SOA ihany fa tsy voa-hompy ny gasy sasany any ivelany

1. kidoropamba ( 08/01/2009 10:44)
Amin'izao gazety voateritery ary mahazo menasy hidina raha tsy manaraka baiko izao dia soa ihany fa teo ireo gasy any ivelany mba afaka mandray andraikitra ka miaro ny tanindrazana.

Trongisina hoa ity levalo ity fa mivarotra tanindrazana.

Raha azon'ity raopilanina ity dia VAO MAIKA HANDEHA eran'izao tontolo izao lery hitady MPIVIDY TANINDRAZANA....

Tohero, ary tohero mafy.

Ianareo any ivelany aloha no lohalohavinay @ ity fanakianana ny fivarotana ny tanindrazana ity e. Ny anay dia entinay am-bavaka miaraka @ JEHOVAH ny fiarovana ny tanindrazana (izay sisa tavela).
novalian'i andrywui ny 09/01/2009 16:45
2. penguin ( 08/01/2009 13:46)
Ny akaiky aza miantso vonjy koa ny sarisarin-gasy ve ahafaty baolina. Ry kidoro ve no hianarana tsy ho lany andro eo
3. Annie2006 ( 08/01/2009 13:51)
Azonao ompaina daholo izay gasy rehetra tsy manaiky ny fahaverezan'ny tanindrazany. Tsy hanova ny fitiavanay ny tanindrazana akory izany ary tsy hanakana anay hanohitra ny fivarotana an'izany tanindrazana izany @ vahiny izay mitady sakafo hoazy sy hoan'ny vahoakany.

Ho hitantsika @ asabotsy izao ao parisy na manantsaina ireo olona izay ho tonga ao na koa faly mandany fotoana fotsiny sahala amin'izay fiheveranao azy.

Hirariko ho tonga any anatin'ny avion novidina t@ lion'ny malagasy sy ny ain'ireo taranaka saika handimby ny antson'ny diaspora @ asabotsy ho avy izao.
4. penguin ( 08/01/2009 13:55)
Efa 2009 izao ka tsy ny Annie 2006 no atao hitarafana hevitra. Lany andro sady sarisarin-gasy. Ny MALAGASY eto MADAGASIKARA no tompon'ny ho aviny
5. Annie2006 ( 08/01/2009 17:08)
Hatramin'izao aloha i Daewoo no tompon'ny hoavin'ny Malagasy any Madagasikara. Izay mahatonga ny malagasy any ivelany mitsangana manohitra an'izany.
6. andrywui ( 08/01/2009 17:42)
O ry pengoen a! tsy hanaiky hoverezinjo na oviana na oviana ny malagasy rehetra na aiza izy na aiza rehefa malagasy fa aza manao politikan'ny fanavakavahana nareo!! tsy maintsy manaraka sy mijery ny raharahampirenena ny malagasy rehetra ! ary hitondra ny anjara birikinay hiarovana ny tanindrazana izahay na hanao inn enao na hanao inn!! ny famerezanjo zany efa tamin'ny andron'ny faha mpanjaka zany sa ho averina any indray ve ny tantara!!
7. penguin ( 09/01/2009 15:18)
Ny eto an-toerana no mahavita mihafy na kely karama na sahirana satria mihevitra ny hanamboatra ny ho aviny. Ny an-dafy ny misonenika ny fiainany lasa alavitra no tanisainy. Tongava raha hiaraka hanandratra f'aza manao kanosa na akoholahy fataka amin'ty tari-dositra
8. andrywui ( 09/01/2009 16:45)
tadidio fa ny fanoherana ataon'ny malagasy na aiza izy na aiza defa
lavaka halalinina hanakodiavana an'ity fitindrana ity!! ka na aty frantsa na any madagascar zahay no mandavaka de mitovy ihany ny ao anaty lavaka ao 'AFOBE' ary amin'ny fotoana handatsahanay azy ao de ho tadiavinay eran'ny tanana i Penguin alevina miaraka aminyu ao i toi fa maivandoha
mpanaradrenirano fotsiny tsy mampiasa saina kely akory fa de bontolo be daolo ny valiteny ataon'i Penguin any anaty forum rehetra any!!tsisy valiny mahafapo fa na bontolo na boraingona na boribory!! de NANAHA DRAY LETSY IALAHY ry Penguin ka!! de raiko aho oe!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0529