OLONA IZA NO TOKONY HITONDRA

1. gabidemony ( 17/01/2009 13:59)
Maro izay efa teo @ fitondrana izay fa toa tsy mahazaka ny ny toerana
nomena azy.T@ propagandy de be fanantenana sy mahatsapa ny olan'ny
legasy nefa vòazo ny toerana de iny ko izy no tsy re intsony.

hevitra ny ahy no atsipy : Mety ho tia tena ko ve sy hangoron-karena tsy hijjery sy hampandroso ny malagasy ve raha ohatra ka RELIJIOZY (monseigneur,pretra....) no mpitondra indray ?
Eritreritra mandalo any ahy.
2. Herimiafina ( 17/01/2009 14:50)
gabidemony:
Maro izay efa teo @ fitondrana izay fa toa tsy mahazaka ny ny toerana nomena azy.

Ka tsy hisy hahazaka an'io mihintsy raha ny atten-te-n'ny olona any Dago no jerena. Mbola eo foana mantsy ny mandray ny president ho toy ny mesia mpamonjy. Mbola eo foana koa ny president ny miheritreritra ny tenany ho mpaminany te ho masina an-taniny. Tamin'ny andron'i Radama ihany izany no mbola marina fa saingy efa XXIème siecle isika izao.

Ny tiako iaviana, dia na i Rakoto Mpanera taxi-be etsy Ankatso aza dia mendrika ny hatao president raha toa ka miasa tsara daholo ny misisitrany sy ny ambaratonga rehetra. :^)
3. Mirananirina ( 17/01/2009 14:57)
RELIJIOZY (monseigneur,pretra....) no mpitondra indray ?
Eritreritra mandalo any ahy.

akoatra ny katolika aloha dia tsy hanaiky anio e,aminy izay tsy misy ny fitiavantena.
mino ve ianao fa hisy relijiozy hilatsaka :?:
izaho alony anisany ny hifidy e
4. lemenakely ( 17/01/2009 15:39)
gabidemony:

Maro izay efa teo @ fitondrana izay fa toa tsy mahazaka ny ny toerana
nomena azy.T@ propagandy de be fanantenana sy mahatsapa ny olan'ny
legasy nefa vòazo ny toerana de iny ko izy no tsy re intsony.

hevitra ny ahy no atsipy : Mety ho tia tena ko ve sy hangoron-karena tsy hijjery sy hampandroso ny malagasy ve raha ohatra ka RELIJIOZY (monseigneur,pretra....) no mpitondra indray ?
Eritreritra mandalo any ahy.



Vao maika loza , jereo ny manjo ny Haiti niaraka t@ rev Bertrand Aristide , ary tena vao maika mahantra velona @ izao ny vahoaka haitianina .

Amiko dia olona technocrate ( manampahaizana) ary manana esprit de bonne volonte et de partenariat, Itpkl Tsiranana Philbert no nanana io toetsaina io : izy avokoa no nahavita an Ankatso ho meilleur université de l océan indien , ny gara eo Soarano , ny cites des 67 ha , ny aéroport Ivato ,....


Ny @ izao mantsy dia tena égoïsme be mihintsy , hoe Ahy daholo ity rehetra ity et crevez vous!...
5. naughtyboy ( 17/01/2009 16:14)
mazava fa misy positivity sy vokatsoa nentiny ireo repoblika 2 nefa koa misy lesoka azo notsoahina sy soa fianatra @ izany misy ekeko io voalazany lemenakely io nefa ireny dia infrastructure izay mbola no-financer ny frantsay daoly ny ankabeazany raha t@ androny Itpkl P.Tsiranana ny fironany tsikelikelyt@ politika kominisma(ex-URSS)no naharava izany niatomboka t@ greviny avarapi sns...ny fijeriko manokana ireny asa ireny raha niatomboka dia tsy nisy notohizana hatr@ farany refa tafiditra ny sosialista demokraty D.Ratsiraka sy ny boky menany betsaka koa tao anaty fandaharampotoanany Rep2 no tsara ireo fotodrafitr\'asa toy ny politikany non-alignement,decentralisation,
nationalisation reo sehatra mamokatra,ary fampidirana tsikelikely ny fanagasiana tany @ fanabeazana fototra ,fanatsarana ny lalana sy ny vidimbokatra ny tantsaha ary ny ady @ hanoanana ,sombiny kely no niatomboka ary tsisy nitohy avy eo sns..nahoana ???
Ny tena nifotorany Ratsiraka dia tsotra ny anaovana uni-party(AREMA) ny fitondrampanjakana @ maha stratege azy,satria izay ihany no lalana itazomana ny fahefana ela sy ijanonana eo tsy nisy intsony izany ny fifandanjana @ fahefamahefa sy manapaka fa bambaray ka olona 1 no masimandidy @ rehetra
Very tanteraka teo ny atao oe \"integrism\"na ny nationalism fa izay ahazahoana seza hihinanana kely androany/individualism no nitaizany mpanao politika ny zanak\' i Gasikara toy ny zanaky Afrika rehetra... Dia io no nolovainy le8 taty aorina taizany deba arapolitika
Ny olana izany izao dia tsy oe iza fa olona tahaka ny ahoana no ahatafarina izany fahavoazana lehibe izany
- mila manana esprit de creativite,leadership,
integrite,motivation sur le plan national(social,economie,relation internationale,sante,culture,droits civiques des citoyens ,competitivite politique,lois contitutionelles ect..)@ alalany fotodrafitr\'asa mazava sy FANATANTERAHANA ho modely sy fanilo mpitondra ny malagasy izay efa sepotry ny fahoriana sy hanoanana ary ny fahabadoana...
6. lemenakely ( 17/01/2009 16:50)
Ary nianatra tany @ hautes écoles angamba ny akama izany, ary tena manana culture d entreprise henjana !
7. lemenakely ( 17/01/2009 17:18)
Andao haka ohatra tena faran izay tsotra kely , ohatra misy olona mitana épicerie Kely dia manitatra izy dia lasa hotely fisakafoanana dia miitatra....

