Mitsangàna! Mijoroa! Mandrosoa!

1. Zafimananadrazana ( 17/01/2009 06:47)
Efa hitantsika teto Madagasikara fa ny fitokonana lava reny sy ny rà nandriaka dia tsy nitondra soa velively hoan\'ny olon-tsotra toa antsika! Mahiràta ka mandiniha ry Mpiray Tanindrazana! Iza no nahazo tombontsoa tamin\'ny 1991 ? Nisy havan\'ny mpanohitra na ny mpitondra tamin\'izany ve namoy ny ainy na nandatsaka ny ràny? Iza no nahangon-karena tamin\'ny raharaha 2002 ? Nisy olon-tsotra toa antsika ve an\'isan\'izany ? Tsotra toy ny tsinaim-balàla ny ahy ny hevitro: eto amin-tsika rehefa tsy mahazo vahana amin\'ny fitondrana ka tsy afaka mahazo tombontsoa manokana hoan\'ny tena dia mitady lalana hatraiza hatraiza hahafahana manao izany ary an\'isan\'izany ny fiketrehana fitokonana sy korontana; eto amin-tsika dia lalana iray natao hanangonan-karena sy hahazahoana tombontsoa manokana hoan\'ny tena sy ny fianakaviana ny fiakarana eo amin\'ny fitondrana! Milazà ianareo mpitondra lehibe nifandimby teto Madagasikara ka tsy nikatsaka tombontsoa manokana hoazy sy hoan\'ny fianakaviany nandritra ny fotoana nitondrany! Esoriko tsy hoisan\'izany ny Jeneraly Ramanantsoa sy Richard Ratsimandrava! Ity farany aza, moa tsy ny finiavany hiala amin\'izany fomba fanaovana politika mamoafady izany no namonoana azy? Izaho dia manizingizina fa tsy ireo mpanao politika amin\'izao fotoana izao ireo, na mpitondra izy na mpanohitra, no hanova ny fomba fanaovana politika ho tena politika fampandrosoana ny Tanindrazana marina!
Mitsangàna! Andeha isika hiarahivondrona ka hiarahanova ny fanaovana politika amin\'izao fotoana izao izay tsy mikendry hafa tsy ny tombon-tsoan\'ny tena manoka fa tena hampiasa ny herin-tsaintsika, ny herim-batantsika ary ny fananantsika mba ho tena fampandrosoana marina an\'i Madagasikara!
Mijoroa! Aza manaiky hatao sorona intsony ho tohatra fiakarana lava izao na hoan\'ny mpanohitra izany na hoan\'ny mpitondra!
Mandrosoa! Andao hiarahanangana ilay Madagasikara vaovao, tsy ho be resaka tsy ho lava kabary fa tena ho sasa-dahasa ary ho tena hahita voka-tsoa hiadanan\'ny Ambanilanitra!
Ny Zafimananadrazana dia ireo olona tsy manaiky intsony ny hafetsifetsen\'ireo mpitarika azy ka mitady hitsentsitra ny hatsembohany sy hihinana amin\'ny fahasasarany fa sahy mananatra ireo Ray aman-dReniny rehefa hitany fa tsy mety aminy ny ataon\'izy ireo ary sahy manoro sy mitarika amin\'ny lalam-baovao tokony hizorana!
Ny Zafimananadrazana dia miasa hoan\'ny Tanindrazana!
2. kilapa ( 17/01/2009 09:16)
rehefa vakiana tsara ilay texte de toa tena lalina b ny zavatra fonosina ao anatiny, ny tena tsara angamba de azavazavinao tsara hoe inona ny tena hiavianao holazaina,
mazava manko fa lany andro fotsiny isika raha hirsaka izay taloha fa na izany aza tsy maintsy ny taloha no tsy maintsy hitondrana ny ho avy.
de aleo hisokatra amizay angamba ny adi hevitra.
3. badboy ( 17/01/2009 10:09)
Mitsangàna ho an'ny marina : iza ilay manana ny marina???
Mijoroa mba tsy ho sorona ho an'ny hafa na tohatra fiakarana intsony : hijoro ho an'iza indray izany??
Mandrosoa : handroso hiaraka @ iza????

