MBA FIRY NO ISANY NILAHATRA TENY @ AMBASSADE GASY PARIS EH
1. xxx
(
12/01/2009 17:13)
Iza sy iza avy no mba nilahatra tany paris eh,matahoatra aho mantsy soa dia mbola ny arema ihany no ao ambadika ao 8O 8O 8O 8O
novalian'i tsinjo ny 15/01/2009 12:08
2. ainaheri
(
12/01/2009 18:53)
Mba mandraisa anjara alou f'aza mitazan-davitra,raha oh ka tsy azoazonao refaveo d mahazo miala mora² ,tsisy antery
3. naritsimba
(
13/01/2009 05:17)
Araka ny hitanay tamin'ny Tele omaly dia nisy hetsika tao Paris sy tany Alemaina, tsy dia nazava tsara moa ny tele noho ny toetr'andro fa ny fantatra dia maro no nandray anjara.
4. tataka
(
13/01/2009 06:20)
Fanasoavan-tanindrazana samy mahay mijery izany ka dia iza avy tokoa ireto tena tia tanindrazana ?
5. saranga
(
13/01/2009 06:34)
Vahaolana ve aloha izany e ? Hilahatra any Paris sy Berlin nefa ny eto an-tanàna ny fako manimba orona sy maso. Tena kivy amin'ity TGV ity aho
6. xxx
(
13/01/2009 08:10)
ka mba omeo financement ary izy mba hanadiovany ny tanana e! aloavy ny trosan'ny commune izay tsy vita talohan'ny nandraisany ny toerana.
7. xxx
(
13/01/2009 09:10)
ie zany mitsy !! maimbo ny tanana nefa ny vola hanadiovana tanana kendaina daoul de innn tokotsan ary zany n hanadiovany an'io tanana io e!! hatramina parikazy avy ve no alaina anaovana atsojay aminy ka ra vola tena mba misimisy hanadiovana tanana zany no tonga de sur fa tsy ho azona eo mihitsy !! sa zany anga no mahatonga an'i Tgv mitady vola fanampiny aty ivelany lava io fa tsy omena otran'ny ny andry PETY sy ROLAND Ratsiraka koa ny volany !! izany oe zay tsy misolelaka zany fa mba manana loko politika hafa de tsy maintsy voafingana!! ka tanana innn no ho voadio eo !ze hanalana fako androany tadiavina anio ze hanalana fako apitso tadiavina apitso ka ra tsy mahita de aon?? maimbo zany ny tanana!! ka sady efa tsy mandray karama ve iTGV mbola hamoaka vola ampaosy ndray!!!fingana, atsojay,hoditr'akondro,
kenda roroka,plakazy...zany daholo no mba mahafinaritra ny mpitondra Malagasy!!! FA TSISY fitiavana ,fanetretena,fifanapiana,fanarenana....ZERO daholo! de aiza zany no hiafaran'ny Malagasy aminity hambopo diso toerana ity?? tsy tafarina foana ny isam-baravaranan vahoaka madinika,trongy vao homana,mkororosy, ny toekarena,gisitra lava amin laharana eran-tany!! mba mandiniha leretsy nareo fa alaelon'olona 20tapitrisa,tsinin'olona 20tapitrisa eo ambonin'ny lohanareo sy ny taranakareo mandrakizay

8. penguin
(
13/01/2009 09:23)
Hoy ilay xxx iray hoe: "ka mba omeo financement ary izy mba hanadiovany ny tanana e! aloavy ny trosan'ny commune izay tsy vita talohan'ny nandraisany ny toerana".
Ka nanambara izay vé le TGV hoe hanasoa an'Antananarivo aho ary ho vitako amin'ny alalan'ny vola ho an'ny commune no hiasany. Ny nambarany dia hoe ho vitaina itsy sy iroa ary roboka ny Kil rehetra.

