NY VAHOAKA NO NAMETRAKA ANAO ARY NY VAHOAKA NO HANALA ANAO

1. xxx ( 24/01/2009 13:03)
Ry mpilalao politika!

Mitandrema sy mahaiza mihaino ary aza miheritreritra fa vendrana sy kanosa ny vahoaka Malagasy.
Raha napetrany teo @ io toerana io ianao 7 taona lasa dia ny mba hahatsara ny fianam-bahoaka no nanaovanay izany.
Tsy hoe mitaky ny tonga lafatra ny Gasy fa kosa mitaky ny norma.
Io ianao ry ngahy Ra8 izay nasandratra 7taona lasa izay fa dia ho enjehinay sy ho akorainay toa an'i ngahy Deba tamin'ny fotoan'androny.
Dia ho avy koa izay handimby. Dia mahaiza mamindra fa ny anay vahoaka dia toy piesy detacher no fijeninay ny mpilalao politika. REHEFA TSY MAHAVOHA DIA SOLOY.
NY VOLANAY SY NY HERINAY ARY NY HASASARANAY NO HANAKARAMANA ANAREO EO @ IO TOERANA IO KA AZA ATAO SANGY NY FIAINANAY.
novalian'i penguin ny 26/01/2009 11:46
2. naughtyboy ( 24/01/2009 18:59)
efa tongotra mby andakana ny an'ny vahoaka ka tsy hihemotra intsony..
mino aho fa efa mihamatotra ny malagasy ka ifamadika ny rasa,izy ireo no ampiasa ny mpanao politika ho fitaovana entina hiampitana ny rafimpitondrana manaraka izay hamerina ny fitokisan'izy ireo sy ny refy maritoerany demokrasia....
efa 7 taona izay no lasa ary hanao veloma ny didy jadona ny vahoaka ary mbola misy ny tsy mahazo fa ity le8 izay efa gadra ary nanongampanjakana dia heveriny olombitsy sasany fa lany aradrariny sy hitsiny ,ary fositra sy mpamadika ny fitokisany vahoaka 1 manotolo mbola handalo izany fitsarana izany izy izay tsy ho ela intsony ...ny hanararaotra tsy maintsy hisy @ izao toejavatra izao nefa kosa efa masaka ao antsain' ireo vahoaka ny hiroso @ politikany firaisankina sy fitiavantanidrazana ary ny fanasoavana ny mpiarabelona ,ohatra izao fampitandremana asehony izao ho an'izay MANANTENA FA NATAO AMBOTRIANA SY ANASARAHANA NY MPIRAY TANINDRAZANA NY FITONDRANA ARY ITADIAVANA TOMBOTSOA MANOKANA ny maso iaramahita ny saina hiarahitsara fa hiverina @ maro an'isa ny zony sy fahafahany ary ireo tombotsoany nalaina taminy taona maro nifandimby
3. hery ( 25/01/2009 11:04)
Fa maninona ary no hoe 7 taona foana :-)

2 taona izay no lasa.

Nomena occasion nareo hanalana ilay lazainareo fa mpanao didy jadona t@ 2 taona lasa kanefa tsy nesorinareo izy.

Dia tohizako ilay resaka hoe
Ny vahoaka no nametraka anao t@ alalan'ny fifidianana ary ny vahoaka no hanala anao @ alalan'ny fifidianana.

4. xxx ( 25/01/2009 11:23)
raha ohatra kosa ve ka tsy manao ny tokony ho izy ny filoha napetrakay vahoaka dia mbola oe aleo refa tonga ny fifidianana vao alana izy?
hita izao fa tsy mety ny ataony! manao didy jadona izy ! taiza hatramizay no nisy radio na télé ka oe hidina satria mamaoka zavatra manafitoana ny fitondrana?
zany ve ozy ianao no atao oe demôkrasia?
ohatry ny oe ianao miasa @ orinasa ray ka refa tsy mahay miasa na manao tsy mety dia halana!
refa mahita fa mijaly ny vahoaka, tsy ampy ny fanafody, tsy ampy ny fitaovana fitsaboana (ohatra io) nefa ny filoha napetrakao mahavita mividy fiaramanidina,mandeha mijery jeux olympique sns
dia mbola olona mahay mitondra fitondrana ve izany? dia mbola hiandry 3 taona ve ny vahoaka vao aneho ny hatezerany?
tsy makasitraka an'io grevy lava io ny tenako satria efa enjana ny fiainana aty madagascar nefa refa samy hijaly ihany dia aleo mikipy mijaly kely aloha hanalana zay olona na fanjakana manao ny danin'ny kibony toy izay hiandry zao fifidiana zao!
5. sitlo ( 25/01/2009 13:04)
xxx:
taiza hatramizay no nisy radio na télé ka oe hidina satria mamaoka zavatra manafitoana ny fitondrana?

Be dia be: Etazonia, Israely, Japana, ny firenena arabo manginy fotsiny
6. naughtyboy ( 25/01/2009 17:29)
nareo iza kalo ry hery a,za manokana dia tsy mbola nifidy na i deba na i le8
ny 2 taona lasa dia efa namany vita izay nifidy fa kosa afaka mitsipâka ny fitaka atolotra azy ny vahoaka ,masimandidy izy @ safidiny tsy mbola nisy nahasakana izany tsy fahafaliambahoaka izany tao amintsika na iza izy na izy satria misy fetrany daoly ny rehetra ...eo no tsotsorimamba isarahana izao ny tantara
7. tsiafoi1 ( 26/01/2009 08:57)
ENY HIALA TOKOA RA8, FA AMIN'NY FOMBA DEMOKRATIKA RAHA IZAY NO SAFIDIM-BAHOAKA

De aleo hatrehana ny fifidianana, fa aza lany andro mampirehitra afo, ka ny tena ihany no may.

De mba tokony hiseho amin'izay ze tena OLOM-BAOVAO raha misy tokoa izy zay!
8. naughtyboy ( 26/01/2009 10:53)
efa safidimbahoaka izao manomboka asehony andalambe izao ,fa afo tsy irehitra intsony ny le8 nla less ry akama ,tsipaky ny miala aina
9. penguin ( 26/01/2009 11:46)
Tena ny revin'ny vahoaka tokoa no harahina ary tsisy miady amin'ny vahoaka. Ny loza dia ny tsy tompon'ny tenany no mirosoroso ary ho avy ny ho tompon-toerana avy eo. Tongava amin'izay ireto sesi-tany ary fa efa resy ny sakana ééé.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0916