Fa hianareo kosa manao Ahy ho iza ?

1. bor2lais ( 20/01/2009 08:53)
hianareo = izaho, ianao, isika no mbola iantefan\'ny fanontaniana ankehitriny !

Fomba fijeriko : toa tsy dia ny fiheveran\'ny hafa Azy loatra akory no tena mahaliana ny Tompo fa ny fiheverantsika manokana ny momba Azy : mitovy fijery amiko ve ianao ?

http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=Matio&Toko=16&andininy=13-15&dika=
novalian'i LL52 ny 05/02/2009 08:29
2. prime ( 20/01/2009 09:38)
=D>

Itoviako hevitra tanteraka... ary mbola ampiako kely aza hoe, anisan'ny tena mahaliana ny Tompo mihitsy koa dia ny hoe "azoko (azontsika) ve ny tian'ny Tompo iheverana Azy?" :)
3. fahamarinana ( 20/01/2009 12:00)
:arrow: itovizako fijery ihany koa saingy izaho anie r'ise ka mbola azo lazaina fa tsy tena mahalala azy tsara koa e !..dia mbola manginy fontsiny ilay lazain'ny prime hoe azoko tokoa ve ny tena tian'ny Tompo iheverana azy ? Mbola eo am-pandalinana hatrany !Soa eo nareo manampy sy mankahery e! :) (l)
4. ari.malala ( 20/01/2009 12:25)
Fanontaniana efa nandeha imbetsaka teto io, fa ny valiny d arakaraky ny relation personnelle nao @ Izy Krisy nametraka ny fanontaniana iany.
5. ikaretsaka ( 20/01/2009 13:01)
Ny ahy manokana le tohiny nolazain drapiera ka nahatonga azy nanana anjara sy fahefana no nanaitra ahy t@ io
6. ari.malala ( 20/01/2009 13:45)
k le fanontaniana ekena hoe in 1 no napetrak'i Jesoa t@ mpianany fa isanandro tokony apetraka am tena foana hoahy moa ataoko ho iza i Kristy?
7. bor2lais ( 20/01/2009 14:39)
Misaotra antsika rehetra mandray anjara !

prime> misaotra anao manamafy ...

ari.malala > miombon-kevitra tanteraka ny tenako eto : miankina amin\'ny finfandraisana manokana Aminy Izay napetraka fanontaniana tokoa ny valinteny.
Ary io indrindra no tiana avoitra : ahoana ny fifandraisako Aminy ? Ekena ihany koa ny teninao hoe tsara apetraka amin\'ny tena isan\'andro isan\'andro !
(HS. miala tsiny fa tsy fantatro hoe efa nisy nametraka matetika teto ilay fanontaniana !)

Faha > isika @ izao fahalementsika izao no antsoiNY. Na i Rapiera lazain\'i Ika io aza ange nanana ny fahalemeny be iaraha-mahalala e ! (Raha tsy malemy tokoa angamba mety ho sarotra tantanana sy atoro e !)

Ika > marina tokoa fa misy tohiny io fanontaniana io.

Fa tsy mbola any ny resaka aloha izao ! Toa miteny amintsika (amiko, aminao) mantsy Izy hoe :

Efa heno daholo ny tatitra nataonareo (nataontsika) momba ny filazan\'ny hafa mikasika Ahy fa ny anareo (antsika) kosa ahoana ?
(HS. efa azoko an-tsaina ihany fa ny tohiny no mahaliana anao ka ...)
8. Fody ( 20/01/2009 14:42)

Mitovy hevitra amin'i ari.malala aho eto.

Tsy amin'ny alalan'ny Boky (Baiboly na boky hafa) no tena hahalalana an'i Kristy fa amin'ny fifandraisana aminy manokana isan'andro.

Ho ahy manokana izy dia namana, miara-dalana amiko isan'andro. Tsy eo alohako, toy ny mpitari-dalana tsy mijery izay miaraka aminy. Tsy ao afarako koa, satria aho tsy tena mahalala ny lalaan-kaleha. Fa eo anilako izy, miara-mamindra amiko, miresaka amiko na dia somary variana aza aho indraindray ka tsy mahazo izay tena tiany lazaina.