Dia etsy andaniny misy garage de réparation , dia mivarilavo tsikelikely , indrindra moa fa raha lova izay ilay izy,Samy te ho rôle daholo , amidy tsikelikely ny fiasana ,farany faillite ilay garage na tourne vis iray aza tsy misy intsony !...

Amiko dia misy ifandraisany @ ireo ny mampandroso na mampihemotra ilay firenena ,matoa mandroso dia misy ny transparence, discipline, management ...ary mila mijery lavitra izany filohan ny repoblika izany

Izay no mahatonga ahy miteny hoe olona technocrate no ilaina ary manana esprit d ouverture sy partenariat...
8. ravol ( 17/01/2009 17:57)
Raha jerena aloha ny zava-nitranga teto hatr@ izay dia tsy resaka olona hitondra no tena olana eto amintsika, misy betsaka eto na ny goaika antitra na ny tanora, manana olona isika raha mitahy @ ireo firenena lehibe.
Fa ny tena olana dia rafitra mihitsy no misy lesoka be, ka io no mitarika ny olona izay voafidy hanararaotra rehefa tonga eo, ary manao izay tiany hatao hatramin'ny fanovana ny lalàna ho any amin'ny tombontosan'ny tenany samirery.
Diniho tsara ny tantara, fa ny olona izay ho avy eo @ fitondrana dia manana finiavana be dia be fa hanarina sy hampandroso ny firenena, kanefa rehefa ao izy dia mahatsapa fa misy lalana betsaka hahazoany tombontsoa ho azy manokana ao, dia veloma hatreo ry vahoaka sy ny forongony.Dia ohatry izay foana no iainantsika sy ny taranantsika raha tsy hoe misy vahaolana angaha rahampitso, sy ny rahafakampitso, ohatra : toy ny lalàna aro fanina ho an'ny mpitondra.

Aza dia very any @ hoe olona iza no tokony hitondra fa tsy any no olana e ! tsy ambaka ireo vahiny sy ny vazaha ireo isika.
9. lemenakely ( 17/01/2009 18:29)
Amiko tokony hipetraka aloha ny fanontaniana: inona no tena potentialités ananan ity Madagasikara ity ?

Harena ankibon ny tany ? Manana isika : volamena, saphir ,bauxite , Quartz ...Vao oviana izao hita t@ gazety fa nisy saika hanondrana volamena 15kg teto ,saika nojerena fotsiny

Ny ala manana isika , nefa dia dorana

Ny ranomasina sy ny haza andranomasina , ananatsika ny langouste de qualités indrindra @ Sud Est iny

Resaka tourisme , tokony ho exploitena satria midadasika

Ny fambolena sy ny fiompiana dia matetika natao ho hanina fotsiny , tsy dia misy ambimbokatra amidy
Etsy andaniny anefa dia na misy amidy aza dia mivoaka faty antoka ireo tantsaha fa lafo ny kojakoja toy ny zezika sy ny vakisiny !

Jereo ny fanambakana ataon ny Tiko ao Antsirabe mikasika ny ronono sy ny voankazo

Eo @ resaka ara - barotra manao ahoana ? Toa manafatra kokoa isika noho ny manondrana ? Balance commerciale deficitaire izany ny antsika ,mbola fatiantoka koa io

Ara - bola manao ahoana ny ariary mitaha @ ireo devises ? Toa mikororosy fahana

Ara - politika misy ve izany stabilité politique izany indrindra ho an ireo investisseurs vahiny mampiasa ny volany eto?

