Volon-drambontsoavaly 200 Kg

1. Bita ( 03/01/2009 11:03)
Nandeha nitady volon-drambon-tsoavaly 200 Kg ity Amerikana ity ary noteteziny daholo izay olona mpiompy soavaly ary tonga teo @ ity mpiompy iray ity izy ary hitany fa mety ho ampy 200 kg ny volon'ireo soavaly fa mba maromaro mihoatran'ireo mpiompy hafa. Tonga dia notenen'ilay Amerikana ny tadiaviny fa mila 200 kg volon-drambontsoavaly izy ary ny vidiny tena tsara ny nomeny. Tsy nisalasala ilay Mpiompy fa hoy izy ny volon-drambon-tsoavaly mbola haniry fa ny vola tsy ho tonga fanindroany tahak'izao.
Ka tonga dia notapahiny daholo ny volon-drambon-tsoaviliny rehetra. Rehefa nolanjaina ilay izy dia 199,59 Kg no azo ary dia teo izy niheritreritra fa tsy ho azon'ilay vola raha vao ho lazainy hoe tsy ampy 0,41 Kg ilay izy. Lasa izy nihazakazaka tany @ Dadabeny ary dia nangataka an'i Dadabeny mba hanapaka ny volombavany saria tena lava be tokoa ny volombavan'i Dadabeny ary hoy izy mbola haniry io Dadabe fa ilay vola anie tsy hiverina intsony raha tsy lafontsika ireo sady efa voatapaka daholo ny volon-drambontsoavaly e! Rehefa nieritreritra ilay Dadabeny dia hoy izy eny ary fa hanvotako an-jafikeliko saingy @ ity indray mitoraka ity ihany an? Eny sady ho lasa koa ange io Amerikana io e! Tapaka ilay volombava ary dia nafangarongaro tany ary dia feno ny 200 Kg. Azo ny vola faly ny Amerikana ary faly koa ny mpianakavy.
Andro vitsivitsy taty aoriana hitan'ilay Mpiompy ny Dadabeny teny ambony hazo avo be dia hoy izy Dadabe inona no ataonao eny? Dia hoy Dadabeny izaho tsy hidina any intsony fa maninona? Tonga ny Amerikaninanao. Tonga dia natahotra mafy ilay Mpiompy fa hoe tratra ilay volom-bava... Dia hoy izy aleo azavaiko. Tsia hoy ilay Dadabeny fa mila atody 50 izao dia eny izao hono izy saingy ny ATODY misy ao 48 fotsiny......... :^) :^) :^) :^)
novalian'i ainaheri ny 04/01/2009 09:48
2. xxx ( 03/01/2009 12:02)


Raha tsy afaka manome atody dadabe ty misy olona afaka manome http://video.google.fr/videosearch?hl=it&q=femme+ponde+un+oeuf&um=1&ie=UTF-8&sa=N&tab=wv#q=femme%20ponde%20un%20oeuf&hl=it&emb=0
3. ainaheri ( 04/01/2009 09:48)
:-D :-D :-D :-D :-D mailo kosa dadabe sao mila vonjy eo ndray ny zafikeliny kou :-P
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1927