9. andrywui
(
13/01/2009 09:42)
ato ndray ra-penguin a!!ho vitaina ny itsy sy iroa ,hoy enao!!! ! nefa ny paitra anaovana anle itsy sy iroa kendainla tampoka sy esorina tampoka daoul taty aoriana !! f'angah TGV mpaminany no ahafantatra oe ho kendaina amzao sy zao ane za afaka zao volana !! fa de eny ampandehanana manao ny asany enay foana izy no plakena tampoka e!!! ny loharanom-bola amzany vonoiana daoulo ka innn no ho vita eo e!! aleo ho eo io de tairina isika vahoaka hilahatra ,oe sokafy ny robinet n'ny commune fa Tananarivo ve no tena tsy tianao mainty taminle 80% TGV nahakenda teo e! VOHAY NY ROBINET ETO ANTANANARIVO FA MATY NY OUL
10. naritsimba
(
13/01/2009 09:57)
saranga>>> ny ahy tsotra ny tody tsy misy fa ny atao no miverina, mbola ho avy tsy ho ela ny fotoana hiainanareo ny faran'io fanaparam-pahefana io, Andriamanitra tsy andrin'ny hafa andrinay ihany.
11. hery
(
13/01/2009 10:16)
Nisy nilahatra tokoa tany Paris sy Allemagne. Ny resaka novoizina dia hoe hanohitra ilay resaka fivarotana (fampanofana) tany tany Korea (izay toa miha-mazava indray fa tsy nisy akory). Nony tonga tany anefa ny olona dia karazan'ny nantsoina hanohitra fanjakana indray. Tsy mitovy amiko ny hoe miaro ny tanindrazana (izay mety namidin'olon-tokana tokoa angamba) sy ny hoe hilahatra hanongana ny fitondrana indray (= krizy indray). Koa tsy mahagaga raha nialaala ny sasany.
Efa lazaiko foana hoe ny fifidianana ihany no làlana hanalàna mpitondra. Rehefa mifidy dia mifidiana tsara, dia mahaiza mizaka ny vokany.
Ianareo no te hifidy an-dRavalo, nidera sy nihoby ery ianareo t@ "Premier tour dia vita" ary mbola nofidinareo tamin'ny 2è mandat indray. Rehefa nanova lalam-panorenana izy dia mbola nanaiky ihany ianareo na tsy nifidy (manaiky matoa tsy miteny)... koa aza mimenomenona izay vokatry ny ataon-dRavalo filoha nofidinareo.
Toa izany koa momba an'i AndryTGV. Efa nilaza aho talohan'ny fifidianana fa raha vao tsy TIM no mitondra ao Antananarivo dia hiady irery sy ho voasakatsakana. Nizesta anefa ianareo hoe vitany IRERY io. Dia nidedaka ery ianareo nifidy an'i Boay kely. Izao ianareo mimenomenona rehefa maimbo ny tanàna... kay tsy vitany irery fa ny DOMAPUB sy ny INJET no mandroso. Ary ny VIVA TV tsy mandeha no mampalahelo azy fa tsy ny fako tsy voaangona. Naninona izy no tsy nanao ultimatum tamin'ny resaka trosa sy resaka fako fa vao ny AZY manokana no voakitika dia miainga any ny ultimatum? koa toa an-dRavalo koa dia aza mimenomenona izay vokatry ny ataon'i Andry TGV filohan'Antananarivo nofidinareo.
Izahay rehefa mifidy dia zakainay aloha ny vokany na tsara na ratsy, manolotra sosokevitra izay hahatsara izahay. Ary raha tsy mihaino dia tsy hahazo anay intsony amin'ny fifidianana manaraka.

12. Annie2006
(
13/01/2009 10:31)
Ny mahatsikaiky indraindray amin'ireto dia ny hakanosana izay hasehony.
milaza ra hery fa resaka daewoo no niantsoina olona. Tsy namaky, minia tsy mamaky, sy minia jamba angamba izy ka tsy nahita akory izay voasoratra eran'ny fiantsoina nalefa ireny. Tsy mahagaga anefa izny hajambana izany satria ny hakanosana ihany no manosika ny toy izao.
Milaza koa fa hoe "fialandravalo" no lasa ilay resaka. Hakelezan-tsaina ve sa minia jamba ihany no tsy ahafantarana fa raha misy izao daewoo izao (izay lazaindrahery tsy misy indray, hajambana sa hakanosana sa izy roa) dia satria misy ny mpivarotra azy. Raha misy izao antsonjay izao dia satria misy ny mpanao azy. Raha misy izao fandaniam-bolam-panjakana amin'ny hendrikendrika kanefa ny vahoaka terena hiafy, dia satria misy ny mpiompy vahoaka. Ka ny vaha olana @ izany dia ny fikapàna ny loharanon'izany olana izany.
Tettehina zanahina ny saim-bahoaka fa ny any madagasikara angamba no andaitra izany (nefa tsy dia siora loatra aho amin'izao) fa ny any andilam-bato kosa dia tsy voafahana lalitra e.
Raha nisy sahy mijoro na tany Parisy, na tany alemana dia noho ny fitiavan-tanindrazana fa tsy ireo izay miafinafina ato aorian'ny hakanosana.
Safidy io e. ho hitantsika eo ny tohiny. Raha misy moa ny sasany tsy menatra ho kanosa, ka ahoana izahay no ho menatra hiaro ny tanindrazana.
ato misy rohy ahitana ny tany parisy:
http://www.madagate.com
http://www.madagasikara-soa.com
http://www.tvmada.com
Mijoroa, mahasahia, fa masina ity tany ity!

