Nanimba, manimba ary hanimba ny AREMA

1. karavasy ( 23/01/2009 07:04)
Ny fitondran'ny AREMA izay nalohan'ny vahoaka no nanimba ny firenena ary nahalatsaka an'i Madagasikara amin'ny lafiny rehetra. Niezaka ny vahoaka nanampy izay noheverina fa hialan'izany AREMA izany. Tafala saingy mbola niasa tao ary ao anatin'ireo izay nahazo fahefana ny AREMA miova loko. Misy ny hoe voatsipaka sy voaenjika fa ny sasany miditra sy miaraka amin'ny mpitondra mba hiarovana ny namany ary manolotra hoditr'akondro hampibolisatra ny fanjakana. Tsy hay atoro ny fanjakana fa ny hifangaro amin'ireo ambodia mitafy hodi-janakondry no mahamaika azy. Mietsika izao ny tariky ny AREMA amin'ny endriny hafa ka ho hita eo fa dia hanimba tokoa izy. Ny vahoaka no mahalala izay mahasoa sy ahasoa azy fa ny kendan'ny nasesiky ny tanany anjarany ny misotro rano.
novalian'i tsiafoi1 ny 26/01/2009 09:18
2. lupe ( 23/01/2009 07:17)
Tsy misy resaka arema aloha zao!
Fa ny analana ity Mpitondra mivarotra tanindrazana ity zao no imasoana!
Ity Mpitondra antsika ity zao no ambodia mitafy hodi-janakondry:
Mihinana vahoka fa tsy manompo vahoaka.
3. penguin ( 23/01/2009 07:27)
Tsy Arema vé J. Rakotomavo sy ny namany miseho ireo é ?
4. rangorivao69 ( 23/01/2009 07:30)
lupe: mandiniha aloha vao miteny, marina ireo voalaza etsy ambony ireo, ny tariky ny AREMA daholo no ao ambadiky ny mpanohatra @ zao fotoana izao, aleo ho vita aloha ny fe potoana hitondran'izay eo de miroso @ fifidianana @ zay hita izay tena mamimbahoaka, fa tsy hoe vahoaka efa mahantra hoy ny mpanohitra anefa de mbola tarihina hitokona indray, de vao maika tsy hisy zavatra vita fa miverina zero indray izany! ny efa nitsangana teo aza potehina daholo
5. karavasy ( 23/01/2009 07:36)
Tsy azon'iza lavina ireo fa AREMA no manimba ny tany ka asakasaky ny vahoaka Malagasy raha tsy mandinika. Izany akory tsy midika fa masina ny mpitondra.
6. Rafahafahana ( 23/01/2009 09:08)
AREMA= AREti-MAndringana
Ra8= Mpivavotra tanindrazana
Aiza no aleha, ho aiza gasikara; loza ty marina â!!!
7. xxx ( 23/01/2009 09:15)
tsy voateninao Rafahafahana ny TGV ! tsy kisendrasendra fa tena tsy voatononao ho ratsy izy!! io zany no Hitondra atsika! ilay lamasinina kingalahy,
Tanora Malagasy Vonona
8. ngoiha ( 23/01/2009 09:44)
TGV aona ny machine e
tsy hainao angaha fa ny TGV anie ka AREMA 100% no niaviany e , fa mba mamadika etikety fotsiny mba tsy ahafantaran'ny vahoaka azy,io no tena ambodia mitafy odi-janak'ondry.Samia mandinika fa na i Ra8 na Andry samy efa matavy fa isika vahoaka madinika no ampiadiany eo.Mitsangana eny amin'ny aina aman-jery rehetra eny ze efa nahazo tombon-tsoa nisongadina tamin'ireo mivantana,fa raha misy de mba hanao fanentanana ho an'ny vahoaka koa na izahay aza
9. andrywui ( 23/01/2009 09:49)
de mitarotaropoana letsy elah ry ngohia ia kou ro nitarogna taminelah fa Arema ny TGV ? de mivolmbolana fahatany any liaka ty ! fa ra ona mba makaty ivelany mitady fanampiagna ve de efa volanignao fa Arema,agnao de tsa misy saigna ka ! ny eritseritsao zao de fatako aby oe aty frantsa Ratsiraka de lasa Arema koa iTGV satria mitady fanampiaga am frantsa !! zany agny de tena hevits'akoho marina ry liaka ty f'aza manaotao foana tahak'io elah fa mahamenats'olo fahatany
10. rabaradaka ( 23/01/2009 10:21)
Marina dadatoa fa ny AREMA tao anatin'ny fitondran-dRavalo no tena fotsitra. Jereo ange :12/22 amin'ireo Ministre no AREMA, 76 no député ex-AREMA, 8 sénateurs ex-AREMA, PM koa ange ex-AREMA e, ary ity Ravalo koa ange ka efa nangata-bola tamin'-dRatsiraka e, izany hoe ex-AREMA. Dia ahoana ary izany. Aleo averina ve ny AREMA ? Tsia tompoko, fa "aremo aho" no tokony hatao. Aremo aho fa lavo dadatoa a
11. Rafahafahana ( 23/01/2009 11:32)
xxx:

