vonjeo

1. MANAKASINA ( 12/01/2009 18:28)
t@ androny deba dia tena nihinana maloto ny malagasy, izao @ androny ravalo izao, na ilay maloto hohanina aza tsy misy, mba ahona ihany hiafarany ity gasy kely mahatra ity
novalian'i andrywui ny 20/01/2009 12:27
2. ZoRajoela ( 12/01/2009 19:38)
Marina tokoa izany. Ary raha mbola mitohy miaina toy izao isika dia mainka ho sarotra ihany. Ny tiako holazaina dia ny sampy sy ny fanopoana ny razana.
Zavatra tena tsy tian' Andriamanitra izany. Izay rehetra manao izany dia tsy ho vanona. Mibebaha ry malagasy. Miverena amin' i Jehovah. Minoa an' i Jesoa Kristy irery ihany dia ho hitanao ny fitahiana avy amin' Andriamanitra.
3. Jozy ( 13/01/2009 05:40)
Hajao ny tenin'A/tra natao ho fieritreretan'ny tsirairay sy ho fihovantsaina fa tsy ho fitaovam-panatsana ny namanao; ny FITIAVANA ao @ I Kor 13 hanatra manandaja hanatren-tena sy handinihan-tena ka tsy tokony ho arahan-TEHAKA

Matoa tsy manank'hoanina ianao sao anisan'ny miandry an'A/tra sy i Masimbavy Maria hanome ao ambilia satria mihevin-tena ho voafidy nohon'ny fiheverany fa manana ilay fitiavana?

Diniho tsara tompoko. Na i Ratsiraka, na i Ravalomanana, na i Ny Hasina no eo, tsy ny famerimberenanao ny fahalalana antsianjery ny I Kor 13 no hanananao hoanina fa ny FITIAVANAO ASA HO AN'NY TANINDRAZANAO.

Tsy kilalao sy fialamboly ny tenin'ny olonk-hendry. Raha izany no fandraisanao azy dia na hiodina in-jato manodidina ny vohitra Jerikô aza ianao tsy hirodana ny rindriny. Ka ho sahinao indray ny hanao sorona ny zanak'A/tra tsy manantsiny toy ny natao teny Mavoloha t@ 10 aogostra 1991?
4. tsinjo ( 13/01/2009 07:06)
ra samy zanak'Atra no resahana dia samy zanany doly tsika retra ka samia mieritreritra ny tenanay ra izany
5. xxx ( 13/01/2009 08:19)
Aza vingavingaina @ politika ny anaran'A/tra!!! efa nomeny saina ny tsy1/1mba hanao izay tokony ahasoa ity tany ity. Ka ny politika dia an'olombelona fa tsy an'A/tra velively. Avelao izy hipetraka @ toerana tokony hiisy azy any fa ny politika sy saina nomeny anao no ampiasao.
6. andrywui ( 13/01/2009 09:22)
an an an avelao hanome fananarana arapivavahana ze te hanome fa aza raràna mihitsy ka!! natao hitarain'zay rehetra manan'olana na te havotra jehovah fa tsy natao any ambata fotsiny ka!! tena ilaina marina arky ny tenin'i Zorajoela
ny anafahana antsika amin fivavahana sy ny fibebahana fa aona kou ary ty isika matahotra hanonona ny anaran' A/tra ty !! natao aho antsoina Izy na aiza na aiza ry zareo a!!!
7. xxx ( 13/01/2009 09:26)
marina izany Andriamanitra dia eo foana na any an-davaka aza hoy Izy ,dia mihaino foana Izy ,ka aza atao mampatahotra ny mitaraina sy mangataka izay zavatra rehetra ilainao na tianao ho ataony, fa hataony izany raha fivavahana sy fifonana mbamin'ny fisaorana no entinao mangataka zavatra amin'ny Anarany!!
TENA NATAO HO ANTSOINA MARINA IZY NA AIZA NA AIZA
8. naughtyboy ( 13/01/2009 10:27)
voalaza teo
efa nomeny saina ny tsy1/1mba hanao izay tokony ahasoa ity tany ity. Ka ny politika dia an'olombelona fa tsy an'A/tra velively. Avelao izy hipetraka @ toerana tokony hiisy azy any fa ny politika sy saina nomeny anao no ampiasao.