Am-pitiavana be
9. ikaretsaka ( 20/01/2009 17:22)
Mitovy. Hevitra aminareo dahy. (Ari sy fody)aho fa ny heritreritra moa mandeha ihany koa momba ny tohiny...fa ohatranareo ny navaliko io fanontaniaa io
10. bor2lais ( 20/01/2009 17:49)
Mikasika io \"fifandraisana Aminy\" io. Tsy fantatro ny anareo fa tsapako eo amin\'ny fiainako an-davanandro io fifandraisana na tsia io : rehefa ny tenako no tezi-dava ohatra na mora tohina na kizitinkizitina, sns ... dia manontany tena foana aho ny amin\'io ...

Ny tiako lazaina dia hita taratra ety ivelany ny ahy io tsy fahampian\'ny fifandraisana Aminy io : rehefa tsara ny fifandraisako Aminy dia toa mandeha ho azy ny fifandraisako amin\'ny manodidina ahy ...

Toa sarotra amiko tokoa mantsy ny hiteny hoe mety tsara ny fifandraisako amin\'Andriamanitra nefa izaho tsy manana fiadanana anaty akory fa tsy tohinina sns ...
11. ikaretsaka ( 20/01/2009 17:59)
izay no ilavana le manao examen kely na 2 min isaqnandro aza ra bord an
12. ari.malala ( 21/01/2009 06:11)
Fody:


Mitovy hevitra amin'i ari.malala aho eto.

Tsy amin'ny alalan'ny Boky (Baiboly na boky hafa) no tena hahalalana an'i Kristy fa amin'ny fifandraisana aminy manokana isan'andro.

Ho ahy manokana izy dia namana, miara-dalana amiko isan'andro. Tsy eo alohako, toy ny mpitari-dalana tsy mijery izay miaraka aminy. Tsy ao afarako koa, satria aho tsy tena mahalala ny lalaan-kaleha. Fa eo anilako izy, miara-mamindra amiko, miresaka amiko na dia somary variana aza aho indraindray ka tsy mahazo izay tena tiany lazaina.

Am-pitiavana be


Miara-dalana amintsika isanadro isanandro ny Tompo, anatin'ny hafaliana anatin'ny manahirana izy eo anilantsika, tsy avelany ho irery isika!
13. bor2lais ( 21/01/2009 09:05)
Voalaza fa ny firaisana Aminy tokoa no tena ahalalana Azy. Midika izany fa misy antony manokana izay heveriko sy heverinao momba Azy ao matoa mifikitra sy miray Aminy isika. Izay hevitro sy hevitrao izay no anontaniaNY, sao diso fihevitra momba Azy isika.

Ary izay no mampitombona ny fanamarihan\'i prime hoe :

prime:

=D>
Itoviako hevitra tanteraka... ary mbola ampiako kely aza hoe, anisan\'ny tena mahaliana ny Tompo mihitsy koa dia ny hoe \"azoko (azontsika) ve ny tian\'ny Tompo iheverana Azy?\" :)


Eto amin\'ity tantara ity dia ilay valinteny nomen\'i Piera no tiaNY sy andrasaNY (fiaikem-pinoana) http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=Matio&Toko=16&andininy=16-17&dika=

Voalaza araka izany fa avy amin\'Andriamanitra ny teny izay naloaky ny vavan\'i Piera (fa tsy noho ny herin-tsainy akory ohatra).

Tahaka ireo mpianatra izay nametrahan\'ny Tompo fanontaniana tamin\'izany fotoana izany, araka ny hevitro dia mbola izaho sy ianao (isika) izay milaza fa mpanara-dia Azy ka mitady firaisana Aminy isan\'andro no Rapiera ankehitriny.

Raha tena manana firaisana Aminy tokoa mantsy isika dia heverina fa \"ankamamiNY\" sy \"tiaNY\" izay aloaky ny vavantsika satria avy amin\'Andriamanitra izany. Izy ilay Mesia (Tompo sy Mpamonjy), Zanak\'Andriamanitra velona.

