Mitsangàna! Mijoroa! Mandrosoa!

21. xxx ( 18/01/2009 22:25)
Mipetraha !mitingina !miverena @ lalan'ny fahotana vitanareo ianareo dia ho avontako tokoa .Fa efa naniraka ny zanako lahimatoa tety aho ka mila hahatomombana ny fanjakan'ny raiko.
22. Zafimananadrazana ( 19/01/2009 07:36)
Hita fa tena mahaliana ny maro ny dinika naroson'ny Zafimananadrazana!
Efa voalaza tery aloha fa tsy hoam'ireo mpanao politika mitabataba amin'izao fotoana izao ireo no hipoiran'ny mpanao politika tena hampandroso an'i Madagasikara! Fa ho avy amintsika, mpandala ny foto-pisainana sy fanaovana politika araka ny soatoavina Zafimananadrazana (éthique politique des Zafimananadrazana).
Ny Zafimananadrazana araka ny efa voalazako dia ireo olom-baovao, mpandalina sy mpandinika ny politika , na koa olon-tsotra liana amin'ny fampandrosoana marina ny Tanindrazana. Tsy novolavolain'ny "Zarazarao anjakana", tsy notezain'ny "Samy maka hoazy", fa tsara taizan'ny "Trano atsimo sy avaratra ka izay tsy mahalen-kialofana", teraky ny "Tanan-kavia sy havanana ka izay didi-maharary". Aleon'ny Zafimananadrazana ny "Very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana". Ny fanaovana politika amin'ny Zafimananadrazana dia "Soroka miara-milanja sy tongotra miara-mamindra". Tsy sakaizan'ny mpamadika ny Zafimananadrazana ary tsy manao sy TSY HANAO TOHATRA FIAKARANA NY NAMANA SY NY MPANOHANA AZY! Tsy manome vahana ny tombotsoa manokana hoazy ny Zafimananadrazana! Mikatsaka lalandava izay hahasoa ny Ambanilanitra izy! Manan-karena ny Nosintsika: hoan'ny Zafimananadrazana dia toy ny masoandro miposaka avy Atsinanana ny harem-pirenena ka tokony hahazo ny anjara masoandro tandrify azy avokoa ny Ambanilanitra!
Hoan'izay te ho Zafimananadrazana àry dia eto amin'ity dinika ity aloha isika mitafa, amin'ny fomba matotra sy hahafahana mijoro sy mandroso amin'ny lalana tian'ny Zafimananadrazana rehetra hirosoana!
Arosy ny hevitra sy ny hetsika mety ho azontsika hatao dia hiarahantsika mijery avy eo ny hanatanterahana azy!
Koa alao hery àry!
Mitsangàna! Mijoroa! Mandrosoa!
23. penguin ( 19/01/2009 07:47)
Tairo ry Zafimananadrazana ary aseho fa tena olom-baovao ny tena a!!! Efa hita izao fa mpanarak'efa dia milaza olom-baovao sa lainga izany ????
24. Zafimananadrazana ( 19/01/2009 07:52)
Tsy mba mpanarak'efa araka ny voalazanao ny Zafimananadrazana ry penguin a! Vakio tsara izay voalaza! Ny tavako sy ny anarako tsy mbola hitanao na henonao teo amin'ny sehatry ny fanaovana polotika mihitsy!
25. ravatorano ( 19/01/2009 07:53)
"efa" -n iza no arahiny ry penguin ?
26. nyavo2000 ( 19/01/2009 11:42)
Zah manokana dia tsy dia taitra amin’ny ainga atao toa izany, ….., ny fijoroana sy ny fahasahiana dia atao ampisainana fa tsy atao amin’ny fo izay saika mahavoa ny rehetra indrindra ny tanora vao erotrerony ka lasa matimaty foana na simbasimba foana..

Sady ny fijoriana dia tsy vaninandro sy vanim-potoana no mibaiko azy fa tokony zavatra hiainana andavan’andro ary fitsipi-piainana.

