zo ireny??? FOTO-PISAINANA RA8iste mihitsy ny anao!! TAHA-DRAY !!!
15. penguin ( 26/01/2009 10:11)
Voanareo ny fika ka dia ento ary ééé. Mila mahafantatra rehetra mahafaty baolina ny adva.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0769