13. hery
(
13/01/2009 10:47)
Ny mahagaga ahy dia hoe taiza ianareo tamin'ny fifidianana, indrindra ilay t@ 2e mandat izay nanaovan'ny sasany antso avo hoe aza mifidy ravalo intsony.
Ny tenanay aloha anisan'ireo niteny hoe diniho tsara zalahy ny hofidiana amin'ity indray mitoraka ity satria t@ 2002 dia ny fanalàna an-dradidy no tena tanjona nifidianana an-dravalo. Raha amin'ity 2007 ity kosa no mbola mifidy an-dravalo dia efa fitiavana ny zava-bitany angamba.
Dia nifidy (navelanareo hifidy) izay tiany ny olona.
Dia avy eo roa taona aty aoriana ianareo dia miakatra?
Sa jamba (araka ilay nolazainareo io) ianareo ka tsy nahita hoe nisy tsy nety tamin'ny 1er mandat dia izao vao tsy nety tampoka?
Hoy aho hoe tsy adala tokoa ny vahoaka, ary tsy jamba, ka tsy hahita izay ambadik'izao fihetsiketsehanareo tampoka tao izao.
Mety misy, ary mety betsaka mihitsy, ny tsy mankasitraka ny ataon-dravalo sy ny governemantany intsony... kanefa dia miezaka ny hanohitra ao anatin'ny ara-dalàna... ary miandry fifidianana. Efa mafy izay vokatry ny korontana sy filaharadaharana izay.
Rehefa misy ny chomage technique vokatry ny grevy dia tsy ianareo no tsy mahazo karama. Ary aza mandainga intsony miteny hoe mihafy kely @ chomage technique fa rehefa milamina dia hahazo asa tsara... satria efa hita ny vokany fa impossible. Tsy tafarina intsony.
Mamosaha hevitra raha mahita atao, fa ampy izay korontana izay... raha tsy manana hevitra dia 3 taona sisa fa mahandrasa :-)

14. Annie2006
(
13/01/2009 11:02)
Izay mihitsy no hilazana fa raha fifidianana karakarain'ny mpamoritra vahoaka dia iny ny vokany. ataoko fa mba mahita ny tany kenya sy tao zimbabwe inao ary iny ny tao madagasikara.
Hita ny t@ fifidianana maro nifanesy. Hita ny antsonjay sy ny fanilihana natao t@ sasany.
Rediredinn'y mpiaro seza no maneho izany hoe "chomge technique" kanefa ny orin'asa mihidy dia miha mitombo isa ihany. Tsy "chomage technique" mantsy no hilazana an'izany. Tsy hitanareo minia jamba mihitsy ny asa very sy ny tany simba noho ireny tetik'asa fandrobana ny harem-pirenena ataon'ny vahiny ireny. Mba any andafy ihany Atoa Hery fa aza manao vazivazy ratsy a.
Tsy misy olona manafina ny zavatra ataonay, ary tsy misy ambadika izany izy io hafa tsy izay fiheveranao azy: Miala ny mpanao jadona, miala ny mpamoritra vahoaka, mba ahafahanan'ny vahoaka haneho ny safidiny. Raha mila fifidianan ianao, inona no atahoranao ny hisian'ny fifidianan madio, tsy misy mpitondra mitanila, manaka ny olona haneho hevitra, manakan ny hafa hilatsaka ho fidiana, ary mba hametrak amin'izay ny fifidianana tsy misy antsonjay?
Raha tsy tia korontana ianao, hajanony ny jadona sy ny antsonjay ary ny famoretan ny vahoaka. Raha tsy izany tsy korotana ny hiseho fa ilay lazin'ny gabi demony, ary raha tonga izny dia io hajambanao io mihitsy no tompn'andraikitra voalohany amin'izany.