Fomba fijeriko :
Tompo : izay rehetra atao dia ho Azy irery ihany !
Mpamonjy : Izy irery no anankinana ny fiainana !
Zanak\'Andriamanitra velona : mahefa ny zavatra rehetra ary inoana fa mbola miasa mandraka ankehitriny satria velona !

Hatreo indray aloha ...
14. Fody ( 21/01/2009 10:20)
bor2lais:
Tahaka ireo mpianatra izay nametrahan'ny Tompo fanontaniana tamin'izany fotoana izany, araka ny hevitro dia mbola izaho sy ianao (isika) izay milaza fa mpanara-dia Azy ka mitady firaisana Aminy isan'andro no Rapiera ankehitriny.

Ny mpianatr'i Jesoa dia nametrahany fanontaniana avokoa. Ary i Piera irery no namaly tamin'io fotoana iray voatondro io. Tsy midika izany fa ny hafa dia tsy mba namaly azy, sy tsy nitady firaisan'aina aminy.
Nisy ny efa namaly talohan'i Piera, ohatra Joany Batista, Natanaela, ... Nisy ny namaly taty afarany, ohatra Toma...

Ny an'i Piera dia azy manokana, ary fanomezana nomena azy izany. Izaho sy ianao miara-manao fiekem-pinoana aminy (miaraka amin'ireo apostoly hafa sy olo-masina maro) dia tsy i Piera velively, fa Fody, ari.malala, coopsal, ikaretsaka, prime, sns...

Ny Papa ankehitriny dia lazaina fa dimbin'i Md Piera fa tsy i Piera akory, satria i Piera (apostoly) dia tokana, ary tsy misy Piera (apostoly) akoatra an'azy.

Amiko, raha ny evanjely sy ny fampianaran'i Jesoa no Jerena, dia tsy Rapiera ankehitriny araka ny filazanao isika mitady finamanana lalina amin'i Kristy. I Kristy no tadiavintsika ho velona lalandava ao amintsika fa tsy i Piera akory. I Kristy no ilazantsika hoe: "ianao tsy mantsy mitombo, ary izaho tsy mantsy mihena" fa tsy i Piera akory, mba tsy ho isika intsony no ho velona fa i Kristy no ho velona ao amintsika.
Ao amin'ny Fiangonana katolika dia behazina ny ankizy mba "hiha-Jesoa" isan'andro fa tsy hha-piera, na hiha-joany (na anarana olo-masina hafa).

Am-pitiavana be.
15. bor2lais ( 21/01/2009 10:37)
Fody > misaotra anao amin\'ny fanazavana nentinao milaza ny hevitrao (na hevitrareo) ary hajaina tanteraka izany.

Ny ahy koa io dia fijeriko ka nambarako tahaka ny nataonao ihany.

Mifandray amin\'ny lohateny ihany izany ny valintenintsika sy ianao : isika perso no iantefan\'ny fanontaniana ary samy manana ny valinteniny. Ny fanontaniana mitohy aminy dia ny hoe \"ankasitrahaNY ve ny fiheverako Azy ?\" Tsy ahy na ianao ny mamaly izany ... raha ny fihevitro aloha !
16. coopsal ( 21/01/2009 12:23)
bor2lais:
Fa hianareo kosa manao Ahy ho iza ?