Sns....


Dia ny fitambaran ireny échec ireny no tsy mampandroso antsika mihintsy
10. badboy ( 17/01/2009 18:43)
lemenakely >> Tsy mila manana BACC + 5 vao afaka ny hametraka ireo hevitr'i naughtyboy ireo, mijery ny zavamisy ianao dia efa hitanao hoe inona no tokony havaozina sy ovaina, indrindra moa ianao raha manana fijery afaka mampitaha @ fahitana ny zavamisy any @ toerana ampitandranomasina itoeranao!!

Raha mbola tsy miova ny fanoheranan'ny namana naughtyboy hoe ny olona mitondra no fototry ny fiovana rehetra misy, ka na dia mamiratra sy mahasarika aza ilay hevitra arosondranamana, dia ho toy ny rano araraka ny lamosingisa fotsiny izany satria tsy hisy hipetraka na ho tanteraka!!

Ary izaho manokana dia tsy mahita ilay olona tena hitondra hevibaovao eo @ Andry TGV satria ny nentiny hanombohana ny tolona tiany hatao dia ny fanokafana ny orinasany!! Ka ny tsy hanakanana ny firoboroboan'ny orinasany koa ve moa no nahatonga andRavalomanana nilatsaka ho fidiana ka lany, izay andrandraina ny hialany @ izao??? Misy ho eritreretina!!

8) 8) 8) 8)
11. dahuily ( 17/01/2009 19:02)
gabidemony:

Maro izay efa teo @ fitondrana izay fa toa tsy mahazaka ny ny toerana
nomena azy.T@ propagandy de be fanantenana sy mahatsapa ny olan'ny
legasy nefa vòazo ny toerana de iny ko izy no tsy re intsony.

hevitra ny ahy no atsipy : Mety ho tia tena ko ve sy hangoron-karena tsy hijjery sy hampandroso ny malagasy ve raha ohatra ka RELIJIOZY (monseigneur,pretra....) no mpitondra indray ?
Eritreritra mandalo any ahy.



Aoka kosa angamba tsy hoe hitarina hatrany @ le pastera fopla iny ny resaka an!!!!!! :twisted: :twisted:
12. lemenakely ( 17/01/2009 19:06)
Cercle vicieux ilay izy, kanefa aloha ialako tsiny sy fondro fa ny mpitondra no tompon andraikitra voalohany mampandroso na mampihemotra ilay firenena , jereo tsara t@ andron ny socialisme teto , ny tsirairay ho an ny daholobe , ny fanagasiana , etc... Taiza ho aiza ny niveau intellectuelsn ny gasy ?


Tonga indray Zafy tsy nanana eritreritra afatsy ny contraire rehetra izay nisy t@ andron i Ratsiraka , namato - tena tao ... Financement parallèle , devaluations ...Empeche ny farany


Izao indray affaires maizina toy ny fivarotantany @ Daewoo , saika hamerenana ny fanagasiana , fanaovana ampihy mamba ny volampanjakana ....

Fahadisoan ny mpitondra daholo izany !
13. naughtyboy ( 17/01/2009 19:08)
voalaza teo
Aza dia very any @ hoe olona iza no tokony hitondra fa tsy any no olana e !

Izay mintsiny ilay hevitra mamaha ireo fatotra tsy ahitana vahaolana fa mihamipoitra,tsy natao hotarihana fotsiny toy ny kofehy manarapanjaitra fa mba manana saina mahiratra ahafantatra sy maso hanondro ireo voitra @ lalankombana tsy marimarina...

ary koa

matoa mandroso dia misy ny transparence, discipline, management ...ary mila mijery lavitra izany filohan ny repoblika izany

Ekena tanteraka

Mifototra @ ireto 3 ireto ny andry sy kitro ifaharany mahay mitarika,manantanteraka ary mampandroso

- Fenitra/mission : adidiny ny fandraisana andraikitra sy fiahiana ny tombotsoampirenena sy ny vahoaka tompotsafidy ary fampivoarana ny satan\'izy ireo eo antoerana sy iraisampirenena @ lafiny rehetra noho ny mangarahara ahatongavana ny tena demokrasia

-Sanda/value : ilay lenta ananany hahay andrindra ny olana nolalovana ka hahatontosany ny fanamby mba iverenany zo sy mahaizy ny olompirenena malagasy ary ny soa toavina sy soa iombonana ny firenena

-Fomba fijery lavitra sy famahana olana akaiky/core view : fampiharana ny fifandanjampahefana eo @ rafimpitondrana sy fametrahana lalampanorenana matotra tsy ho voahitsakitsaky ny mpitondra sy ireo andrimpanjakana anatiny,
fahaiza mitsinjo sy mitantana ny aimpirenena ifvoizana ny tolony fivoarana ho lavitrezaka ka tsy iankinandoha @ ireo politikany mpamatsy vola

Raha mila fiovana isika dia mila fantatra mazava ireo rafitra ilaina @ izany ireo no tsy hita tao amintsika kanefa dia tena ilaina ra tiantsika ny hahatratrarana izany,ary averiko @ teniny namana etsy ambony oe

tsy ambaka ireo vahiny sy ny vazaha ireo isika.

