emeteur VIVA

1. lionnelia ( 18/01/2009 15:48)
vaovao farany nalain'ny teo anivon'ny fitondrana teny Ambohimitsimbina emetera zay mampandeha ny televiziona VIVA. dia hafanafana mhitsy zany ny politika @ taona ity, ary dia misy ny andrimasom-pokonolona eny @ radio viva Ambodivona @zao fotoana izao.
novalian'i xxx ny 21/01/2009 10:33
2. lemenakely ( 18/01/2009 16:35)
K inona moa fa dia 2002 bis indray ity e
3. Annie2006 ( 18/01/2009 18:44)
izao ny horakorak'ireo vahoaka omaly:
Lamako: TSY MAINTSY MIALA RAVALO!
Havereno: TSY MAINTSY MIALA!TSY MAINTSY MIALA! TSY MAINTSY MIALA RAVALO!
Atambaro: MIALA!

Mijoroa! mahasahia! fa masina ny tanindrazana!
4. Razafy ( 18/01/2009 18:53)
Le manala andravalo alou ekena fa mila firy andro na firy volana njay moa izany zao? -Dia izay eo ihany fa dia iza moa no asolo azy ? I Tay Goza Vé?
5. Annie2006 ( 18/01/2009 18:59)
Aza manao sary gaigy ianao razafy ary aza manao sainan'ankizy. Raha ekenao ny fanesorana andravalo, mitsangana dia ataovy ny adidinao. Fa raha ny olona hisolo azy dia ny vahoak no hanao an'izany safidy izany satria ny fanalana andravalo no ahafahan'ny vahoaka manao safidy malalaka tsy misy hala-bato na teritery. Mahazo milatsaka koa ianao amin'izany raha tianao. Mba nianatra ihany ianao ka mba aza manalabaraka tena.

Tsy varotra akoho izy ity fa raharaham-pirenena.

Mijoroa, mahasahia, fa masina ity tany ity.
6. badboy ( 18/01/2009 19:33)
Ary naughtyby sy Annie2006 mitovy fijery @ ilay hoe tsy mila hoe iza no asolo ilay alana!! Izany hoe i TGV no hamono ny voay dia i Annie2006 sy naughtyboy no hiravaka ny vanginy!! Hanaiky mora an'izany manko TGV!! Hatr'izay raha tsy izy no nanentana ny hetsika tsisy n'inon'inona ka rehefa vitany izany dia izy indray no ho atosika ivelan'ilay ringy?? Sao dia mba manipadoha laka nitana ianareo ireto ranamana ka ho very alohan'ny fotoana!!! :twisted: :twisted: :twisted: :twisted:
7. xxx ( 18/01/2009 22:16)
Aleo hisoloko ny toeran-dravalo d'efa salanitra ny tanàna, sa tsy 'zany ?? :lol:
8. ravatorano ( 19/01/2009 05:06)
ka tsy hitovy amin dravalo ihany v izany ! samy nitolona nanala an dratsiraka izao ihany nefa dia lery rery no role fa notsipahany avokoa izay niaraka tamin'y na dia ireo izay ninia sy niezaka nanampy azy aza !
zany hoe izay analana fotsiny izany no tanjona ry annie2006 fa avieo tsy misy olana izay mùisolo azy eo dia mba politika mitsinjo ny ho avy ve izany ary sao dia mba izay ihany no mahatonga ny fahorian'ny vahoaka izao : manala fehy manala fotsiny fa rehefa avieo tsy mahay mifidy ny tena tokony ho mpitarika afaka hampitraka ny firenena !
ka raha izay indray no izy dia aleo ihany aloha i Ramose hanapitra ny mandat-ny
9. Hery5 ( 19/01/2009 06:35)
Fa maninona no rehefa mitokona fôna vao mba misy mieritreritra ny hevitra alefa eto am Firenena. Ra te-haneo hevitra anefa dia alaina indray ny fitaovana?
tsy mbola misy izany ny democratie izay dradradradraina etsy sy eroa.
Tia tena daholo izay tonga eo fa ny tsara dia raha mba mety mihaino "kely" ny hevitry ny maro izy. tsy vahaolana ny manala an-Ravalo fa ny manampy ara-kevitra no mety. Bye daholo
10. kelyfaniry ( 19/01/2009 07:04)
1°/ contrat à durée indéterminée azo atao ny résiliation na rahampitso aza fa tsy misy intsony ny Terme du contrat tsy maintsy hajaina na ny amendement
2°/ Viva :
Ny fandefasana manontolo ny rediredin'ilay Amiral voaheloky ny fitsarana dia midika ho fanomezana vahana ny fanankorontanana ny firenena. Koa tsy mitovy mihitsy t@ nataon'ireo onjam-peo sy filazam-baovao hafa. Izay no tsy nanasaziana azy ireo
3°/ Kianjan'ny démokrasia :
Angamba mbola tsy nahalala ny tantara io boay kely io fa ny Stade COUM ange no efa kianjan'ny demokrasia ee!
4°/ Resao kely koa inona ny ataon'io ben'ny tanana sy ny tariny io mba hiarovana ny tanana sy ny mponina @ mety ho tondra-drano
5°/ IZA avy ireo mamba noany miandry izay harapany ao aorinanao ireo? Efa teo nefa tsy nahavita azy izy ireo. Tao ny tariky ny Amiraly nitsaoka ady. Tao ny tariky ny presidà empêché sns....
11. caprio ( 19/01/2009 07:57)
Ary mbola misy hiany ny toe-tsaina lomorona eto @tanàna ka tsy mahay manafina lokon'Akanjo, fa hita mintsy we mbola mampiseho we za AREMA be mintsy ka izay ampiala an'i le8 hiany no tanjona,ary mba mahaiza miresaka fa ny sasany koa na dia hita zao aza ny tsy rariny ataon'i le8 de mbola mahita lazaina foana,ary mba araho tsara ny tantara fa i Ra TGV anie tsy mitaky ny hialan'i le8 eo e! de aza misy manaho resaka ankolaka fa tonga de tsory mintsy we za TIM de zao no hevitro,na we za AREMA de zao no hevitro fa tsy hitako izay atahorantsika an-zany :twisted: :twisted: :twisted:
12. caprio ( 19/01/2009 08:06)
marina ny voalazanao Ra-HERY5 fa ny fanampiana sy ny fanoroana an'i le8 no tanjona tsara indrindra,araka ny voalazan'i J Ramakavelo we:ny fifanatonana no tsara indrindra,fa kosa ry Ralokomena isany dia tsy anaiky an-zany mintsy fa izay hialan'i le8 hiany no ao an-tsainy
13. rixes ( 19/01/2009 08:32)
manin moa ra saborina daholo koa zay mihaino RADIO VIVA :-D efa marary mintsy zao ny atidokelin-dry TIM
14. ravatorano ( 19/01/2009 08:54)
:-D :-D :-D rixes < feno pokona izany ny fonja ary tsy ho tafa eny avokoa raha samborina avokoa ny mpiheno viva kle
mety tsiss viva enoina koa ange atsy ho atsy fa efa nesorin'drafanja ny emetteur tv izao d hanaraka atsy ho atsy koa ny radio