ekena tanteraka,ny saina no mamorona sy manao ny politika ary anarotsaromany olondratsy ny asaratsiny rehetra ,mbola tsy ho tonga saina @ zany ihany ve isika rehetra fa ny hafetsifetseny sasany no mapahory ny hafa fa tsy lahatra na torabato avy any andanitra akory...ahirato @ izay ny saina fa
ny fahoriana iainany firenena akory de tsy fahotany malagasy ka ilainy ivalozany na ifonany ,talenta nomena antsika rehetra ny saina ka ampiasao fa tsy natao ibebahana fotsiny refa voambakany fetsy ratsy...
9. hery ( 13/01/2009 10:29)
Fa tsy efa niantsoana an'Andriamanitra hatramin'izay ve ity fitondrana izay lazainareo indray fa mampihinana maloto ity e? Tsy "Aza matahotra, minoa fotsiny ihany" (Lk. 8. 50) ve no nitondrana ny firenena? Tsy nihoby tamin'ny lamba fotsy ve ianareo 7 taona lasa izay ary niredona ny aleloia sy ny hozana?

Koa raha toa lazainareo fa tsy mamely amin'izao dia Andriamanitra ve no tsy mamely?

Amin'izao indray dia nivavaka teny amin'ny Kianja mitafo ianareo. Dia mbola Andriamanitra indray no asainareo mitondra izay tokony hoentinareo ampisainana. Andriamanitra indray no anipazanareo ny adidy tokony hataonareo. Dia afaka elaela dia lazainareo fa tsy mamely indray... dia tsy azoko intsony.

Raiso ny adidy fa aza omena an'Andriamanitra izany e. Dia zakao koa ny vokatry ny natao (vokatry ny fifidianana io) fa aza Andriamanitra no omena tsiny. Andriamanitra manampy eny anelanelany eny.
10. Annie2006 ( 13/01/2009 10:37)
Miseho lany izao fa tsy manana option hafa ny mpitondra fanjakana raha tsy ny hoe: hamoritra. hamono. Izay foana.
Lazain'ny sasany fa hoe "fahaizana mitantana ny firenena" ny fahaizana mamoritra vahoaka. Asa! samy manana ny fiheverany. Ny tantaran'ny olombelona kosa maneho fa misy farany ihany ny zavtra rehetra ary tena ratsy fiafara ny mpitondra izay miankina @ famoretana ny vahoaka.

Ambava homana....
11. naughtyboy ( 13/01/2009 10:54)
ozy zokilahy Hery
" Raiso ny adidy fa aza omena an'Andriamanitra izany e. "
Io foana no tiako averimberina eto ,manana adidy sy andraikitra dolidoly isika rehetra fa tsy oe Andriamanitra o atsipazo indray ny mana avy any andanitra fa ramaka aho androany...ka anjarantsika rehetra ny safidy
12. penguin ( 14/01/2009 06:40)
Hoy Annie2006: "tsy manana option hafa ny mpitondra fanjakana raha tsy ny hoe: hamoritra. hamono. Izay foana".
Ka ahoana ny Malagasy no tsy voavono sa ny voavono afaka miasa sy mivelona ?
13. andrywui ( 20/01/2009 12:27)
tsy hitan'i penguin ndray anga io famonoana vahoaka mivantana na ankolaka atao azy io!! tsymihinakanina =maty /alefa fahatany any amponja fa atahorana =maty /tapitra amidy varoboba ny tany malalaka eto mada =maty /tsy omena na de zara tany kely aza ny malagasy hivelomany=maty/ karama kely tsy mahatody herinandro = maty/ akarina avobe ny vidin'ny menaka, yaourt,..zay anjakana tokana=maty !!! de raha ireo fotsiny no teneneina tsy efa maty im-10 ny malagasy iray !!! FA ELAH ANGAMBA VELONA TSARA DE TSY MAHATSAPA ANZANY O!!!
-ny anlah toa otran'ny oe trafokena miitsy no ataon'ny malagasy toko raha ny fiadanany eritreretinlakou !!! de mitsetsina letsy ty masonla ka sa minia mitapina ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.2845