Efa niainako izany fitenenana manainga sy mamporisika ny olona tsy hijery afa-tsy zavatra iray mba ho donton’iny ny sainy aman’eritreriny ka tsy hahay hijery sy handanjalanja ny zavatra atao intsony…

Niaina ny 1991 ( ary tao anatin’ny fitarihana ny tanora tamin’izany), saingy isika rehetra nahita ny vokany….raha izaho manokana aloha dia tsy hitako izay tombotsoa…..very taona iray izaho vao afaka nanao bacc ary mbola nisy ihany koa ny année blanche teny Ankatso, promotions 4 no indray miditra 1ère année…..iza no tena nahazo tombotsoa…

2002 : nisy lafina tsara teo amin’ny fanovana saingy jereo koa ny vokany teo amin’ny lafiny toe-karena, raha tsy hilaza afatsy ny sandam-bola :1 EUR = 3000 F teo aloha, ary nanomboka ny 2002 1 EUR =15.000 F. Ankoatr’izay ny saika fivakisan’ny firenena malagasy sy ny ady an-trano….

Tsy maintsy misy vidiny ny fihetsehana politika izay ary izay no tiako holazaina ary ny vahoaka hatrany no tsy maintsy handray ny kihony….tsy misy vahoaka manakarena amin’ny fidinana an-dalambe….izaho dia sahy manao « fanamby » fa raha misy madinika mpitolona nanakarena satria mahery fo sy tsy mahay afa-tsy hiankam-pilomana ary atao lohalaharana eo anoloana hiafenana dia hiarahaba azy manokana aho.

Matetika ianareo tsy mipetraka aty Dago ( ny sasan-tsasany), mihinana ambolony ary finaritra mamporisika ny eto an-toerana hifamaky loha sy hifamingana an-toerana amin’ny fiarovana ny « demokrasia », satria tokoa mantsy efa payé en EUR na DOLLARS ianareo dia tsy maninona na ho very asa sy tsy mandray karama ny madinika eto DAGO na hikatona aza ny orin’asa afakaba na hitsoaka ireo mpampiasa vola avy any ivelany satria mikorontana ny firenana noho ny « fiarovana ny demokrasia ».

Nohenoina ihany kabary ( ekena tokoa fa misy ihany no tokony horaisina ary tokony hoeritreretin’zay voakasik’izany) saingy amin’ny ankapobeny dia fandranitam-bahoaka no betsaka :

Resahina ny hoe arovy ny Demokrasia, Demokrasia ve ny fihatsiana, ny fanopana ankolaka olona sns….fa tsy Demokrasia ve ny fifandimbiasam-pahefana milamina sa demokrasia tiana hatsangana ny fangalàna fahefana eny an-dalambe tahaka izay fahita hatramin’izay ( izay ekeko fa nandray anjara tamin’ireny ny tenako saingy fa nanenina ary mahatsapa fa tsy toe-tsaina tokony ataon’ny malagasy intsony izany)…..

Lazaina fa lasan’ny vazaha ny harena ankibon’ny tany, ny orin’asa, kanefa mba nahavita inona moa ity malagasy tamin\'’y andron\'ny nationalisation ?
Atao fiharin’amboa ny haren’ny Madagasikara k’aleo lo toa izay ankavana ( izaho tsy momba vazaha, misy tokoa ny tsy rariny ataon’izy ireny ary mila dinihina saingy tokony jerena ny tombotsoa ambonin’ny firenena), iza ary ny malagasy afaka mampiasa vola any FARADOFAY na any AMBATOVY ka afaka milaza fa tsy ilaina ny IDE ( Investissement Direct Entrager) izay fototra manentana ny toekarena ho an’ny firenena tsy manambola ho enti-miasa toa an’i Madagasikara…..dia nolazaina fa ny fandroahana ireny vahiny ireny dia isan’ny fiarovana ny demokrasia…….aoka re tsy ho fahanan-dalitra ny vahoaka e indrindra izahay tanora!

Aza atao « otage » amin’ny fananan’ny tena ny fiainanam-pirenena ka mody demokrasia no dradraina fa ny tombotsoa sy fananana voakitika no tena harovana….

Entanina ny vahoaka sy ny tanora hoe mila hambenana atsy sy aroa , ilay mpaniraka anefa misonanina any antranony matory tsara sns… « eny e fiarovana ny demokrasia daholo izany »….

Teny atsipy amin’ny tanora, efa teo aho no niala , mba tsy handehantsika amin’ny lalan-diso , aza mety hatao fitaovana politika intsony, tsy mbola nisy fihetsiketsehana politika nitondra soa ho an’ny firenena teto hatramin’ny 1972, milazà izay mahita ?…..
Satria efa tapi-dalan-kaleha ireo goak’antitra sy galifantsy amin’ny politika mirefarefa amin’ny tany dia mampiasa ny tanora ho sorona, fa mandrampahoviana no ho foana ity fomba ratsy ity e ?