La licence de Viva TV retirée, le matériel réquisitionné
lundi 19 janvier 2009, par Rédaction internet
madagascar tribune


Alors que la télévision Viva était annoncée par la radio du même groupe comme devant reprendre ses émissions à partir d’hier soir, ses dirigeants ont été notifiés que la licence d’exploitation avait été retirée et que le matériel était « réquisitionné ».

L’enlèvement du matériel à Ambohimitsimbina a été effectué par les forces de l’ordre.

Rajoelina condamne et appelle la population à être vigilante

Devant les militants venus pour défendre la station de radio Viva contre une éventuelle fermeture imposée par le gouvernement, Andry Rajoelina a assimilé le retrait des matériels de Viva TV à du « terrorisme ».

Il a réaffirmé sa détermination à résister à toutes les pressions, et à aller « jusqu’au bout », sans préciser toutefois la nature de ses objectifs. Il est allé jusqu’à évoquer la possibilité de dresser des barricades en cas de tentatives de fermer Radio Viva.

Il a ensuite demandé à la foule de se disperser (hier), demandant que seulement une cinquantaine de personnes reste pour surveiller le bâtiment de Viva à Ambodivona.

15. ravatorano ( 19/01/2009 09:18)
gazety taratra
19/01/2009

Ambohimitsimbina

Noravan’ny miaramila ny «émetteur»-n’ny Viva Tv



Tsy nampihemotra ny fanjakana ny fampitandremana vaovao nomen’ny Ben’ny tanàna Andry Rajoelina. Mainka nanao ankivy ireo haino aman-jeriny aza ny mpitondra foibe. Miaramila mihitsy no nanendaka ireo fitaovana fanaparitaham-peo sy sary teny Ambohimitsimbina omaly.



Mihenjana hatrany ny tady eo amin’ny fanjakana foibe sy ny ben’ny tanànan’Antananarivo Andry Rajoelina. Toa mainka nandranitra ny mpitondra ny fampitandremana natao teny Ambohijatovo tamin’ny asabotsy. Nogiazan’ny fanjakana tanteraka ny fahitalavitra Viva. Miaramila notarihina kolonely no tonga teny Ambohimitsimbina omaly antoandro nanendaka ireo fitaovana fanapariahana feo sy sary.

Nambaran’ireo mpiambina fa noterena ry zalahy sady norahonana tsy mahazo mifandray amin’ny mpampiasa azy ireo akory. Ny findain-dry zalahy no nalaina avy hatrany vantany vao tonga ireto miaramila. Efa lasa ny mpanala vao nampandre ny tompon’ny fahitalavitra ireto mpiambina.



