ZAVA-KANTOZAVA-KANTO

1. Zozoro ( 09/01/2009 18:40)
ZAVA-KANTO

Kintana mamirapiratra amin'ny alina mangina
Iantefan'ny nofinofy any an'habakabaka any
Misy bitsika mankeny, misy amboaram-panirina
Moa tsy zava-kanto izany ?
Saingy izaho tsy mahita ny hasambarana omeny
Tsy mirotsaka hahalala, tsy miteny, tsy mandre
Fa ny saiko sy fanahy no tsarovako manjeny
TSY MAHITA IZAY ALEHA

Volana mangasohaso, maontomatona fijery
Tanisain'ny fo mitia saraka any lavitra any
Manazava ny haizimbe na dia hita manirery
Moa tsy zava-kanto izany ?
Saingy izaho tsy miraika amin'izany rado izany
Ny antony efa fantatrao ka ho lazaiko indray ve ?
Ny eritreritro rehetra, injany lasa, lasa ihany
MBA AMINANY IZAY ALEHA

Rahona manifinify sy manjavozavo ombieny
Mampisinda ny alahelo, lasana any ny tomany
Injany miova kalokalo ny amboaran-teniteny
Moa tsy zava-kanto izany ?
Saingy tsy henoko ny kalo, fahanginana no misy
Tsetsetra anaty fo, izany ihany izao no re
Fa ataoko indray manao ny misotro ny kalisy
AMPISAINANA NY ALEHA

Alabe mijoalajoala ilalaovam-boron-dia
Misy zava-tian'ny maro, mahatonga haminany
Izany mponina ao mpihira ! Izay dia maha te-ho tia
Moa tsy zava-kanto izany ?
Saingy an'ny olon-kafa, tsy natao ho ahy irery
Tsy natao ho ahy mihintsy, tsy anjarako vare ?
Asa ! Fa tsy haiko koa, ny eritreritro manjeny
AIZA RE ITY ALEHA ?

Renirano mahavarina tsy hita fihafarana akory
Tanimboly maitso mavana toy ny Edena tany hoany
Izao tontolo izao misento rotsiany mba hatoritory
Eny zava-kanto izany !
Eny kanto tena kanto, toy ny kanto rehetrarehetra
Fa izaho no tsy mahita izay lalana aleha
Ny fanahiko tontolo ngolingoly sy mitsetra
LAVI-TSINJO, HO AIZA RE ??

Eny izao miseho izao, fanafody lavorary
Dia ny « izao tontolo izao » (voaray ao ny tany)
Anjakan'ny olom-belona, ifalian'izay ary
Efa zava-kanto izany
Saingy izaho tsy manjaka, tsy mifehy, tsy miravo
Fa mierikerika eny, ny eritreritro no be
Tonom-bavaka no alefako mba ho ren'ilay Avo
« TOROY AHY IZAY ALEHA »

Zozoro
novalian'i Koditra ny 09/01/2009 22:18
2. menalamba ( 09/01/2009 20:55)
Miisaotra é! mankasitraka (l)
3. Koditra ( 09/01/2009 22:18)
Las lavitra be zany aingapanahinao zany !
hummm ! Tsara lé izy fa msôtra eh.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4511