Mbola hotohizako ny ady hevitra f’izao : aleo aloha ireo no hosaintsainina…
27. nyavo2000 ( 19/01/2009 11:54)
Zah manokana dia tsy dia taitra amin’ny ainga atao toa izany, ….., ny fijoroana sy ny fahasahiana dia atao ampisainana fa tsy atao amin’ny fo izay saika mahavoa ny rehetra indrindra ny tanora vao erotrerony ka lasa matimaty foana na simbasimba foana..

Sady ny fijoroana dia tsy vaninandro sy vanim-potoana no mibaiko azy fa tokony zavatra hiainana andavan’andro ary fitsipi-piainana.

Efa niainako izany fitenenana manainga sy mamporisika ny olona tsy hijery afa-tsy zavatra iray mba ho donton’iny ny sainy aman’eritreriny ka tsy hahay hijery sy handanjalanja ny zavatra atao intsony…

Niaina ny 1991 ( ary tao anatin’ny fitarihana ny tanora tamin’izany), saingy isika rehetra nahita ny vokany….raha izaho manokana aloha dia tsy hitako izay tombotsoa…..very taona iray izaho vao afaka nanao bacc ary mbola nisy ihany koa ny année blanche teny Ankatso, promotions 4 no indray miditra 1ère année…..iza no tena nahazo tombotsoa…

2002 : nisy lafina tsara teo amin’ny fanovana saingy jereo koa ny vokany teo amin’ny lafiny toe-karena, raha tsy hilaza afatsy ny sandam-bola :1 EUR = 3000 F teo aloha, ary nanomboka ny 2002 1 EUR =15.000 F. Ankoatr’izay ny saika fivakisan’ny firenena malagasy sy ny ady an-trano….

Tsy maintsy misy vidiny ny fihetsehana politika izay ary izay no tiako holazaina ary ny vahoaka hatrany no tsy maintsy handray ny kihony….tsy misy vahoaka manakarena amin’ny fidinana an-dalambe….izaho dia sahy manao « fanamby » fa raha misy madinika mpitolona nanakarena satria mahery fo sy tsy mahay afa-tsy hiankam-pilomana ary atao lohalaharana eo anoloana hiafenana dia hiarahaba azy manokana aho.

Matetika ianareo tsy mipetraka aty Dago ( ny sasan-tsasany), mihinana ambolony ary finaritra mamporisika ny eto an-toerana hifamaky loha sy hifamingana an-toerana amin’ny fiarovana ny « demokrasia », satria tokoa mantsy efa payé en EUR na DOLLARS ianareo dia tsy maninona na ho very asa sy tsy mandray karama ny madinika eto DAGO na hikatona aza ny orin’asa afakaba na hitsoaka ireo mpampiasa vola avy any ivelany satria mikorontana ny firenana noho ny « fiarovana ny demokrasia ».

Nohenoina ihany kabary ( ekena tokoa fa misy ihany no tokony horaisina ary tokony hoeritreretin’zay voakasik’izany) saingy amin’ny ankapobeny dia fandranitam-bahoaka no betsaka :

Resahina ny hoe arovy ny Demokrasia, Demokrasia ve ny fihatsiana, ny fanopana ankolaka olona sns….fa tsy Demokrasia ve ny fifandimbiasam-pahefana milamina sa demokrasia tiana hatsangana ny fangalàna fahefana eny an-dalambe tahaka izay fahita hatramin’izay ( izay ekeko fa nandray anjara tamin’ireny ny tenako saingy fa nanenina ary mahatsapa fa tsy toe-tsaina tokony ataon’ny malagasy intsony izany)…..

Lazaina fa lasan’ny vazaha ny harena ankibon’ny tany, ny orin’asa, kanefa mba nahavita inona moa ity malagasy tamin'’y andron'ny nationalisation ?
Atao fiharin’amboa ny haren’ny Madagasikara k’aleo lo toa izay ankavana ( izaho tsy momba vazaha, misy tokoa ny tsy rariny ataon’izy ireny ary mila dinihina saingy tokony jerena ny tombotsoa ambonin’ny firenena), iza ary ny malagasy afaka mampiasa vola any FARADOFAY na any AMBATOVY ka afaka milaza fa tsy ilaina ny IDE ( Investissement Direct Entrager) izay fototra manentana ny toekarena ho an’ny firenena tsy manambola ho enti-miasa toa an’i Madagasikara…..dia nolazaina fa ny fandroahana ireny vahiny ireny dia isan’ny fiarovana ny demokrasia…….aoka re tsy ho fahanan-dalitra ny vahoaka e indrindra izahay tanora!