tsy voateninao Rafahafahana ny TGV ! tsy kisendrasendra fa tena tsy voatononao ho ratsy izy!! io zany no Hitondra atsika! ilay lamasinina kingalahy,
Tanora Malagasy Vonona

Tena tsy voateniko marina ilay zalahy iny fa sady adinoko no mbola tsy hitako mivantana fa sary fotsiny, ny antsika dia zay mahavita ihany no tadiavintsika, fa isika tsy mila mpamadika tanindrazana na iza iza, sa ahoana hoy ianareo, zaho aloha tsy any dago fa manainga ny malagasy hanohitra ny tsy rariny é.

12. xxx ( 23/01/2009 11:43)
De mipetraha any @ zay misy anao any ary fa toa manalasala hoatra ny lelo koa izato ianao
13. monito ( 23/01/2009 12:09)
Salut daholo!
Izaho tsy hiaro ny AREMA fa mba ampitahao hoe nanao ahoana ny fari-piainanao t@ andron'ny AREMA sy @ izao fotoana izao. Aza entimpo manao analyse. Amin'izao ohatra iray no omeko anao. An'iza ary ny Force one? andra-8 ve sa am-panjakana. arka ny gazety mantsy dia 384 milliards fmg ny volan-dra8 tafitra ao, izany ho 50 % ra8 ary 50 % ny fanjakana. Taiza t@ " loi sur la comptabilité publique no nisy an'izany hoe privé 50 % ary fanjakana 50% rehefa hividy entana. Mahatsiarao miaina ao anatin'ny fahalalahana ve ianao. Taiza no nahitany an'ireo vola 384 milliards ireo? An'iza ny Force one raha toa ka tapitra ny mandat-n'ny président? Mody lazaina ho business plan nefa raha ny tena marina dia efa raikitra ny varotra. Izao no tadidio, ny Malagasy dia fatra-pandefitra fa misy fetrany izany ary ny fahefana rehetra dia avy amin'Andriamanitra ka rehefa hitany fa tsy hainao ny mampiasa izany dia hoesoriny aminao @ andro tsy ampoizina.
14. xxx ( 23/01/2009 12:22)
Ekana ra Monito fa aza atsofoka ao le A/tra fa tsy mpanao politika i lery.
15. dalie ( 23/01/2009 12:27)
Marina ny anao monito, misy fetrany daholo ny zavatra rehetra ka tonga izao ny fotoana hanalana aminy ny fahefany fa mijaly ny vahoaka maro an'isa, koa anjaranao sisa ry vahoaka malagasy ny mandinika ny tokony hatao.
16. tsiafoi1 ( 26/01/2009 09:18)
Ny fahefana tsy miala zany fa mbola tsy teraka ny olom-baovao hitondra azy e

Ho tonga anie ny fahafahana!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.049