Nanao antso avo tamin’ny mponin’ Antananarivo ny Ben’ny tanàna Andry Rajoelina mba hirohotra teny Ambodivona hiaro ny radiony. Torak’izany ny fanentanana ny olona tsy hanaiky lembena fa hanamafy ny fitakiana eny amin’ny kianjan’ny demokrasia indray amin’ny asabotsy ho azy izao. Fanampenam-bava sy fibodoana fananan’olona no nandraisany ny fanapahan-kevitry ny fanjakana. Ampangainy fa ny vahoaka mihitsy no giazan’ny fanjakana ka asakasak’izay manao izany. Mbola nohamafisiny ihany koa ny fangatahana ireo minisitra anankiroa hiala amin’ny toerany mialoha ny alarobia. Ireo tanora no tena niantefan’ny antsony satria tsy tokony hanaiky lembenana intsony ny feom-bahoaka, izay feon’Andriamanitra. Nanentana ny olona hitolona hatramin’ny farany ihany koa izy. Nilaza ny ben’ny tanàna fa hametraka barazy amin’ny alalan’ny dabam-pako koa ry zareo raha ilaina izany, hanakana ny olona mitady hanakatona ny radio Viva.



Nanongilan-tsofina tamin’ny radio Viva ny ankamaroan’ny olona teto an-drenivohitra omaly hariva. Manodidina ny 100 eo ho eo tonga teny amin’ny foiben’ny Viva Ambodivona, nanoina ny antson’ny Ben’ny tanàna. Hirahira, horakoraka… no nataon’ireo olona.



Nampiseho firaisankina ireo olona tonga teny an-toerana. Nisy ny nanati-kanina ho an’ireo nanolo-tena hiambina ny Viva, izay nahazo fisaorana manokana mihitsy. Tamin’ny farany, nilaza ny Ben’ny tanàna fa olona 50 ihany no tokony hiambina ny eny an-toerana, ka omena alalana mody ny sisa.




Nangonin’i Yves S. sy r.r








16. rakotoson7 ( 19/01/2009 13:09)
Bdb ndr1 zan no ho voarôka @ asany ko satri varian niambin n VIVA! mila alefa lavtr n sain fa so varian eo ka lozan 'omby mihahaka eo
17. TWING ( 19/01/2009 14:37)
rehefa ho samborina ny mpihaino ny VIVA dia mifanaraka @ Deawoo i Ra8 hanitarana ny fonja rehetra,mba ho 1,250milion d hectar sisa no an vahiny. :P
tsotra anie zany e

maninona moa rah ny emeteur an i MBS indray no alaina dia solona VIVA dia milamina ny rehetra e?

na koa esorina tsotra izao koa ny MBS satria mbola an ny CUA anie io trano io e.

AHOANA MOA NO NAHITANA OE NANAO ESSAI NY VIVA RAHA TSY NIJERY RY ZAREO??????????????????????

sa nihonona t@ HONOHONO?


tsy maitsy nisy nijery télé VIVA ny fitondrana e
18. xxx ( 20/01/2009 09:39)
de ho gadraina daoul ve zany ny pokna rehetr satri nienoeno VIVA daoul ? de aona aiza Ra8 no ahita kaly bojy ho an'noul 2tapitrisa ho gadraina ? de aiza zan no apidirana atsika ho gadraina ! sa hanamboatra prison ngodabe vetivety eo amin'ny tanin'ny DAEWO zany marina angamba kou!! de mba tokony ataondra8 confort tsara kosa zany mba fangatahanay le prison, atao misy jiro ,rano, tele(tsisy viva), de tsy maninn ra migadra ao ah!! de ny kaly kou mba atao metimety an!! de ho betsaka ny malagasy hanolotena ho gadraina otr'ah !! sady managadra amzay no manao asa soa!!
19. andrywui ( 20/01/2009 10:17)
raha ho gadrainy daholo koa zay miheno ny VIVA d'efa aleo zay radio rehetra miditra eto madagascar zany d'efa programeny mialoha any tsy ahazo antenne afatsy MBS sy TVM zany ! dia otrizay koa ny tele! fa raha mbola mandeha ireo dia hijery anreo foana ny malagasy rehetra !!
20. lolabe ( 20/01/2009 10:35)
Ny anay de tsotra ihany e, avelao hiantsy ady eo ihany fa hohitany ny vokany rehefa avy eo, asaivo alainy ambongadiny daholo ny VIVA rehetra fa hoavy amin'i Ra 8 sy ny forongony ny masiso, hoanareo minisitra izay manao sonia an'ireny, fanatray nareo fa baiko avy amin'i ra 8 no ataonareo manao sonia an'ireny ttsy ireny, mijoroa @ maha zanaka Antananarivo anareo tsy manaiky ny ho baikona intsony, raha mbola mahatsapa ianareo fa mpomina avy eto antananarivo de mijoroa ary sahia manda ny baiko omen'i ra 8 sao rehefa tsy eo intsony nareo rehefa henjehin'ny vahoaka avy eo de hilaza indray fa tsy sitraponay ny nanao an'ireny fa baiko avy any ambony ka sahia mijoro tsy hanaraka ireny baiko zay hita fa hamotika ny tanana ireny. NA HO ELA NA HO HAINGANA DE TSY MAINTSY HIPOAKA IZAO FIHETSEHANA IZAO SATRIA RA-8 DIA TSY MAHAZAKA NY VAHOAKA MITENY
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.3133