Ny atao hoe vehivavy manan-karena

1. niryna ( 05/01/2009 03:53)
Isika rehetra dia samy manana tarigetra sy tanjona tiana atao avy. Ny fomba fiteny,ny fomba fijery ,ny fomba fiasa, sns dia azo itarafana ny momba antsika.

Mba nahavariana ahy ity ka dia zaraiko ho antsika:Ny atao hoe vehivavy manan-karena dia :

1- mahay mandanjalanja fiainana,tsy mora miroaroa- saina fa manao zavatra entitra sy matotra s ary dia mijanona sy mitazona izany hevitra na zavatra tiana atao izany.

2-moramora ho azy avokoa izay zavatra ataony na tsy ainy aza dia mahita hevitra foana izy ahafahany mianatra an'iny na tsy menatra izy ny manontany ,na manoro fa tsy konjokonjo. Olona mora azo hiaraha-monina izany e

3-tsy mba matahotahotra, mavitrika foana amin'ny zavatra ataony vokatr'izany dia manome herintsaina azy ny fanaovany zavatra satria tsy misy tahotra fa manana finiavana,tsy miverin-dalana,tsy be fanahiana,fantany hoe vitany dia ataony tokoa fa tsy avelany eny anelanelany eny.

4- malala-tanana:tsy vola ihany fa manoro olona,mampianatra raha misy manontany,tsy manafonafona ka milaza fa tsy ainy daholo na dia fantany sy ainy aza ny zavatra

5- vokatry ny fahalalana tanana ,ny fahamoran-javatra, ny tsy fatahotra dia lasa falifaly lava satria tsy mba reraka na vizaka ny mizara zavatra mahasoa ny rehetra.

6- tia fahadiovana,tsy tia zavatra mikorontana fa tia mandamin-javatra.

7- fahatsarana:tia ny tenany ary tia mikolokolo ny vatany : fahadiovana no fiandohany ary dia tia mikolokolo ny vatany izy ary manana fahatokisana fa namboarin'Atra izy ka tia ny tenany araka ny nanamboarana azy... hmm.. mitia ny tenantsika isika aloha vao afaka mitia ny hafa ,sa tsy izany ?

8- vokatr'ireo rehetra voalazako eo ambony rehetra ireo dia lasa manana fahendrena isika ary dia mahafantatra tsara ny tokony atao na tsy tokony atao amin'ny fandaniana vola...

sao dia mbola misy mahita hafa ?
mbola mahita kely aho fa aleo ny hafa aloha anohy e
(l)niryna

novalian'i niryna ny 17/01/2009 04:56
2. benasy ( 05/01/2009 10:49)
Manankarena ara-tsaina, sa materialy, sa ara-panahy, sa ara-nofo...No tianao horesahina eto ???
Manan-karena ara-tsaina: amiko, ireo izay tsy matahotra ny hitondra ny fiainan'ny hafa ho eo amin'ny fiainana ! (tsy midika hoe esorina ny an'ilay mpizaka an !) no izy
Manan-karena ara-panahy :Mahay mandray tsara am-pisainana ny hevitra ara-panahy. satria manam-panahy andalàna; fa teny soa sakafo, vava ratsy adidy !
Manan-karena ara-materialy : vola amin-karena - tsy misy iadiana hevitra io
Manan-karena ara-nofo : Somary nofonofosana, botrabotra, nambinina teo amin'ny fanànana fitombenana manintona maso...sarotin-javatra !!!
3. Koditra ( 05/01/2009 16:19)
Niryna : Mbô tedavo vevavy manakarena ôtran'io vôlazanao io zà. Kouny?

Benasy : Refa eo apelatanan'ny vhv ny hare-tsaina, hare-panahy sy ny ara-materialy vôlazanao reo dé mitombo oazy ny nofonofo retra manerana ny tenany. Sa tsy zany? :lol:
4. ainaheri ( 06/01/2009 04:34)
Za zao ny fahafantarako ny veh manankarena d ireny sipa mitondra ireny :-P :?
5. bobone ( 06/01/2009 05:56)
Niryna: misaotra akia fa ny ahy dia fitiavana no mibaiko izany rehetra izany ! rehefa ao anatiano ilay fitiavana dia mandeha ho azy ny zavatra rehetra io no manosika anao hanao zavatra tsara ! fa ny olona be fitiavana no tena manana ny harena be indrindra satria na inona zavatra miseho eo @ fiainana dia tony mandrakariva , tsotra e!
sa karakôry zoky !!!!
6. niryna ( 06/01/2009 16:48)
benasy:

Manankarena ara-tsaina, sa materialy, sa ara-panahy, sa ara-nofo...No tianao horesahina eto ???
Manan-karena ara-tsaina: amiko, ireo izay tsy matahotra ny hitondra ny fiainan'ny hafa ho eo amin'ny fiainana ! (tsy midika hoe esorina ny an'ilay mpizaka an !) no izy
Manan-karena ara-panahy :Mahay mandray tsara am-pisainana ny hevitra ara-panahy. satria manam-panahy andalàna; fa teny soa sakafo, vava ratsy adidy !
Manan-karena ara-materialy : vola amin-karena - tsy misy iadiana hevitra io
Manan-karena ara-nofo : Somary nofonofosana, botrabotra, nambinina teo amin'ny fanànana fitombenana manintona maso...sarotin-javatra !!!


izy rehetra mikambana ve tsy mety azo lazaina hoe manan-karena ? mety mahazo izany avokoa kanefa mety ny iray ihany koa an sa ?

7. niryna ( 06/01/2009 16:50)
Koditra:

Niryna : Mbô tedavo vevavy manakarena ôtran'io vôlazanao io zà. Kouny?
angaha tsy mbola voarainao ny adiresiny ? hi,hi

Benasy : Refa eo apelatanan'ny vhv ny hare-tsaina, hare-panahy sy ny ara-materialy vôlazanao reo dé mitombo oazy ny nofonofo retra manerana ny tenany. Sa tsy zany? :lol:
ahoana tokoa io ry Benasy ?


8. niryna ( 06/01/2009 16:52)
ainaheri:

Za zao ny fahafantarako ny veh manankarena d ireny sipa mitondra ireny :-P :?



:D
9. niryna ( 06/01/2009 16:54)
bobone:

Niryna: misaotra akia fa ny ahy dia fitiavana no mibaiko izany rehetra izany ! rehefa ao anatiano ilay fitiavana dia mandeha ho azy ny zavatra rehetra io no manosika anao hanao zavatra tsara !
marina izany ka, ary vokatry ny fitiavana no mahatonga ilay farany hoe fahendrena
fa ny olona be fitiavana no tena manana ny harena be indrindra satria na inona zavatra miseho eo @ fiainana dia tony mandrakariva , tsotra e!
sa karakôry zoky !!!!
dia izay koa no atao hoe manankarem-pitiavana sa ?


10. benasy ( 12/01/2009 10:39)
Hoy ilay cousine-ko izay...
"Jereo tsara ilay lehilahy, fa hohita eo amin'ny masony ny tena momba azy! Tsapatsapao ny patalohany fa
Raha mibontsibotsina be ny andaniny roa, dia be vola izy izay...
Raha ny eo ampovoany eo no mibontsina tsara, dia be fitiavana izy izay !! ??
:-D
11. fenouhy ( 14/01/2009 09:53)
benasy:

Hoy ilay cousine-ko izay...
"Jereo tsara ilay lehilahy, fa hohita eo amin'ny masony ny tena momba azy! Tsapatsapao ny patalohany fa
Raha mibontsibotsina be ny andaniny roa, dia be vola izy izay...
Raha ny eo ampovoany eo no mibontsina tsara, dia be fitiavana izy izay !! ??
:-D


marina izany :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D
12. niryna ( 17/01/2009 04:56)
benasy:

Hoy ilay cousine-ko izay...
"Jereo tsara ilay lehilahy, fa hohita eo amin'ny masony ny tena momba azy! Tsapatsapao ny patalohany fa
Raha mibontsibotsina be ny andaniny roa, dia be vola izy izay...
Raha ny eo ampovoany eo no mibontsina tsara, dia be fitiavana izy izay !! ??
:-D
ka na lahy na vavy tonga dia fantatra amin'ny masony kosa e .Izaho sahy mijery olona amin'ny masony fa misy tsy sahy kanefa ao anatiny ao daholo ny ahalalanao na te hitomany na tazetra na faly na malahelo ny olona


:cry: :oops: :lol: :?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2321