Aza atao « otage » amin’ny fananan’ny tena ny fiainanam-pirenena ka mody demokrasia no dradraina fa ny tombotsoa sy fananana voakitika no tena harovana….

Entanina ny vahoaka sy ny tanora hoe mila hambenana atsy sy aroa , ilay mpaniraka anefa misonanina any antranony matory tsara sns… « eny e fiarovana ny demokrasia daholo izany »….

Teny atsipy amin’ny tanora, efa teo aho no niala , mba tsy handehantsika amin’ny lalan-diso , aza mety hatao fitaovana politika intsony, tsy mbola nisy fihetsiketsehana politika nitondra soa ho an’ny firenena teto hatramin’ny 1972, milazà izay mahita ?…..
Satria efa tapi-dalan-kaleha ireo goak’antitra sy galifantsy amin’ny politika mirefarefa amin’ny tany dia mampiasa ny tanora ho sorona, fa mandrampahoviana no ho foana ity fomba ratsy ity e ?


Mbola hotohizako ny ady hevitra f’izao : aleo aloha ireo no hosaintsainina…





28. Zafimananadrazana ( 19/01/2009 13:39)
Faly aho fa efa manomboka miseho ny fanohanana ny ampahany amin'ny foto-pisainana vaovao tiako haroso sy hosaintsainin'ny Malagasy rehetra amin'izay eo amin'ny fanaovana politika! Efa kely sisa dia ho Zafimananadrazana i nyavo2000! Tsara fa tohizo ny ezaka! Ny indro kely amin'i nyavo2000 fotsiny dia ny hoe: "ny Zafimananadrazana tsy mitazam-potsiny raha misy tokony harenina eto amin'ny Firenena". Adidin'ny Zafimananadrazana ny manolotra soso-kevitra "tsy mandrava" fa manatsara mba hiadanan'ny Ambanilanitra sy hahazahoany ny anjara masoandrony. Tsy vitan'ny manolotra soso-kevitra fotsiny fa MIKAROKA AMIN'NY FOMBA REHETRA IZAY HANATANTERAHANA ILAY SOSO-KEVITRA!
Enga anie hitombo isa ny Zafimananadrazana ary hijoro tsy hoela isika ho fiadanan'ny Ambanilanitra!
Koa mitsangàna! Mijoroa! Mandrosoa!
29. naughtyboy ( 19/01/2009 14:01)
ataoko fa mahafinaritra ity fomba fijeriny zafimandrazana eto ity ,ny antony tsotra
-tsy amboletra fa hevitra aroso amimpahendrena
-fahatsapana ny adidy izay andrasany firenena avy aminy manokana
-ary indrindra ny fanalavirana ny hevitra fitiavankely izay voiziny zarazarao anjakana
Ireo rehetra ireo dia sombiny angolavaitrany fitiavantanindrazana izay katsahiny sarababembahoaka,izaho maneho ny hevitro dia mankasitraka satria tsy seza na fikatsahana tombotsoa manokana no ahatongavako eto fa zaza nohalebiazana t@ firehankevitra tiavo ny tanindrazana fa any tena io fa tsy an'olombitsy ,tsy antoko politika aho na manohitra na manohana an'iza iza fa mahatsapa fa leo ny fandrebireben'ireto mpamily ny safidimbahoaka rep2 farany ireto no mpitelina ny marina dia ny safidimbahoaka,ireo zvmisy nolazaitsika olana sy fahantrana mihantra @ firenentsika dia noho ireo olombitsy nangalatra sy nampahory ary nampiletika ny mahaizy any Gasikara sy ny malagasy taona marobe ,ny ho avy no ho banjinina miaraka fa izay mitambatra vato ary izay misaraka fasika hoy ny fahendreny razantsika,samia