:roll: :roll: :roll:
4. naughtyboy ( 17/01/2009 11:08)
zafimanandrazana > misy rohy ve eto mazava ahafahana mandinika ny tetik'asa sy rafitra ary angolankevitra mazava anzany zafimanandrazana izany ho dinidinihana..
Badboy > Mitsangàna ho an'ny marina : iza ilay manana ny marina???
Mijoroa mba tsy ho sorona ho an'ny hafa na tohatra fiakarana intsony : hijoro ho an'iza indray izany??
Mandrosoa : handroso hiaraka @ iza????

izao ve ry badboy no fijery sisa hananana ???? mihena loatra le fatra sy lanja ka aleoko mangina :roll:
5. Mirananirina ( 17/01/2009 13:37)
Mitsangàna! Mijoroa! Mandrosoa

Efa mitsangana,mijoro izahay ,nefa tsy misy fiovana e,tokony hatory sy hitsivalana ary miembotra indray angamba ,dia miova amin'izay.
Sangisangy ny ahy an,sao tezitra eo ianao ry Zafimanandrazana
6. gabidemony ( 17/01/2009 13:45)
Iza moa no tsy mitady ny tombotsony isika tsirairay,ary izany no antony niezahana hatramin\'ny faha-kely t@ fianarana mba hanam-pahaizana sy fahalalàna mba ho toy ny olona ,hahavelona ny fianankaviana,mba irin\'ny olona fa tsy haniry olona, fa tsy mety kosa ny manararaotra toy ny ataon\'ny sasany ka tsy miraharaha na de hamotika ny sasany aza izany.


Fantatry ny sasany izany nefa minia ny tsy mahalala izany.
Araraotin\'ny sasany koa izao krizy izao ny hanozongozonana ny fitondrana
mba hazahoana toerana eo @fitondrana mba hanangonana ihany koa ;
fantan\'izy ireo ny hetahetan\'ny vahoaka ka iny no hery sy fomba handreseny lahatra antsika malagasy kely mora resena lahatra @fampanantenanà.
Mila misaina tsara isika rehefa tonga ny fanoloana ny mpitondra...
7. gasyjean ( 17/01/2009 15:50)
Zafimanadrazana: raha tena fiatiavam-pirenena marina ny anao dia anisan\'ny miara-dia aminao ny tenako,tokony hampiseho ny tena demokrasia ny vahoaka malagasy fa tsy tokony hanaraka am-botony fotsiny izay lazain\'ny mpitondra na iza izy na iza? raha mahasoa ny vahoka ny fitondra dia ho arovana izy tahaka ity farany ity, raha tsy misy tombony hoan\'ny vahoaka kosa dia anjarantsika tsirairay no manapa-kevitra am-pahendrena ka tsy ho voambakan\'ny volakely dia miova hevitra.Anjarantsiika izay mbola manantena fiovana sy fivoarana no mampita izany amin\'manodidina antsika tsirairay mba hampiova marina ny toe-tsain\'ny malagasy, ho sahy mitarika ho amin\'ny tena fitondram-bahoaka tsy misy tombo-tsoa ambadika.Mila \"Che guevara\" vaovao i Madagasikara vao tena ho tafavoaka.
8. naughtyboy ( 17/01/2009 16:25)
ozy da'toa gaby
Mila misaina tsara isika rehefa tonga ny fanoloana ny mpitondra...
=D> =D> =D> io no marina ry vahoaka
ary koa tsisy amipna na analana ity 1 voalazany gasy jean ity
Anjarantsiika izay mbola manantena fiovana sy fivoarana no mampita izany amin'manodidina antsika tsirairay mba hampiova marina ny toe-tsain'ny malagasy, ho sahy mitarika ho amin'ny tena fitondram-bahoaka tsy misy tombo-tsoa ambadika.Mila "Che guevara" vaovao i Madagasikara vao tena ho tafavoaka.
misaotra antsika rehetra izay efa tonga saina sy mahatsapa ny fahoriany firenentsika...
9. badboy ( 17/01/2009 18:12)
naughtyboy:

zafimanandrazana > misy rohy ve eto mazava ahafahana mandinika ny tetik'asa sy rafitra ary angolankevitra mazava anzany zafimanandrazana izany ho dinidinihana..
Badboy > Mitsangàna ho an'ny marina : iza ilay manana ny marina???
Mijoroa mba tsy ho sorona ho an'ny hafa na tohatra fiakarana intsony : hijoro ho an'iza indray izany??
Mandrosoa : handroso hiaraka @ iza????

izao ve ry badboy no fijery sisa hananana ???? mihena loatra le fatra sy lanja ka aleoko mangina :roll:

Raha lany i Sarkozy dia satria inoan'ny frantsay rehetra fa IZY no olona afaka hampitombony fivoarana efa misy ary koa haatanjaka kokoa an'i renimalala!! Raha lany ho filohan'ny aerlokiy i Barak dia satriany heviny mitondra fananteana tahaka ny " YES WE CAN " sy ny heviny manokana no nahalany azy!!

