fofom-bava

1. ARINOFY ( 19/01/2009 12:56)
aona ry reto ny manala lay fofombava fa misy olona akaiky ahy misy an'io probleme io nefa de miborosy nify tsy tapaka izy.
novalian'i kamongo ny 16/02/2011 15:57
2. ari.malala ( 19/01/2009 13:07)
Raha mifoka sigara na misotro toaka izy dia io aloha asaina ajanony voalohany, manaraka izany asaivo mijery nify any @ dentiste fa sao dia misy nify marary anyhoany, na koa mijery dokotera sa marary vavony fa ny aretim-bavony malaza mampisy fofom-bava.
3. missa ( 19/01/2009 13:58)
Matetika toy ny mihatra amin'ny maro dia ny fisian'ny kankana no tena fantatra avy amin'ny fofom-bava. Tsy maintsy arahina akaiky anefa hoe isaky ny firy volana no manala kankana ary fanafody inona no tena sahaza anao amin'io déparasitage io.
4. xxx ( 19/01/2009 14:35)
tsara koa refa miborosy nify izy de mba miborosy lela fa ny lela ihany koa raha tsy madio tsara de miteraka fofona hafahafa e! refa tsy miteny elaela moa de maina koa ny aty vava ka miteraka fofona ihany koa, azony atao ny mihinana paoma refa fotoanany ka refa avy tsy miteny ela iny izy satria asida ny paoma ka mampiteraka rano anaty vava sady tsara fofona ny paoma e!
mitsaoko siligaoma ihany koa, nefa hoa met hankarary vavony ka mety ho vahaolana tsy mahavita taona e!
5. soulajn ( 19/01/2009 16:15)
asaivo mpanao bain de bouche @ ELUDRIL vidiana eny @ pharmacie io
6. bobone ( 20/01/2009 08:02)
tena marina daholo ireo hevitra ireo ireo ! miborosy nify mantsy hoe vetivety fa misy fomba manokana mihitsy io ! tsy maimaka izany fa tena borosiana any anatiny ka somary entina miakatra vao midina tsy atsivalana fa mitsangana foana!!vita ny anatiny miditra ny ivelany ! dia tahaka izany hatrany!
7. niryna ( 22/01/2009 11:46)
bobone:

tena marina daholo ireo hevitra ireo ireo ! miborosy nify mantsy hoe vetivety fa misy fomba manokana mihitsy io ! tsy maimaka izany fa tena borosiana any anatiny ka somary entina miakatra vao midina tsy atsivalana fa mitsangana foana!!vita ny anatiny miditra ny ivelany ! dia tahaka izany hatrany!

miampy ny teninin'i bobone dia aretina koa io,misy ny marary aty,misy ny aretim-bavony ... afaka manandrana mihinana persil matetika izy rehefa avy misakafo na atao ao anaty rano mangotraka dia avela ao dia sotroina.
Aretim-bavony hoy aho no antony iray ka azony atao koa ity fa tena mandaitra : laisoa manta ,miaraka ny ovy manta,miaraka ny karote, celery ary indrindra ny persily sy cocombre, atao jus miaraka ireo ,sasana tsara daholo fa tsy asorina akory ny odiny dia sotroina isa -maraina ilay izy somary ratsy tsiro indrindra ilay ovy manta fa tena manampy .andromo kely aloha e

8. booboo ( 22/01/2009 12:31)
Manao bain de bouche @ girofle isaka ny avy miborosy nify. Mora hatao sady tsy lafo vidy...
9. ARINOFY ( 22/01/2009 12:59)
aona moa no fanaovana lay bain de bouche @ girofle ry Boboo?
10. booboo ( 22/01/2009 14:26)
atao anaty rano matimaty ny girofle, mandritra ny minitra vitsy². Iny no hanotsanam-bava avy teo. Izay fotsiny. atao isaka ny avy miborosy nify isan-andro.
11. ARINOFY ( 23/01/2009 05:12)
Booboo a , girofle voatoto ve sa tsia,de aona ny fatrany.
12. booboo ( 23/01/2009 09:47)
zay tiana na voatoto na clou. Raha clou ( mora hita sy mora vidy kokoa ) dia eo @ 3 na 4 dia ampy rano am-pahatelo na tapaky ny vera.
13. ikaretsaka ( 23/01/2009 17:00)
Raha masiaka dia tapohy sira io lazain I boobooo io alohan'ny hampiasana azy... fa tandremo misy raraka ka ataon ny olona any anaty taxibe hoe avy any @ dentiste sy ilany resaka eo dy ampisehony ilay nifiny lanin'ny anngaty be iny.... za efa tratran izay. Indraipa manko avy nitifitra fromazy tany ambatomena... de mba nanao io fika io hanalana fofona fa vo tafiditra tao @ le car de zany ny sijet hoe hamonjy dantista any taninarivo nga ramose.....
14. bichette ( 28/01/2009 12:40)
Amin'ny alamo koa
15. kalasnou ( 03/02/2009 23:29)
coucou
ny fofom-bava dia tsy tongatonga ho azy, na ny nifinao misy simba, na ianao marary vavony. mandeha mijery dentiste sy gastrologue aloha hijereny avy aiza ilay fofona.
ny manaditra hono dia ny manontsana vava @ bicarbonate ( any @ grande surface misy , varotin-dry zareo akaikin'ny rayon sel izy io)
fa tena mandaitra hono.
henoko koa hono ny bicarbonate dia mahasolo gel intime fa za mbola tsy nanandrana ( 1 à soupe de bicarbonate atao anaty rano 5l) dia hanaovana toilette intime, gynécologue any mada hono manatoro an'izany
16. arialy ( 10/04/2009 09:22)
kalasnou
17. kamongo ( 16/02/2011 15:57)
Ny tena mampisy fofombava , d olona manana problème na digestion nefa mbol tara sakafo lava @ alina na manao voky @ alina d lasa ts levona d mahamaibo vava.
Ny torohevitra dia mihinana sakafo aloha rehefa hariva, dia ataovy sakafo maivana dia jereo fa ho sitrana ts ho ela izy raha garder ny fôna zay rythme zay
ARINOFY:

aona ry reto ny manala lay fofombava fa misy olona akaiky ahy misy an'io probleme io nefa de miborosy nify tsy tapaka izy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1376