==> Mamelà ahy mb ahilaza ny ahy. fa io fiheverako an'i KRISTY io misy historique.
- Fahiny dia nampianarina aho fa JK dia Zanak' Andriamanitra, ilay teny tonga nofo ka nonina tety, ary izay no + ou - ninoako na dia tsy nisy azoko aza izany rehetra izany.
- Taty aoriana dia niroso tamin'ny famakiana baiboly ka dia nahita hoe "nomeNy ny Zanany Lahitokana mba tsy ho very izay rehetra mino azy fa hanana fiainana mandrakizay". Fa mbola tsy azoko foana na izany aza.
- 14 taona aho no notokanana ho mpandray ary nanao fanekena hoe "Izaho dia manaiky marina sy mino fa Jesoa Kristy no Tompo sy Mpamonjy ahy, voavela ny heloko ary azoko ny famonjena". Ny tena marina dia tsy haiko akory izany rehetra notononiko hoe ninoako sy nekeko izany.
- Nihalehibe aho ary dia nanomboka nihevitra fa izany JK izany dia olo-manga tena mba favo e! Fa ny amin'ny maha hoe Andriamanitra na zanak' Andriamanitra Azy indray dia nampisalasala be ahy ihany, indrindra fa hoe nitsangana tamin'ny maty izany tokoa ve Izy ary velona hatramin'izao ???
- Tamin'ny début novembre 2004 aho, raha tao anatin'ny famoizam-po lalina dia nivavaka toy izao tamin'ny foko : "raha misy marina ianao Jesosy dia lazao amiko ny anton'izao zavatra mahazo ahy izao.". Vao vita ny vavaka nataoko dia nisy valiny tonga tao am-poko ihany hoe "Raha tsy nisy an'izao ianao tsy ho nitodika tamiko". Ary namaly ny fanontaniako rehetra koa izy. Nanomboka teo amiko dia KRISTY no tenin' Andriamanitra velona. Izany hoe, Andriamanitra dia miteny amin'ny olombelona amin'ny alalan'i KRISTY (irery ihany).

Izay aho vao nanomboka nahatsapa fa kay Andriamanitra miresaka amiko koa, tahaka izay ataoNy amin'ny olona hafa rehetra, amin'ny alalan'i KRISTY, ary mampianatra ahy, ary izany no ahafahako ankehitriny manaiky izay rehetra voasoratry ny baiboly momba an'i KRISTY :
+ Zanak'ondry manaisotra ny fahotan'izao tontolo izao,
+ Mpisoronabe manatanteraka ny asa fisoronana mba hanadiovana ny olon' Andriamanitra,
+ Zanak'Andriamanitra natao zanak'olombelona, mba hahatonga ny olombelona mino Azy ho lasa zanak' Andriamanitra,
+ Mpiandry tsara, mahafoy ny ainy hamonjy ny ondriny,
+ Ray Mandrakizay,
+ Andriamanitra Mpamonjy,
+ Lahimatoa amin'ny maty (mba ho santatra ho amin'ny fananganana ny maty ho amin'ny fiaiana mandrakizay heni-boninahitra),
+ ...
17. coopsal ( 21/01/2009 13:12)
bor2lais:
Fa hianareo kosa manao Ahy ho iza ?

==> Mamelà ahy koa hampahatsiahy vitsivitsy amin'izay voasoratra :
- ireo tao anaty sambokely rehefa avy nampitony ny rivotra KRISTY : "tena ianao no zanak' Andriamanitra ?" [Matio 14:33]
- Natanaela : "ianao no zanak' Andriamanitra, ianao no mpanjakan'Israely?" [Jaona 1:49]
- Marta : "mino aho fa ianao no Mesia, ianao no zanak' Andriamanitra ?" [Jaona 11:27]

Rehefa nosamborina i Jesosy ary nentina hotsaraina, izy rehetra dia samy nitsoaka avokoa, voalaza manokana aza i Piera ilay nilokaloka hoe "na ho faty ho anao aza dia izaho tsy hivadika", nandà ho tsy nahafantatra Azy in 3.
Ireo nilaza fa nino ireo koa dia mba tsy nino fa hitsangana ilay KRISTY nolazainy fa Zanak' Andriamanitra tary aloha. Ary rehefa nitsangana aza i KRISTY dia tsy nisy nahafantatra Azy izy ireo aloha.
- Ao @ Lioka 24 dia voasoratra hoe : "ary Izy nanokatra ny sain'izy ireo ka nanazava taminy ny Soratra Masina hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany... ary nino izy ireo".

