MANIF à Paris: HETSIKA HO FIAROVANA NY TANINDRAZANA

1. Annie2006 ( 09/01/2009 12:20)
Azonareo jerena ato ny video ahafahana maminavina ny loza mihatra amin'ny firenen-tsika.
http://www.madagasikara-soa.com/index.php/Chroniques-politiques/COMMUNIQUE-Pour-la-dignite-de-Madagascar-et-de-son-Peuple.html

Aoka isika ho tonga saina ka TSY HO KANOSA intsony ka sahy hijoro hiaro ny tanindrazantsika izay ataon'ny mpitondra varoboba amin'ny vahiny.

Mitsangana raha mbola manana fitiavan-tanindrazana ihany na dia kely aza ka hanohitra ny jadona entina hamonoana ny malagasy.

AOKA TSY HO KANOSA INTSONY ka HO SAHY HANOHITRA NY JADON-DRAVALOMANANA.
novalian'i penguin ny 12/01/2009 14:57
2. kidoropamba ( 09/01/2009 13:06)
saotra é. avelao hoan'ny kanosa ny fanohanana ireo izay mivarotra tanindrazana fa ny antsika dia hitandro an'ity tanindrazana ity tsy hanaovan'i Daewoo ampihimamba azy.

Maty i gasikara ato, voky lainga, raraka pataloha, hitsakitsahin'ireo mpivarotra tanindrazana loha ny vahoaka, manao balady amina raopilany ingahy noheverina fa hiaro ny vahoaka.
Raha tsy nisy anareo tany ivelany dia TIKO no baiboly-nay tato.

Trongiso any ity levalo ity e. Izay kanosa marina no tsy mitady an'izany.
3. penguin ( 09/01/2009 15:12)
Tongava an-tanindrazana raha tena ampandroso sa hoe kely karama any ka tsy ampy anay ?
4. kidoropamba ( 09/01/2009 16:03)
efa aty izahay fa raha mbola izao MPANGALATRA sy mpivarotra tanindrazana izao no mitondra firenena tsy misy zavatra vanona aty. Aleo trongisina aloha izy avy eo nareo vao tonga.

Ny fijanonanareo any aloha no ahafahanay mahalala be be kokoa ny zava mahadomelina omeny anay satria raha tsy tany an-dafy nareo dia tsy fantatray akory izany Daewoo sy varotra tanindrazana nataon'i levalo izany ka hisaorana anareo.

Raha niandry ireo TIM any ivelany dia tena lava-paty i Madagasikara e. Tsy norahirahainy akory.

Aza mbola tonga an-tanindrazana aloha nareo fa aleo trongisina ity mpivarotra tanindrazana ity.

@ alahady no reketinay ny vavaka e
5. andrywui ( 09/01/2009 17:09)
io ndray le penguin sy ny boraingonany!! nefa jereo ny hevitry kidoropamba fa mipetrapetraka tsara ery ny tiany hambara de ny an'i toi anefa mampihinana fotsiny no tena atao eto
6. TWING ( 10/01/2009 11:01)
tsara rehefa mitsinjo ny ho avin ny taranaka e
7. penguin ( 12/01/2009 14:57)
Manja fa miandry le hampiadana ary tary ééé ???
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1145