ho ela velona hiara hahita ilay maraina vaovao ny nosy malalantsika
30. naughtyboy ( 19/01/2009 14:16)
ankoatr'izay inona avy ary ireo fomba fijery sy vahaolana azon'i zafimandrazana
@ ankapobeny hamahana ireo olana diaviny firenentsika ,oh. rafitra maty paika ialana @ ireto mpanao politika mpanodina ny saimbahoaka sy tetik'asa ary fanantaterahana izany irosoana @ fiovana anatsarana sy anarenana ireo tsy nety teo aloha fa liana izahay @ tohiny izay ataoko fa tsy mahadiso ny manotany izany ?
31. penguin ( 19/01/2009 15:28)
Zafimanandrazana aho ééé, naughtyboy ééé, zanety ééé. Inona no vitan'elah ho an'i Madagasikara f'aza be resaka avy an-dafy owwwa.
32. andrywui ( 19/01/2009 16:15)
elah ony lety ry penguin mody manova anaran oe zanety e zao e fa kobon'ny oul fon on elah!! de ela kou ony manao lohankrevety de any amin lohany no misy ny tainy oun ! ka mba tsy mety koa ny ataondry zalah reo kah !! fa tsy tsapanla mits oun ny faoriambahoaka !! tsy za oa no nilaza anzan fa ry zalah any ambadik any a:!! so de oe za ndray!!
33. xxx ( 21/01/2009 00:59)
Mister badboy :mankasitraka anao ho team leader aho ,fa tsy manaiky ny principe d'exploitation -nao !
34. naughtyboy ( 21/01/2009 04:11)
=)) =)) tsy za izao no niteny an' io an,tsy ilaiko mantsy ny miafin'endrika na kely aza raha misy hafatra tiako ampitaina,indrokely @ voalaza dia tsy ho team leader akory aza satria tsy manana ouverture d'esprit ,tonga de kobony olona zany ny atidohany =))
35. Zafimananadrazana ( 21/01/2009 07:39)
Manakory aby?
Somary nisintona kely fa mbola namita iraka tany ambanivolo e!
Amin'izao dingana misy antsika izao aloha ry naughtyboy dia mbola ny fivoizana ny foto-pisainana Zafimananadrazana no ataontsika eto. Avela ireo namana haneho ny heviny, na ny mpankasitraka na ireo mpitsipaka. Harena hoantsika ireny hisintonana lesona hoan'ny ao aoriana.
Rehefa mazava tsara amin'ny mpankasitraka rehetra io foto-pisainana io izay vao miroso amin'ny dingana nolazainao isika. Ny hevitra tera-bary ary tsy fomban'ny Zafimananadrazana ny mamolavola zavatra kasaina sy hotanterahina ka olon-tokana na olom-bitsy no manao izany!
Ka hoy aho hoe aposahy ny hevitra dia iarahantsika midinika eto ny famolavolana sy fanatanterahana azy. Amin'io dingana io dia hifandray amin'ny alalan'ny mailaka amin'izay ny Zafimananadrazana rehetra!
Koa Mitsangàna! Mijoroa! Mandrosoa!
[hoy naughtyboy]
ankoatr'izay inona avy ary ireo fomba fijery sy vahaolana azon'i zafimandrazana
@ ankapobeny hamahana ireo olana diaviny firenentsika ,oh. rafitra maty paika ialana @ ireto mpanao politika mpanodina ny saimbahoaka sy tetik'asa ary fanantaterahana izany irosoana @ fiovana anatsarana sy anarenana ireo tsy nety teo aloha fa liana izahay @ tohiny izay ataoko fa tsy mahadiso ny manotany izany ?
[/quote]