Ka tsy haiko hoe tena jamba ve iano ranamana sa tsy dia tena hary loatra ny sainao satria REHEFA MISY NY HETSIKA DIA TSY MAINTSY MISY NY MPITARIKA ILAY HETSIKA!! Ka tsy haiko hoe izaho ve no donendrina mametraka ilay fanontaniana sa ilay olona hitarika mihintsy no mbola tsy misy na koa maro ireo tia hitarika ka samy misintona ny mamy ho ao aminy???

Misy tombotsoa manokan'i naughtyboy mihintsy ny fampirisihina ilay tolona raha azoko tsara ary mino aho fa iray @ ireo nandray fitenenana teny @ ambassade de france ianao!! Izay angamba ny tena marina!! Tadidio anefa fa ny "zèle sans reflexion n'emmène rien de bon" (à méditer)!!! 8) 8) 8)
10. naughtyboy ( 17/01/2009 19:13)
aza mirediredy re ry badboy fa mbola misy ny saina natao andinihana fa tsy izay tandrifiny vava foana akory no avoaka.... , ony oa efa nahita ahy teny @ ambassade ve kalo i badboy :-D :-D sa efa nahita ahy nitady seza taiza...
TSY NY MPITARIKA no tena olana fa ilay HEVITRA ENTINY HITARIHANA ?ary tsy
ilana lesona indray ngambany io vao hazava
11. badboy ( 17/01/2009 19:25)
Fa milatsaka avy any andanitra angaha ilay hevitra hitarihana sa ilay mpitarika no namolavola ilay izy??

Ary ilay "debout, hardissez, cette terre est sainte" dia manambara ny tena halalintsain'ireo mpitarika ilay hetsika teny @ ambassade!! Nankaiza ilay teny filamatra izao?? Any angabone!! Dia izany ve no olona azo hatokisana hoe hitondra fivoarana??????? Aleoko ihomehezana fotsiny!!! :-D :-D :-D :-D
12. naughtyboy ( 17/01/2009 19:42)
aleo tsy valiana fa omena torohevitra tsy olana . raha tsy zakany sainao sy fantatrao mazava ity atao oe politika kanefa misy sehatra 1 azonao anaranana fo ato "hatsikana sy lalao "no anarany,afaka manarapo tsara :-P =))
13. badboy ( 17/01/2009 19:48)
Ka sarotra hoa ano koa ranamana ny hamaky ilay hevitro satria mahitsy loatra!!

Ary mahafinaritra ahy ilay hevitrao hoe tokony handeha any @ dinika hatsikana satria mahay mampihomehy aho, izany hoe manantalenta ny tenako!! Indrisy anefa fa tsy afaka ny hilaza ny tahak'izay aho raha ny mombanao ranaughtyboy satria ny hevitrao toa ohatry ny afaka apetraka ao @ ilay biriky misy ny dinika hoe "tsetsatsetsa tsy aritra"!! 8) :-D :-D :-D 8) 8)
14. naughtyboy ( 17/01/2009 19:52)
tsy manana olana @ izany za kah fa aleo ajanoko satria manjary simba ny resak'olona fa any @ hatsika sy lalao isika manohy ny resakao =))
15. badboy ( 17/01/2009 19:58)
Ndao ary hoento ny hevitrao ranamana atsy @ "tsetsatsetsa tsy aritra" fa mba tiako ho vakiana!!! 8) 8) 8)
16. naughtyboy ( 17/01/2009 20:12)
ka ra izao no jerena de itondrany badboy hatsika indray ao fa aleo izaho no mankany @ territoir-ny badboy de ny hatsikana sy lalao :°)
17. badboy ( 17/01/2009 20:49)
Aiza ary ity mifararemotra ity!! Mitsangana, mijoroa, mandrosoa!! Ohatry ny mety aminao izany io lohahevitra io ranamana!! 8) 8) 8)
18. naughtyboy ( 18/01/2009 05:35)
sokafy any @ hatsikana ny hevitra dia any @ taninao isika no ifanala ho hita eo =))
19. badboy ( 18/01/2009 09:44)
Miandry anao ny tenako any @ tsetsatsetsa tsy aritra!! Ary aoka izay fandotoana hevitr'olona raha tsy hamaly ny heviny fa manokafa hafa mba hanalanay andro rehefa ilay tsy ampy fanalana azy iny!! Tapitra! 8) 8)
20. naughtyboy ( 18/01/2009 12:18)
refa tsy mahasaky manokatra hevitra aza miantso fa lasa hevijaza ,dikany tsy te anadala ny adala intsony aho fa sao ... =)) =)) dia miala tsiny @ tompony lohahevitra fa adalantsika ikambanana moa ity badboy ity ka atao ahoana...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0811