Sô misy mhalala ny momba ity hain-teny politika ity nareo
1. benasy
(
13/01/2009 13:54)
Malala a ! Tiako ho tretrika ianao mba hitretrehako koa….
Malala a ! Diso fantatrao aho, ka aza odiana tsy hita re ny amiko.
Tsapako anie fa te-homba ahy ianao ! Eny na tsy ianao ianao aza…. Saingy feno tahotra loatra ny ao anatinao ; satria raha mitovy isika, foana ny hasambaranareo, levona ny fiadananareo, potika ny hasoanareo. Eny hanjavona ny Paradisanareo ! Tsy hoe ho lasanay…. Fa ho lasantsika ! Ka ny « isika » indrindra no atahoranao !
Fantatrao ny hery azoko andrombahana ny eny am-pelatananao fe kely, àry zara raha misy, ka dia araraotinao ny hadalako mody maty manangona ny heriko mba hiatrehako anao. Nefa ny hasambaranao anie tsy hafa fa avy amiko ihany…
Malala a ! Tiako ho sambatra ianao mba hiasambarako, hoya ho. Ary raha tena sambatra ianao, tsy dia ahoako loatra akory ; fa ny hasambaran-disonao no mampiferinaina ahy.
Malala a ! Diso fantatrao ny amiko, nefa aleoko ambara farany hitiavanao ahy kokoa.
Natoniko ianao, nilako dinika mangina nefa nianjonanao aho !
Mbola nanoratra aho, nampitondraiko nefa tsy nisy valiny mihitsy !
Nanoratra ihany aho teny amin’ny vatan-drindrina, nefa tsy notohininao akory !
Nanoratra hatrany aho, nodradraiko an-dampihazo, nefa aiza ianao mba hoe rototra ? Nanoratra aho, àry nanoratra ho anao !
Nokiahiko an-kira, nefa aim-bery foana ny ahy !
Malala a ! Mbola hanoratra aho ho anao, noho ny alaheloko anao fa tsy alaheloko ny tenako.
Diso fantatrao aho, ka aza odiana tsy hita re ny amiko !
Décembre 1995

novalian'i Zozoro ny 13/01/2009 17:55
3. benasy
(
13/01/2009 15:53)
I Malala = Filoha be saina sady mafy loha
hira sy peta-drindrina = tonon-kira politika sy gazety
Manoratra @ vatan-drindrina = grafitis
Izaho = Vahoaka
.... Anjaranao ny maminany ny ambiny
Hitako tamin'ny tahirin-gazetin'i Mamanay izy io, saingy rovitra ny ampahany maro dia izay no mba ilako torohevitra ho an'izay mahalala é !

4. fahamarinana
(
13/01/2009 15:56)
:arrow: lalina indray iny ! mba miandry koa aho zany fa toa mahaliana ahy ity izy. (l)
5. Zozoro
(
13/01/2009 17:55)
i Malala, raha haraka ny fandinihako azy dia entin'ity mpanoratra iantsony ilay tena tiany sy maminy eo amin'ny fiainana dia : FAHAFAHANA, liberté hoy ny vazaha. Hita eto haraka ny teny entiny ny fahasarotana eo amin'ny fazahoana azy sy ny fitazonana azy, na dia mamy dia mamy aza, noho ny zava-tsarotra manakana, kanefa tsy kivy izy fa hiady anao izay azahoana sy hitazonana an'i FAHAFAHANA na amin'ny fomba inona izany : kiaka, soratra, hira, teny sy ny sisa... Izay no fandiniako azy. Mety diso aho.