36. penguin ( 21/01/2009 08:04)
Elah vé no zafimanandrazana tsy nahavita inoninona teto amin'ny firenena eh? Tena mitarika ny olona hijoro ho tompon'ny tenany ary hanamboatra ny hoaviny mihintsy izahay fa tsy sahala @'elah. Tsy hamelona ny vady aman-janakay elah na ahazo fahefana aza fa ny asanay hatrany no hivelomanay koa inona no handanianay rondoa amin'ny razan'adala rehetra io.
37. andrywui ( 21/01/2009 09:45)
o lety ry le penguin a! efa olondehibe ane ry le toara ze loza ty io zafimanandrazana vingavingainla io e!! zany ve no mba fampianarana azonla tany amindrainla tany oe hano ny volambahoaka ,amidio ny tanindrazana ,gadrao ny vahoaka de vingavingao ny olondehibe!! tena zaza ratsy taiza elah lety ry lety
38. xxx ( 21/01/2009 13:31)
leo ny di-dohanle mpanaradrenirano ireto aho ka!! efa hita fa tsy mande zao de mbola atosika manta ihany ny farany hipitika ny kodiarany// TSY MANDE ITY FIRENETSIKA TY
39. Zafimananadrazana ( 22/01/2009 12:55)
Manakory aby?
Aza taitra akory amin\'izay valin-teny manafitohina! Tsy taitaitra amin\'izany ny Zafimananadrazana, ary avelao haneho ny heviny eto izay te haneho hevitra rehetra fa aza vinitra amin\'izany! Harena hoantsika ny fananana hevitra maro, ho tsiahy fampitahana (na références) ka aza mora tofoka e!
Ny teny hoe \"Zafimananadrazana\", ankoatra izay efa voalazako tery ambony, dia avy amin\'ny hoe: zafy + fananarana + razana. Mitovy hevitra amin\'ny hoe \"Saonjo mihoatra akondro\" na \" Bibilava nitera-pahafito ka nanatombo refy noho ny reniny\" na koa hoe \"Sakeli-mihoa-joro\" mahalaza azy daholo ireo! Ny teny hoe Zafimananadrazana dia teny fampiasa aty amorontsiraka Atsinanan\'i Madagasikara entina milaza ireo taranaka sy fara mandimby (zanaka, zafy na zafiafy, ...) sahy manohitra ny fahazarana (indrindra fa ny fahazaran-dratsy) mbola mitoetra eo an\'ivon\'ny fiarahamonina fehezin\'ny olo-maventy. Sahy manohitra ny fahazarana tsy hahafahana mampandroso ny fiaraha-monina izy ireo ary sahy manome soso-kevitra hialana na hasolo izany fahazarana izany ho fampandrosoana ny fiarahamonina. Matetika ny Zafimananadrazana dia enjehina amin\'ny voalohany satria manelingelina, manakorotana sy manova zavatra maro ary mety hamoizana tombotsoa manokana mihitsy koa aza! Milefitra ihany anefa ny olo-maventy (Ampanjaka na Tangalamena) raha tena mendrika ny toeran\'izany olo-maventy izany izy, ary dia miroso amin\'ny fifampiraharahana ho fanatanterahana ny soso-kevitra izay napetraky ny Zafimananadrazana!
Koa lazaiko eto àry fa Zafimananadrazana no izy fa tsy zafimanandrazana toy ny lazain\'ny mpivoy hevitra sasany eto! Ny teny hoe Razana eto dia hilazan\'ny olona aty aminay ireo olo-maventy mpitondra eo an\'ivon\'ny fiarahamonina (Ampanjaka na Tangalamena) izay nandova ny Fahalalàny sy ny Fahendreny tamin\'ireo mpitondra teo aloha efa lasan-ko razana. Matetika dia sarotra resen-dahatra izy ireo amin\'io lova azony ary dia mifikitra mafy amin\'izany hany ka raha sendra misy olona (zanaka aman-jafy matetika) manohitra azy ireo ka maharesy lahatra azy ireo dia lazaina fa \"Zafy manana-drazana\" ireny olona ireny!
Io fomba fiteny hoe \"Zafy mananatra razana\" io àry no noraisinay ho filamatra ankehitriny, miampy ireo foto-pisainana sy fomba fijery efa novelabelarina ery ambony, mba ho entina mitsangana, mijoro ary mandroso ho fampandrosoana ny fiarahamonina sy ny firenena iray manontolo!
Fantaro àry manomboka izao: ny Zafimananadrazana dia tsy iza fa ireo zanaka na zafy ankehitriny tsy manaiky intsony ny fomba fanaovana politika ataon\'ireo olo-maventy eto amin\'ny firenena (na mpanohitra ireo na mpanohana ny fitondrana) ary mandroso hevitra sy fomba vaovao tokony hitondrana ny fanaovana politika eto amin\'ny Tanindrazana!
Koa raha resy lahatra amin\'izay fomba fijery vaovao izay ianao dia reseo lahatra ny manodidina anao (vady aman-janaka, fianakaviana, ...) , ny namanao sy ny hafa!
Aza misalasala! Mitsangàna! Mijoroa! Mandrosoa!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.069