14. badboy ( 17/01/2009 19:21)
naughtyboy:

voalaza teo
Aza dia very any @ hoe olona iza no tokony hitondra fa tsy any no olana e !

Izay mintsiny ilay hevitra mamaha ireo fatotra tsy ahitana vahaolana fa mihamipoitra,tsy natao hotarihana fotsiny toy ny kofehy manarapanjaitra fa mba manana saina mahiratra ahafantatra sy maso hanondro ireo voitra @ lalankombana tsy marimarina...

ary koa

matoa mandroso dia misy ny transparence, discipline, management ...ary mila mijery lavitra izany filohan ny repoblika izany

Ekena tanteraka


Mino tanteraka aho fa olona tsy dia mahalala ny fototra sy ny fivoaran'ilay teny hoe "démocratie" no milaza izao!! Ary izay ilay olana satria Ravalomanana raha nampiditra ny décentralisation ohatra dia nampidirina fahatany fotsiny ilay teny fa ny tena hevitra hoentina tsy nojerena!!

Ka aza maimaika mampiasa teny tsy voafehy tahak'izao fa manjary mampibaribary ilay lazain'ny vahiny hoe ny gasy mahay miresaka sy be resaka fotsiny!!!

Manarak'izay dia tsy azoko mihintsy ilay fomba fanao miziriziry @ hevitra diso tahak'izao hoe tsy ny mpitondra no olana fa ny rafitra!! Misy teny 1 tokony ho dinihindranamana naughtyboy, izay mino aho fa na dia tsy omniscient aza ny tenany, dia afaka ny hahatakatra ny dikany, dia ilay teny filamatra hoe "rend à césar ce qui est à césar"!!!

Somary miampy mystique kely ilay hevitro fa inoako fa tsy dia ho sarotra ho andranamana ny mamolavola io teny filamatra io!!


8) 8) 8) 8)
15. naughtyboy ( 17/01/2009 19:30)
aiza ve de oe
Ary izay ilay olana satria Ravalomanana raha nampiditra ny décentralisation ohatra dia nampidirina fahatany fotsiny ilay teny fa ny tena hevitra hoentina tsy nojerena!!

le8 ndray izany no nampiditra ny decentralisation voalohany tao amintsika,aoka re olona fa diso toerana ny sainy le rangahy ity =))

porofo ny tsikeranao ra tsy mazava no tadiany be sy ny maro eto de avoahy fa tsy rediredy tahak'izao ,sehatry ny hatsikana no misy anao fa ny politika tsy any mintsiny na kely aza,aoka izay fa aza manalabarabatana toy izao ..
as bad as you are maybe it' s time to think about some good ...idea mate
16. badboy ( 17/01/2009 19:43)
Aleoko atao hoe mametraka ilay izy ho tena misy arataratasy sy @ alalan'ny fifidianana ireo délégué de département aza eh!! Izay, afapo naughtyboy?? Efa izay mahafianritra anao mihintsy ange no ataoko ranamana eh!! 8) 8)
17. naughtyboy ( 17/01/2009 19:50)
tena tsy mahazo resaka i badboy e, ka efa t@ androny Ratsiraka izany no efa lany tany @ solombavambahoaka sy ireo antenimierampirenena ary tao anaty lalampanorenana,arattsy fotsiny fa tsisy tanteraka ,hafa oa hevitra entina fa tsy faly :-@ tsangakevitra matotra O.K
18. badboy ( 17/01/2009 19:57)
Fa tsy izay angaha moa no lazaiko eo ambony hoe tena nametraka izy??? Aoka marina eh!! tsy mampaninona ahy ianao faly manenjika ny hevitro saingy ny mampalahelo dia ny hijery anao ho afabitana tsy aminapah fotsiny!! 8) 8)
19. naughtyboy ( 17/01/2009 20:03)
ahoana ko ito mba omeo famaritana kely an'io oe izahay erantany sy araky ny toejavatra miseho ao amintsika...inona no tsy ekeny badboy tetsy ambony ary azavao fa ialao ny resaka bontolo

Mino tanteraka aho fa olona tsy dia mahalala ny fototra sy ny fivoaran'ilay teny hoe "démocratie" no milaza izao!!

20. naughtyboy ( 17/01/2009 20:14)
de inona no idirany
"rend à césar ce qui est à césar"!!!
@ demokrasia =)) =))
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1637