IZANY HOE :
Ireo nifanerasera mivantana tamin'i KRISTY, nahita maso sy nandre sofina ary niara-nihinana ny manta sy masaka taminy nandritra ny 3 taona sy tapany :
- tsy nino (tsy nanantena intsony) fa hitsangana IZY (izany hoe, tsy nino tao am-pony fa tena io no ilay efa nampanantenaina hoe YAHAWEH Mpamonjy, Andriamanitra mahery ka afaka handresy ny fahafatesana)
- tsy nahafantatra ilay Soratra Masina izay niainan'izy ireo ary nampitaina sy nampianarina hatrany amin'ny razana katr@ taranaka mandimby rehetra.
- tsy nahafantatra an'i Kristy nitsangana velona avy hatrany, raha tsy efa KRISTY mihitsy no niseho taminy, nampahafantatra ny tenaNy sy nanokatra ny sainy hahalala ny Soratra Masina.
Nisy fizarana roa samihafa ny fiainam-pinoan'ireo mpianatra ireo :
1- Fiainana ara-nofo, fifaneraserana ara-nofo tamin'i KRISTY ka nahafantarany an'i KRISTY ara-nofo, nanekeny ihany tao an-tsaina fa tena Zanaky ny Avo io. Saingy ny fony tsy nino ary tsy nahafantatra ny Soratra Masina.
2- Fiainana tena ara-panahy, fahitana an'i KRISTY velona taorian'ny fahafatesan'ny nofony, ka nanomboka nahafantaran'izy ireo an'i KRISTY ara-panahy, ary tamin'izay koa ny nahafantarany ny Soratra Masina.

Moa ve mety hisy olona afaka hahay ny tian'ny Soratra Masina ambara ary hino marina ka hahafantatra an'i KRISTY raha tsy KRISTY no :
1- Miseho aminy ary manambara ny tenaNy fa velona.
2- Manokatra ny sainy mba hahafantatra ny tian'ny Soratra Masina ambara.
18. ikaretsaka ( 21/01/2009 13:32)
Hs be indray I coopsal ka lasa mahakano ny mitsimpona le hevitra tsirairay mba hahitsy...
Jereo ny ambaran' fody ao @ hafatra faha 7 ao fa mazava tsara

Ari> fitiavany tsa mba ho afaka amintsika an
19. Fody ( 21/01/2009 13:43)
coopsal:
Izay aho vao nanomboka nahatsapa fa kay Andriamanitra miresaka amiko koa, tahaka izay ataoNy amin'ny olona hafa rehetra, amin'ny alalan'i KRISTY, ary mampianatra ahy, ary izany no ahafahako ankehitriny manaiky izay rehetra voasoratry ny baiboly momba an'i KRISTY :
+ Zanak'ondry manaisotra ny fahotan'izao tontolo izao,
+ Mpisoronabe manatanteraka ny asa fisoronana mba hanadiovana ny olon' Andriamanitra,
+ Zanak'Andriamanitra natao zanak'olombelona, mba hahatonga ny olombelona mino Azy ho lasa zanak' Andriamanitra,
+ Mpiandry tsara, mahafoy ny ainy hamonjy ny ondriny,
+ Ray Mandrakizay,
+ Andriamanitra Mpamonjy,
+ Lahimatoa amin'ny maty (mba ho santatra ho amin'ny fananganana ny maty ho amin'ny fiaiana mandrakizay heni-boninahitra),
+ ...

Aiza ao amin'ny Baiboly no milaza sy mampianatra ry Coopsal fa i Kristy dia Ray mandrakizay???

coopsal:
Moa ve mety hisy olona afaka hahay ny tian'ny Soratra Masina ambara ary hino marina ka hahafantatra an'i KRISTY raha tsy KRISTY no :
1- Miseho aminy ary manambara ny tenaNy fa velona.
2- Manokatra ny sainy mba hahafantatra ny tian'ny Soratra Masina ambara.

Averiko aminao ireo zavatra nolazainao farany ireo mba handinihanao hoe: iza marina no miteny aminao sy mampianatra anao, satria tsy ilaozan'ny zavatra diso ny zavatra ambaranao.

Am-pitiavana be.
20. ikaretsaka ( 21/01/2009 14:29)
Atra re no fanaperana fa tsy ny soratra masina e.... fitaovana manampy @ fikatsahana an Atra Ny soratra masina no tena tokony ho izy fa tsy hoe manampy @ fikatsahana ny soratra masina Atra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3315