Tonga ny raopilany nomen'ny Daewoo sy sheritt

1. kidoropamba ( 05/01/2009 19:32)
80% n'ny vahoaka malagasy misakafo indray mandeha isan'andro ihany; 10% ihany ny fisondrotan'ny karaman'ny mpiasa satria mila mifehy kibo hoy rabaina ravalo, kanefa 120.000.000.000 ariary (mitovy @ tetibola natokana @ decentralisation @ 1500 kaominina) ary 100.000.000.000 ariary isan-taona (kojakoja sy fitsangantsanganana any ivelany).

Izany ve mba rariny?

Tsy maintsy trongisina hoa ity ravalo ity fa mamono vahoaka no mivarotra tanindrazana. Izay te hiandry mahazo miandry.
novalian'i andrywui ny 08/01/2009 17:35
2. badboy ( 05/01/2009 22:46)
Sao mba alahelo ny tsy nahazo aza ny anao fa tsy dia tena arahimpandinihina loatra!! Iarahamahalala fa mikefona mafy ny mpitondra @ izao, ka sao dia oraky ny ta hihinana izany fa tsy dia tena hoe ny Malagasy loatra no tena tsinjovina????? 8) 8)
3. Andribe ( 05/01/2009 23:47)
Manaona ikidorompamba,zay aho vao nahita izany hoe ikidoropamba zany! sao de mba sarin'ny rahalahiko io sary apetrakao ho pseudo-nao io azafady indrindra ? Manarak'izany dia misy fanontaniana tiako hapetraka @ Ikidoropamba ,raopilanina inona no tonga ao fa tsy mazava @ nay aty ?Tena fanontaniana mazava sy tsy misy olakolana ,f'angaha tena namidy tokoa ny tanindrazan'ny razambe ? manankasina anie io zavatra io é! ka sao lahy manao ny tanin-drahalahy tsy ho zavatra Ikidoro ka tsy mahalala ny tena atao hoe olombelona misari-kivato ? izaho izao mihevitra an'Ikidorompamba hoe tena mpifandray matetika @ andriamatoa filoha Ravalomanana ,fa olona te hanatsikera ny ao antsaina sy ampon' ny olona hifaneraseranao fotsiny ianao.Tsarovy tsara nefa fa efa t@ andron'andrianjaka dia efa be ny aina nafoy noho ny ady saranga sy ny ady momba io resaka tanim-pirazanana io ary raha mba nandrakitra ny tantara ianao dia hevero tsara fa raha tsy nisy ny ady lova sy ny ady tany tao M/kara ,dia nanenika ny 450 000 000 ny isan'ny mponina tao.@ izao taona hiainantsika izao.
4. Andribe ( 06/01/2009 00:20)
Ankoatr'izay dia miarahaba tratry ny taona an'Ikidorompamba ary mirary fahasalamana koa ,ho lava andro hiainana ary mirary fifananterana @ dimby sy fara. :°) ^^ ;-)
5. rixes ( 06/01/2009 06:07)
asa mba anao ahona ny fiafaran'ty fitondrana manao zay tiana ty , zay mi-contre de allez prison :roll: de hita eo koa zay hilefitra @ ravalo sy andry Rajoelina , efa akaiky ny 13 janvier .
6. anjaro ( 06/01/2009 07:19)
Tokony ho avy amin'izay kosa lay 4L é! Raha tanteraka io, miakatra be ny cote Ra8.........
7. saranga ( 06/01/2009 09:07)
Sao io avion no takalon'ilay tany be 1,3 millions d'hectare ?
8. penguin ( 06/01/2009 09:43)
Ilaina ny avion ry leireto f'aza dia faly hanitatra aaaa. Na ampiana 20 aza ireo mbola tsy ampy sa lainga izany ho anareo milaza andafy rehetra ireo ?
9. kidoropamba ( 06/01/2009 11:01)
Andribe:

