mofo baolina

1. ARINOFY ( 22/01/2009 13:06)
mba atoroy ny fanaovana mofo baolina ane za zay mahay ary ra possible de asio fatrany.Za manko efa natoron'olona fa sady nifintina kely lay izy no sady mafy be.Misaotra mialoha.
novalian'i lemurbaby ny 24/01/2010 17:01
2. hana ( 22/01/2009 13:23)
Faly miarahaba anao arinofy
Inty ny ahy ny fanaoko, inoako fa mety tsara aminao koa, sady tian'ny mpihinana aloha izy aty an-dafy eh :
farine 400g + levure
sucre 200g
atody 4
menaka 15ml = 1 boîte yaourt
apetraka kely 10mn raha manam-potoana; saromana lamba madio.
yaourt nature 1
averina saronana mandra-panomanana ny friteuse na vilany saba sy manafàna ny menaka.

rehefa mafana tsara ny menaka dia alaina @ sotrokely ny pâte, tapaky ny sotrokely eo ihany satria mibontsina be io. Tandremo sao mahery loatra ny afo fa tsy masaka ny ao anatiny nefa may ny ivelany. Normalement, mihodinkodina ho azy ao anaty vilany ao io fa raha tsy izay ny miseho dia tsy maintsy avadika eo am-panendasana azy.

Mazotoa homana eh, dia alefaso ny anjarako

hana
3. ainaheri ( 22/01/2009 14:29)
Zavatra ilaina

Farine 500g
atody 3
bicarbonate de soude 1/2 sotrokely
levure 1 sotrokely
sucre 250g
ronono 20cl

Afangaro miaraka:sucre,atody,bicarbonate
Rehefa levona tsara ireo dia atapoka ny ronono
Ampifangarona tsara ny lafarinina sy levure dia araraka tsikelikely
Arohina tsy mijanona ka tsy azo atao miverina
rehefa tsy manaratanana raha raisina d vita.
Apetraka @ toerana mangatsiaka mandritra ny 4 h au moins
Raisina @ sotro,dia arotsaka anaty menaka tsy dia mangotraka loatra
Mazotoa homana
4. mirana5 ( 22/01/2009 20:22)
Tsy mamy b loatra ve raha 250g ny siramamy? :?
5. ARINOFY ( 23/01/2009 05:25)
Hono oa Hana,@ fotoana inona no ampidirana ilay yaourt nature?
6. ainaheri ( 23/01/2009 13:19)
mirana5>> re7 azoko io ,fa ny nomeny t@ zay en kapoaka d nataoko kalkil
1 kapoaka ny sucre
1kg===>3,5kapoaka
d nikalkileko a basen'io,efa nanoaahtra aho fa toa tsy ampy aza kou

Ilay asina yaourt natira tsy mbola nanoarako
7. Lejoba ( 24/01/2009 00:18)
hana : 150ml kosa angamba ilay menaka 1 boîte yaourt eh. 1sotro anie izany 15ml eh
8. haritianah ( 24/01/2009 18:01)
aiza ilay sary ainaheri à, avoay lé sary mofobaolina iny oooo
9. haritianah ( 24/01/2009 18:06)
aiza ilay sary ainaheri à, avoay lé sary mofobaolina iny oooo
10. ikaretsaka ( 25/01/2009 20:57)
ainaheri:

mirana5>> re7 azoko io ,fa ny nomeny t@ zay en kapoaka d nataoko kalkil
1 kapoaka ny sucre
1kg===>3,5kapoaka
d nikalkileko a basen'io,efa nanoaahtra aho fa toa tsy ampy aza kou

Ilay asina yaourt natira tsy mbola nanoarako


Diso kalkil ndray pata
Ny vary 1kg no 3 kapoaka sy sasany fa Tsy ny siramamy 1kgs... raha tsy izany de miantsena ao @ laisany daolo ny pokona
11. ainaheri ( 26/01/2009 12:06)
ika>> hihi,hay ve ee,za tsy nalala fa neveriko mitovy @ vary lery kou,raha siramamy 1kapoaka zany ho tokony firy gr ra izany?
haritianah>> sary inn zany ee,petanky sa inn hihihihi
12. hana ( 26/01/2009 13:42)
Miarahaba antsika rehetra indray ô
arinofy, aorian'ilay pause @ voalohany no arotsaka ny yaourt nature dia averina saronana indray ilay pâte mandra-pafanan'ny menaka.
Lejoba : tsy haiko eh, 1boîte yaourt fotsiny, hi hi hi
13. Lejoba ( 27/01/2009 13:41)
matsiro ve ilay izy ry arinofy. Ainahery ve aloha efa nanandrana eh?
14. ainaheri ( 28/01/2009 04:20)
Lejoba:

matsiro ve ilay izy ry arinofy. Ainahery ve aloha efa nanandrana eh?


Nanandrana inn io,ilay aorta ve?? Ny ahy nataoko ronono d nosolosoloiko ny zvtr ataoko aminy,coco,vanille sns

15. haritianah ( 28/01/2009 09:01)
Mody fanina eo indray ainahery @ lé sarina mofobaolina bdb nampilendalendaina anay teto @ serasera.
lejoba à efa napiseo sarina mofobaolona teto @ profil ny teto ainahery fa mody fanina eo indray.
Resa bé teto ilay mofo baolina fa tsis nomeny zahay niandry teto.
16. ainaheri ( 29/01/2009 04:27)
haritianah>> za tsy mody fanina zany,za aza niteny anao oe anaterana,enao tsy nety kou hihi
17. fahamarinana ( 29/01/2009 13:39)
:arrow: ainaheri : tandremo sao tsy mba anolorana mofobaolina zahay rehefa mamangy an :miam: :) (l)
18. ARINOFY ( 29/01/2009 13:45)
lejoba a,za ane ka tsy tafanao ilay mofo baolina indray fa tena mikafiry be @ menaka e.
19. ainaheri ( 30/01/2009 13:08)
faha>>nareo ndray ve no tsy omena ee,mahazo mitondra mody aza fa ataoko bdb :lol:
20. mirana5 ( 31/01/2009 08:38)
FA REHEFA NATAOKO NY FANDINIHANA AMIN ITY MOFOBAOLINA TY DIA TOA TENA MIVÔNA B AMIN NY TENA MOFOBAOLINA TENA GASY HITA SY HO HANINA ENY AMIN NY MAGAZAY GARGOTA KELY MILAY ENY AMORON DALANA ALOHA E? I KOTOKELY SY BODO VE REHEFA MANAMBOTRA MOFOBAOLINA DIA MILA YAOURT SY COCO ZANY ??????? :roll: :roll: :roll: NEFA MILAY B NY TSIRONY NO TSY MIOVA MIHITSY MANDAVA TAONA?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1605