Ny fivavahana ve voatery tsy maintsy miditra @ vie privé??
41. soanja
(
23/01/2009 03:30)
coopsal:
ireo teny diso toerana mety ho nandratra ny hafa manokana efa nasehoko teto dia sintomiko ary ialana fondro satria miloloha lanitra ka tsy maintsy lena hoy ny ntaolo
==> Mamelà ahy hanome ity fanoharana ity :
Nisy zazalahy iray nividianan'ny dadany baolina, namepetra io dadany io fa tsy mahazo mihoatra ny fefin'ny tokotany izy milalao izany baolina izany. Nisaotsaotra sady nanome toky ilay ankizy fa tsy hivoaka.
Rehefa nanomboka nentanin'ny hafanam-po sy nihevi-tena ho Kàkà teo anefa dia nanomboka nanao daka mafimafy ary iny fa tafavoaka ny fefy ilay baolina. Sady natahotra ny hivoaka ny fefy kanefa ilay baolina mila alaina koa sao bedy eo (na ny tena marina, tsy foy ilay izy).
Tany ivelany dia tsy naka fotsiny an'ilay baolina ny ballon d'or 2007 fa nihevitra hitanisa an'ilay baolina mandra-pahatonga tao an-tokotany.
Indrisy nefa fa vao maika nihananalavitra ny trano ratovolahy, ary nanan-kevitra hoe "aleo hanao tir de tigre rangahy ary ny vavahady (nisokatra) no atao but ah!". Iny nandaka mafy iny dia nidona tamin'ny sisin'ny vavahady ilay baolina ka nipitika tany amin'ny fitaratr'ingahy mpivaro-kena, ary vaky ny fitaratra.
Niondrika ratovoloahy nifompona hoe "ifonako fa tsy fanahy iniako tompoko" ... Mandeha ho azy toy izany ve izy ity ? Mifona aho fa tsy fanahy iniako ?
Na dia nanaiky ny fifonan'ilay tovolahy aza ilay mpivarotra, izany hoe tsy hitory azy, misy zavatra simba teo : ilay fitaratra. Ary tsy ampy velively nanamboatra ny fitaratra simba ny fifonana. Mbola tantara hafa izany ny fanoloana ilay fitaratra simba.
Ka hoy aho hoe, vitan'ny hoe sintonina ve ilay teny dia OK ? Nefa ny olona nefa naratra ?
Inona no hataonao hanesorana izay holatra vokatry ny ratra nataonao ?
Izany holatra izany dia vavolombelona fa nandratra ianao, tahaka ny boky nandraisana an-tsoratra.
Impiry ianao izay no nandratra olona toy izany?
Tiako hambara eto hoe, maro isika no mieritreritra ny amin'ny fahotana fa hoe mifona dia vita! Na koa hoe rehefa voavela heloka dia izay d voavonjy.
Ny olombelona rehetra dia samy mahazo famelana ny heloka rehetra! Kanefa tsy ny olombelona rehetra no voavonjy.
Raha zah zao le dadan'ilay zaza dia tsy baolina mora dakana ka afaka hiopefy no hovidiako ny zanako raha toa ka hitako fa hanome izany didy hoe tsy azo dakaina mihotra ny fefy ny baolina SATRIA fantatro fa afaka mandaka ny baolina mihoatra ny fefy ny zanako koa nahoana aho no hampidikizo azy?
Raha hividy koa aho dia baolina malemilemy tsy afaka mamaky fitaratra no hovidiako ny zanako SATRIA fantatro fa afaka hivoaka ny fefy ny baolina ary mety hangalatra hi-dribla mihoatra ny tiako atao ny zanako. Tsy omeko azy izay option hiditra amin'ny fijaliana izay izy!
Raha tiako ny zanako dia tsinjoviko daholo ny momba azy raha possible izany amin'ny fahafahako.
Fa tsy hoe omenao safidy izy dia avy eo apiriatinao amin'ny safidiny. Raha tia azy ianao dia tsy hasianao akory ny fijaliana sy ny aretina tsy tianao hianjady aminy satria izay ilay Famoronana. Ny mamorona dia afaka manamboatra izay namboarina ary manatsara azy. Sa ve hoe tsy mahita lavitra ilay Mpamorona dia ny azy ihany no hamotika ny azy?
Tsy ho voazavan'ny baiboly irery ny fitiavan'Andriamanitra, mila mahay mandray ny fitiavan'Andriamanitra avy amin'ny finoana hafa ary mahay mampifandray ireo vao afaka hisy ny atao hoe TENA FITIAVANA tokoa.