Manaona ikidorompamba,zay aho vao nahita izany hoe ikidoropamba zany! sao de mba sarin'ny rahalahiko io sary apetrakao ho pseudo-nao io azafady indrindra ? Manarak'izany dia misy fanontaniana tiako hapetraka @ Ikidoropamba ,raopilanina inona no tonga ao fa tsy mazava @ nay aty ?Tena fanontaniana mazava sy tsy misy olakolana ,f'angaha tena namidy tokoa ny tanindrazan'ny razambe ? manankasina anie io zavatra io é! ka sao lahy manao ny tanin-drahalahy tsy ho zavatra Ikidoro ka tsy mahalala ny tena atao hoe olombelona misari-kivato ? izaho izao mihevitra an'Ikidorompamba hoe tena mpifandray matetika @ andriamatoa filoha Ravalomanana ,fa olona te hanatsikera ny ao antsaina sy ampon' ny olona hifaneraseranao fotsiny ianao.Tsarovy tsara nefa fa efa t@ andron'andrianjaka dia efa be ny aina nafoy noho ny ady saranga sy ny ady momba io resaka tanim-pirazanana io ary raha mba nandrakitra ny tantara ianao dia hevero tsara fa raha tsy nisy ny ady lova sy ny ady tany tao M/kara ,dia nanenika ny 450 000 000 ny isan'ny mponina tao.@ izao taona hiainantsika izao.


Saotra fa mazava ilay resakao ka ataoko mazava koa ny ahy:

Izaho aloha tsy mbola niafina mihitsy fa tena mpanohana an'i TIM sy ity filoha najaiko ity taloha. Fantako ny mombamomba azy. Fa anisan'ireny diso fanantenana kosa aho ka tsy menatra nanohitra ilay nideraderaina taloha. Ny antony? Lasa varoboba ny tanindrazana ka efa mihena sahala @ fen'antitra ny tany azo hilevenana eto gasikara satria ry zareo sinoa sy kanadiana no mividy azy am-bogadiny.

Ny raopilanina indray dia io izy hideraderana tena ao Ivato ao fa 120 miliara ariary no natonta tany kanefa ny fonja tsy ampy mpiambina, ny hopitaly tsy ampy dokotera sy fanafody, ny kilasy tsy ampy mpampianatra sy kojakoja...ny fitsangatsanganan'ny rabaina manao tour dE mOnde sy Tour dE madagasikara no nahamaika azy.

volan'ny gasy, volam-bahoaka, vola vidin'ny tanindrazana no io hideraderany tena io fa tsy volany akory.

ka izao: Tsy ravalomanana-ista intsony fa lasa kista ilay Ravalomanana amiko. Mila trongisina. potehina. Dorana. Misy tsy sahy ahano an'izany. an'azy izany.

Marina fa efa be ny aina nafoy hatr'izay fa matoa nisy izany aina nafoy izanyd ia nisy ny antony. Ka raha mbola mitady aina afoy no ahafahana miaro ny tanindrazana dia aleko afoiko ny ahy mba hitandroaka ny an'i zanako sy ny an'ny zafiko. Satria raha tsy misy zavatra atao eo, na koa hiandry fifidianana volavolain'ny mpanagalatra dia na tianao na tsy tianao dia tsy maintsy hafoiny ihany ny ainao sy ny ain'ny maro.

Tadidio fa efa maro ny aina nafoy amin'ireto tany azon'ny Daewoo ity. Maro ny aina nafoy satria maty tsy ampy fanafody, maty novonoin'ny dahalo, satria ny vola dia nividianana raopilanina fa tsy nanaovana hopitaly, nividianana fanafody na nanakaramana mpitandro filaminana hiaro ny vahoaka.
Maro koa ny aina nafoy ao Iarivo ao satria potehina ny ben'ny tanana hanao zavatra ka miha mitombo ny fahantrana.

Hanatsahatra an'io aina afoin'ity rangahy be ao Iavoloha ity mihitsy ny hanaovana Rombo aminy. Satria tsy vitan'ny aina nafoy ihany no miseho raha mitohy izao fa na ny Tanindrazana aza dia efa nafoy @ sinoa kiry maso.
Ka hoy aho hoe: Izay tsy sahy dia aza miseho fa hipitihan'ny lio izay hipararetra raha lasa ity rombo ity. Fantako hoa ity Ravalomanana ity. Raha tsy misy maty eo tsy mihemotra izy io. Aleo hanao kamikazy izahay zokinjokiny raha tsy sahy nareo tanora.

