Fa hianareo kosa manao Ahy ho iza ?
21. coopsal
(
21/01/2009 14:47)
Fody:
Aiza ao amin'ny Baiboly no milaza sy mampianatra ry Coopsal fa i Kristy dia Ray mandrakizay?
==> http://baiboly.katolika.org/boky/Izaia/9:5
Ny amin'ilay resaka faharoa. Tsy misy olona roa ao amin'i KRISTY ka hifanohitra! Mety ho samihafa satria samy momba ny tenan'i KRISTY. Koa raha ao amin'i KRISTY ianao dia ho fantatrao raha vokatry ny fandalinan'ny saiko ny fahalalako an'i KRISTY sy ny Soratra Masina, na KRISTY marina no mampianatra ahy, tahaka izay ampianaraNy ny hafa rehetra ao amiNy.
22. ikaretsaka
(
21/01/2009 14:58)
Afaka hazavaina misimisy ve ny tian Izaia lazaina eto ?
Deus forti pater futuri saeculi
Deus forti pater futuri saeculi
23. Fody
(
21/01/2009 15:10)
"Kristy = Ray Mandrakizay" ???
Dia mba hazavao kely hoe ry coopsal fa i Kristy dia Ray Mandrakizay satria izany no hita ao amin'ny Izaia.
I Jesoa anefa tsy niteny mihitsy hoe: Izy no Ray Mandrakizay. Raha ny zavatra nolazainy no jerena dia hoe: Izy Zanak'Andriamanitra, ary tokana kosa ny Ray dia ilay Rainy any an-danitra.
Ka moa tsy Kristy ve i Jesoa, fa hafa ny Kristy???
Sa i Kristy ihany no Ray fa mody fanina fotsiny rehefa mampianatra, milaza ny tenany fa Zanak'Andriamanitra na Zanak'olona ???
Mba hazavao raha azo atao!!
Am-pitiavana be.

24. bor2lais
(
21/01/2009 18:18)
coopsal > misaotra amin\'ny fizarana, mifandray tsara amin\'ny lohateny ny voalazanao : Izy irery ihany no mahafantatra raha ankasitrahaNY izany na tsia ... mahereza !
25. Fody
(
21/01/2009 21:43)
Dia ity omeko anareo ny dikan-teny nalaina avy amin'ny teny hebrio mba ampisehoana fa diso fandray zavatra ihany i coopsal (mamerina izay voasoratra fotsiny)
Esaia 9, 5:
C'est qu'un enfant nous est né, un fils nous est accordé: la souveraineté repose sur son épaule, et on l'a appelé Conseiller merveilleux, Héros divin, Père de la conquête, Prince de la Paix.
http://www.sefarim.fr/
Ataoko fa samihafa ny dikan'ny hoe. Ray mandrakizay sy ny hoe Père de la conquête.
Dia miandry ny fanazavanao izahay ry coopsal.
Am-pitiavana be.
26. ari.malala
(
22/01/2009 06:04)
Coopsal, averiko indray ilay fanamarihana nolazaiko tary ambadika tary, aza atao lava loatra ny zavatra ambaranao raha azo atao fa manjary sady hors sujet no mahakamo ny mamaky azy! aleo zavatra fohy nefa mazava sy misy ventiny toy izay blabla mandreraka maso nefa miodinkodina be iany! misaotra indrindra!
27. niryna
(
22/01/2009 13:19)
fahamarinana:
:arrow: itovizako fijery ihany koa saingy izaho anie r'ise ka mbola azo lazaina fa tsy tena mahalala azy tsara koa e !..dia mbola manginy fontsiny ilay lazain'ny prime hoe azoko tokoa ve ny tena tian'ny Tompo iheverana azy ? Mbola eo am-pandalinana hatrany !Soa eo nareo manampy sy mankahery e! :) (l)
misaotra antsika rehetra hatrany nizara ny tenin'Atra sy ny fahasoavana izay nomeny antsika tsirairay avy.Tsarovy fa izay kely ananantsika no omentsika ary samy nomeny avy isika rehetra
mitovy hevitra amin'i faha koa aho ,samy mbola eo am-pandalinana azy tokoa isika
mandray azy amin'ny foko tokoa ve aho e, ahoana no izarako ny teny mamy nomeny ahy,ahoana no izarako ny fahasoavana izay nomeny ahy isan'andro ,ahoana no izarako ny fitiavany ahy ny hafa ? izany rehetra izany dia mbola ezaka avokoa ary mila antsika mivavaka isan'andro mba omeny fo ahafantatra azy tokoa ,fo mitia ny fahavalo,fo mianatra mizara ny fahamarinana ,fo miezaka ny hamela ny tenantsika sy ireo tsy mitovy hevitra amintsika,fo miezaka ny mitia ireo tsy manana an'Atra sy mbola tsy nandray azy ,raha mandray azy ao am-po tokoa isika ka mihaino na miaina amin'ny teniny isan'andro dia ho asehony antsika izany ...izay mitady Azy dia ahita, izay mangataka Aminy dia omena ary izay mandona ny varavaran'ny fon'ilay kristy dia ho tonga ato anatintsika tokoa izy ... ny Matio 7:7 no manazava izany
:-*
28. ikaretsaka
(
22/01/2009 14:11)
toa tsy mandray Azy @ fo ianao fa mandray Azy nohon'ny tahotra devoly ko! fia forcevanao ho toy izany aby ny olona :wink:
30. bor2lais
(
03/02/2009 09:37)
\"Fa hianareo kosa manao Ahy ho iza ?\"
Raha ny fahitako azy dia toa fanontaniana tsy mety lany manja io napetraky ny Tompo io.
Ny tantaran\'ny epifania dia mampiseho fa na ny magy sy Heroda aza fahiny dia toa efa samy namaly ihany koa io fanontaniana io (na dia tsy napetraka mivantana tamin\'izy ireo aza izany).
Ho an\'ny magy dia Mpanjakan\'ny jiosy Izy ary ny hanome voninahitra Azy no nitadiavany Azy.
Ho an\'i Heroda kosa dia \"adversaire\" manelingelina no niheverany Azy ka ny hamono Azy no nitadiavany Azy. Izany hoe raha hitarina dia ny ahazoana tombon-tsoa manokana no nitadiavany Azy ... Ny \"seza\" no ambony fa tsy Izy akory ...
Rehefa mieritreritra sy mandinika ny zava-misy eo amin\'ny firenentsika ny dia mahatsapa fa toa samy mitady Azy daholo ireo mpitondra sy manampahefana maro (na Fiangonana izany na Fanjakana) indrindra fa ny mpifanandrina amin\'izao fotoana izao ... Mahavelom-panantenana tokoa izany raha jerena amin\'ny maso tsotra. Saingy moa ve araka ny tian\'ny Tompo hiheverana Azy ve no hiheverantsika Azy ?
Raha ny fahitako azy dia toa mbola manontany antsika ankehitriny Izy hoe :