16. hery
(
13/01/2009 11:56)
:-) tsy miteny ho ahy aho fa miteny ho an'ireo fianakams-ko sy olom-pantatro any Dago izay arirariranareo amin'ity resaka politika ity.
Misy namako lasa nahantra tanteraka mihitsy satria tamin'ireny grevy lava reny nataonareo tamin'ny 2002 ireny dia nihidy ny orinasa niasany ary hatramin'izao tsy tafarina intsony.
Koa raha hanao kirontana indray ianareo izao dia mino koa aho fa ho avy indray ny krizy ekonomika dia hikatona indray ny orinasa sasany toy ny t@ 2002 dia rehefa tonga eo amin'ny fitondrana indray ny olona apetrakareo dia tsy hisokatra mihitsy ny orinasa nikatona... dia hahantra tanteraka indray ny namana sasany.
Dia afaka 5 taona indray dia ianareo ihany no hanongana izay olona hapetrakareo eo...
Izay marina ilay hoe mirirarira.
Nareo no mametraka dia nareo no manala dia mitady hametraka hafa indray...

17. Annie2006
(
13/01/2009 15:35)
Tsy misy irika intsony. Rehefa milaza ny dokotera fa tsy avotra ny marary iray raha tsy didina ny vay mamely azy dia izany ihany no fanafodiny.
Mitovy amin'izany i Madagasikara. Efa natao daholo ny fanasitranana sy ny fanafody: nomena vola avy any ivelany; nofoanana ny trosa; nitsangana ny mpitondra fivavahana nanohana; nihetsika ny any ivelany nanohana; nahazo mitsangatsangana eran'izao tontolo izao...etsetra etsetra. Dia ny nangoronkarena ihany sy ny nanabotry vahoaka no hany asa nataony.
Lasa vay an-kandrin'ny tanindrazana malagasy ity filoha Ravalomanana ity @ izao. Namidiny ny tanindrazana. Milaza izy (henoy ny kabary t@ alahady) fa mila mifehy kibo ny malagasy satria ho mazana ity crise financière mondiale ity, KANEFA izy nividy avion VIP, mitentina 60 millions de dollars. De qui se moques-ton?
Ary io fa milaza ny sasany fa tsy tokony atao ny korontana. Izany hoe, mihevitra ireto olona ireto fa "fahafalian'ny malagasy" ny te-hikorontana fahatany.
Fa raha hamono kosa dia tsy maintsy miaro tena ny vahoaka satria na ny tanindrazany aza efa lasan'ny Daewoo sy ny orin'asa vahiny hafa.
Tsy misy olona natao ho "tezitra" izany fa matoa misy ilay hatezerana dia misy "antony" ao. Raha tsy te ahita ny vahoaka hikorontana dia mba manaja tena ka ataovy ny asa nasaina nataonao: manompo vahoaka. Fa tsy MAMONO VAHOAKA.
Ny fanafan'izany dia iray ihany: FANDIDINA. Tsy mainsty didina ity vay an-kandrin'ny madagasikara ity raha te ho velona i Madagasikara.
Mijoroa! mahasahia! fa masina ity tany ity.

18. molotra
(
13/01/2009 20:49)
hery:
Toa izany koa momba an'i AndryTGV. Efa nilaza aho talohan'ny fifidianana fa raha vao tsy TIM no mitondra ao Antananarivo dia hiady irery sy ho voasakatsakana
1)raha vao tsy TIM no mitondra ao Antananarivo
2)dia hiady irery
3)ho voasakatsakana
normal izany ireo???????
dia izao ve ry sakaiza no mba fatranao, sy ny famisavisanao (conception-nao) an'ilay hoe politika?
tena kivy aminao aho ry sakaiza, dia ianao ve no nahavita izao. ianao izay nantenaiko!
Raha mbola tsy zakan'ny sakaiza ny milalao ato @ sahan'ny matihanina (pro), dia aza mandoro amabaratonga e (ne brulez pas les etapes); ndana milalao any @ sahan'ny miana-mandeha e! (debutant) tsy misy mahamenatra izany ry sakaiza badboy. samy nandalo tao daholo vao matihanina .
mahereza ry sakaiza.
19. penguin
(
14/01/2009 06:52)
Izay le hoe tsory amin'ny olona fa ny paitra hamitana ny asa dia avy any amin'ny MAHAZATRA ary fampiresahana sy fitiavana ahazo seza ny hoe vitaiko iry sy itsy satria hiankina.
20. Annie2006
(
14/01/2009 10:00)
Izay kanosa afaka matoritory miandry ny asa vitan'ireo izay sahy sy mijoro miaro ny tanindrazany.
Raikitra ny bagara ao madagasikara hanesorana an'ity mpanao jadona ity, nanao antso avo ingahy ben'ny tanàna androany hialana @ antsonjay. Mitohy ny hetsika ao parisy hanaovan'ny diaspora azy.