(l) (l) (l)
10. xxx ( 06/01/2009 14:35)
moramora alou ry kidoropamba fa tsy matinao kamikaze zany izy!! manana Ody tena mahery izy ary Tompoiny' isan'andro hono(vakio ary amin'ny adihevitra ataon'ny sasany ambadika ary) ka raha resaka pacte diabolique marina no ataony dia Fivavahana aloha zany vao kamikaze !! zahay koa efa leon'ny havana Malagasy
idiran'andro matimosary sy ny volambahoaka tsetsafina sy trosaina aty ivelany nefa hirevena voromby milay fotsiny ka mba maharary ihany ny tena fa vitsy ny prezida amin tany mandroso no mividy avion amanjato miliara zany nefa ny vahoaka vizana ko na ny hanina ho hanina anio aza ve tadiavin'ny havana Malagasy rapitso! ka rehefa misy ny hetsika hataon'ny mpitarika ary de tokony miara mirohotra de vitaina ny androtriny ihany ny Fanafahana ny Fanagejana ,
alefaso ny fanamby fa na isika ato amin'ny forum fotsiny aza de efa zavadehibe ny fitambaran'ny Hery
11. kidoropamba ( 06/01/2009 16:04)
Mety nararak'i levalo ao @ ranon'ny mandroseza angamba ny rà-n'ireo OSY novonoina teny mavoloha isaky ny taom-baovao ireo.

Tokony mba handefasanareo rano voahasina avy any Roma izahay aty dago hamafAna ireto rà-n'Osy ao Mandroseza ireo sa ahoana? (l) (l) (l) (l)
12. penguin ( 06/01/2009 16:18)
Rehefa kanosa sy kerisaina dia resaka vongany sisa hanadalana olona. Aiza no tsy hilazan'ilay damopraaa hoe tsy misy lanjany ny mpanohatra Malagasy. Izao hita izao no mba resak'ireto voakaramany.
13. xxx ( 06/01/2009 17:03)
penguin zaza saina sy entimpo loatra enao ! fa misy dia misy ireo zavatra lazain'i kidoropamba ireo fa ataony vazivazy ny azy!! olona tena akaiky azy aho taloha ary nanana ny toerana nametrahany ahy teo amin'ny fiainanay andavanandro, azo lazaina fa mpihavana ihany ary izahay!
raha tena mahalala azy ary ianao ! fantatrao ve ny nahafaty an'ingahy Fara teo besarety mpitaiza azy? fantatrao ny antony? mbola tao aho ary zay ny antony voalohany nialako tao . Tsy te ho responsable ny ran'ireo olona rehetra atao sorona aho!! ampy anao ve izay??
14. kidoropamba ( 06/01/2009 17:12)
Maty koa ny zokin-dravalo t@ 2006 (alohan'ny fifidianana)
Maty ny kaosaYé vozongo (amerikana) tany maroantsetra (any aloha misy ody mahery lavitra noho ny azy angamba) vao haingana teo

Inona ary ny dikan'izany???????????
15. kelly13 ( 06/01/2009 17:59)
xxx>iza zany FARA? mba tatarao mou mba hahalala ny zavamitranga izahay e
16. avana08 ( 06/01/2009 20:14)
ouff,vokaramany hono, iza reo misy devoly ireo?mandiniha @fo tsy miangatra ben an!kozy eh!manaova aloha sondage koa vo mikozy bobaka eh, fa faly amizao ny vahoka m/sy, Mba tsy miteny izy eh,nareo ange efa fantatra fa le mpiaro eh!sur zany!sa ahoana?ouf, mapmé sady mapte hamono lisany!felaanga mahay noho Andry Rajoelina?valio ranga raha mahay an?koa tsy anla doma-pub? onaika tsy amnapa e!mba realiste letia an,ela ny manana angama fa mandehana eny anelakelantrano rehetra eny de ho renialahy ny kozy mianga!miaro mapmé fotsiny,manao tery vay manta ny dikanizany letia ra tsy kopy ela an,fiza no nahalany ani arovanla ra tsy Tananarivo,moa tsy zany?fa maninona no Rafalimanana no tsy lany?maninona?de valio sy masay an?valio fa aza mapmé eo?de ela ze tsanganolona roa sy telo io ve lesy de ampafiriny ela?fela anga betsaka nohony olona nifidy any Andry!na ivazavaza eo ranga ela tsizy mitsy an,raha tsy hoe hiantso merc,hihihihia,na eto @ forumary lisany efa vitsy anisa koa, fiza ela?mangina fa na ilabla eo ela tsyhisy hino tsony eh, manacourage tena sisa ben atao an,courage ry ben an, na ny argumen anareo ary tsy mazava sady tsy norme fa manao tery vay manta,diniho anga raha diso za eh,lo lo lol
17. avana08 ( 06/01/2009 20:42)
iza le niteny hoeilanina ny avion,?fanga enao ande aminio?manonofy fotsiny
18. Papoose ( 06/01/2009 21:48)
iza no hi s'addressenao ry avana08 @zao fa somary fanina kely aho
19. andrywui ( 08/01/2009 17:35)
ny avion angamb !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2497