Tena misy ve ilay demokrasia eto Dago?????

1. ainaheri ( 15/01/2009 05:53)
Manao fitondran'ny sinoa sy birmania ty Ra8 ty,diktatira,zay tiko iany...hidina ny atsy sakanana ny aroa,tsy mahazo milaza loharanom-baovao raha tsy avy ao aminy iany!!! Zay zany ilay takalon'ny 2002??? Voakakitry ny amboakely tiana ty ny vahoaka!!
novalian'i andrywui ny 20/01/2009 12:02
2. ravatorano ( 15/01/2009 06:32)
ny fifidianana sisa no demokrasia andrasako fa raha tsizany aloha sarotra ny analana andravalo eo izany na dia betska aza ny te hitrongy azy
marina fa tena mùihemotra ny demokrasia eto madagasikara hany ka na ny "independant" tsy miakina aza izao tsy hisy intsony fa tsy maintsy manana antoko politika ianao vao afaka miteny politika ka afaka hirotsaka amin' izany mataotra aza aho fa sao dia hiverina hitovy amin'ny mandatehezam-pirenena indray izy ity
3. xxx ( 15/01/2009 06:45)
Eritrereto hoe 2012 izany izao ny andro dia mino ve enao fa hisy fifidianana madio eo. Izao 2009 ary efa mipararetra isika rehetra.

Ka tsy manana safidy isika e! na hiaritra amin'ny tsy misy antony eo (satria tsy misy zavatra hiova eo, ny loza ary no hitombo) na hitrongy azy eo.
Ka dia mahaiza misafidy re ra-malagasy. Ity hevitr'i hery ity hoe ianareo no nisafidy anio ka dia mahareta fery, tsy mahomby. Raharaha-pirenena io tsinona.
4. nathie86 ( 15/01/2009 07:11)
ny demokrasia d tsy misy ary mbola sarotra ny hisiany, ny olona iray refa mahazo toerana ny autoritaire daholo, tsy mahatsiaro akory ny fampanantenana natao
5. rabingogilabanga ( 15/01/2009 08:56)
ravatorano:
ny fifidianana sisa no demokrasia andrasako fa raha tsizany aloha sarotra ny analana andravalo eo izany na dia betska aza ny te hitrongy azy


marina io @ tany mandroso ; saingy tsy politika no ho teneniko fa histoire politika:

A) 30 janvier 1972: vao avy lany à 99 % i Tsirananana. 3 ème mandat
1ère tour de vita

13 Mai 1972: Grevy nahavoaongana an'i Tsiranana


B.12 Mars 1989: Lany à 80% ratsiraka. 3ème mandat. 1ère tour de vita.

Mai 1991 : Grevy nahavoaongana an'i Ratsiraka

C. decembre 2001- : niova in-telo ny valimpifidianana 1)lany ratsiraka,2) avy eo nitarika ratsiraka, avy eo 3)Mitarika ravalo fa saingy misy ny 2è tour.

Grevy sy ady be, izay nifarana t@ Juillet 2002, vao tafaongana Ratsiraka


D. 1993: I Zafy Albert ihany no president lany t@ fifidianana, ary après 2 è tour. voaongana t@ fifidianana ihany koa

anjarantsika no misaina , na ny mpomba na ny mpanohitra, fa ireo no element historique hahafahantsika mandinika
6. andrywui ( 15/01/2009 09:50)

stratezia politik !!!
-ra te hijannn ela amin fitondrana hoy ilay mpitondra mpanao didy jadona zay dia:
1/-aza avela hisy mpanohitra matanjaka ao amin firenena na tapaho ny lohany(mpitarika)raha mitady hitombo ny heriny
2/-vao manohitra de vonoana ho faty atao filazana fiantsoana imasombahoaka mba hampandemy ny sainy
3/-atao ze ampahantra lalina ny vahoaka mba tsy ahatraka hijery ny fomba hitondrana azy fa ho variana amin'ny harapany sy ny fitadiavany ny androny
4/-tsy avela hisy olona tsotra hanana vola miohatra an'izao miliara ao amin'ny firenena,atao izay hanenana ny volany na ny hareny
IZA AMIN'IREO NO AMPIHARINA AMIN'NY MALAGASY ARY ?
7. penguin ( 15/01/2009 15:24)
Aiza intsony no ahitana fahafahana miteny sy manambara sahala izao fa ny tapa-doha no asa lohan'angidina angamba. :-D :-D :-D
8. andrywui ( 20/01/2009 12:02)
BORAINGONA ZANY !! fa mitenena tsaratsara kokoa noh zay
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0835